Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 38

Ry Tanora, Tianareo Hanao Ahoana ny Fiainanareo?

Ry Tanora, Tianareo Hanao Ahoana ny Fiainanareo?

“Hiaro anao ny fahaiza-mandinika.”​—OHAB. 2:11.

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

HO HITANAO ATO a

1. Inona ny zava-tsarotra natrehin’i Joasy sy Ozia ary Josia?

 ERITRERETO hoe mbola kely ianao dia efa lasa mpanjakan’ny vahoakan’Andriamanitra. Ahoana re no ampiasanao ny fahefanao e? Resahin’ny Baiboly hoe nisy ankizy sy tanora lasa mpanjakan’ny Joda. I Joasy, ohatra, 7 taona tamin’izy lasa mpanjaka, dia i Ozia 16 taona, ary i Josia kosa 8 taona. Tsy mora tamin-dry zareo izao izany! Na izany aza, dia samy nahazo ny fanampiana nilainy izy rehetra mba hiatrehana olana, sy hanaovana zavatra tsara be dia be teo amin’ny fiainany.

2. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ny ohatr’i Joasy sy Ozia ary Josia?

2 Marina hoe tsy mpanjaka isika, nefa misy lesona sarobidy azontsika ianarana avy amin’izy telo. Nisy tsara ny fanapahan-kevitra noraisiny, nefa nisy ratsy koa. Ho hitantsika avy amin’ny ohatr’izy ireo hoe nahoana isika no mila mifidy tsara ny namantsika, sy manetry tena foana, ary manohy mitady an’i Jehovah.

FIDIO TSARA NY NAMANAO

Azo atao amin’izao ny manahaka an’i Joasy, dia manaraka ny torohevitry ny namana tsara (Fehintsoratra 3, 7) c

3. Ahoana no nataon’i Joasy Mpanjaka rehefa nampianatra azy i Joiada?

3 Mahaiza manapa-kevitra hoatran’i Joasy. Nahay nanapa-kevitra i Joasy Mpanjaka tamin’izy tanora. Efa kamboty ray izy, dia ny toromarika nomen’i Joiada Mpisoronabe no narahiny. Noraisin’io mpisorona tsy nivadika io ho hoatran’ny zanany mihitsy i Joasy, rehefa nampianatra azy izy. Hendry i Joasy, ka nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah sy hanampy ny vahoaka hanao an’izany koa. Nataony mihitsy aza izay hanamboarana indray ny tempolin’i Jehovah.​—2 Tan. 24:1, 2, 4, 13, 14.

4. Inona ny soa raisintsika rehefa tia sy mankatò ny fitsipik’i Jehovah isika? (Ohabolana 2:1, 10-12)

4 Misy olona mampianatra anao ho tia an’i Jehovah sy hanaraka ny fitsipiny ve? Raha izany, dia hoatran’ny hoe manome fanomezana sarobidy ho anao izy. (Vakio ny Ohabolana 2:1, 10-12.) Be dia be ny fomba azon’ny ray aman-dreninao ampiofanana anao. Nampian’ny dadany hahay hanapa-kevitra, ohatra, ny Ranabavy Katya. Isaky ny hanatitra azy hianatra izy, dia miresaka momba ny teny vakina isan’andro ry zareo. Hoy i Katya: “Nanampy ahy hiatrika ny zava-tsarotra nandritra ny andro ireny resadresaka ireny.” Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe maneritery be ny toromarika avy ao amin’ny Baiboly omen’i Dada sy Mama anao? Inona no hanampy anao hanaraka an’ireny? Nilaza ny anabavy atao hoe Anastasia fa naka fotoana tsara ny ray aman-dreniny mba hanazavana taminy ny antony nametrahany fitsipika sasany. Hoy izy: “Lasa azoko hoe natao hiarovana ahy ireny satria tiany aho, fa tsy hoe mba hifehifehezana be ahy.”

5. Misy vokany amin’i Dada sy Mama ary Jehovah ve izay ataonao? Hazavao. (Ohabolana 22:6; 23:15, 24, 25)

5 Ho faly i Dada sy Mama rehefa mampihatra ny torohevitry ny Baiboly omena anao ianao. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe hampifaly an’Andriamanitra ianao, ary hinamana aminy foana. (Vakio ny Ohabolana 22:6; 23:15, 24, 25.) Tsy aleo àry ve manahaka an’i Joasy tamin’izy tanora?

6. Ny torohevitr’iza no lasa nohenoin’i Joasy ary inona no vokatr’izany? (2 Tantara 24:17, 18)

6 Mianara avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy. Rehefa maty i Joiada, dia nifidy ny hiaraka tamin’ny naman-dratsy i Joasy. (Vakio ny 2 Tantara 24:17, 18.) Nanapa-kevitra ny hihaino ny andrianan’ny Joda izy, nefa ry zareo tsy tia an’i Jehovah. Ianao koa angamba miaiky hoe tsy tokony ho niaraka tamin’ireny olona ratsy toetra ireny i Joasy. (Ohab. 1:10) Ireny mody niseho ho namany ireny anefa no nohenoiny. Rehefa niezaka nanitsy azy aza i Zakaria, zanaky ny dadatoany, dia i Zakaria indray no nasainy novonoina. (2 Tan. 24:20, 21; Mat. 23:35) Loza izany sady hadalana mihitsy! Tsara fiandohana ny fiainan’i Joasy, nefa mampalahelo fa lasa mpivadi-pinoana sy mpamono olona izy. Ny mpanompony ihany no namono azy tamin’ny farany. (2 Tan. 24:22-25) Hafa mihitsy izao ny fiainany raha mba nihaino an’i Jehovah sy izay tia azy izy! Inona ny lesona mba tianao hianarana avy aminy?

7. Iza no tokony hofidinao hatao namana? (Jereo koa ny sary.)

7 Misy lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy. Inona izany? Hoe namana hanampy antsika hanao ny tsara no mila fidintsika, izany hoe namana tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy. Tsy voatery hoe izay mitovy taona aminao ihany no azonao atao namana. Tadidio fa zokin’i Joasy lavitra be i Joiada, nefa ry zareo mpinamana. Ary ahoana ny namanao? Eritrereto izao: ‘Manampy ahy hino kokoa an’i Jehovah ve ry zareo? Mampirisika ahy hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ry zareo? Ry zareo ve miresaka momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana sarobidy? Asehony ve hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra izy? Izay tiako ho heno ihany ve no teneniny, sa izy sahy manitsy ahy rehefa manao ny tsy mety aho?’ (Ohab. 27:5, 6, 17) Raha tsorina aloha, dia tsy misy ilanao an’ireo namanao ireo raha tsy tia an’i Jehovah ry zareo. Fa raha tia an’i Jehovah kosa ny namanao, dia aza avotsotra mihitsy! Hanampy anao foana mantsy ny namana hoatr’izany.​—Ohab. 13:20.

8. Inona no tokony hodinihinao raha mampiasa tambazotran-tserasera ianao?

8 Ahafahana mifandray foana amin’ny fianakaviana sy ny namana ny tambazotran-tserasera. Betsaka anefa no mampiasa an’ireny mba hisehosehoana fotsiny, dia aderaderany ao ny sary sy video mampiseho an’izay novidiny na nataony. Raha mampiasa tambazotran-tserasera àry ianao, dia eritrereto izao: ‘Sao dia te hisehoseho fotsiny aho? Te hampahery ny olon-kafa ve aho, sa izaho no tena tiako hisongadina? Ny olona mampiasa an’ireny tambazotran-tserasera ireny ve no avelako hamolavola ny toe-tsaiko sy ny fiteniko ary ny zavatra ataoko?’ Izao no nolazain’ny Rahalahy Nathan Knorr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana taloha: ‘Aza miezaka mampifaly olona, satria tsy hahavita hampifaly an’iza na iza ianao amin’ny farany. Raha i Jehovah kosa no ampifalinao, dia hampifaly an’izay rehetra tia azy ianao.’

MIEZAHA HANETRY TENA FOANA

9. Nampian’i Jehovah hanao inona i Ozia? (2 Tantara 26:1-5)

9 Mahaiza manapa-kevitra hoatran’i Ozia. Nanetry tena i Ozia Mpanjaka tamin’izy tanora. Nianatra ny “hatahotra an’ilay tena Andriamanitra” izy. Notahin’i Jehovah àry izy tamin’ny ankapobeny, nandritra an’ireo 68 taona niainany. (Vakio ny 2 Tantara 26:1-5.) Nandresy firenena fahavalo be dia be izy, ary nataony azo antoka hoe voaro tsara i Jerosalema. (2 Tan. 26:6-15) Faly be izao i Ozia tamin’ny fanampiana rehetra nomen’Andriamanitra azy.​—Mpito. 3:12, 13.

10. Ahoana no niafaran’i Ozia?

10 Mianara avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Ozia. Narahina foana ny tenin’i Ozia Mpanjaka hatramin’izay, dia efa zatra an’izany izy. Lasa nieritreritra ve izy hoe afaka manao izay tiany? Tsy haintsika izany. Fa indray andro izy niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah, dia nitady handoro emboka manitra teo amin’ny alitara. Sahisahy ratsy izy, satria tsy nahazo nanao an’izany ny mpanjaka. (2 Tan. 26:16-18) Niezaka nanitsy azy i Azaria Mpisoronabe, nefa tezitra be izy. Mampalahelo hoe efa tsy nivadika ihany i Ozia hatramin’izay, nefa hoatran’ny hoe very maina fotsiny izany. Voasazy àry izy ka lasa boka. (2 Tan. 26:19-21) Hafa mihitsy izao ny fiainany raha mba nanetry tena foana izy!

Tsy mety ny mirehareha, fa aleo kosa midera an’i Jehovah noho izay zava-bitantsika (Fehintsoratra 11) d

11. Ahoana no ahitana hoe manetry tena isika na tsia? (Jereo koa ny sary.)

11 Rehefa nihanahery i Ozia, dia hadinony hoe i Jehovah no nahatonga azy hatanjaka sy hanankarena. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsara hotadidintsika hoe avy amin’i Jehovah ny fitahiana sy tombontsoa ananantsika. Tsy mety àry ny mirehareha, fa aleo kosa midera an’i Jehovah noho izay zava-bitantsika. b (1 Kor. 4:7) Tsy maintsy manetry tena isika, ka miaiky hoe tsy lavorary sady mila anarina. Izao no nosoratan’ny rahalahy iray efa 60 taona mahery: “Nianatra ny tsy ho tezitra na ho kivy aho rehefa ahitsin’ny hafa. Indraindray aho manaonao foana dia misy mananatra, nefa miarina haingana dia manohy miezaka indray.” Ho tsara fiafara isika, raha ny marina, rehefa matahotra an’i Jehovah sy manetry tena foana.​—Ohab. 22:4.

TADIAVO FOANA I JEHOVAH

12. Ahoana no nataon’i Josia mba hitadiavana an’i Jehovah, tamin’izy tanora? (2 Tantara 34:1-3)

12 Mahaiza manapa-kevitra hoatran’i Josia. Mbola tanora i Josia tamin’izy nanomboka nitady an’i Jehovah. Te hianatra momba an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony mantsy izy. Tsy mora anefa ny fiainan’io mpanjaka tanora io. Nila sahy niaro ny fivavahana marina izy, nefa ny ankamaroan’ny olona nanaraka fivavahan-diso. Dia vitany ve izany? Ie! Tsy ampy 20 taona akory izy, dia efa nanomboka nanala ny fivavahan-diso tao amin’ilay tany.​—Vakio ny 2 Tantara 34:1-3.

13. Inona no ho vokany rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao?

13 Na mbola kely aza ianao, dia efa afaka manahaka an’i Josia, ka manapa-kevitra hitady an’i Jehovah sy hianatra momba ny toetrany. Lasa te hanokan-tena ho an’azy ianao amin’izay. Ary rehefa manokan-tena ianao, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro? Eritrereto i Luke, rahalahy natao batisa tamin’izy 14 taona. Izao no nolazainy rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy: “Ny fanompoana an’i Jehovah no hataoko voalohany eo amin’ny fiainana manomboka izao, dia hiezaka aho mba hampifaly azy.” (Mar. 12:30) Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Tena mahafinaritra izany!

14. Manomeza ohatra mampiseho ny ataon’ny tanora sasany, mba hanahafana an’i Josia Mpanjaka.

14 Inona ny olana mety hatrehin’ny tanora manompo an’i Jehovah? Eritrereto i Johan. Tamin’izy 12 taona no natao batisa. Noteren’ny mpiara-mianatra taminy hifoka sigara elektronika izy. Dia inona no nanampy azy tsy hanao an’izany? Niezahany notadidina, hono, hoe misy vokany ratsy amin’ny fahasalamany sy ny fifandraisany amin’i Jehovah ny sigara elektronika. Niresaka momba ny olana atrehiny any am-pianarana koa i Rachel. Izy indray 14 taona no natao batisa. Izao no nolazainy hoe nanampy azy: “Iezahako ampifandraisina amin’ny ara-panahy ny zava-drehetra. Rehefa mianatra tantara, ohatra, izahay, dia mety hisy tantara ao amin’ny Baiboly na faminaniana tadidiko. Na indraindray izay resaka mandeha eo mampahatsiahy ahy andinin-teny azoko resahina amin’ny olona.” Mety tsy hitovy amin’ny olana atrehin’i Josia Mpanjaka ny anao, nefa afaka ny ho hendry sy hahavita tsy hivadika hoatr’azy ianao. Ho vonona hiatrika an’izay olana any aoriana any ianao, raha dieny izao tanora izao dia efa mahay miatrika an’ireny.

15. Inona no nanampy an’i Josia tsy hivadika tamin’i Jehovah? (2 Tantara 34:14, 18-21)

15 Nanomboka nanavao ny tempoly i Josia Mpanjaka rehefa lehibe. Tamin’izay no hita “ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah izay nomena tamin’ny alalan’i Mosesy.” Novakina tamin’i Josia ilay izy, dia lasa te hanao zavatra nifanaraka tamin’izay voalaza tao izy. (Vakio ny 2 Tantara 34:14, 18-21.) Ianao koa ve mba te hamaky Baiboly tsy tapaka? Raha efa manao an’izany ianao, dia manao ahoana izao ilay izy? Raisinao naoty ve izay andinin-teny mety hanampy anao? Soratan’i Luke, ilay voaresaka tetsy aloha, ao anaty diary, ohatra, izay hevitra mahaliana hitany. Maninona raha manao hoatr’azy? Mety hanampy anao hitadidy andinin-teny na hevitra tianao mantsy izany. Arakaraka ny ahaizanao Baiboly sy itiavanao azy io, no vao mainka hahatonga anao ho te hanompo an’i Jehovah. Lasa te hanao zavatra mifanaraka amin’izay nianaranao tao ianao amin’izay, hoatran’i Josia Mpanjaka.

16. Nahoana i Josia no nanao fahadisoana lehibe, ary inona no lesona ho antsika?

16 Mianara avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Josia. Nanao fahadisoana namoizany ny ainy i Josia tamin’izy 39 taona teo ho eo. Natoky tena izy, fa tsy nangataka ny tari-dalan’i Jehovah. (2 Tan. 35:20-25) Misy lesona ho antsika eo. Na firy taona isika na firy taona, ary na efa ela na vao haingana no nianatra Baiboly, dia tsy maintsy mitady an’i Jehovah foana. Mila mivavaka tsy tapaka, ohatra, isika mba hahazo ny tari-dalany, dia mianatra ny Teniny, ary manaraka ny torohevitry ny Kristianina matotra. Azo inoana hoe tsy dia hanao fahadisoana lehibe isika amin’izay, ary ho sambatra kokoa.​—Jak. 1:25.

RY TANORA, AFAKA NY HO TSARA BE NY FIAINANAREO

17. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’ireo mpanjaka telo tany Joda?

17 Be dia be ny zavatra tsara azonao atao, amin’izao ianao tanora izao. Hita amin’ny tantaran’i Joasy sy Ozia ary Josia, fa afaka mandray fanapahan-kevitra tsara ny tanora ary mampifaly an’i Jehovah. Marina aloha hoe tsy voatery hahomby foana isika. Na izany aza, dia afaka manahaka ny tsara nataon’ireo mpanjaka ireo isika, ary mitandrina mba tsy hamerina ny fahadisoany. Afaka ny hahomby sy ho sambatra isika amin’izay.

Nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Davida tamin’izy tanora. Nankasitrahan’Andriamanitra àry izy, dia tsara be ny fiainany (Fehintsoratra 18)

18. Iza no ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe afaka ny ho tsara be ny fiainanao? (Jereo koa ny sary.)

18 Misy tantarana tanora hafa ao amin’ny Soratra Masina. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah ry zareo sady nankasitrahany, dia lasa tsara be ny fiainany. Anisan’izany i Davida. Mbola kely izy dia efa nifidy ny hiandany tamin’Andriamanitra, ary lasa mpanjaka tsy nivadika tatỳ aoriana. Marina hoe nisy fotoana izy nanao fahadisoana, nefa nankasitrahan’Andriamanitra izy tamin’ny ankapobeny. (1 Mpanj. 3:6; 9:4, 5; 14:8) Maninona raha mianatra momba an’i Davida sy ny fanompoany? Hampahery anao sy handrisika anao tsy hivadika amin’i Jehovah izany. Azonao atao koa ny mandalina momba an’i Marka na Timoty. Ho hitanao hoe mbola kely ry zareo dia efa nanompo an’i Jehovah, ary nankasitrahany foana. Tsara be ny fiainan-dry zareo!

19. Afaka ny hanao ahoana ny fiainanao?

19 Hanao ahoana re ny fiainanao e? Miankina amin’izay ataonao dieny izao izany. Hitari-dalana anao i Jehovah, raha matoky azy ianao fa tsy miantehitra amin’ny fahaizanao. (Ohab. 20:24) Afaka ny ho sambatra sy ho afa-po ianao. Tadidio hoe sarobidy amin’i Jehovah izay ataonao ho azy. Aiza indray ianao no hahita fiainana tsara noho ny hoe manompo an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra?

HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!

a Ry tanora, fantatr’i Jehovah hoe mety ho sarotra aminareo ny hanao ny tsara ka hinamana aminy foana. Inona àry no azonareo atao mba hahay hanapa-kevitra, dia hampifaly an’ilay Rainareo any an-danitra? Handinika ny ohatra nomen’ny ankizilahy telo lasa mpanjakan’ny Joda isika ato. Ho hitanareo izay azonareo ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra noraisin-dry zareo.

b Jereo ilay efajoro hoe “Tandremo sao Lasa Mody Manetry Tena Nefa Hay Mirehareha”, ao amin’ilay hoe “Tena Ratsy ve Ilay hoe Be Mpitia ao Amin’ny Internet?”, ao amin’ny jw.org.

c SARY : Anabavy matotra manome torohevitra tsara ho an’ny anabavy tanora iray.

d SARY: Anabavy miantehitra amin’i Jehovah rehefa manana anjara amin’ny fivoriambe, dia avy eo manome voninahitra azy.