Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny Marina Momba ny Fanjakan’Andriamanitra

Nampianarin’i Jesosy hivavaka toy izao ny mpianany: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny Fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:9, 10) Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no ataon’izy io? Ary nahoana isika no tokony hivavaka mba ho tonga izy io?

I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Lioka 1:31-33: “Ataovy hoe Jesosy ny anarany. Hiavaka izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary homen’i Jehovah Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Dia ho Mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny Fanjakany.”

Io Fanjakana io no tena noresahin’i Jesosy rehefa nitory izy.

Matio 9:35: “Lasa i Jesosy nitety ny tanàna rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra tany amin’ny synagoga sy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nositraniny koa ny karazan’aretina rehetra.”

Noresahin’i Jesosy hoe inona no hitranga alohan’ny hahatongavan’ilay Fanjakana.

Matio 24:7: “Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa.”

Mitory momba an’io Fanjakana io maneran-tany izao ny mpianatr’i Jesosy.

Matio 24:14: “Ary hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”