Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Ho An’ny Ankizy

Manana andraikitra lehibe hampianatra ny zanany momba an’i Jehovah ny ray aman-dreny. (Efes. 6:4) Mba hanampiana azy ireo, dia namoaka zavatra be dia be ny fandaminan’i Jehovah. Ahoana no azonao ampiasana an’ireny mba hampiofanana ny zanakao?

  • Jereo daholo ny safidy anananao. Hita ao amin’ny jw.org izay zavatra navoaka ho an’ny ankizy sy ny tanora, ohatra hoe video sy Fampiasana. a Ahoana no ahitana an’ireny? Soraty erỳ amin’ilay hoe “Hikaroka” ny hoe “Ankizy” na “Tanora.”

  • Fidio izay mety indrindra amin’ny zanakao. Manampy anao amin’izany izay navoaka ao amin’ilay fizarana hoe “Ankizy.” Karohy, ohatra, ilay hoe “Azo Atao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.”

  • Miaraha manao an’ilay izy. Tsy mety raha asainao mijery video na manao Fampiasana ny zanakao, amin’izay izy mba variana eo fotsiny. Aleo kosa midinika an’izany miaraka aminy mba hanampiana azy hinamana amin’i Jehovah.

a Hita ao amin’ny JW Library® koa ny ankamaroan’ny video sy lahatsoratra ho an’ny ankizy sy ny tanora.