Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 37

HIRA 118 “Ampitomboy ny Finoanay”

Taratasy Manampy Antsika Hiaritra Hatramin’ny Farany

Taratasy Manampy Antsika Hiaritra Hatramin’ny Farany

“Tazonintsika mafy hatramin’ny farany ilay toky nananantsika tamin’ny voalohany.”​—HEB. 3:14.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika hanam-pinoana sy hiaritra hatramin’ny faran’izao tontolo izao ny torohevitra ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo.

1-2. a) Nanao ahoana ny fiainana tao Jodia tamin’ny apostoly Paoly nanoratra ho an’ny Hebreo? b) Nahoana no ara-potoana tsara io taratasy io?

 TSY mora ny fiainan’ny Kristianina hebreo nipetraka tany Jerosalema sy Jodia, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Vao niforona kelikely ny fiangonana kristianina tamin’izany ary nenjehina mafy ry zareo. (Asa. 8:1) Lasa sahirana ara-bola ny mpanara-dia an’i Kristy, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, angamba satria nisy mosary tao amin’ilay tany talohan’izay. (Asa. 11:27-30) Tamin’ny taona 61 tany ho any anefa dia nilamindamina kely ny fiainan-dry zareo, raha oharina amin’izay mbola hatrehiny. Tamin’izay mihitsy ry zareo no nahazo taratasy avy tany amin’ny apostoly Paoly. Tonga ara-potoana tsara io taratasy nampanoratin’Andriamanitra an’i Paoly io.

2 Ara-potoana tsara ilay taratasy ho an’ny Hebreo satria tsy hoe hilamindamina foana ny fiainan’ny Kristianina. Kely sisa dia hiatrika fahoriana ry zareo, dia tena nilain-dry zareo ny torohevitra nomen’i Paoly. Nihananatona ihany mantsy ilay fotoana efa nolazain’i Jesosy hoe handravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny. (Lioka 21:20) Mazava ho azy fa tsy nisy nahalala, na i Paoly na ny Kristianina tany Jodia, hoe rahoviana marina izany no hitranga. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia afaka niomana ireo Kristianina ireo. Afaka niezaka ny hiaritra sy hanana finoana bebe kokoa ry zareo.​—Heb. 10:25; 12:1, 2.

3. Nahoana ny bokin’ny Hebreo no tena mahaliana ny Kristianina amin’izao?

3 Hiatrika fahoriana lehibe lavitra noho izay natrehin’ny Kristianina hebreo koa isika atsy ho atsy. (Mat. 24:21; Apok. 16:14, 16) Andao àry hojerentsika ny torohevitra mahasoa sasany nomen’i Jehovah an’ireo Kristianina ireo, fa hahasoa antsika koa izany.

‘MIEZAHA HANDROSO HAINGANA MBA HO MATOTRA’

4. Inona avy ny olana natrehin’ny Kristianina jiosy? (Jereo koa ny sary.)

4 Niatrika olana lehibe ny Jiosy lasa Kristianina. Ny Jiosy mantsy taloha no vahoaka nofidin’i Jehovah. Tao Jerosalema no nisy ny mpanjaka nisolo tena an’Andriamanitra, ary ny tempoly no foiben’ny fivavahana marina. Nanaraka ny Lalàn’i Mosesy daholo ny Jiosy tsy nivadika, dia nankatò ny fitsipika napetraky ny mpitondra fivavahana. Tafiditra amin’izany ny momba ny sakafo, ny famorana, ary na ny fifandraisana tamin’ny hafa firenena aza. Tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony anefa ny sorona nataon’ny Jiosy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Sarotra be ho an’ny Jiosy lasa Kristianina ny nanaiky an’izany satria efa zatra nankatò ny Lalàna ry zareo. (Heb. 10:1, 4, 10) Na ny Kristianina matotra hoatran’ny apostoly Petera aza sahirana rehefa niezaka nanaraka ny fiovana sasany. (Asa. 10:9-14; Gal. 2:11-14) Nenjehin’ny mpitondra fivavahana jiosy ireo Kristianina ireo satria nanaraka fivavahana vaovao.

Tsy maintsy nifikitra mafy tamin’ny fahamarinana ny Kristianina, dia tsy nanaiky ho voarebirebin’ny hevi-diso avy tamin’ny Jiosy mpanohitra (Fehintsoratra 4-5)


5. Inona no nila notandreman’ny Kristianina?

5 Antokon’olona roa samy hafa no nanohitra ny Kristianina hebreo. Tetsy andaniny ny mpitondra fivavahana jiosy. Lazain-dry zareo fa mpivadi-pinoana ny Kristianina. Tetsy ankilany ny olona sasany nilaza azy ho Kristianina. Natahotra ny henjehina angamba ry zareo, dia nanizingizina hoe tsy maintsy manaraka ny zavatra sasany ao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny mpanara-dia an’i Kristy. (Gal. 6:12) Inona àry no nanampy ny Kristianina tsy mivadika hifikitra tamin’ny fahamarinana?

6. Nampirisihin’i Paoly hanao inona ny mpiara-manompo taminy? (Hebreo 5:14–6:1)

6 Nampirisika ny mpiray finoana taminy handalina ny Tenin’Andriamanitra i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Hebreo. (Vakio ny Hebreo 5:14–6:1.) Nampiasa ny Soratra Hebreo izy mba hampisaintsainana an-dry zareo hoe ambony noho ny Fivavahana Jiosy ny Fivavahana Kristianina. a Nampirisihin’i Paoly hianatra bebe kokoa sy handalina ny fahamarinana ireo Kristianina ireo, amin’izay fantany rehefa misy fampianaran-diso dia tsy hanaiky ho voarebirebin’izany izy ireo.

7. Inona avy ny olana atrehintsika amin’izao?

7 Maheno fanazavana sy hevitra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah koa isika amin’izao, hoatran’ny nahazo ny Kristianina hebreo ihany. Matetika ny mpanohitra no milaza hoe tery saina sy ratsy fanahy, hono, isika. Manaraka an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena mantsy isika. Vao mainka izao ny toe-tsain’ny olona sy ny fomba fiheviny mifanipaka amin’ny fomba fihevitra tonga lafatra ananan’Andriamanitra. (Ohab. 17:15) Tsy maintsy miezaka àry isika mba hahay hamantatra ny hevi-diso avy amin’ny mpanohitra sy tsy hanaiky ho voarebirebin’ireny. Te hanakivy antsika ry zareo, na hitarika antsika hiala amin’ny fahamarinana mihitsy.—Heb. 13:9.

8. Inona no hanampy antsika handroso mba ho matotra?

8 Tsy maintsy manaraka ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Kristianina hebreo koa isika, dia ilay hoe mila mandroso haingana mba ho matotra. Tafiditra amin’izany ny hoe miezaka mandalina ny fahamarinana sy miezaka hanana ny fomba fisainan’i Jehovah. Mila manao an’izany foana isika na dia efa nanokan-tena sy vita batisa aza. Tsy maintsy mamaky sy mianatra ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika rehetra, na vao haingana na efa ela no tao amin’ny fahamarinana. (Sal. 1:2) Vao mainka isika hanana an’ilay toetra nasongadin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo, raha zatra mianatra samirery. Tsy inona izany fa ny finoana.​—Heb. 11:1, 6.

‘MANÀNA FINOANA MBA HO VOATSIMBINA NY AINTSIKA’

9. Nahoana ny Kristianina hebreo no tena nila finoana matanjaka?

9 Nila nanana finoana matanjaka ny Kristianina hebreo raha tsy te ho faty tamin’ilay fahoriana hitranga tao Jodia. (Heb. 10:37-39) Efa nampitandrina ny mpanara-dia azy mantsy i Jesosy hoe tokony handositra any an-tendrombohitra ry zareo rehefa mahita an’i Jerosalema voahodidina miaramila. Nila nanaraka an’io torohevitra io daholo na ny Kristianina nipetraka tao an-tanàna na ny tany ambanivohitra. (Lioka 21:20-24) Rehefa nisy nanafika ny olona taloha, dia nandeha nitady fiarovana tany amin’ny tanàna misy manda hoatran’i Jerosalema. Hoatran’ny hafahafa ilay hoe hitsoaka any an-tendrombohitra, ka mila finoana matanjaka izay manao an’izany.

10. Inona no hataon’ny Kristianina raha matanjaka ny finoany? (Hebreo 13:17)

10 Nila natoky an’izay nasain’i Jesosy nitarika ny fiangonana koa ny Kristianina hebreo. Azo inoana hoe nanome toromarika voafaritra tsara ny lehilahy nitarika tamin’izany, mba hanampiana ny rehetra ao amin’ny fiangonana hanaraka an’ilay tari-dalan’i Jesosy. Nanome toromarika ry zareo hoe rahoviana no handositra ny fiangonana, ary ahoana no hanaovana an’izany amin’ny fomba milamina tsara. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Inona no tiana holazaina amin’ilay teny grika nadika hoe “ankatoavy”, ao amin’ny Hebreo 13:17? Midika izy io hoe resy lahatra ny olona iray fa hankatò satria izy matoky an’ilay olona manome toromarika azy. Tsy hoe mankatò fotsiny izy satria manana fahefana ilay olona. Nila niezaka natoky an’ireo lehilahy nitarika àry ny Kristianina hebreo, talohan’ny hahatongavan’ilay fahoriana. Raha zatra nankatò ny toromarika nomen’izay nitarika an-dry zareo ireo Kristianina ireo tamin’ny mbola nilamina ny fiainany, dia ho mora kokoa amin-dry zareo ny hanao an’izany rehefa ao anatin’ny sarotra.

11. Nahoana ny Kristianina no tena mila manana finoana matanjaka amin’izao?

11 Mila manana finoana hoatran’ireo Kristianina nandefasan’i Paoly taratasy koa isika. Tsy miraharaha ny fampitandreman’ny Baiboly momba ny faran’izao tontolo izao mantsy ny ankamaroan’ny olona amin’izao, ary misy aza maneso antsika mihitsy. (2 Pet. 3:3, 4) Mbola betsaka koa ny zavatra tsy fantatsika, na dia efa nilaza tsipiriany maromaro momba an’izay hitranga amin’ny fahoriana lehibe aza ny Baiboly. Tsy maintsy mino mafy àry isika hoe ho tonga ara-potoana ny faran’izao tontolo izao ary hikarakara antsika i Jehovah.​—Hab. 2:3.

12. Inona no hanampy antsika ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe?

12 Vao mainka isika tokony hino amin’izao hoe mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jehovah mba hitarihana antsika. (Mat. 24:45) Mety hahazo toromarika voafaritra tsara sady mamonjy aina isika rehefa manomboka ny fahoriana lehibe, hoatran’izay mety ho nomena ny Kristianina hebreo rehefa tonga ny Romanina. Izao mihitsy isika no mila matoky kokoa ny toromarika omen’izay mitarika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Sarotra inoana hoe ho vitantsika ny hankatò sy hatoky ny toromarika omen-dry zareo mandritra ny fahoriana lehibe, raha izao isika dia efa tsy mora mankatò.

13. Nahoana no nety tsara ilay torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:5?

13 Nila nanana fiainana tsotra foana koa ny Kristianina hebreo fa “tsy tia vola”, teo am-piandrasana an’ilay toromarika hoe mila mandositra. (Vakio ny Hebreo 13:5.) Efa nahantra sy tratran’ny mosary ny sasany tamin’izy ireo. (Heb. 10:32-34) Marina hoe vonona hiaritra ny mafy ry zareo taloha noho ny vaovao tsara. Lasa nisy nieritreritra anefa hoe tsy ho voaro ry zareo raha tsy manankarena. Na vola be hoatran’ny inona aza anefa dia tsy haharo an-dry zareo rehefa horavana i Jerosalema. (Jak. 5:3) Vao mainka aza sarotra amin’ny olona tia vola sy harena ny handositra ka handao ny tranony sy ny fananany.

14. Hanao ahoana ny fanapahan-kevitra raisintsika raha matanjaka ny finoantsika?

14 Tsy halaim-panahy hikatsaka vola aman-karena isika raha tena mino hoe efa akaiky ny faran’izao tontolo izao. ‘Hatsipin’ny olona eny an-dalana mantsy ny volafotsiny’ amin’izay, satria ho tonga saina ry zareo hoe “tsy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Ezek. 7:19) Tsy hifofotra hanangona vola be àry isika. Tokony ho hita amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika kosa hoe te hanana fiainana tsotra isika, nefa tsy mihafy be fa afaka manompo tsara an’i Jehovah. Tafiditra amin’izany ny hoe tsy manaiky halaim-panahy hidi-trosa amin’ny zavatra tsy tena ilaina, na handany fotoana be hikarakara fananana. Mila mitandrina koa isika mba tsy hiraiki-po loatra amin’ny zavatra efa ananantsika. (Mat. 6:19, 24) Eo am-piandrasantsika ny faran’izao tontolo izao, dia mety hotsapaina ny finoantsika hoe ahoana ny fiheverantsika ny vola sy harena ary ny zavatra hafa.

“MILA MIARITRA IANAREO”

15. Nahoana ny Kristianina hebreo no tena nila niaritra?

15 Tsy maintsy hiaritra ny Kristianina hebreo satria hotsapaina ny finoany rehefa miharatsy ny fiainana ao Jodia. (Heb. 10:36) Marina hoe efa niatrika fanenjehana mafy ny sasany tamin’izy ireo, nefa betsaka no lasa Kristianina tamin’ny fotoana tsy dia nisian’ny fanenjehana. Nilaza i Paoly hoe na dia efa niaritra ny mafy aza ry zareo, dia mbola tsy nisy hoe tonga hatramin’ny fahafatesana, hoatran’ny nahazo an’i Jesosy. (Heb. 12:4) Rehefa niely anefa ny Fivavahana Kristianina dia vao mainka nasiaka sy nafana fo be ny mpanohitra. Norotahin’ny olona, ohatra, i Paoly rehefa tonga tao Jerosalema, taona vitsivitsy talohan’ny nanoratany ho an’ny Hebreo. Jiosy 40 mahery tamin’izay no “niozona fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.” (Asa. 22:22; 23:12-14) Na dia nankahalaina sy nenjehina hoatr’izany aza ireo Kristianina ireo, dia tsy maintsy mbola hivory sy hitory ny vaovao tsara, ary hiezaka hanana finoana matanjaka foana.

16. Nahoana ny taratasy ho an’ny Hebreo no manampy antsika hanana fomba fijery mety mahakasika ny fanenjehana? (Hebreo 12:7)

16 Inona no hanampy ny Kristianina hebreo hiaritra fanoherana? Fantatr’i Paoly hoe nila nanana fomba fijery nety ry zareo. Nohazavainy àry hoe anisan’ny fampiofanana ny Kristianina ireny matoa avelan’Andriamanitra hitranga. (Vakio ny Hebreo 12:7.) Mampiofana ny Kristianina mba hanana toetra tsara na hanatsara ny toetra efa ananany izany. Ho mora kokoa amin’ny Kristianina hebreo ny hiaritra rehefa mifantoka amin’ny soa azony ry zareo.​—Heb. 12:11.

17. Inona no hitan’i Paoly hoe ilaina mba hiaretana fanenjehana?

17 Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina hebreo mba ho tapa-kevitra kokoa hiaritra fitsapana. Nety tsara hoe izy no nanoratra momba an’izany. Efa nanenjika ny Kristianina mantsy izy taloha dia fantany hoe tena mafy ny nanjo azy ireo. Tsapany koa hoe ahoana izany miaritra fanenjehana izany. Izy tsinona efa tratran’ny fanoherana isan-karazany rehefa lasa Kristianina. (2 Kor. 11:23-25) Afaka niteny tsara àry i Paoly hoe inona no ilaina raha te hiaritra. Nampahatsiahy an’ireo Kristianina ireo izy hoe nila niantehitra tamin’i Jehovah ry zareo, fa tsy tamin’ny tenany, rehefa niatrika fitsapana. Be herim-po i Paoly nilaza hoe: “I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho.”​—Heb. 13:6.

18. Inona no fantatsika momba ny hoavy ka hanampy antsika hiaritra fanenjehana?

18 Miaritra ny mpiara-manompo amintsika sasany amin’izao satria enjehina. Afaka mivavaka isika mba hanohanana an-dry zareo. Mety ho afaka hanao zavatra ho an-dry zareo mihitsy koa isika. (Heb. 10:33) Milaza mazava anefa ny Baiboly hoe “henjehina ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin’ny fiainany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Tim. 3:12) Isika rehetra mihitsy izany no mila miomana amin’izay hitranga atsy ho atsy. Andao àry hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah foana sady hatoky hoe hanampy antsika hiaritra izy, na inona na inona fitsapana mitranga eo. Hanafaka ny mpanompony rehetra tsy mivadika izy amin’ny fotoana mety.​—2 Tes. 1:7, 8.

19. Inona avy no azontsika atao mba ho vonona hiatrika ny fahoriana lehibe isika? (Jereo koa ny sary.)

19 Azo antoka hoe nanampy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hiomana ho amin’ilay fahoriana hatrehin’izy ireo ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo. Nampirisihin’i Paoly hianatra bebe kokoa sy handalina ny Soratra Masina ry zareo. Ho hain-dry zareo amin’izay ny hamantatra an’izay fampianarana mety hampihena ny finoany ka tsy hanaiky ho voarebirebin’izany. Nampirisika an-dry zareo koa izy mba hanatanjaka ny finoany, amin’izay ry zareo tonga dia hanaraka ny toromarika avy amin’i Jesosy sy izay mitarika eo anivon’ny fiangonana. Ankoatra izay, dia nampiany hiaritra ny Kristianina. Natorony hoe ahoana no tokony hiheverana ny fitsapana. Tokony horaisin’ny Kristianina hoe fomba ampiofanan’ilay Rainy be fitiavana azy izay fitsapana atrehiny. Enga anie isika hanaraka an’izany torohevitra avy amin’Andriamanitra izany koa, dia ho vitantsika ny hanam-pinoana sy hiaritra hatramin’ny farany!​—Heb. 3:14.

Notahina ny Kristianina tsy nivadika satria niaritra. Nivory foana ry zareo na dia taorian’ny nandosirany avy tany Jodia aza. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Fehintsoratra 19)

HIRA 126 Miambena, Mahereza

a Ao amin’ny toko voalohany fotsiny, ohatra, dia impito i Paoly, fara fahakeliny, no naka teny avy ao amin’ny Soratra Hebreo mba hanaporofoana hoe ambony noho ny Fivavahana Jiosy ny Fivavahana Kristianina.​—Heb. 1:5-13.