Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 41

Lesona avy Amin’ny Taratasy Roa Nosoratan’i Petera

Lesona avy Amin’ny Taratasy Roa Nosoratan’i Petera

“Vonona hampahatsiahy anareo foana an’izany zavatra izany [aho].”​—2 PET. 1:12.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

HO HITANAO ATO a

1. Nasain’i Jehovah nanao inona i Petera taloha kelin’ny nahafatesany?

 FANTATRY ny apostoly Petera hoe kely sisa izy dia ho faty. Efa am-polony taona izy no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. Nandeha niaraka tamin’i Jesosy izy, nanokatra faritany vaovao hitoriana, ary anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Tsy tapitra hatreo anefa ny fanompoany. Nahazo fanahy masina izy, dia nanoratra taratasy roa tamin’ny taona 62-64 tany ho any. Inona izany? Ny boky ao amin’ny Baiboly hoe Petera Voalohany sy Faharoa. Nanantena izy fa hanampy ny Kristianina ireo taratasiny ireo rehefa maty izy.​—2 Pet. 1:12-15.

2. Nahoana no tamin’ny fotoana tena nilana azy ny taratasin’i Petera?

2 “Niaritra fitsapana samihafa” ny mpiara-manompo tamin’i Petera, tamin’izy nanoratra an’ireo taratasy ireo. (1 Pet. 1:6) Nisy olon-dratsy niezaka nampianatra zavatra diso sy nitarika ny tao amin’ny fiangonana haloto fitondran-tena. (2 Pet. 2:1, 2, 14) Tsy izay ihany, fa hiatrika “ny faran’ny zava-drehetra” ny Kristianina tao Jerosalema, tsy ela taorian’izay. Horavan’ny Romanina mantsy io tanàna io sy ny tempoly. (1 Pet. 4:7) Azo antoka hoe nanampy ny Kristianina tamin’izany ny taratasin’i Petera. Lasa hitan-dry zareo hoe inona no azony natao mba hiatrehana an’izay fitsapana efa teo sy hiomanana amin’izay mbola ho avy. b

3. Nahoana isika no tokony handinika ny taratasy nosoratan’i Petera?

3 Marina hoe ho an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nanoratan’i Petera an’ireo taratasy ireo. Nataon’i Jehovah anisan’ny Teniny anefa ireo, ka afaka mandray soa avy amin’izany isika. (Rom. 15:4) Ratsy fitondran-tena koa ny ankamaroan’ny olona amin’izao, ka lasa sarotra amintsika ny manompo an’i Jehovah noho ny ataon-dry zareo. Tsy vitan’izay, fa tsy ho ela isika dia hiatrika fahoriana mafy kokoa noho ilay natrehin’ny Jiosy, tamin’i Jerosalema sy ny tempoly noravana. Tena ilaintsika àry ny fampahatsiahivana ao amin’ireo taratasy roa nosoratan’i Petera. Hanampy antsika ireo mba hiandry foana ny andron’i Jehovah sy handresy ny tahotra olona, ary hifankatia lalina. Hanampy ny anti-panahy hikarakara tsara an’izay ilain’ny andian’ondry koa ny fampahatsiahivana hoatr’ireny.

ANDRASO FOANA NY ANDRON’I JEHOVAH

4. Inona no mety hampihena ny finoantsika, araka ny 2 Petera 3:3, 4?

4 Olona tsy mino ny faminanian’ny Baiboly no manodidina antsika. Mety haneso antsika ny mpanohitra, satria efa aman-taonany isika no nilaza hoe ho avy ny farany. Ny mpanakiana sasany aza miteny hoe tsy ho tonga mihitsy izany. (Vakio ny 2 Petera 3:3, 4.) Ahoana raha milaza an’izany ny olona itoriantsika, na ny mpiara-miasa amintsika, na ny fianakaviantsika? Mety hampihena ny finoantsika izany. Nohazavain’i Petera àry hoe inona no afaka manampy antsika.

5. Inona no hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara foana momba ny faran’izao tontolo izao? (2 Petera 3:8, 9)

5 Mety hisy hieritreritra hoe ela be i Jehovah vao mamarana an’izao tontolo ratsy izao. Manampy antsika hanana toe-tsaina tsara foana anefa ny tenin’i Petera. Nampahatsiahiviny mantsy hoe hafa mihitsy ny fahitan’i Jehovah ny fotoana, fa tsy hoatran’ny antsika olombelona. (Vakio ny 2 Petera 3:8, 9.) Hoatran’ny iray andro ny arivo taona amin’i Jehovah. Manam-paharetana izy satria tsy tiany hisy ho ringana. Hofaranany ihany anefa izao tontolo izao rehefa tonga ilay androny. Tombontsoa be ny antsika hoe afaka mampiasa ny fotoana sisa tavela mba hitoriana any amin’ny firenena rehetra.

6. Ahoana no ‘hanaovana an-tsaina foana’ ny andron’i Jehovah? (2 Petera 3:11, 12)

6 Asain’i Petera ‘manao an-tsaina foana’ ny andron’i Jehovah isika. (Vakio ny 2 Petera 3:11, 12.) Ahoana no hanaovana an’izany? Tsara raha misaintsaina ny fitahiana ho azontsika any amin’ny tontolo vaovao isika. Ataovy isan’andro izany, raha azo atao. Alao sary an-tsaina hoe efa any ianao, dia mifoka rivotra madio be, mihinana sakafo mahasalama, mitsena ny olona akaikin’ny fonao avy natsangana tamin’ny maty, ary mampianatra olona velona taloha ela be hoe ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly. Inona no vokany rehefa misaintsaina hoatr’izany ianao? Tsy ho andrinao ny hahatongavan’io fotoana io, sady hiaro anao izany mba tsy hieritreritra hoe mbola ho ela ny farany. Rehefa ‘mahafantatra mialoha’ ny hoavintsika hoatr’izany isika, dia tsy “ho voataona” hanaraka mpampianatra sandoka.​—2 Pet. 3:17.

TSY RESIN’NY TAHOTRA OLONA

7. Inona no vokany raha matahotra olona isika?

7 Rehefa manao an-tsaina foana ny andron’i Jehovah isika, dia lasa te hitory ny vaovao tsara amin’ny hafa. Indraindray anefa isika tsy sahy manao an’izany. Fa maninona? Satria misy fotoana isika matahotra olona. Izany no nahazo an’i Petera, ny alina nitsarana an’i Jesosy. Tsy sahy nilaza izy hoe anisan’ny mpianatr’i Jesosy, ary imbetsaka mihitsy aza izy no nanda hoe tsy nahafantatra azy! (Mat. 26:69-75) Io apostoly io ihany anefa, tatỳ aoriana, no resy lahatra be rehefa niteny hoe: ‘Aza atahorana izay atahoran’izy ireo ary aza mitebiteby.’ (1 Pet. 3:14) Manome toky antsika ny tenin’i Petera fa afaka ny handresy ny tahotra olona koa isika.

8. Inona no hanampy antsika tsy ho resin’ny tahotra olona? (1 Petera 3:15)

8 Inona no hanampy antsika tsy ho resin’ny tahotra olona? Hoy i Petera: ‘Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo.’ (Vakio ny 1 Petera 3:15.) Manao an’izany, ohatra, isika rehefa misaintsaina ny fahefana sy toerana tanan’ny Tompontsika sy Mpanjakantsika, dia i Kristy Jesosy. Ahoana àry raha misy hirika hitoriana ny vaovao tsara, nefa mitaintaina ianao na matahotra? Tadidio ilay Mpanjakantsika! Alao sary an-tsaina izy manjaka any an-danitra, ary misy anjely be dia be manodidina azy. Tadidio hoe manana “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” izy, ary ‘hiaraka aminao foana [izy] isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.’ (Mat. 28:18-20) Nampirisihin’i Petera isika mba ho “vonona foana” hiaro ny finoantsika. Te hitory àry ve ianao any am-piasana na any am-pianarana? Sa ianao te hitory tsy ara-potoana? Eritrereto mialoha hoe rahoviana ianao no afaka manao an’izany, dia omano izay holazainao. Mivavaha mba homen’i Jehovah herim-po, ary matokia hoe hanampy anao tsy ho resin’ny tahotra olona izy.​—Asa. 4:29.

“MIFANKATIAVA LALINA”

Nanaiky hahitsin’i Paoly i Petera. Mampianatra antsika ny taratasy roa nosoratan’i Petera hoe mila mampiseho fitiavana amin’ny rahalahy sy anabavintsika isika (Fehintsoratra 9)

9. Oviana, ohatra, i Petera no tsy nahavita nampiseho fitiavana? (Jereo koa ny sary.)

9 Nianatra nampiseho fitiavana i Petera ary nahavita an’izany. Teo izy tamin’i Jesosy nilaza hoe: “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa.” (Jaona 13:34) Mampalahelo anefa ny zava-nitranga tatỳ aoriana. Natahotra ny Kristianina jiosy i Petera, dia tsy nanaiky hiara-misakafo tamin’ny rahalahy sy anabaviny hafa firenena. Nolazain’ny apostoly Paoly hoe “nihatsaravelatsihy” izy tamin’izay. (Gal. 2:11-14) Nanaiky hahitsy anefa izy ary nandray lesona avy amin’izany. Nasongadiny tao amin’ny taratasiny anankiroa hoe tsy tokony ho fihetseham-po fotsiny ny fitiavantsika ny mpiara-manompo, fa mila aseho amin’ny atao koa.

10. Ahoana no ananantsika “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy”? Hazavao. (1 Petera 1:22)

10 Nilaza i Petera hoe tokony hanana “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy” amin’ny mpiara-manompo isika. (Vakio ny 1 Petera 1:22.) Hanana an’izany karazana fitiavana izany isika rehefa ‘mankatò ny fahamarinana.’ Anisan’izany ilay fampianarana hoe “tsy manavakavaka Andriamanitra.” (Asa. 10:34, 35, f.a.p.) Tsy hahavita hankatò an’ilay didin’i Jesosy momba ny fitiavana isika, raha ny sasany ao amin’ny fiangonana ihany no anehoantsika fitiavana. Marina aloha hoe misy olona akaiky kokoa antsika noho ny hafa e! Hoatran’izany mantsy na tamin’i Jesosy aza. (Jaona 13:23; 20:2) Nampahatsiahy antsika anefa i Petera fa tokony hiezaka mafy hanana “fitiavan-drahalahy” isika, izany hoe hiraiki-po amin’ny rahalahy sy anabavintsika rehetra ka hoatran’ny hoe fianakaviantsika ry zareo.​—1 Pet. 2:17.

11. Inona no dikan’ilay hoe tia “lalina amin’ny fo”?

11 Nampirisika antsika i Petera mba ‘hifankatia lalina amin’ny fo.’ Inona no tiany hotenenina amin’ilay hoe tia “lalina”? Hoe mila “manitatra” ny fitiavantsika isika, fa tsy hoe izay olona mahafinarinaritra antsika ihany no tiantsika. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy nanao zavatra mampalahelo antsika na nandratra ny fontsika? Mety ho tonga dia te hamaly faty isika, fa tsy hieritreritra hampiseho fitiavana. Nianaran’i Petera avy tamin’i Jesosy anefa fa tsy tian’Andriamanitra ny mamaly faty. (Jaona 18:10, 11) Izao no nosoratany: “Aza mamaly ratsy ny ratsy na manambanimbany rehefa misy manambanimbany. Aleo kosa mirary soa.” (1 Pet. 3:9) Raha manana fitiavana lalina àry ianao, dia ho tsara fanahy sy hiahy ny rahalahy sy anabavy, na dia izay nandratra ny fonao aza.

12. a) Inona koa no hataontsika raha manana fitiavana lalina ny mpiara-manompo isika? b) Inona no tianao hiezahana, raha jerena ilay video hoe Miezaha Hihavana sy Hiray Saina Foana fa Tena Ilaina Izany?

12 Mbola nampiasa an’ilay teny hoe ‘mifankatia lalina’ i Petera ao amin’ny taratasiny voalohany. Manarona “fahotana maro be” io karazana fitiavana io, fa tsy hoe fahotana vitsivitsy fotsiny. (1 Pet. 4:8) Tadidin’i Petera angamba ilay nampianarin’i Jesosy azy momba ny famelan-keloka, taona maromaro talohan’izay. Mety ho nieritreritra izy tamin’izany hoe efa mamindra fo be mihitsy raha mamela ny rahalahiny “hatramin’ny impito.” Nampianarin’i Jesosy azy anefa fa tokony hamela “hatramin’ny im-77” izy, izany hoe tsy misy fetrany. (Mat. 18:21, 22) Izany koa no nampianariny antsika. Mahereza àry raha sarotra aminao ny mampihatra an’io torohevitra io! Tsy lavorary daholo isika mpanompon’i Jehovah, ka indraindray tsy mora ny mamela heloka. Ny zava-dehibe tokony hataonao anefa izao, dia ny manao izay fara herinao mba hahatonga anao hamela ny rahalahinao sy hihavana aminy. c

RY ANTI-PANAHY, ANDRASO NY ONDRY

13. Nahoana no mety ho sarotra amin’ny anti-panahy ny hiandry ny andian’ondry?

13 ‘Andraso ny ondrikeliko.’ (Jaona 21:16) Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy no nilaza an’ireo tamin’i Petera, ary azo antoka fa tsy hadinon’i Petera mihitsy ireo teniny ireo. Anti-panahy ve ianao? Raha izany, dia fantatrao hoe natao ho anao koa io toromarika io. Mety ho sarotra anefa ny hahita fotoana hamitana an’izany andraikitra lehibe izany. Tsy maintsy mamelona ny fianakaviany mantsy aloha ny anti-panahy, dia miahy ny fihetseham-pon-dry zareo, ary mikarakara ny ara-panahin’ny ankohonany. Mazoto mitory koa ry zareo, sady manomana sy manao tsara ny anjarany any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe. Ny sasany aza mbola anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, na miara-miasa amin’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana. Tena be atao ny anti-panahy!

Manao izay fara heriny ny anti-panahy be fitiavana mba hiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra, na dia be atao aza (Fehintsoratra 14-15)

14. Inona no handrisika ny anti-panahy hiandry ny andian’ondry? (1 Petera 5:1-4)

14 Nampirisika ny anti-panahy hoatr’azy i Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (Vakio ny 1 Petera 5:1-4.) Raha anti-panahy ianao, dia fantatray hoe tianao ny rahalahy sy anabavinao ary te hiandry an-dry zareo ianao. Indraindray anefa ianao mety hahatsapa hoe tery be ny fotoananao na reraka be ianao, dia tsy mahavita ny andraikitrao. Inona àry no azonao atao? Aborahy amin’i Jehovah izany. Hoy i Petera: “Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Marina hoe mety tsy ho voavaha tanteraka aloha amin’izao ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavinao. Tadidio anefa fa afaka manampy an-dry zareo mihoatra noho izay azonao atao “ilay lehiben’ny mpiandry”, izany hoe i Jesosy Kristy. Afaka manao an’izany izy dieny izao sy any amin’ny tontolo vaovao. Izao fotsiny no angatahin’Andriamanitra amin’ny anti-panahy: Ny ho tia ny rahalahy sy anabaviny, dia hiandry an-dry zareo, ary “ho modely ho an’ny andian’ondry.”

15. Ahoana no ataon’ny anti-panahy iray mba hiandrasana ny andian’ondry? (Jereo koa ny sary.)

15 Fantatr’i William hoe tena ilaina ny miandry ny andian’ondry. Efa ela izy no anti-panahy. Rehefa nanomboka ilay valanaretina COVID-19 dia niezaka be izy sy ny anti-panahy namany mba hifandray amin’ny mpitory tsirairay tao amin’ny andia-mpitoriny avy isan-kerinandro. Izany no nataon-dry zareo zava-dehibe indrindra. Fa maninona? Hoy izy: “Betsaka tamin’ny mpiara-manompo no nijanona irery tao an-tranony dia nandeha be ny sainy, ka lasa mora nieritreritra zavatra nahakivy izy.” Rehefa misy mpiara-manompo miady mafy, dia mihaino tsara i William mba hamantarana an’izay ilainy sy izay mampanahy azy. Miezaka mikaroka zavatra hampaherezana an’ilay rahalahy na ilay anabavy izy avy eo, dia matetika video avy ao amin’ny tranonkalantsika no ampiasainy. Izao no nolazainy: “Tena ilaina mihoatra noho ny hatramin’izay izao ny mitsidika ny ondry. Miezaka be isika manampy ny olona hianatra momba an’i Jehovah, dia tokony hiezaka be hoatr’izany koa isika mba hiandrasana ny andian’ondry, izany hoe hanampy an-dry zareo tsy hiala amin’ny fahamarinana.”

AVELAO I JEHOVAH HAMITA NY FAMPIOFANANA ANAO

16. Ahoana, ohatra, no azontsika ampiharana ny lesona avy amin’ny taratasy nosoratan’i Petera?

16 Vao lesona vitsivitsy avy amin’ny taratasy roa nosoratan’i Petera no nodinihintsika tato. Nahita zavatra tianao hatsaraina angamba ianao. Lasa te hisaintsaina kokoa an’ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao ve, ohatra, ianao? Sa ianao manao tanjona hoe hitory any am-piasana, na any am-pianarana, na hitory tsy ara-potoana? Mahita fomba hafa hampisehoana fitiavana lalina amin’ny rahalahy sy anabavinao ve ianao? Ary raha anti-panahy ianao, dia tapa-kevitra ny hiandry an-tsitrapo ny ondrin’i Jehovah ve ianao sady hazoto hanao an’izany? Mety hahita zavatra mila ahitsy ianao raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, nefa aza kivy. “Tsara fanahy [mantsy] ny Tompo”, dia hanampy anao hihatsara izy. (1 Pet. 2:3) Nanome toky i Petera hoe: ‘Hamita ny fampiofanana anareo Andriamanitra. Hanampy anareo ho mafy orina izy, sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.’​—1 Pet. 5:10.

17. Inona no vokany raha mikiry foana isika sady manaiky ampiofanin’i Jehovah?

17 Nisy fotoana i Petera nahatsiaro ho tsy mendrika ny ho eo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra. (Lioka 5:8) Nahavita nanara-dia an’i Kristy foana anefa izy, rehefa nampian’i Jehovah sy Jesosy. Navela ‘hiditra ao amin’ilay Fanjakana mandrakizay’ izy vokatr’izany, “dia ny Fanjakan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” (2 Pet. 1:11) Valisoa be izany! Miezaha àry hikiry foana hoatran’i Petera, dia avelao i Jehovah hampiofana anao. Hahazo valisoa koa ianao amin’izay, ka hiaina mandrakizay. Ho ‘tratranao ny tanjonao, dia ny hahazo famonjena, noho ianao manam-pinoana.’​—1 Pet. 1:9.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

a Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity fa manampy antsika hiaritra fitsapana ny taratasy nosoratan’i Petera. Hianaran’ny anti-panahy ato koa hoe ahoana no hamitan-dry zareo ny andraikitry ny mpiandry.

b Azo inoana hoe talohan’ny fanafihana voalohany an’i Jerosalema tamin’ny taona 66 no voarain’ny Kristianina tany Palestina ny taratasy roa nosoratan’i Petera.

c Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Miezaha Hihavana sy Hiray Saina Foana fa Tena Ilaina Izany.