Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 40

Ho Vitanao io, Hoatran’i Petera!

Ho Vitanao io, Hoatran’i Petera!

“Tompo ô, mandehana fa aza manakaiky ahy fa mpanota aho.”​—LIOKA 5:8.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no nataon’i Petera rehefa nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga?

 NANARATO nandritra ny alina tontolo i Petera, fa tsy nahazo trondro mihitsy. Mahagaga anefa fa niteny taminy i Jesosy hoe: “Mandrosondrosoa any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo dia hahazo trondro ianareo!” (Lioka 5:4) Tsy nino i Petera hoe hahazo trondro, nefa narahiny ihany ny teniny. Nalatsany ny harato, dia nahazo trondro be dia be ka efa saika rovitra mihitsy ilay izy. “Gaga be” i Petera sy ny namany, satria fantany hoe vao avy nahita fahagagana ry zareo. Niteny àry i Petera hoe: “Tompo ô, mandehana fa aza manakaiky ahy fa mpanota aho.” (Lioka 5:6-9) Toa nahatsiaro ho tsy mendrika i Petera na dia ny ho eo anatrehan’i Jesosy fotsiny aza.

2. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny ohatr’i Petera?

2 Marina ny an’i Petera hoe “mpanota” izy. Resahin’ny Soratra Masina fa nilaza sy nanao zavatra nanenenany izy indraindray. Mahatsapa hoatran’i Petera ve ianao? Misy toetra ratsy na fahalemena iadianao hatry ny ela ve? Raha izany, dia hampahery anao ny ohatr’i Petera. Fa maninona? Eritrereto izao: Tsy voatery nosoratana ao amin’ny Baiboly ny fahadisoany. Nasain’Andriamanitra nosoratana tao anefa izany, mba ho fianarana ho antsika. (2 Tim. 3:16, 17) Nanana fahalemena sy fihetseham-po hoatran’ny antsika i Petera. Rehefa mianatra momba azy àry isika, dia ho hitantsika fa tsy mitaky fahalavorariana amintsika i Jehovah. Tiany kosa isika hikiry, na hoe hiezaka foana, na dia manana fahalemena aza.

3. Maninona isika no mila mikiry foana?

3 Maninona isika no mila mikiry foana? Satria arakaraka ny anaovana zavatra iray no hahaizana an’ilay izy. Andao isika haka ohatra: Aman-taonany ny olona iray vao hahay hitendry gitara. Mety ho efa nandiso naoty an’arivony izy tao anatin’izay, nefa hihamahay izy raha miezaka foana. Na dia efa lasa mpitendry matihanina aza izy, dia mety hanao diso ihany indraindray. Tsy milavo lefona anefa izy, fa manatsara ny fahaizany foana. Hoatr’izany koa isika. Na dia efa nandresy fahalemena sasany aza isika, dia mety ho resy ihany indraindray. Mila miezaka foana anefa isika. Milaza sy manao zavatra anenenantsika daholo isika. Na izany aza, dia hanampy antsika handroso i Jehovah, raha tsy manaiky hilavo lefona isika. (1 Pet. 5:10) Andao àry isika handinika ny modelin’i Petera, satria izy nikiry foana. Nangoraka azy i Jesosy, na dia nanao zavatra tsy nety aza izy. Handrisika antsika hanohy hanompo an’i Jehovah foana izany.

NIADY MAFY I PETERA DIA NAHAZO FITAHIANA

Ahoana no hataonao raha miaina zavatra hoatran’ny an’i Petera ianao? (Fehintsoratra 4)

4. Ahoana no fahitan’i Petera ny tenany araka ny Lioka 5:5-10, nefa inona ny toky nomen’i Jesosy azy?

4 Maninona i Petera no nilaza hoe “mpanota” izy? (Vakio ny Lioka 5:5-10.) Inona ny fahotana tao an-tsainy? Tsy miresaka an’izany ny Soratra Masina, fa mety ho nanao fahadisoana lehibe izy. Hitan’i Jesosy hoe natahotra izy, satria angamba nahatsiaro ho tsy mendrika. Fantany koa fa afaka ny tsy hivadika mihitsy i Petera. Tsara fanahy taminy àry i Jesosy dia nilaza hoe: “Aza matahotra.” Natoky azy izy, ka nanova ny fiainan’i Petera izany. Nialan’i Petera sy Andrea rahalahiny ny asan-dry zareo tatỳ aoriana, dia lasa mpanara-dia an’ilay Mesia ry zareo. Nitondra fitahiana miavaka izany fanapahan-kevitra izany!​—Mar. 1:16-18.

5. Inona ny fitahiana azon’i Petera noho izy tsy nanaiky ho resin’ny tahotra sy nanaiky ny fanasan’i Jesosy?

5 Be dia be ny zavatra nahafinaritra niainan’i Petera, rehefa lasa mpanara-dia an’i Kristy izy. Nanatri-maso teo izy rehefa nanasitrana ny marary i Jesosy, namoaka demonia, ary nanangana ny maty mihitsy aza. b (Mat. 8:14-17; Mar. 5:37, 41, 42) Nahazo fahitana momba ny voninahitry ny Fanjakan’i Jesosy amin’ny hoavy koa izy, ary nisy vokany be taminy izany. (Mar. 9:1-8; 2 Pet. 1:16-18) Nahita zavatra maro be tsy nampoiziny mihitsy i Petera. Tsy maintsy hoe faly be izao izy, satria tsy nisy fihetseham-po navelany hisakana azy tsy hahazo an’ireo fitahiana ireo!

6. Vetivety ve dia resin’i Petera ny fahalemeny? Hazavao.

6 Na teo aza ny zavatra hitan’i Petera sy henony, dia mbola niady tamin’ny fahalemeny ihany izy. Ireto misy ohatra: Notenenin’i Petera mafy i Jesosy, rehefa nanazava taminy hoe hijaly sy ho faty araka ny resahin’ny faminanian’ny Baiboly. (Mar. 8:31-33) Imbetsaka koa izy sy ny apostoly hafa no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra. (Mar. 9:33, 34) Ary inona no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy? Taitaitra be i Petera dia nanapaka ny sofin’ny lehilahy iray. (Jaona 18:10) Raiki-tahotra koa izy tamin’io alina io, dia intelo nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy, nefa mpinamana ry zareo. (Mar. 14:66-72) Nigogogogo nitomany izy vokatr’izany.​—Mat. 26:75.

7. Afaka nanao inona i Petera rehefa avy natsangana i Jesosy?

7 Kivy tanteraka ilay apostoly, nefa tsy nahafoy azy i Jesosy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nataony izay hahafahan’i Petera hampiseho hoe mbola tia azy izy. Nasainy niandry ny andian’ondriny izy, dia nanaiky. (Jaona 21:15-17) Tany Jerosalema izy tamin’ny andro Pentekosta, ary anisan’ireo voalohany voahosotry ny fanahy masina.

8. Inona ny fahadisoana lehibe nataon’i Petera tany Antiokia?

8 Mbola nanana ny fahalemeny ihany i Petera, na dia efa lasa Kristianina voahosotra aza. Eritrereto izay nitranga tamin’ny taona 36. Voahosotry ny fanahy masina i Kornelio, ary nahita an’izany i Petera. Anisan’ny hafa firenena tsy voafora izy io. Hita amin’izany hoe “tsy mijery tavan’olona Andriamanitra”, ary afaka ny ho anisan’ny fiangonana kristianina ny hafa firenena. (Asa. 10:34, 44, 45) Nanomboka niara-nisakafo tamin-dry zareo àry i Petera, nefa tsy ho nanao an’izany mihitsy izy taloha. (Gal. 2:12) Nisy Kristianina jiosy anefa nieritreritra hoe tsy tokony hiara-misakafo ny Jiosy sy ny hafa firenena. Rehefa nisy tamin-dry zareo tonga tany Antiokia, dia tsy niara-nisakafo tamin’ireo rahalahiny hafa firenena intsony i Petera. Natahotra angamba izy sao ho tafintohina ny Kristianina jiosy. Nanitsy an’i Petera teo imason’ny rehetra ny apostoly Paoly, rehefa nahita hoe nihatsaravelatsihy izy. (Gal. 2:13, 14) Na teo aza anefa ny fahadisoana nataon’i Petera, dia tsy nilavo lefona izy. Inona no nanampy azy?

INONA NO NANAMPY AZY TSY HILAVO LEFONA?

9. Ahoana no ahitana hoe tsy nivadika i Petera, araka ny Jaona 6:68, 69?

9 Tsy nivadika i Petera. Tsy nisy navelany hahatonga azy hilavo lefona tanteraka. Noporofoiny, indray mandeha, hoe tsy nivadika izy, rehefa nilaza zavatra tsy azon’ny mpianany i Jesosy. (Vakio ny Jaona 6:68, 69.) Tsy mba nanontany na niandry fanazavana ny maro tamin’ny mpianany, fa tonga dia tsy nanara-dia an’i Jesosy intsony. Tsy hoatr’izany anefa i Petera. Niaiky izy hoe ny ‘teny lazain’i Jesosy’ ihany “no hahazoana fiainana mandrakizay.”

Natoky an’i Petera i Jesosy. Nahoana izany no mampahery anao? (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe natoky an’i Petera izy? (Jereo koa ny sary.)

10 Tsy nahafoy an’i Petera i Jesosy. Fantany hoe handao azy i Petera sy ny apostoly hafa, ny alina talohan’ny nahafatesany. Na izany aza, dia nilaza taminy i Jesosy fa natoky izy hoe ho tafarina i Petera, ary hahavita tsy hivadika mihitsy. (Lioka 22:31, 32) Azony mantsy hoe “mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.” (Mar. 14:38) Tsy nanary an’i Petera àry i Jesosy, na dia nanda ho tsy nahafantatra azy aza izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ary azo inoana hoe i Petera irery no teo. (Mar. 16:7; Lioka 24:34; 1 Kor. 15:5) Tsy maintsy hoe nampahery an’io apostoly efa torotoro fo io izany!

11. Ahoana no nataon’i Jesosy mba hanomezana toky an’i Petera hoe hanohana azy i Jehovah?

11 Nanome toky an’i Petera i Jesosy hoe hikarakara azy i Jehovah. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, dia nataony nahazo trondro tamin’ny fomba mahagaga indray i Petera sy ny apostoly hafa. (Jaona 21:4-6) Azo antoka fa nanome toky an’i Petera iny fahagagana iny hoe mora amin’i Jehovah ny hanome an’izay ilainy. Tadidin’ilay apostoly angamba ny tenin’i Jesosy hoe homen’i Jehovah an’izay ilainy ireo ‘mikatsaka foana an’ilay Fanjakana’ alohan’ny zavatra hafa. (Mat. 6:33) Nampihatra an’izany àry i Petera, ka ny fanompoana no tena nifantohany fa tsy ny fanaratoana. Sahy nitory izy tamin’ny Pentekosta taona 33, ka an’arivony no nanaiky ny vaovao tsara. (Asa. 2:14, 37-41) Nanampy ny Samaritanina sy ny hafa firenena hanaiky an’i Kristy koa izy taorian’izay. (Asa. 8:14-17; 10:44-48) Tena nampiasa be an’i Petera i Jehovah mba hitaomana olona isan-karazany ho anisan’ny fiangonana.

LESONA HO ANTSIKA

12. Araka ny ohatr’i Petera, inona no tokony hotadidintsika raha sarotra ny miala amin’ny fahalemena iray?

12 Afaka manampy antsika tsy hilavo lefona i Jehovah. Mety tsy ho mora izany, indrindra raha manana fahalemena sarotra ialana isika. Indraindray aza mety ho hoatran’ny hoe lehibe kokoa noho ny an’i Petera ny fahalementsika. Afaka manome hery antsika anefa i Jehovah mba tsy ho kivy isika. (Sal. 94:17-19) Diniho ny ohatry ny rahalahy iray. Niaraka tamin’ny lehilahy nandritra ny taona maro izy, talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Tapa-kevitra anefa izy hoe hiala amin’izany fanao ratsy izany. Na izany aza, dia nila niady tamin’ny fanirian-dratsy ihany izy indraindray. Inona no nanampy azy tsy hilavo lefona? Izao no nohazavainy: “Manatanjaka ahy i Jehovah.” Hoy koa izy: ‘Nianarako hoe hahavita hifikitra amin’ny fahamarinana foana isika, rehefa ampian’ny fanahin’i Jehovah. Afaka nampiasa ahy i Jehovah hatramin’izao, ary mbola manatanjaka ahy foana izy na dia tsy lavorary aza aho.’

Nanomboka nanompo manontolo andro i Horst Henschel ny 1 Janoary 1950. Mieritreritra ve ianao hoe nanenina izy satria nanompo an’i Jehovah nandritra ny androm-piainany? (Fehintsoratra 13, 15) d

13. Ahoana no anahafantsika an’i Petera, araka ny Asan’ny Apostoly 4:13, 29, 31? (Jereo koa ny sary.)

13 Mihoatra ny indray mandeha i Petera no resin’ny tahotra olona, araka ny hitantsika teo. Nivavaka anefa izy mba hanana fahasahiana, dia nahavita nampiseho herim-po. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:13, 29, 31.) Isika koa afaka mandresy ny tahotra. Diniho izay nitranga tamin’i Horst, rahalahy tanora nipetraka tany Alemaina Nazia. Noteren’ny tany am-pianarana izy hilaza hoe “Heil Hitler!” (midika hoe “Hamonjy antsika i Hitler!”), ary imbetsaka izy no nanaiky hiteny an’izany. Tsy nibedy azy anefa ny dada sy mamany, fa niara-nivavaka taminy, dia nangataka tamin’i Jehovah mba hanome azy herim-po. Nampian’ny ray aman-dreniny i Horst sady niantehitra tamin’i Jehovah, ka nahazo hery tsy hivadihana ihany rehefa nandeha ny fotoana. Izao no nolazainy tatỳ aoriana: “Tsy nahafoy ahy [mihitsy] i Jehovah!” c

14. Inona no azon’ny mpiandry be fitiavana atao mba hanomezana toky an’ireo kivy?

14 Tsy hanary antsika i Jehovah sy Jesosy. Nila nandray fanapahan-kevitra lehibe teo amin’ny fiainany i Petera, rehefa avy nanda an’i Kristy. Hiala tsy ho mpianany ve izy sa mbola hanohy? Efa nitalaho tamin’i Jehovah i Jesosy mba tsy ho levona ny finoan’i Petera. Noresahin’i Jesosy tamin’i Petera hoe nivavaka ho azy izy, ary natoky fa ho vitany ny hampahery an’ireo rahalahiny. (Lioka 22:31, 32) Nahazo toky izao i Petera rehefa nisaintsaina an’ireo tenin’i Jesosy ireo! Misy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisinao koa ve eo amin’ny fiainanao? Mety hampiasa mpiandry be fitiavana i Jehovah mba hanomezana toky anao, amin’izay ianao tsy mivadika. (Efes. 4:8, 11) Niezaka nampahery hoatr’izany i Paul, anti-panahy efa hatry ny ela. Rehefa nisy olona nitady hilavo lefona, dia nasainy nisaintsaina ny fomba nitaoman’i Jehovah azy ho ao amin’ny fahamarinana izy. Nanome toky an-dry zareo izy avy eo fa tia sy tsy mivadika i Jehovah, ka tsy hanary an-dry zareo mihitsy. Izao no nolazainy: “Betsaka ny olona kivy hitako hoe tsy nilavo lefona noho ny fanampian’i Jehovah.”

15. Nahoana ny modelin’i Petera sy Horst no manamarina ny Matio 6:33?

15 Nanome an’izay nilain’i Petera sy ny apostoly hafa i Jehovah. Hikarakara an’izay ilaintsika koa izy, raha ny fanompoana no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. (Mat. 6:33) Nieritreritra hanao mpisava lalana i Horst, ilay voaresaka terỳ aloha, taorian’ny Ady Lehibe II. Nahantra be anefa izy, dia nisalasala raha ho vitany ny hamelon-tena sady hanompo manontolo andro. Inona no nataony? Nanapa-kevitra ny hitsapa toetra an’i Jehovah izy. Nandeha nanompo foana izy nandritra an’ilay herinandro nitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Rehefa tapitra ny herinandro, dia taitra be izy fa nanome azy valopy ilay mpiandraikitra, nefa tsy niteny hoe avy tamin’iza ilay izy. Vola no tao anatiny, ary ampy hanaovany mpisava lalana nandritra ny volana maromaro. Hoatran’ny hoe fanomezana avy tamin’i Jehovah no fahitan’i Horst an’iny, mba hanomezana toky azy hoe hanohana azy izy. Nanomboka teo, dia ilay Fanjakana no nataony loha laharana mandra-pahafatiny.​—Mal. 3:10.

16. Nahoana no mahasoa antsika ny modelin’i Petera sy ny taratasy nosoratany?

16 Tadidinao ve ilay tenin’i Petera tamin’i Jesosy hoe “Mandehana fa aza manakaiky ahy”? Faly erỳ izao izy fa tsy nanaraka ny teniny i Jesosy! Mbola nampiofana an’i Petera foana i Kristy, amin’izay izy lasa apostoly tsy mivadika sy modely miavaka ho an’ny Kristianina. Misy lesona be dia be mahasoa antsika rehetra avy amin’izany fampiofanana izany. Niresaka ny sasany tamin’ireny i Petera tao amin’ireo taratasy roa nosoratany ho an’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fampahatsiahivana sasany ao amin’ireo taratasy ireo, sy ny fomba ampiharantsika an’izany.

HIRA 126 Miambena, Mahereza

a Misy fahalemena iadianao ve? Hanome toky anao ity lahatsoratra ity hoe ho vitanao ny handresy azy ireny sy tsy hilavo lefona, ka hanompo an’i Jehovah foana.

b Avy ao amin’ny Filazantsaran’i Marka ny ankamaroan’ny andinin-teny ato. Toa izay henony avy tamin’i Petera no nosoratany, satria nanatri-maso ny zava-nitranga i Petera.

c Jereo ao amin’ny Mifohaza! 8 Martsa 1998 ny tantaram-piainan’i Horst Henschel hoe “Nentanin’ny Tsy Fivadihan’ny Fianakaviako Tamin’Andriamanitra.”

d SARY: (Tsy tena izy) Miara-mivavaka amin’i Horst Henschel ny ray aman-dreniny sady manampy azy ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hivadika mihitsy.