Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 39

Malemy Fanahy Nefa Matanjaka

Malemy Fanahy Nefa Matanjaka

‘Tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.’​—2 TIM. 2:24.

HIRA 120 Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

HO HITANAO ATO a

1. Inona no mety hanontanian’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra antsika?

 INONA no tsapanao rehefa misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra manontany anao momba an’izay inoanao? Matahotra ve? Hoatr’izany ny ankamaroantsika. Mety ho hita avy amin’ilay fanontaniana anefa izay ao an-tsainy na izay inoany. Hanampy anao hitory ny vaovao tsara izany. Indraindray anefa mety hanakiana be ilay olona rehefa manontany. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Mety ho naheno fanazavana diso momba an’izay inoantsika mantsy ny olona sasany. (Asa. 28:22) Miaina “amin’ny andro farany” koa isika, dia betsaka ny olona ‘tsy azo ifanarahana’, ary “masiaka be” mihitsy aza.​—2 Tim. 3:1, 3.

2. Inona no mahatsara an’ilay hoe malemy fanahy?

2 Mety ho lasa saina ianao hoe: ‘Fa ahoana no hahavitako an’izany hoe mbola tsara fanahy sy mahay mandanjalanja ihany, nefa izy manakiana ny zavatra inoako?’ Hahavita an’izany ianao raha malemy fanahy. Ny olona malemy fanahy mantsy tsy mora tezitra fa mahafehy tena, rehefa misy zavatra mahasosotra na tsy hainy valiana. (Ohab. 16:32) Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Mora lazaina izany fa sarotra atao!’ Ahoana àry no hanananao an’io toetra io? Inona no hanampy anao halemy fanahy rehefa misy manakiana an’izay inoanao? Ary raha ray ianao na reny, dia ahoana no ampianaranao ny zanakao mba halemy fanahy rehefa miaro ny finoany? Andao hojerentsika.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HALEMY FANAHY?

3. Nahoana isika no milaza fa tsy hoe tsy manana hazondamosina ny olona malemy fanahy? (2 Timoty 2:24, 25)

3 Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Mila herin-tsaina ianao vao hahavita ho tony rehefa ao anatin’ny sarotra. Anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe ‘malemy fanahy’ indraindray. Eritrereto hoe mahita soavalidia tsy mitrifatrifana intsony ianao, fa lasa tony. Tony izy fa mbola matanjaka ihany! Inona àry no hanampy antsika halemy fanahy, nefa koa hatanjaka? Tsy ho vitantsika irery izany! Tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Angataho izy hanampy anao hanana an’io toetra tsara io. Betsaka no nahavita an’izany. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nalemy fanahy rehefa nisy nanohitra, dia lasa hitan’ny olona hoe mahafinaritra isika. (Vakio ny 2 Timoty 2:24, 25.) Inona no hanampy anao mba ho lasa anisan’ny toetra tsaranao ny fahalemem-panahy?

4. Inona no ianarantsika momba ny fahalemem-panahy, rehefa jerena ny ohatr’i Isaka?

4 Betsaka ny tantara ao amin’ny Baiboly manasongadina fa tena tsara ilay hoe malemy fanahy. Eritrereto i Isaka. Nisy fotoana izy nipetraka tany Gerara, tany Filistia. Nialona azy anefa ny mpiara-monina taminy, dia nototofan-dry zareo ny lavadrano nohadin’ny mpanompon’ny dadany. Tsy niady ny zony anefa i Isaka. Nentiny nifindra lavidavitra kosa ny ankohonany, dia nandavaka lavadrano hafa ry zareo. (Gen. 26:12-18) Nilaza indray ny Filistinina fa mbola an-dry zareo koa, hono, ny rano tao amin’io toerana io. Mbola nitandro fihavanana ihany anefa i Isaka. (Gen. 26:19-25) Inona no nanampy azy halemy fanahy foana, na dia hoatran’ny hoe nila vaniny taminy aza ny olona? Tsy maintsy hoe ny ohatra navelan’ny ray aman-dreniny. Tia fihavanana foana mantsy i Abrahama sady ‘tony sy nalemy paika’ i Saraha, dia azo antoka hoe nianatra avy tamin-dry zareo izy.​—1 Pet. 3:4-6; Gen. 21:22-34.

5. Inona no ohatra mampiseho hoe afaka mampianatra ny zanany halemy fanahy ny ray aman-dreny?

5 Ry ray aman-dreny, matokia fa ho vitanareo koa ny hampianatra ny zanakareo hahita hoe tena toetra tsara ny fahalemem-panahy. Diniho ny ohatr’i Maxence, 17 taona. Sendra olona masiaka izy any am-pianarana sy rehefa manompo. Nanam-paharetana ny ray aman-dreniny nanampy azy halemy fanahy. Izao no nolazain-dry zareo: “Lasa azon’i Maxence hoe betsaka kokoa ny hery ilaina mba hifehezany ny hatezerany na mba tsy hahatonga azy hahery setra, rehefa misy mampahatezitra azy.” Soa ihany fa lasa nalemy fanahy i Maxence.

6. Nahoana no hanampy antsika halemy fanahy kokoa ny vavaka?

6 Ahoana raha misy mila ady amintsika, ohatra hoe manala baraka ny anaran’Andriamanitsika na manao tsinontsinona ny Baiboly? Tokony hangataka amin’i Jehovah ny fanahiny sy ny fahendreny isika, mba halemy fanahy rehefa mamaly an’ilay olona. Ahoana anefa raha tsapantsika atỳ aoriana hoe tsy tena nahavita tsara an’izany isika? Afaka mivavaka momba an’ilay izy indray isika, dia mieritreritra hoe inona no azontsika hatsaraina amin’ny manaraka. Hanome antsika ny fanahiny masina i Jehovah, amin’izay isika hahavita hifehy ny hatezerantsika sady halemy fanahy.

7. Nahoana isika no hahavita hitandrina an’izay lazaintsika sy ataontsika rehefa mitadidy andinin-teny? (Ohabolana 15:1, 18)

7 Misy andinin-teny afaka manampy antsika hitandrina an’izay lazaintsika, rehefa sarotra amintsika ny halemy fanahy. Afaka manampy antsika hahatsiaro azy ireny ny fanahin’Andriamanitra. (Jaona 14:26) Hanampy antsika halemy fanahy, ohatra, ny torolalana ao amin’ny Ohabolana. (Vakio ny Ohabolana 15:1, 18.) Resahina ao koa hoe inona ny soa azontsika raha mahafehy tena isika, rehefa misy mahasosotra antsika.​—Ohab. 10:19; 17:27; 21:23; 25:15.

NAHOANA NO HALEMY FANAHY ISIKA RAHA LALIN-TSAINA?

8. Nahoana isika no mila misaintsaina ny antony mety hahatonga ny olona iray hametraka fanontaniana?

8 Manampy antsika koa ny hoe lalin-tsaina. (Ohab. 19:11) Fa maninona? Mahafehy tena ny olona lalin-tsaina rehefa misy manakiana ny zavatra inoany. Matetika no tsy lazain’ny olona amintsika ny tena anton’ny fanontaniany na izay mampanahy azy. Alohan’ny hamalianao azy àry, dia mila miaiky ianao hoe mety tsy ho fantatrao ny nahatonga azy hametraka an’ilay fanontaniana.​—Ohab. 16:23.

9. Ahoana no nampisehoan’i Gideona hoe lalin-tsaina sy malemy fanahy izy, rehefa namaly an’ireo Efraimita?

9 Diniho ny fomba namalian’i Gideona ny Efraimita. Sosotra be ry zareo satria tsy nantsoin’i Gideona, tamin’izy niady tamin’ny fahavalon’ny Israely. Inona anefa no tena nahatonga an-dry zareo ho tezitra? Mety hoe voadona ve ny hambom-pony? Na ahoana na ahoana, dia hendry i Gideona ka nanaja ny fihetseham-pon-dry zareo, ary nalemy fanahy rehefa namaly azy. Dia inona ny vokany? “Mba tonitony izy ireo.”​—Mpits. 8:1-3.

10. Inona no hanampy antsika hahay hamaly an’izay manontany antsika momba ny finoantsika? (1 Petera 3:15)

10 Ahoana raha misy mpiara-miasa na mpiara-mianatra manontany antsika hoe maninona isika no manaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena? Hiezaka mafy isika hiaro ny finoantsika, sady hanaja ny heviny. (Vakio ny 1 Petera 3:15.) Matetika mantsy no ho fantatsika avy amin’ilay fanontaniany hoe inona no zava-dehibe aminy, fa tsy hoe te hanohitra fotsiny izy na te hanakiana. Tokony halemy fanahy sy ho tsara fanahy foana anefa isika rehefa mamaly, na inona na inona antony nametrahany an’ilay fanontaniana. Mety hampisaintsaina azy izany. Fa na tsy mahalala fomba na manesoeso antsika aza anefa izy, dia mbola tokony ho tsara fanahy foana isika.​—Rom. 12:17.

Mety hahay hamaly kokoa isika, raha mieritreritra aloha hoe misy antony angamba matoa isika asain’ilay olona hiaraka aminy hankalaza aniversera (Fehintsoratra 11-12)

11-12. a) Inona no azontsika saintsainina alohan’ny hamaliana fanontaniana sarotra? (Jereo koa ny sary.) b) Hazavao amin’ny ohatra hoe mety hahatonga ny olona hiresaka tsara isika, rehefa mametraka fanontaniana.

11 Ahoana, ohatra, raha misy mpiara-miasa manontany hoe maninona isika no tsy mankalaza aniversera? Saintsaino izao: Tiany ho fantatra ve raha mba mahazo mifalifaly ihany isika? Sa mieritreritra izy fa isika no mahatonga ny ao am-piasana tsy hiray hina? Mety ho tony kokoa izy, raha resahintsika aminy hoe tena faly isika fa miahy ny mpiara-miasa aminy izy. Omeo toky izy avy eo hoe tiantsika hahafinaritra ny fiarahana ao am-piasana. Mety hahatonga azy ho vonona hihaino an’izay lazain’ny Baiboly momba ny aniversera izany.

12 Afaka manao hoatr’izany koa isika rehefa misy mametraka fanontaniana mampiady hevitra. Mety hilaza ny mpiara-mianatra amintsika hoe tokony hanova ny fiheverany ny lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho hita avy amin’izany ve hoe tsy fantany tsara isika Vavolombelona? Sa ny namany na ny havany misy lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy? Mieritreritra ve izy hoe tsy tia olona hoatr’izany isika? Ahoana no hataontsika? Mila omentsika toky angamba izy hoe miahy ny olona rehetra isika, ary ekentsika hoe manana zo hisafidy an’izay fomba fiaina tiany ny tsirairay sady hajaintsika ny zony. b (1 Pet. 2:17) Azontsika hazavaina aminy avy eo hoe inona ny soa azo rehefa arahina ny fitsipiky ny Baiboly.

13. Ahoana no anampiantsika ny olona maneso an’izay mino an’Andriamanitra?

13 Mety ho sendra olona miziriziry amin’ny heviny isika. Tsy tokony ho tonga dia hieritreritra isika hoe fantatsika izay inoany. (Tit. 3:2) Ahoana, ohatra, raha misy mpiara-mianatra milaza aminao hoe ny olona tsy misaina no mino an’Andriamanitra? Tokony hieritreritra ve ianao hoe tena mino ny evolisiona izy, ary mahay be momba an’izany? Mety ho tsy tena nandinika momba an’izany akory aza izy. Aza tonga dia miady hevitra be momba ny siansa àry, fa mitadiava zavatra azony saintsainina. Atoroy azy, ohatra, ny fanazavana momba ny famoronana ao amin’ny jw.org. Mety ho vonona hiresaka momba ny lahatsoratra na video hitany tao izy any aoriana any. Raha manaja azy hoatr’izany isika, dia mety ho te hahafantatra kokoa an’izay lazain’ny Baiboly izy.

14. Nampiasa tsara ny tranonkalantsika i Niall mba hanampiana ny mpiara-mianatra aminy hanitsy hevi-diso momba antsika. Ahoana no nataony?

14 Diniho ny ohatr’ilay tanora atao hoe Niall. Nampiasa ny tranonkalantsika izy mba hanitsiana hevi-diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Nisy mpiara-mianatra tamiko nilaza matetika hoe tsy mino ny siansa, hono, aho satria matoky boky feno tantara noforomporonina fotsiny, fa tsy manaiky ny zava-misy.” Tsy navelan’ilay mpiara-mianatra taminy hanazava an’izay inoany mihitsy i Niall. Nasainy niditra tao amin’ny jw.org àry izy, ao amin’ilay fizarana hoe “Siansa sy Baiboly.” Hitan’i Niall tatỳ aoriana hoe mety ho namaky fanazavana tao ilay ankizy, ka lasa vonona kokoa hiresaka momba ny niandohan’ny fiainana. Mety hahita vokatra hoatr’izany koa ianao.

TOKONY HIARA-MANOMANA NY MPIANAKAVY

15. Ahoana no anampian’ny ray aman-dreny ny zanany mba halemy fanahy, rehefa misy manakiana an’izay inoany?

15 Afaka mampianatra ny zanany ny ray aman-dreny hoe ahoana no ahafahana mamaly nefa malemy fanahy, rehefa misy manakiana ny zavatra inoany. (Jak. 3:13) Misy manao fanazaran-tena mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Jereny hoe inona no mety horesahina any am-pianarana, dia iarahany midinika izany. Asehony avy eo hoe ahoana no fomba hamaliana, dia ataony hoatran’ny tena izy mihitsy ilay izy. Ampianariny koa ny zanany hoe ahoana no atao mba halemy fanahy sady hahaliana ny olona foana ny zavatra resahina.​—Jereo ilay hoe “ Handray Soa ny Fianakavianao Raha Manao Fanazaran-tena.”

16-17. Nahoana no manampy ny tanora ny fanazaran-tena?

16 Inona ny soa azo rehefa manao fanazaran-tena isika Kristianina? Lasa mahay mandresy lahatra isika, sady isika mihitsy no resy lahatra hoe mitombina tsara ny zavatra inoantsika. Misy fampiasana ho an’ny tanora sy andian-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” ao amin’ny jw.org. Natao hanampiana ny tanora izy ireny, amin’izay matanjaka ny finoany sady ho afaka hanomana valin-teny amin’ny fomba fiteniny izy. Raha miara-mianatra an’io andian-dahatsoratra io ny mpianakavy, dia samy hahay hiaro ny finoany nefa halemy fanahy, sady hahaliana ny olona foana ny zavatra resahiny.

17 Nanazava ny tovolahy atao hoe Matthew fa nanampy azy ny fanazaran-tena. Matetika izy sy ny ray aman-dreniny no manao fikarohana momba an’izay hevitra mety horesahina any am-pianarana, amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Izao no noresahiny: “Eritreretinay hoe inona no mety hampiady hevitra any, dia mikaroka momba an’ilay izy izahay. Manao fanazaran-tena mifanaraka amin’izay hevitra hitanay izahay avy eo. Rehefa mazava tsara ao an-tsaiko hoe maninona aho no mino zavatra iray, dia lasa tsy matahotahotra aho ary mora kokoa amiko ny halemy fanahy rehefa miresaka amin’ny hafa.”

18. Inona no tena zava-dehibe, araka ny Kolosianina 4:6?

18 Marina aloha hoe mety mbola tsy ho resy lahatra ihany ny sasany, na dia efa mitombina tsara aza ny fanazavana omentsika. Tsara foana anefa raha mahay mandanjalanja sy malemy fanahy isika. (Vakio ny Kolosianina 4:6.) Hoatran’ny hoe manipy baolina isika rehefa miresaka ny zavatra inoantsika. Azontsika atsipy moramora ilay izy na atsipy mafy. Raha atsipintsika moramora ilay baolina, dia ho mora kokoa amin’ny mpilalao hafa ny hitanty azy sady mbola hilalao ihany izy. Raha mahay mandanjalanja sy malemy fanahy koa isika rehefa miresaka, dia ho vonona hihaino kokoa ny olona sady mbola hazoto hiresaka. Mazava ho azy fa tsy voatery hanohy an’ilay resaka isika, raha te hiady hevitra fotsiny izy na manambanimbany an’izay inoantsika. (Ohab. 26:4) Mahalana anefa no misy hoatr’izany, fa vonona hihaino ny ankamaroany.

19. Inona no tokony handrisika anao halemy fanahy rehefa miaro ny finoanao?

19 Tena handray soa àry isika raha miezaka halemy fanahy. Mivavaha amin’i Jehovah mba halemy fanahy foana ianao, raha mampiady hevitra ny fanontaniana apetraky ny olona, na tsy rariny ny fanakianana ataony. Tadidio fa tsy hifamaly ianareo na dia tsy mitovy hevitra aza, raha manana an’io toetra io ianao. Raha malemy fanahy sy manaja foana koa ianao rehefa mamaly, dia mety hisy vokany amin’izay maheno an’ilay resaka izany. Mety hiova mantsy ny fiheverany antsika sy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Aoka [àry ianao] ho vonona foana” hiaro ny finoanao, ary ‘halemy fanahy sy ho feno fanajana rehefa manao an’izany.’ (1 Pet. 3:15) Tadidio fa matanjaka ianao rehefa malemy fanahy!

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

a Mila miaro ny finoantsika isika rehefa misy manohitra na misy manakiana. Inona no hanampy antsika halemy fanahy rehefa manao an’izany? Ho hitantsika ato izany.

b Misy soso-kevitra tsara ao amin’ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?”, ao amin’ny Mifohaza! No. 4 2016.

c Misy soso-kevitra tsara ao amin’ny jw.org/mg, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” sy ilay hoe “Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah.”