MBA ANDRAMO IZAO
Miezaha Hianatra Zava-baovao
Rehefa miomana hianatra isika dia mety hieritreritra hoe: ‘Inona re izao no ho hitako ato e?’ Mila mitandrina anefa isika sao hieritreritra hoe tsy misy zava-baovao tian’i Jehovah hampianarina antsika. Inona àry no hanampy antsika ho vonona hianatra zava-baovao?
Mivavaha mba hahazo fahendrena. Angataho i Jehovah mba hanampy anao hahatakatra hoe inona no tiany hampianarina anao izao. (Jak. 1:5) Aza miantehitra amin’izay efa fantatrao hatramin’izay fotsiny.—Ohab. 3:5, 6.
Ekeo hoe manan-kery ny Baiboly. ‘Velona ny tenin’Andriamanitra.’ (Heb. 4:12) Isaky ny mamaky Baiboly isika dia afaka mampianatra antsika zava-baovao izy io, ary afaka manampy antsika amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainana. Ny saintsika mihitsy anefa aloha no mila vonona handray an’izay ampianarin’izy io.
Ankasitraho izay rehetra aroso eo amin’ny latabatr’i Jehovah. Hoatran’ny “fanasambe misy hanim-pito loha” ny sakafo ara-panahy avy aminy. (Isaia 25:6) Aza mifidifidy hanina àry ka hoe izay tiatianao ihany no hohaninao. Handray soa ianao raha tsy mifidifidy hoatr’izany, sady ho hitanao hoe tena matsiro ny mianatra an’izay aroson’Andriamanitra!