Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 35

Sarobidy Ireo Be Taona Tsy Mivadika

Sarobidy Ireo Be Taona Tsy Mivadika

“Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy.”​—OHAB. 16:31.

HIRA 138 Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Araka ny Ohabolana 16:31, ahoana no tokony hiheverantsika ny be taona tsy mivadika? b) Inona avy ny fanontaniana hovaliantsika ato?

 MIAVAKA ny valan-javaboary iray any Etazonia. Mety hahita diamondra mipetrapetraka eny amin’ny tany eny mantsy ianao, rehefa mitsidika ao. Mbola tsy notefena anefa ireny diamondra ireny, dia betsaka ny mpitsidika mety tsy ho tonga saina hoe vatosoa sarobidy izy ireny. Andalovany fotsiny àry ilay izy.

2 Sarobidy be hoatran’ireny diamondra ireny ny be taona tsy mivadika. Oharina amin’ny satroboninahitra ny volofotsin’izy ireo, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny Ohabolana 16:31; 20:29) Mety ho mora manadino anefa isika hoe sarobidy ny be taona. Ho be lavitra noho ny vola aman-karena ny soa horaisintsika raha miaiky isika hoe tena ilaina izy ireny. Andao àry isika hamaly an’ireto fanontaniana telo ireto: Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ny be taona tsy mivadika? Nahoana no sarobidy amin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo? Inona no azontsika atao raha te handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny modely omeny?

NAHOANA NO SAROBIDY AMIN’I JEHOVAH NY BE TAONA TSY MIVADIKA?

Sarobidy amin’i Jehovah sy ny vahoakany ny be taona tsy mivadika (Fehintsoratra 3)

3. Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ireo be taona tsy mivadika, rehefa jerena ny Salamo 92:12-15?

3 Sarobidy amin’i Jehovah Andriamanitra ny be taona tsy mivadika. Fantany ny tena maha izy azy ireo, ary mankasitraka ny toetra tsaran-dry zareo izy. Faly i Jehovah rehefa mizara ny fahendrena ananany izy ireny. Betsaka mantsy ny fahendrena voangony, nandritra an’ireo taona maro be nanompoany an’i Jehovah. (Joba 12:12; Ohab. 1:1-4) Sarobidy amin’i Jehovah koa ny fiaretan’izy ireo. (Mal. 3:16) Niatrika olana ry zareo teo amin’ny fiainany, nefa tsy nihena mihitsy ny finoany. Mafy orina kokoa noho ny tamin’izy vao nianatra ny fahamarinana ny fanantenany. Tian’i Jehovah koa ry zareo satria mbola manambara ny anarany “na dia efa fotsy volo aza.”​—Vakio ny Salamo 92:12-15.

4. Inona no afaka mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy be taona?

4 Efa mandroso taona ve ianao? Raha izany, dia matokia fa tsaroan’i Jehovah izay nataonao hatramin’izay. (Heb. 6:10) Nazoto nitory, ohatra, ianao ary mampifaly an’ilay Rainao any an-danitra izany. Niaritra olana isan-karazany koa ianao, ary nisy tamin’izy ireny aza tena nampalahelo be anao. Tsy vitan’izany fa nankatò ny fitsipiky ny Baiboly foana ianao, ary nataonao tsara izay andraikitra lehibe nankinina taminao. Mbola nampiofana ny hafa koa ianao. Nanao izay tsara indrindra vitanao ianao mba haharaka an’ireo fiovana be dia be ataon’ny fandaminana. Ankoatra izany, dia nampirisika ny hafa hanompo manontolo andro ianao sady nanohana azy ireny. Tena tia anao i Jehovah noho ianao tsy mivadika. Mampanantena izy hoe: “Tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.” (Sal. 37:28) Izao no toky omeny anao: ‘Na mandra-pahafotsin’ny volonao aza dia mbola hanohana anao foana aho.’ (Isaia 46:4) Aza mieritreritra àry hoe tsy ilain’ny fandaminan’i Jehovah intsony ianao satria efa mandroso taona. Matokia fa tena sarobidy ianao!

SAROBIDY AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH NY BE TAONA

5. Inona no tokony hotadidin’ny be taona?

5 Manan-javatra be dia be azo omena ny fandaminan’i Jehovah ny be taona. Marina fa tsy matanjaka hoatran’ny taloha intsony angamba ry zareo. Be dia be anefa ny traikefa voangony nandritra ny taona maro. Mbola betsaka àry no azon’i Jehovah ampiasana an-dry zareo. Manamarina an’izany ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah sasany taloha sy amin’izao.

6-7. Iza no be taona voaresaka ao amin’ny Baiboly hoe nahazo fitahiana satria tsy nivadika mihitsy?

6 Voaresaka ao amin’ny Baiboly hoe nisy olona nanaiky hampiasain’i Jehovah foana na dia efa be taona aza. Valopolo taona teo ho eo, ohatra, i Mosesy tamin’izy notendren’i Jehovah ho mpaminany sy hitarika ny firenen’Israely. Hoatr’izany koa i Daniela mpaminany. Efa 90 taona mahery angamba izy nefa mbola nampiasain’i Jehovah ho mpitondra teniny. Mety ho efa 90 taona mahery koa ny apostoly Jaona, tamin’izy nahazo ny fanahy masina mba hanoratra ny bokin’ny Apokalypsy.

7 Betsaka koa ny be taona tsy nivadika nefa tsy be mpahalala. Tsy voamariky ny olona angamba izy ireny. I Jehovah anefa nahita azy ireny, ary namaly soa azy noho izy tsy nivadika. ‘Olo-marina sy natahotra an’Andriamanitra’, ohatra, i Simeona. Zara raha miresaka momba azy ny Baiboly. Na izany aza dia fantatr’i Jehovah izy, ary nomeny tombontsoa hahita an’i Jesosy zazakely. Nasainy naminany momba an’i Jesosy sy ny reniny koa izy. (Lioka 2:22, 25-35) Resahin’ny Baiboly koa hoe efa 84 taona i Ana mpaminanivavy, nefa “tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly.” Efa maty vady izy tamin’izany. Azo lazaina hoe tsy tapaka fivoriana mihitsy i Ana. Nahazo valisoa tsara be àry izy, satria nahita an’i Jesosy zazakely koa. Hitantsika amin’izany fa sarobidy tamin’i Jehovah i Simeona sy Ana.​—Lioka 2:36-38.

Efa 80 taona mahery izao ny Ranabavy Didur. Mbola manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika izy (Fehintsoratra 8)

8-9. Inona ny zavatra tsara mbola vitan’ny anabavy maty vady?

8 Betsaka koa ny be taona tsy mivadika amin’izao, ary tena modely ho antsika izy ireny. Hoatr’izany ny Ranabavy Loïs Didur. Vao 21 taona izy rehefa voatendry ho mpisava lalana manokana tany Kanada. Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny taona maro niaraka tamin’ny vadiny izy tatỳ aoriana. John no anaran’ny vadiny. Nanompo tao amin’ny Betelan’i Kanada nandritra ny 20 taona mahery ry zareo avy eo. Nasaina hifindra tany Ukraine izy mivady, tamin’i Loïs 58 taona. Nieritreritra ve ry zareo hoe efa antitra loatra ka tsy ho afaka hanompo any an-tany hafa? Tsia! Nanaiky hifindra ry zareo, ary voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana tany i John. Mbola nanapa-kevitra hijanona tany Ukraine ihany i Loïs, na dia rehefa maty aza i John fito taona tatỳ aoriana. Efa 81 taona i Loïs izao. Mbola manompo ao amin’ny sampan’i Ukraine izy, ary tena tian’ny fianakavian’ny Betela.

9 Mety tsy ho voamariky ny olona hoatran’ny tamin’ny vadiny mbola teo ny anabavy maty vady hoatran’i Loïs. Tsy hoe rehefa maty vady anefa ny anabavy iray, dia hoe lasa tsy dia sarobidy intsony. Sarobidy be amin’i Jehovah foana ireny anabavy ireny, satria nanohana ny vadiny nandritra ny taona maro ary mbola tsy mivadika. (1 Tim. 5:3) Tsy vitan’izany fa tena mampahery an’ireo tanora noho izy ry zareo.

10. Inona ny ohatra tena tsara navelan’i Tony?

10 Maro ny rahalahy sy anabavy be taona tsy afaka mivoaka ny trano. Sarobidy koa izy ireny. Hoatr’izany ny rahalahy antsoina hoe Tony. Mipetraka any amina trano fitaizana be antitra izy izao. Natao batisa izy tamin’izy 20 taona tamin’ny Aogositra 1942, tany Pennsylvanie, any Etazonia. Voantso ho miaramila izy taoriana kelin’ny batisany. Tsy nanaiky anefa izy dia nigadra roa taona sy tapany. Nanambady an’i Hilda izy tatỳ aoriana, ary nampian’izy mivady hanompo an’i Jehovah ny zanany mianadahy. Fiangonana telo no efa nisy an’i Tony, ary mpiandraikitra mpitantan-draharaha * izy tao amin’ireo fiangonana ireo. Mpiandraikitra ny fivoriamben’ny faritra koa izy tamin’izany. Tsy izay ihany fa nitarika fivoriana sy nampianatra Baiboly tao amin’ny fonja iray izy. Efa 98 taona i Tony izao, nefa mbola tsy te hipetrapetraka mihitsy! Mbola manao izay tsara indrindra vitany foana izy, ary miara-miasa tsara amin’ny fiangonana misy azy.

11. Ahoana no hampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny be taona, anisan’izany ireo mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra?

11 Ahoana no hampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny be taona, anisan’izany ireo mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra? Raha azo atao dia afaka manampy azy ireny ny anti-panahy, ohatra hoe mba hanatrika na hihaino ny fivoriana ary hitory. Mampiseho koa isika hoe miahy azy raha mitsidika na mitelefaonina azy, na manao antso amin’ny alalan’ny video. Tokony hahintsika manokana ny be taona mipetraka lavitra ny fiangonana misy azy. Mipetraka irery angamba izy ireny, na miaraka amin’ny havana tsy Vavolombelona. Mila mitandrina isika mba tsy hanadino azy ireny. Mety ho sadaikatra ny sasany amin’izy ireny hiresaka momba ny fiainany, na mety hieritreritra izy hoe tsy mety izany. Maninona àry raha maka fotoana hiarahana aminy, dia atao izay hahatonga azy hiresaka? Henoy tsara izy avy eo rehefa mitantara ny zavatra nahafinaritra azy tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Handray soa be dia be ianao raha manao an’izany.

12. Rahalahy sy anabavy hoatran’ny ahoana no mety ho hitanao ao amin’ny fiangonanao?

12 Mety ho gaga ianao rehefa mifankahalala amin’ireo rahalahy sy anabavy be taona ao amin’ny fiangonanao. Ho hitanao hoe hay izy ireny tena nahavita tsy nivadika ary modely ho antsika. Hoatr’izany ny anabavy atao hoe Harriette. Efa aman-taonany izy no nanompo tao amin’ny fiangonany taloha any New Jersey, any Etazonia. Nipetraka tany amin’ny zanany vavy izy tatỳ aoriana. Naka fotoana mba hahafantarana azy bebe kokoa ny mpiara-manompo tao amin’ilay fiangonany vaovao, dia hitan’izy ireo hoe tena miavaka i Harriette. Notantarainy an-dry zareo hoe nanao ahoana ny fanompoany tamin’izy vao nianatra ny fahamarinana, tamin’ny 1925 tany ho any. Nampahery be an-dry zareo izany! Nitondra borosy nify foana, hono, izy rehefa nitory, amin’izay tonga dia vonona raha sanatria voasambotra ka migadra. Indroa nigadra izy tamin’ny 1933, ary naharitra herinandro avy izany. Mbola kely ny zanany telo tamin’izany, dia ny vadiny no nikarakara an-dry zareo. Tsy Vavolombelona io vadiny io nefa tena nanohana azy. Tena tokony ho sarobidy amintsika ny be taona tsy mivadika hoatran’i Harriette.

13. Inona no manaporofo fa sarobidy ny be taona eo anivon’ny fandaminana?

13 Sarobidy amin’i Jehovah sy ny fandaminany ny rahalahy sy anabavy be taona. Hitan-dry zareo hoe nisy fomba be dia be nataon’i Jehovah mba hitahiana ny fandaminany. Betsaka koa ny fitahiana azon’izy ireo. Tsy vitan’izany fa nandray lesona lehibe avy tamin’ny fahadisoana nataony izy. Tadidio àry fa “loharanom-pahendrena” ireny be taona ireny, ary mianara avy aminy. (Ohab. 18:4) Inona no ho vokany raha maka fotoana hahafantarana azy ireny ianao? Hanatanjaka ny finoanao izany, ary hianatra zavatra be dia be ianao.

MANDRAISA SOA AVY AMIN’NY OHATRA OMEN’IREO BE TAONA

Nandray soa i Elisa rehefa niaraka tamin’i Elia. Mandray soa koa isika rehefa mihaino ny fitantaran’ny be taona nanompo an’i Jehovah efa ela (Fehintsoratra 14-15)

14. Mampirisika antsika hanao inona ny Deoteronomia 32:7?

14 Ianao mihitsy no mila manatona ny be taona, dia miresaka aminy. (Vakio ny Deoteronomia 32:7.) Marina hoe mety ho efa manjavozavo ny masony, miadana kokoa ny famindrany, ary malefaka kokoa ny feony. Azo lazaina hoe mbola tanora anefa izy any am-pony any, ary manana “laza tsara” eo anatrehan’i Jehovah noho ny ezaka nataony. (Mpito. 7:1) Tadidio hoe nahoana ny be taona no sarobidy amin’i Jehovah. Hajao foana koa ry zareo. Miezaha hifikitra aminy hoatran’ny nataon’i Elisa. Tsy nanaiky mihitsy izy raha tsy nijanona niaraka tamin’i Elia, tamin’ilay andro farany niarahan-dry zareo. Intelo izy no nilaza tamin’i Elia hoe: “Tsy handao anao aho.”​—2 Mpanj. 2:2, 4, 6.

15. Inona no azontsika anontaniana ny be taona?

15 Ahoana no azonao ampisehoana amin’ny be taona fa tena miahy azy ianao? (Ohab. 1:5; 20:5; 1 Tim. 5:1, 2) Ametraho fanontaniana izy, ary miezaha ho tsara fanahy rehefa manao an’izany. Azonao anontaniana, ohatra, izy hoe: “Inona no nandresy lahatra anao hoe nahita ny fahamarinana ianao?” “Inona ny zavatra niainanao ka nahatonga anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah?” “Inona no hitanao hoe manampy anao ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah?” (1 Tim. 6:6-8) Henoy tsara izy avy eo rehefa mitantara.

16. Nahoana no mandray soa na ny tanora na ny be taona rehefa mifampiresaka?

16 Raha miresaka amin’ny be taona ianao, dia samy handray soa na ianao na izy. (Rom. 1:12) Vao mainka, ohatra, ianao hatoky hoe tena mikarakara ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah. Ilay be taona indray hahatsapa fa tena tiana izy. Ho faly izy hitantara aminao ny fitahiana nomen’i Jehovah azy.

17. Nahoana no vao mainka tsara tarehy ny be taona tsy mivadika rehefa mandroso taona?

17 Mihalefy ny hatsaran-tarehy rehefa mihantitra ny olona. Amin’i Jehovah anefa dia mihamitombo isan-taona ny hatsaran’ny olona tsy mivadika aminy. (1 Tes. 1:2, 3) Fa maninona? Satria navelan-dry zareo hamolavola azy sy hanatsara ny toetrany ny fanahin’i Jehovah, tao anatin’izay taona maro lasa izay. Miezaha àry hahafantatra bebe kokoa an’ireo zokiolona malalantsika. Hajao koa izy ireo ary mianara aminy. Arakaraka ny hanaovanao an’izany no hahatonga anao hihevitra azy ireo ho sarobidy.

18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Hitantsika tato fa tokony hihevitra ny zokiolona ho sarobidy ny tanora kokoa. Tokony hoheverin’ny be taona ho sarobidy koa anefa ny tanora. Hihamatanjaka ny fiangonana raha samy manao an’izany izy ireo. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hampisehoan’ny zokiolona fa sarobidy amin’izy ireo ny tanora ao amin’ny fiangonana.

HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!

^ feh. 5 Azo oharina amin’ny harena sarobidy ireo be taona tsy mivadika. Hampirisika antsika hankasitraka kokoa azy ireo ity lahatsoratra ity. Horesahintsika koa hoe inona no azontsika atao, raha te handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny fahendren’izy ireo sy ny traikefany isika. Tsy izay ihany fa hanome toky an’ireo be taona ity lahatsoratra ity hoe tena sarobidy amin’ny fandaminan’i Jehovah ry zareo.

^ feh. 10 Anti-panahy mpandrindra no iantsoana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha amin’izao.