TANTARAM-PIAINANA
Mahafinaritra Be ny Manompo An’i Jehovah
TONGA tany Rouyn aho tamin’ny 1951. Tanàna kely ao amin’ny faritanin’i Québec atỳ Kanada izy io. Efa nisy adiresy iray nomena ahy, dia nandondòna teo amin’ilay varavarana aho. I Marcel Filteau, a misionera nanao Sekolin’i Gileada, no nanokatra ahy. Telo amby roapolo taona izy tamin’izany, dia izaho 16 taona. Lava noho izaho koa izy. Nasehoko azy ilay taratasy fanendrena ahy ho mpisava lalana. Novakiny ilay izy, dia nojereny tsara aho sady hoy izy: “Mba fantatry ny mamanareo ve ialahy hoe atỳ?”
NY FIAINANAY TAO AN-TRANO
Tamin’ny 1934 aho no teraka. Avy any Soisa ny ray aman-dreniko, fa nifindra monina tany Timmins, tanàna be mpitrandraka volamena eto Ontario, atỳ Kanada. Nanomboka namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah i Neny tamin’ny 1939 tany ho any. Nentiny nivory koa izahay fito mianadahy. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy taoriana kelin’izay.
Tsy faly mihitsy i Dada hoe lasa Vavolombelona i Neny. I Neny anefa tena tia ny fahamarinana, dia efa tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy. Nanompo an’i Jehovah foana izy, na dia tamin’ny fotoana nandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada aza, izany hoe tamin’ny 1940 sy taorian’izay. Tsara fanahy tamin’i Dada foana koa i Neny sady nanaja azy, na dia nasiaka taminy aza i Dada. Nanampy anay ankizy hanaiky ny fahamarinana ny ohatra tsara nomeny. Faly erỳ izahay hoe niova ihany i Dada tatỳ aoriana, dia lasa tsara fanahy kokoa taminay mianakavy.
NANOMBOKA NANOMPO MANONTOLO ANDRO
Nanatrika an’ilay fivoriambe hoe Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra tany New York aho, tamin’ny Aogositra 1950. Nihaona tamin’ny rahalahy sy anabavy avy any amin’ny firenena samihafa aho tany. Nahaliana be koa ny fanadinadinana ny olona avy nanao Sekolin’i Gileada! Lasa te hanompo an’i Jehovah bebe kokoa àry aho. Vao mainka aho te hanompo manontolo andro be mihitsy. Nandefa fangatahana ho mpisava lalana maharitra aho raha vao tonga tany an-trano. Namaly ahy ny biraon’ny sampan’i Kanada, dia nilaza ry zareo hoe aleo aloha aho hatao batisa. Dia natao batisa aho tamin’ny 1 Oktobra 1950. Lasa mpisava lalana maharitra aho iray volana taorian’izay, dia tany Kapuskasing ny fanendrena ahy voalohany. Lavitra be avy teo aminay io tanàna io.
Nila mpitory be dia be ny faritany miteny frantsay any Québec. Nasain’ny biraon’ny sampana nieritreritra àry ny Vavolombelona mahay miteny frantsay, tamin’ny 1951, raha afaka mifindra any. Nanaiky aho satria mahay miteny anglisy sady mahay miteny frantsay. Nasaina nankany Rouyn aho nefa tsy nisy olona fantatro mihitsy tany. Adiresy iray fotsiny no nomena ahy, araka ilay notantaraiko terỳ am-piandohana. Nandeha tsara anefa ny zava-drehetra. Lasa mpinamana be izahay sy Marcel, ary nahafinaritra be ny fanompoako tany Québec nandritra ny efa-taona. Efa mpisava lalana manokana aho tamin’izany.
SEKOLIN’I GILEADA DIA AVY EO NIANDRY
Faly be aho tamin’izaho mbola tany Québec rehefa nahazo fanasana hanatrika ny kilasy faha-26 amin’ny Sekolin’i Gileada any South Lansing, any New York. Tamin’ny 12 Febroary 1956 ny fizarana diplaoma, ary voatendry tany Afrika Andrefana aho. Ghana, b amin’izao, no iantsoana an’ilay toerana nanendrena ahy. Tsy maintsy niverina kely teto Kanada anefa aloha aho mba hikarakara taratasy. Tokony ho herinandro vitsivitsy aho no nijanona teto, nefa tsy izay no nitranga.
Voatery niandry fito volana tao Toronto aho, izay vao vita ny taratasiko. Ry Cripps no nampiantrano ahy tamin’izany dia lasa nifankahalala izahay sy Sheila, ilay zanak’izy ireo vavy. Nifankatia izahay roa. Vao saika hangataka azy ho vadiko aho, dia nivoaka ny vizàko. Nivavaka izahay sy Sheila hoe ahoana no hatao. Nanapa-kevitra izahay hoe aleo izaho mankany amin’ilay nanendrena ahy ihany, fa hifanoratra izahay mba hahitana hoe afaka ny hivady ihany ve izahay any aoriana any dia rahoviana. Sarotra ny nanapa-kevitra tamin’izay, nefa hitanay tatỳ aoriana hoe nety ilay izy.
Nandeha lamasinina sy sambo mpitondra entana ary fiaramanidina aho, dia tonga tany Accra any Ghana ihany rehefa afaka iray volana. Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho tany, dia nitsidika an’i Ghana sy Ivory Coast (Côte d’Ivoire ankehitriny) teo akaiky teo ary Togo. Nandeha irery aho tamin’ny ankapobeny sady nitondra ny fiara nomen’ny sampana. Tiako be mihitsy ireny fotoana ireny!
Nanao fivoriamben’ny faritra aho rehefa faran’ny herinandro. Tsy nanana Efitrano Fivoriambe izahay tamin’izany, nefa nandoro be ny masoandro. Nanangana toerana vonjimaika àry ireo rahalahy. Tahona volotsangana no natao andry, dia ravina palmie ny tafo. Tsy nisy vata fampangatsiahana tao amin’ny toerana fakana sakafo fa biby velona no natao teo akaiky teo, dia ireny no novonoina mba hatao sakafon’ny mpanatrika.
Nisy zavatra nampihomehy indraindray tamin’ireny fivoriambe ireny. Nanao lahateny, ohatra, i Herb Jennings, c misionera namanay, indray mandeha. Tamin’izay mihitsy no nisy omby tafatsoaka avy tao amin’ilay toerana fakana sakafo. Nirifatra nankeo anelanelan’ny lampihazo sy ny mpanatrika izy. Tonga dia tsy niteny intsony i Herb ary tsy hitan’ilay biby hoe aiza no aleha. Nisy rahalahy efatra matanjaka be nahavita nitazona an’ilay omby ihany avy eo, dia nentin-dry zareo niverina tany amin’ilay toerana fakana sakafo izy. Nihorakoraka ny mpanatrika tamin’izay!
Nampiseho an’ilay filma hoe Ny Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao Miasa tany amin’ny tanàna manodidina aho rehefa andavanandro. Naka lamba be fotsifotsy aho, dia nohenjaniko teo anelanelan’ny hazo roa na tsato-kazo roa ilay izy. Teo ilay filma no nalefako. Tian’ny olona be ilay izy. Be dia be tamin-dry zareo no sambany vao nahita filma. Nitehaka mafy be ry zareo rehefa nahita sarin’olona natao batisa. Niaiky izay nahita an’iny filma iny hoe fandaminana maneran-tany isika sady miray saina.
Tsy andriko izay hanatrehana an’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany New York tamin’ny 1958, rehefa avy nanompo roa taona teo ho eo tany Afrika aho. Faly be aho nahita an’i Sheila. Mpisava lalana manokana tany Québec izy tamin’izany, ary avy tany izy no nandeha nanatrika an’ilay fivoriambe. Nifanoratra foana izahay, fa tamin’izay indray izahay vao nihaona mivantana. Nangataka azy ho vady aho dia nanaiky izy. Nanoratra tany amin’ny Rahalahy Knorr d aho hoe sao dia afaka manatrika ny Sekolin’i Gileada i Sheila, dia hiaraka hanompo any Afrika izahay. Nanaiky izy. Tonga tany Ghana ihany i Sheila ny farany. Natao tany Accra ny raharahanay tamin’ny 3 Oktobra 1959. Tena nitahy anay i Jehovah satria izy foana no nataonay loha laharana teo amin’ny fiainanay.
NIARA-NANOMPO TANY CAMEROUN
Voatendry hanompo tany Cameroun izahay tamin’ny 1961. Be atao be aho satria nasaina nanampy hanangana biraon’ny sampana tany. Be dia be koa ny zavatra tsy maintsy nianarako satria voatendry ho mpikarakara ny sampana aho. Fantatra avy eo, tamin’ny 1965, hoe bevohoka i Sheila. Tsoriko aloha hoe elaela ihany vao neken’ny sainay mivady hoe hitaiza izahay e! Lasa tsy andrinay anefa ilay izy avy eo, dia efa niomankomana hody atỳ Kanada izahay. Tamin’izay mihitsy anefa no nisy zavatra nampalahelo be nitranga.
Afa-jaza i Sheila. Nilaza taminay ny dokotera hoe lahikely ilay zaza. Efa 50 taona mahery izay no lasa nefa tsy hadinonay mihitsy iny. Marina hoe nalahelo be izahay tamin’izay, nefa nijanona tany Cameroun ihany izahay ary tena nahafinaritra anay ny fanompoana tany.
Matetika ny rahalahy tany Cameroun no nenjehina satria tsy nanao politika. Rehefa akaiky fifidianana filoham-pirenena no tena mafy ilay izy. Norarana tamin’ny fomba ofisialy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 13 Mey 1970. Izay mihitsy ilay tena natahoranay! Vao dimy volana izahay no nifindra tao amin’ilay biraon’ny sampana vaovao, nefa nogiazan’ny fanjakana ilay izy. Tao anatin’ny herinandro fotsiny dia noroahina daholo ny misionera, anisan’izany izahay sy Sheila. Nalahelo izahay hoe handao ny rahalahy sy anabavinay tany satria tianay be ry zareo, dia niasa saina izahay hoe hanao ahoana re izao ry zareo e!
Nijanona enim-bolana tao amin’ny biraon’ny sampan’i Frantsa izahay. Mbola nanao an’izay azoko natao foana aho tany mba hikarakarana ny rahalahy tany Cameroun. Voatendry hanompo tany amin’ny sampan’i Nizeria izahay tamin’ny Desambra 1970. Ny tany indray no niandraikitra ny asa tany Cameroun. Nandray tsara anay ny rahalahy sy anabavy tany Nizeria, ary nahafinaritra anay ny nanompo tany nandritra ny taona vitsivitsy.
FANAPAHAN-KEVITRA SAROTRA
Nisy fanapahan-kevitra sarotra be tsy maintsy noraisinay tamin’ny 1973. Efa elaela mantsy i Sheila no narary mafy. Tamin’izahay namonjy fivoriambe tany New York, dia nitomany be izy sady niteny hoe: “Tsy vitako intsony ka! Vizana foana aho sady marary lava.” Efa 14 taona mahery i Sheila no niara-nanompo tamiko tany Afrika Andrefana. Nirehareha erỳ aho nanana vady tsy niala tamin’ny fanompoana mihitsy! Tsy maintsy nanao fanovana anefa izahay. Nifampiresaka tsara izahay dia nivavaka ela be sy nivavaka mafy momba an’ilay izy. Nanapa-kevitra izahay avy eo hoe aleo mody atỳ Kanada satria atỳ no ho voakarakara tsara ny fahasalamany. Tsy maintsy nandao an’ilay toerana nanendrena anay ho misionera izahay, sady nijanona tsy mpanompo manontolo andro intsony. Iny no fanapahan-kevitra mafy indrindra tsy maintsy noraisinay hatramin’izay.
Nahita asa aho rehefa tonga teto Kanada. Nisy namako efa ela izay mantsy nivarotra fiara any avaratr’i Toronto, dia tao aminy aho no niasa. Nanofa trano izahay, dia fanaka efa niasa no novidinay. Nanomboka fiainam-baovao àry izahay nefa tsy nidi-trosa. Tianay ho tsotra foana ny fiainanay satria mbola nanantena izahay hoe mety hiverina
hanompo manontolo andro, indray andro any. Tsy nampoizinay hoe vetivety dia ho tanteraka izay fanirianay izay.Nisy Efitrano Fivoriambe naorina tany Norval eto Ontario, ary nanao asa an-tsitrapo tany aho isaky ny asabotsy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nasaina hiandraikitra an’ilay Efitrano Fivoriambe aho. Efa nihatsara ny fahasalaman’i Sheila tamin’izay, dia nieritreritra izahay hoe ho vitany ilay izy. Nifindra tao amin’ilay Efitrano Fivoriambe àry izahay tamin’ny Jona 1974. Faly be izahay hoe afaka nanompo manontolo andro indray!
Nihatsara foana ny fahasalaman’i Sheila. Nanaiky àry izahay, roa taona tatỳ aoriana, rehefa nasaina hanao ny asan’ny faritra any Manitoba. Mangatsiaka be any amin’io faritany eto Kanada io rehefa ririnina. Tena nafana anefa ny fandraisan’ny rahalahy sy anabavy tany, dia nahafinaritra be. Nianaranay hoe tsy maninona na aiza na aiza anompoanao, fa ny zava-dehibe dia hoe manompo an’i Jehovah foana ianao.
NISY ZAVATRA LEHIBE NIANARAKO
Nasaina nanompo eto amin’ny Betelan’i Kanada izahay tamin’ny 1978, rehefa avy nanao ny asan’ny faritra nandritra ny taona vitsivitsy. Nisy zava-dehibe nianarako taoriana kelin’izay. Mafy be tamiko aloha ilay izy e! Nasaina nanao lahateny adiny iray sy sasany tamin’ny teny frantsay aho, tamin’ny fivoriana manokana iray tany Montréal. Nampalahelo fa tsy tena nahaliana ny mpanatrika ilay izy, dia nisy rahalahy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana nanome torohevitra ahy. Tsoriko aloha hoe tokony ho efa niaiky aho tamin’izany hoe tsy tena mahay mandaha-teny e! Tezitra anefa aho rehefa notoroany hevitra. Nifamaly izahay, dia nieritreritra aho hoe tsy mba nanao teny fiderana mihitsy izy fa tia nanakiana fotsiny. Tsy nety ny nataoko! Ny fiheverako an’ilay olona sy ny fomba nanomezany an’ilay torohevitra mantsy no nifantohako, fa tsy ny zavatra noteneniny.
Nisy rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana niresaka tamiko momba an’ilay izy, andro vitsivitsy taorian’izay. Niaiky aho hoe tsy nety ny fomba nandraisako an’ilay torohevitra, dia niala tsiny aho. Niresaka tamin’ilay rahalahy nanoro hevitra ahy aho avy eo. Tsara fanahy izy dia namela ahy. Nampianatra ahy iny hoe tena ilaina ny manetry tena ary tsy hohadinoiko mihitsy izany. (Ohab. 16:18) Imbetsaka aho no nivavaka tamin’i Jehovah momba an’izany, dia tapa-kevitra aho hoe handray tsara an’izay torohevitra omena ahy foana amin’izay.
Efa 40 taona mahery aho izao no ato amin’ny Betelan’i Kanada. Manana tombontsoa ho anisan’ny Komitin’ny Sampana aho nanomboka tamin’ny 1985. Nodimandry tamin’ny Febroary 2021 i Sheila vady malalako. Nalahelo be azy aho. Efa miharatsy koa izao ny fahasalamako. Be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa aho sady sambatra, ka hoatran’ny hoe “mandalo” haingana be ny fotoana. (Mpito. 5:20) Nisinisy ihany ny olana natrehiko nefa ny zavatra mahafaly no tena betsaka. Mahafinaritra be ny fiainako satria nataoko loha laharana foana i Jehovah sady nanompo manontolo andro nandritra ny 70 taona aho. Mivavaka aho mba hanao loha laharana an’i Jehovah foana koa ny rahalahy sy anabavy tanora. Resy lahatra mantsy aho hoe rehefa manompo an’i Jehovah ihany isika, vao tena hahafinaritra sy hahafa-po ny fiainantsika.
a Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2000 ny tantaram-piainan’i Marcel Filteau hoe “Jehovah no Fialofako sy Heriko.”
b Zanatany britanika io faritra any Afrika io talohan’ny 1957. Nantsoina hoe Côte-de-l’Or izy io tamin’izany.
c Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2000 ny tantaram-piainan’i Herbert Jennings hoe “Tsy Mahalala ny ho Ampitso Hianareo.”
d Nathan Knorr no nitarika ny asantsika tamin’izany.