LAHATSORATRA FIANARANA 37
Miantehera Amin’i Jehovah, Hoatran’i Samsona
“Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!”—MPITS. 16:28.
HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako
HO HITANAO ATO a
1-2. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny tantaran’i Samsona?
INONA no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Samsona? Olona matanjaka be angamba. Marina izany. Nandray fanapahan-kevitra ratsy anefa izy, dia nizaka vokany mangidy. Na izany aza, dia tsy nivadika izy tamin’ny ankapobeny, ary izay no tena nifantohan’i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany mba hahasoa antsika.
2 Ny Israelita no vahoaka nofidin’i Jehovah, ary nampiasa an’i Samsona izy mba hanatanterahana zavatra mahavariana ho an-dry zareo. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Samsona, dia nasain’i Jehovah nampidirin’ny apostoly Paoly tao amin’ny lisitry ny olona nanam-pinoana miavaka ny anarany. (Heb. 11:32-34) Afaka mampahery antsika ny modeliny. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Inona àry no ianarantsika avy amin’i Samsona? Ary nahoana no mampahery antsika ny ohatra nomeny? Handinika an’izany isika ato.
NATOKY AN’I JEHOVAH I SAMSONA
3. Inona no asa nanendrena an’i Samsona?
3 Ny Filistinina no nifehy ny firenen’Israely, tamin’i Samsona teraka. Nanao tsindry hazo lena ry zareo, ka nijaly be ny Israelita. (Mpits. 13:1) Nofidin’i Jehovah àry i Samsona mba “hamonjy ny Israely amin’ny Filistinina.” (Mpits. 13:5) Tena tsy mora izany! Tsy maintsy niantehitra tamin’i Jehovah àry izy mba hanatanterahana an’io asa sarotra nanendrena azy io.
4. Inona no nataon’i Jehovah mba tsy ho azon’ny Filistinina i Samsona? (Mpitsara 15:14-16)
4 Andao isika handinika ohatra iray ahitana hoe natoky an’i Jehovah i Samsona, ary nanampy azy Andriamanitra. Tonga hisambotra an’i Samsona tao Lehy ny miaramila filistinina, indray mandeha. Tany Joda angamba io toerana io. Natahotra ny lehilahy avy tamin’ny fokon’ny Joda, dia nanapa-kevitra hoe hanolotra azy amin’ny fahavalo. Mpiray tanindrazana taminy ihany no namatotra azy tamin’ny tady roa vaovao, dia nitondra azy tany amin’ny Filistinina. (Mpits. 15:9-13) “Nanome hery an’i Samsona” anefa “ny fanahin’i Jehovah”, dia vitany ny nanapaka an’ireo tady. “Nahita valanoranon’ampondralahy izy” avy eo dia noraisiny ilay izy, ary iny taolana “mbola mando” iny no namonoany lehilahy filistinina 1000!—Vakio ny Mpitsara 15:14-16.
5. Nahoana no hita hoe natoky an’i Jehovah i Samsona, tamin’izy nampiasa an’ilay valanoranon’ampondra?
5 Valanoranon’ampondra hoe e? Fa maninona no izany no nampiasain’i Samsona? Izany ve dia mba fitaovam-piadiana? Azo antoka anefa fa fantany hoe niankina tamin’i Jehovah no nampahomby azy, fa tsy niankina tamin’izay fitaovam-piadiana nampiasainy. Izay nisy teo fotsiny no nampiasain’io lehilahy nanam-pinoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah. Notahin’i Jehovah àry izy ka nandresy, satria niantehitra taminy.
6. Inona no ianarantsika avy amin’i Samsona, rehefa misy asa asain’i Jehovah ataontsika?
6 Afaka manome hery antsika koa i Jehovah mba hanatanterahantsika ny asa nanendrena antsika, na dia izay hoatran’ny hoe tsy ho vita aza. Afaka manampy antsika amin’ny fomba tsy eritreretintsika mihitsy Andriamanitra. Nanome hery an’i Samsona i Jehovah, dia matokia fa hanampy anao hanatanteraka ny sitrapony koa izy, raha mbola miantehitra aminy ianao.—Ohab. 16:3.
7. Inona no ohatra ahitana hoe tena ilaina ny mitady ny tari-dalan’i Jehovah?
7 Be dia be ny rahalahy sy anabavy manampy amin’ny fanorenana trano ampiasain’ny fandaminana, ary hita hoe matoky an’i Jehovah ry zareo. Ireo rahalahy ihany matetika taloha no nanao planina sy nanorina ny ankamaroan’ny Efitrano Fanjakana sy ny trano hafa. Hita anefa tatỳ aoriana hoe nitombo be ny vahoakan’i Jehovah, dia nisy fanovana nila natao. Nitady ny tari-dalan’i Jehovah ireo mpiandraikitra ka nanandrana fomba fiasa vaovao, ohatra hoe mividy trano sy manavao an’ireny. Anisan’ny nanorina ny trano ampiasaintsika any amin’ny firenena maro samihafa, ohatra, i Robert, tato anatin’ny taona vitsivitsy. Izao no nolazainy: “Tsy mora tamin’ny olona sasany ny nanaiky an’ilay fomba fiasa vaovao tamin’ny voalohany. Samy hafa be tamin’izay efa nahazatra anay an-taonany maro izany. Vonona hanaraka an’ilay fanovana anefa ireo rahalahy, ary niharihary hoe tena notahin’i Jehovah ireny fanitsiana ireny.” Ohatra iray fotsiny io ahitantsika hoe ahoana no itarihan’i Jehovah ny vahoakany mba hanatanterahana ny sitrapony. Isika rehetra mihitsy indraindray no mila mieritreritra hoe: ‘Mitady ny tari-dalan’i Jehovah ve aho, ary vonona ny hanaraka an’izay fiovana ilaina mba hahafahako manompo azy bebe kokoa?’
NANARARAOTRA NY FANDAHARANA NATAON’I JEHOVAH I SAMSONA
8. Inona no nataon’i Samsona indray mandeha tamin’izy nangetaheta be?
8 Nanao zavatra mahavariana hafa koa i Samsona, ary mety ho efa namaky azy ireny ianao. Izy irery, ohatra, indray mandeha no niady tamin’ny liona. Namono lehilahy 30 tao Askelona, tanànan’ny Filistinina, koa izy tatỳ aoriana. (Mpits. 14:5, 6, 19) Fantatr’i Samsona hoe tsy ho nahavita zavatra hoatr’izany izy raha tsy nampian’i Jehovah. Niharihary izany indray mandeha rehefa nangetaheta be izy, taorian’ny namonoany Filistinina 1000. Inona no nataony tamin’izay? Tsy nitady vahaolana samirery izy rehefa nangetaheta, fa nangataka ny fanampian’i Jehovah.—Mpits. 15:18.
9. Inona no nataon’i Jehovah rehefa niantso vonjy taminy i Samsona? (Mpitsara 15:19 sy ny f.a.p.)
9 Nihaino ny antso vonjin’i Samsona i Jehovah. Nanao fahagagana àry izy, ka lasa nisy loharano. Rehefa nisotro tamin’ilay izy i Samsona, dia “nody ny heriny ka velombelona izy.” (Vakio ny Mpitsara 15:19 sy ny fanamarihana ambany pejy.) Azo inoana hoe mbola nisy io loharano io taona maro tatỳ aoriana, rehefa nahazo fanahy masina i Samoela mpaminany mba hanoratra ny bokin’ny Mpitsara. Inona no mety ho tonga tao an-tsain’izay Israelita nahita an’io rano io? Hoe afaka miantehitra amin’i Jehovah foana ny mpanompony tsy mivadika, amin’ny fotoana ilany fanampiana.
10. Inona no tafiditra amin’ilay hoe mitady ny fanampian’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
10 Mila ny fanampian’i Jehovah koa isika, na inona na inona talenta na fahaizana ananantsika, ary na dia efa nahavita be tamin’ny fanompoana aza. Tokony hiaiky isika hoe voafetra ihany ny vitantsika, ary rehefa miantehitra amin’i Jehovah ihany isika vao tena hahomby. Efa hitantsika teo fa nahazo hery i Samsona rehefa nisotro an’ilay rano nomen’i Jehovah. Hahazo hery koa isika rehefa manararaotra ny fandaharana rehetra ataon’i Jehovah ho antsika.—Mat. 11:28.
11. Ahoana no ampisehoantsika hoe manararaotra ny fanampiana rehetra omen’i Jehovah isika? Hazavao amin’ny ohatra.
11 Anisan’ireo rahalahy rosianina enjehina mafy, ohatra, i Aleksey. Inona no manampy azy hiaritra na dia tsy mora aza ny mahazo azy? Zatra manao zavatra ara-panahy izy sy ny vadiny. Izao no nolazainy: “Miezaka aho mba hanaraka tsara ny fahazarana ara-panahy efa nananako, ka mamaky Baiboly isan’andro sy mianatra samirery. Miara-manao teny vakina izahay roa isa-maraina, dia miara-mivavaka amin’i Jehovah.” Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hiantehitra amin’i Jehovah isika fa tsy amin’ny tenantsika. Dia ahoana no hatao? Mila zatra mianatra Baiboly samirery sy manao zavatra ara-panahy hafa isika, amin’izay matanjaka ny finoantsika. I Jehovah kosa tena hitahy ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy. Nanatanjaka an’i Samsona izy, dia azo antoka hoe afaka manatanjaka antsika koa.
TSY NILAVO LEFONA I SAMSONA
12. Inona no fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Samsona? Ary nahoana izany no tsy nitovy tamin’ny teo aloha?
12 Tsy lavorary hoatr’antsika i Samsona, ka indraindray nanao safidy ratsy. Nisy fanapahan-kevitra iray izay, ohatra, tena nampidi-kizo azy. Efa mpitsara nandritra ny fotoana elaela izy tamin’izay, dia “raiki-pitia tamin’ny vehivavy iray tany amin’ny Lohasahan’i Soreka ... Delila no anaran’ilay vehivavy.” (Mpits. 16:4) Tsy nitovy tamin’ny teo aloha anefa ny fiarahany tamin’i Delila. Nanana fofombady i Samsona taloha, ary vehivavy filistinina izy io. I Jehovah anefa no nahatonga an-dry zareo hiaraka satria “nitady hirika hamelezana ny Filistinina” Izy. Nankany Gaza tanànan’ny Filistinina i Samsona tatỳ aoriana, dia nijanona tao an-tranon’ny mpivaro-tena iray. Nomen’Andriamanitra hery i Samsona tamin’izay, ka nesoriny sy nentiny lavitra ny vavahadin’ilay tanàna, dia lasa tsy voaro intsony izy io. (Mpits. 14:1-4; 16:1-3) Hafa mihitsy anefa ny fiarahany tamin’i Delila. Toa Israelita mantsy i Delila, ka tsy hirika hiadiana tamin’ny Filistinina ilay izy niaraka taminy.
13. Inona no nataon’i Delila tamin’i Samsona ka nahatonga azy hidiran-doza?
13 Notambazan’ny Filistinina vola be i Delila, mba hamadihany an’i Samsona. Natoky loatra an’i Delila ve i Samsona, sa jamban’ny fitiavana ka tsy hitany ny tena tanjon’ilay vehivavy? Asa aloha! Nosokirin’i Delila foana anefa i Samsona mba hahatonga azy hilaza hoe maninona izy no natanjaka be. Tsy namelany mihitsy izy ka niteny ihany tamin’ny farany. Mampalahelo fa noho ny nataon’i Samsona ihany no nahatonga azy tsy hanana hery sy tsy hankasitrahan’i Jehovah, nandritra ny fotoana kelikely.—Mpits. 16:16-20.
14. Inona ny nanjo an’i Samsona noho izy natoky an’i Delila?
14 Nangidy tamin’i Samsona ny vokany, rehefa i Delila no natokisany fa tsy i Jehovah. Nosamborin’ny Filistinina izy, dia nopotsiriny ny masony ka lasa jamba. Nogadraina tao Gaza izy, nefa izy nanala baraka ny mponina tao talohan’izay. Lasa andevo mpanodina vato lehibe fikosoham-bary izy. Nanambanimbany azy ny Filistinina avy eo, nandritra an’ilay fety lehibe nataon-dry zareo. Nanao sorona lehibe ho an’i Dagona, ilay andriamani-diso nivavahany, ry zareo tamin’izay. Nataon’izy io resy mantsy, hono, i Samsona. Nalain-dry zareo avy any am-ponja izy, dia nentiny tao amin’ilay fety mba “hampiala voly” azy, na mba hataony ho fihomehezana.—Mpits. 16:21-25.
15. Ahoana no nampisehoan’i Samsona hoe niantehitra tamin’i Jehovah indray izy? (Mpitsara 16:28-30) (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)
15 Nanao fahadisoana lehibe i Samsona, nefa tsy nilavo lefona. Nitady hirika izy mba hanatanterahana an’ilay asa nanendren’Andriamanitra azy, dia ny hiady amin’ny Filistinina. (Vakio ny Mpitsara 16:28-30.) Niangavy an’i Jehovah àry izy hoe: “Avelao aho hamaly faty ny Filistinina.” Nohenoin’ilay tena Andriamanitra ny fitalahoany, dia nataony matanjaka be indray izy. Be lavitra noho ny hatramin’izay àry ny Filistinina matin’i Samsona tamin’io.
16. Inona no ianarantsika avy amin’ny fahadisoan’i Samsona?
16 Nizaka vokany mangidy i Samsona noho ny fahadisoana nataony, nefa mbola niezaka nanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy. Ary isika? Tsy tokony hilavo lefona isika na dia nanao fahadisoana aza, ka nanarina na namoy tombontsoam-panompoana. Tadidio fa tsy manary antsika i Jehovah. (Sal. 103:8-10) Mbola azony ampiasaina isika, hoatran’ny tamin’i Samsona, na dia nanao fahadisoana aza.
17-18. Inona no mampahery anao amin’ny tantaran’i Michael? (Jereo koa ny sary.)
17 Diniho ny ohatry ny rahalahy tanora atao hoe Michael. Be atao teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Mpikarakara fiangonana mantsy izy sady mpisava lalana maharitra. Mampalahelo anefa fa nanao fahadisoana izy, dia nafoiny ny tombontsoany tao amin’ny fiangonana. Izao no nolazainy: “Nisosasosa erỳ ny fanompoako an’i Jehovah talohan’izay. Tampoka teo anefa dia hoatran’ny hoe nidona tamin’ny rindrina aho. Izaho aloha tsy nieritreritra mihitsy hoe hanary ahy i Jehovah e! Lasa saina anefa aho hoe mbola hiverina amin’ny laoniny ve ny fifandraisako aminy, ary mbola ho afaka hanao be eo amin’ny fanompoana hoatran’ny taloha ve aho.”
18 Soa ihany fa tsy nilavo lefona i Michael. Izao no notantarainy: “Ny hanatsara indray ny fifandraisako tamin’i Jehovah no tena nifantohako. Nivavaka tsy tapaka àry aho ka namboraka ny tao am-poko taminy, nianatra, ary nisaintsaina.” Rehefa nandeha ny fotoana dia nahazo tombontsoam-panompoana tao amin’ny fiangonana indray i Michael. Anti-panahy izy izao sady mpisava lalana maharitra. Hoy izy: “Nanohana sy nampahery ahy ny mpiara-manompo, indrindra fa ny anti-panahy. Izany no nanampy ahy hahita hoe mbola tia ahy i Jehovah. Tsy enjehin’ny eritreritro aho izao manompo ao amin’ny fiangonana. Nampianatra ahy iny zavatra niainako iny hoe hamela an’izay olona tena mibebaka i Jehovah.” Ahoana àry raha nanao fahadisoana ianao? Afaka matoky ianao hoe mbola hampiasa anao sy hitahy anao koa i Jehovah, raha manao izay azonao atao ianao mba hanitsiana an’izay tsy mety sy miantehitra aminy foana.—Sal. 86:5; Ohab. 28:13.
19. Nahoana no mampahery anao ny ohatr’i Samsona?
19 Nandinika zava-mahavariana sasany nitranga teo amin’ny fiainan’i Samsona isika tato. Tsy lavorary izy nefa tsy nilavo lefona fa niezaka nanompo an’i Jehovah foana, na dia nanao fahadisoana aza tamin’ilay izy niaraka tamin’i Delila. Tsy nanary azy koa i Jehovah. Nampiasa an’i Samsona tamin’ny fomba miavaka indray Andriamanitra. Mbola nanana finoana miavaka izy taminy, matoa notanisainy ho anisan’ireo olona tsy mivadika ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Mampahery antsika ny mahalala hoe be fitiavana hoatr’izany ilay Ray any an-danitra tompointsika. Tena maniry hanatanjaka antsika izy, indrindra rehefa kely hery isika. Andao àry isika hiangavy an’i Jehovah hoatran’ny nataon’i Samsona hoe: “Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!”—Mpits. 16:28.
HIRA 3 Ianao no Tokinay
a Samsona! Iza no tsy mahalala an’io lehilahy ao amin’ny Baiboly io? Na ny olona tsy dia mahay ny Soratra Masina aza mahafantatra azy. Natao tantara an-tsehatra sy tononkira ary filma ny fiainany. Tsy angano fotsiny anefa ny tantarany. Betsaka mantsy no azontsika ianarana avy amin’io lehilahy nanam-pinoana io.