Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 39

Ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana” ve ny Anaranao?

Ao Amin’ny “Bokin’ny Fiainana” ve ny Anaranao?

“Nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho fahatsiarovana an’ireo matahotra an’i Jehovah.”​—MAL. 3:16.

HIRA 61 Mandrosoa, ry Vavolombelona!

HO HITANAO ATO a

Nampian’i Jehovah tsikelikely ny anarana ao amin’ny “bokin’ny fiainana” nanomboka tamin’ny andron’i Abela (Fehintsoratra 1-2)

1. Inona ilay boky anoratan’i Jehovah hatramin’izao, araka ny Malakia 3:16, ary inona no hita ao?

 EFA an’arivony taona izao i Jehovah no manoratra ao amin’ny boky iray tena miavaka. Lisitra-na anarana no ao amin’izy io, ary ny an’i Abela no voalohany ao. b Izy mantsy no vavolombelona voalohany tsy nivadika. (Lioka 11:50, 51) Nampian’i Jehovah anarana hafa tao amin’ilay boky nanomboka tamin’izay, ary efa an-tapitrisany izao ny anarana ao. Antsoina hoe “boky fahatsiarovana”, na “bokin’ny fiainana”, na “horonam-bokin’ny fiainana” io boky io ao amin’ny Baiboly, fa “bokin’ny fiainana” no iantsoantsika azy ato.​—Vakio ny Malakia 3:16; Apok. 3:5; 17:8.

2. Ny anaran’iza no ao amin’ny bokin’ny fiainana, ary inona no tokony hataontsika raha tiantsika ho ao koa ny anarantsika?

2 Hita ao amin’io boky miavaka io ny anaran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra matahotra na manaja lalina azy, ary mankamamy ny anarany. Manantena hahazo fiainana mandrakizay ry zareo. Ary isika? Ho voasoratra ao koa ny anarantsika raha miezaka hifandray akaiky amin’i Jehovah isika, noho isika mino ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany. (Jaona 3:16, 36) Tiantsika rehetra raha mba hita ao amin’io boky io ny anarantsika, na manantena hiaina any an-danitra isika, na ho eto an-tany.

3-4. a) Azo antoka ve fa ho velona mandrakizay isika raha efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana izao ny anarantsika? Hazavao. b) Inona no horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka?

3 Midika ve izany fa azo antoka hoe ho velona mandrakizay izay rehetra voasoratra anarana ao amin’ilay boky? Mamaly an’izany ny Eksodosy 32:33. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy ao: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hofafako tsy ho ao amin’ny bokiko.” Mbola azo fafana na kosehina àry ny anarana efa ao amin’izao. Hoatran’ny hoe mbola nosoratan’i Jehovah tamin’ny pensilihazo mantsy ilay izy. (Apok. 3:5, f.a.p.) Tsy maintsy ataontsika azo antoka àry hoe ao amin’io boky io foana ny anarantsika mandra-pahatongan’ilay fotoana hanoratana azy io amin’ny stylo, raha izay no ilazana azy.

4 Mety ho lasa saina anefa isika hoe inona no lazain’ny Baiboly momba an’ireo voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainana sy ireo tsy voasoratra anarana ao? Rahoviana vao ho velona mandrakizay ireo voasoratra anarana ao? Ary ahoana ny amin’ny olona efa maty nefa tsy afaka nahafantatra an’i Jehovah? Mbola ho voasoratra ao ihany ve ny anaran-dry zareo? Hamaly an’ireo ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

NY ANARAN’IZA NO AO AMIN’ILAY BOKY?

5-6. a) Ny anaran’iza no anisan’ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana, araka ny Filipianina 4:3? b) Rahoviana vao tsy ho voafafa ao amin’io boky io intsony ny anaran-dry zareo?

5 Ny anaran’iza no voasoratra ao amin’io boky an’ohatra io? Hiresaka antokon’olona dimy isika mba hamaliana an’izany. Ao amin’ilay boky ny anaran’ny sasany amin’izy ireo, fa ny an’ny hafa kosa tsy ao.

6 Ireo voafidy hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra ilay antokon’olona voalohany. Efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ve izao ny anaran-dry zareo? Eny. Nilaza tamin’ireo “mpiara-miasa” taminy tany Filipy ny apostoly Paoly fa efa ao amin’ny bokin’ny fiainana izao ny anaran’ireo voahosotra, izay nasaina hiara-manjaka amin’i Jesosy. (Vakio ny Filipianina 4:3.) Tsy tokony hivadika mihitsy anefa ry zareo, raha tiany ho ao foana ny anarany. Tsy ho voafafa ao intsony izany, rehefa mahazo ny tombo-kase farany ry zareo, izany hoe alohan’ny hahafatesany na alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe.​—Apok. 7:3.

7. Rahoviana ny anaran’ny vahoaka be vao tsy ho voafafa ao amin’ilay boky intsony? (Apokalypsy 7:16, 17)

7 Ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa ilay antokon’olona faharoa. Voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ve izao ny anaran-dry zareo? Eny. Mbola ho ao ve izany rehefa tafavoaka velona amin’ny Aramagedona ry zareo? Eny. (Apok. 7:14) Nilaza i Jesosy fa “hahazo fiainana mandrakizay” ireo ondriny ireo. (Mat. 25:46) Tsy tonga dia hiaina mandrakizay anefa izay ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona. Mbola hoatran’ny hoe ho voasoratra amin’ny pensilihazo ihany mantsy ny anarany. “Hiandry azy ireo hoatran’ny ataon’ny mpiandry ondry” i Jesosy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, ary “hitarika azy ireo ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” Tsy ho voafafa ao amin’ny bokin’ny fiainana intsony ny anaran’izay manaiky ny tari-dalan’i Kristy sy hita hoe tsy mivadika amin’i Jehovah amin’ny fitsarana farany.​—Vakio ny Apokalypsy 7:16, 17.

8. Ny anaran’iza no tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana, ary inona no hanjo azy ireo?

8 Ny osy ho ringana amin’ny Aramagedona ilay antokon’olona fahatelo. Tsy ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran-dry zareo. Nilaza i Jesosy fa “haringana mandrakizay” izy ireny. (Mat. 25:46) Nahazo fanahy masina koa i Paoly dia nilaza fa “hotsaraina izy ireny ka hosazina, izany hoe horinganina mandrakizay.” (2 Tes. 1:9; 2 Pet. 2:9) Izany koa no hanjo an’izay rehetra manao fanahy iniana manota amin’ny fanahy masina. Tsy hiaina mandrakizay ry zareo fa ho ringana mandrakizay. Mazava àry fa tsy hatsangana amin’ny maty ry zareo. (Mat. 12:32; Mar. 3:28, 29; Heb. 6:4-6) Andao isika izao hiresaka antokon’olona roa hatsangana eto an-tany.

IREO HATSANGANA AMIN’NY MATY

9. Iza avy ireo antokon’olona roa hatsangana eto an-tany, araka ny Asan’ny Apostoly 24:15? Inona no tsy mampitovy an’ireo antokon’olona ireo?

9 Miresaka antokon’olona roa hatsangana amin’ny maty ny Baiboly, dia “ny marina” sy “ny tsy marina.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15.) Samy afaka manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany ry zareo. Ireo nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy tamin-dry zareo mbola velona no atao hoe “ny marina.” “Ny tsy marina” kosa dia izay tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fahavelony. Mifanipaka amin’izay lazain’i Jehovah fa marina aza ny nataon’ny ankamaroan-dry zareo. Ao amin’ny bokin’ny fiainana ve ny anaran’ireo antokon’olona roa ireo, matoa hoe samy hatsangana ry zareo? Andao hodinihintsika tsirairay ireo mba hamaliana an’izany.

10. Maninona no hatsangana amin’ny maty “ny marina”, ary inona ny tombontsoa ho azon’ny sasany amin’izy ireo? (Jereo koa ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity, momba ny fananganana ny maty eto an-tany.)

10 “Ny marina” ilay antokon’olona fahefatra. Efa tao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran-dry zareo talohan’ny nahafatesany. Nesorina tao ve ny anarany rehefa maty izy? Tsy izany mihitsy, satria mbola tadidin’i Jehovah tsara ry zareo, ka hoatran’ny hoe mbola velona. “Tsy mba Andriamanitry ny maty” mantsy i Jehovah “fa an’ny velona satria aminy dia velona daholo izy rehetra ireo.” (Lioka 20:38) Midika izany fa rehefa atsangana eto an-tany ny marina, dia ho hita ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany na dia hoatran’ny hoe mbola amin’ny pensilihazo aza. (Lioka 14:14) Azo antoka fa hahazo tombontsoa ho lasa “andriana manerana ny tany” ny sasany amin’izy ireo.​—Sal. 45:16.

11. Inona no mila ianaran’ireo olona “tsy marina” vao ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany?

11 “Ny tsy marina” ilay antokon’olona fahadimy farany hodinihintsika. Tsy nahalala an’izay notakin’i Jehovah angamba ry zareo, dia tsy nanaraka an’izay lazainy hoe marina tamin’ny mbola velona. Tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana àry ny anarany. Hatsangan’Andriamanitra anefa ry zareo, dia afaka ny ho voasoratra ao ihany ny anarany amin’ny farany. Mila fanampiana be anefa ireo “tsy marina” ireo. Nisy taminy mantsy nanao zavatra ratsy sy nahatsiravina taloha. Mila ampianarina an-dry zareo àry hoe ahoana izany manaraka ny fitsipik’i Jehovah izany. Mba hahavitana an’izany, dia hisy asa fampianarana lehibe hiandraiketan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay.

12. a) Iza no hampianatra an’ireo tsy marina? b) Inona no hanjo an’izay tsy manaiky hampihatra an’izay ianarany?

12 Iza no hampianatra an’ireo tsy marina? Ny vahoaka be sy ireo olona marina hatsangana amin’ny maty. Mila mifandray amin’i Jehovah sy manokan-tena ho azy anefa ireo tsy marina ireo, vao ho voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany. Hanaraka akaiky ny fandrosoan-dry zareo i Jesosy Kristy sy ireo mpitsara miaraka aminy. (Apok. 20:4) Haringana izay rehetra tsy manaiky an’izany fanampiana izany, na dia mety ho efa 100 taona aza. (Isaia 65:20) Afaka mahita ny any am-po mantsy i Jehovah sy Jesosy, ka tsy hisy havelan-dry zareo hanimba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao.​—Isaia 11:9; 60:18; 65:25; Jaona 2:25.

HATSANGANA MBA HAHAZO FIAINANA SY MBA HOTSARAINA

13-14. a) Ahoana no nahazoantsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:29 taloha? b) Inona no tsara homarihina amin’ireo teniny ireo?

13 Niresaka momba an’ireo hatsangana eto an-tany koa i Jesosy. Nilaza, ohatra, izy hoe: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Izay nanao ny tsara dia hatsangana mba hahazo fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana mba hotsaraina.” (Jaona 5:28, 29) Inona no tiany holazaina amin’izany?

14 Nieritreritra isika taloha fa izay ataon’ilay olona aorian’ny hananganana azy amin’ny maty no tian’i Jesosy holazaina eo. Nohazavaina tamin’izay hoe ho zatra hanao ny tsara ny sasany amin’ireo hatsangana, fa ny sasany kosa ho zatra hanao ratsy. Mariho anefa fa tsy nilaza i Jesosy hoe vao mivoaka avy ao am-pasana ireo olona hatsangana amin’ny maty dia hanao ny tsara na ho zatra hanao ratsy. Filazam-potoana lasa no nampiasain’i Jesosy teo. Niresaka momba an’izay “nanao ny tsara” sy izay “zatra nanao ratsy” izy. Midika izany fa ny zavatra nataon’ilay olona talohan’ny nahafatesany no resahina eo. Mitombina tsara izany, satria tsy hisy havela ho zatra hanao ratsy ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy maintsy hoe talohan’ny nahafatesany ilay olona tsy marina no nanao an’izany. Ahoana àry no tokony hahazoantsika an’ilay tenin’i Jesosy hoe “hatsangana mba hahazo fiainana” sy ilay hoe “hatsangana mba hotsaraina”?

15. Iza no “hatsangana mba hahazo fiainana”? Nahoana?

15 Ny olo-marina nanao ny tsara talohan’ny nahafatesany no “hatsangana mba hahazo fiainana.” Efa ho ao amin’ny bokin’ny fiainana mantsy ny anaran-dry zareo. Midika izany fa ilay fitsanganan’ny “marina” voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15 ihany ny fitsanganan’ireo “nanao ny tsara” resahin’ny Jaona 5:29. Mifanaraka tsara amin’izay voalazan’ny Romanina 6:7 izany fanazavana izany. Izao no voalaza ao: “Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” Afaka tamin’ny fahotany ireny olo-marina ireny rehefa maty, ka hohadinoina tanteraka izany. Ny tsy fivadihany kosa hotsaroan’i Jehovah foana. (Heb. 6:10) Mazava ho azy fa tsy tokony hivadika mihitsy ireo olo-marina hatsangana amin’ny maty ireo, raha tsy tiany ho voafafa ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany.

16. Inona no dikan’ny hoe “hatsangana mba hotsaraina”?

16 Ahoana kosa ny amin’ireo zatra nanao ratsy tamin’ny mbola velona? Marina fa afaka tamin’ny fahotany izy ireo rehefa maty, kanefa tsy nanompo an’i Jehovah ry zareo tamin’ny mbola velona. Tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana àry ny anarany. Midika izany fa mitovy amin’ilay fitsanganan’ny “tsy marina” voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:15 ihany ny fitsanganan’ireo “zatra nanao ratsy.” “Hatsangana mba hotsaraina” ry zareo. c Hotsaraina ireo olona tsy marina ireo amin’ny heviny hoe hodinihina izay hataony. (Lioka 22:30) Mila fotoana vao ho hita raha mendrika ny hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anaran-dry zareo na tsia. Rehefa miala amin’ny fanao ratsy sy manokan-tena ho an’i Jehovah ihany ireo tsy marina ireo vao ho voasoratra ao ny anarany.

17-18. Mila manao inona izay rehetra hatsangana eto an-tany, ary inona ilay hoe “nataon’izy ireo” voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 20:12, 13?

17 Mila mankatò ny lalàna ao amin’ireo horonam-boky vaovao izay rehetra hatsangana amin’ny maty, na olo-marina izy taloha na tsia. Hosokafana mandritra ny Fanjakana Arivo Taona ireo horonana ireo. Niresaka momba an’izany ny apostoly Jaona rehefa nitantara an’izay hitany tao amin’ny fahitana. Hoy izy: “Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Nisy horonam-boky iray koa anefa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky ireo ny maty, arakaraka izay nataon’izy ireo.”​—Apok. 20:12, 13.

18 Inona no hitsarana an’ireo hatsangana amin’ny maty? Izay “nataon’izy ireo” talohan’ny nahafatesany ve? Tsy izany! Tadidio fa efa afaka madiodio tamin’ny fahotany ry zareo rehefa maty. Tsy ny zavatra “nataon’izy ireo” tamin’ny mbola velona àry no tiana horesahina eo, fa ny nataony rehefa avy nampianarina ao amin’ny tontolo vaovao. Na ny olona tsy nivadika hoatran-dry Noa, Samoela, Davida, ary Daniela aza tsy maintsy mianatra momba an’i Jesosy Kristy sy maneho finoana ny sorona nataony, mainka moa fa ireo olona tsy marina!

19. Inona no hiafaran’izay tsy manararaotra an’io fandaharana tena tsara io?

19 Inona no hiafaran’izay tsy manararaotra an’io fandaharana tena tsara io? Hoy ny Apokalypsy 20:15: “Natsipy mafy tao amin’ny farihy afo ... izay tsy voasoratra anarana tao amin’ny bokin’ny fiainana.” Haringana mandrakizay àry ry zareo. Noho izany, dia tokony hataontsika azo antoka hoe ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarantsika, ary tsy ho voafafa ao intsony. Tena zava-dehibe ny hanaovana an’izany!

Rahalahy iray mandray anjara amin’ilay asa fampianarana lehibe hatao mandritra ny Fanjakana Arivo Taona (Fehintsoratra 20)

20. Inona no asa mahafinaritra hatao mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

20 Hahafinaritra be ny Fanjakana Arivo Taona! Anisan’ny zavatra hatao eto an-tany mandritra an’io fotoana io, ilay asa fampianarana lehibe indrindra mbola tsy nisy hoatr’izany. Amin’izay koa no hodinihina ny fitondran-tenan’ireo olona marina sy tsy marina. (Isaia 26:9; Asa. 17:31) Ahoana no hanatanterahana an’io asa fampianarana io? Hanampy antsika hahazo sy hankasitraka an’izany fandaharana tena tsara izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 147 Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay

a Milaza ny Jaona 5:28, 29 fa hisy “hatsangana mba hahazo fiainana”, ary hisy koa “hatsangana mba hotsaraina.” Nahitsy ny fahazoantsika an’ireo tenin’i Jesosy ireo. Horesahintsika ato hoe inona àry no tiany holazaina amin’ireo karazana fitsanganana roa ireo, ary iza avy no voakasik’izany.

b Efa hatramin’ny “nanorenana an’izao tontolo izao” no nanomboka nosoratana io boky io, izany hoe efa hatramin’ny nisian’ny olona azo avotana ho afaka amin’ny fahotana. (Mat. 25:34; Apok. 17:8) Azo inoana àry fa ny anaran’i Abela, ilay olo-marina, no voalohany hita ao.

c Fanamelohana no nahazoantsika an’ilay teny hoe “fitsarana” taloha. Marina aloha fa mety hanana an’izay heviny izay io teny io. Raha jerena anefa ny andinin-teny manodidina, dia ny hevitra ankapoben’ilay teny hoe “fitsarana” no toa nampiasain’i Jesosy teto. Te hilaza izy hoe omena fotoana ny olona iray dia hodinihina izy mandritra an’izay fotoana izay, na araka ny hazavain’ny diksionera grika iray hoe “dinihina akaiky ny fitondran-tenany.”