Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona ny Olona no Mifankahala?

Maninona ny Olona no Mifankahala?

Fa maninona ny olona no mifankahala be hoatr’izao? Mba hamaliana an’izany, dia mila fantarintsika aloha ny atao hoe fankahalana, inona no mahatonga ny olona hankahala ny hafa, ary nahoana izany no miely be.

Inona no atao hoe fankahalana?

Fihetseham-po mahery ny fankahalana. Midika izy io hoe tsy tia maizina olona iray na antokon’olona iray, ary te hanisy ratsy azy foana.

INONA NO MAHATONGA NY OLONA HANKAHALA NY HAFA?

Betsaka no mety ho antony. Matetika ny olona no mankahala antokon’olona iray, tsy voatery hoe noho ny nataon’izy ireny fa noho ny hoe iza izy ireny. Mieritreritra angamba izy hoe ratsy fanahy izy ireny, mitady hanao ratsy, na tsy hiova mihitsy. Heverina ho ambany izy ireny, na mampidi-doza, na miteraka olana. Mety ho niharan’ny herisetra na ny tsy rariny ny olona mankahala ny hafa hoatr’izany, na nisy zavatra hafa nahatonga azy hanana an’io fihetseham-po io.

NAHOANA NY FANKAHALANA NO MIELY BE?

Mety hisy hankahala olona mbola tsy nihaona taminy akory. Tsy tonga saina, ohatra, izy hoe efa misy vokany aminy ny fomba fihevitry ny olona hajainy sy akaiky azy. Lasa mora miely àry ny fankahalana, ary mety hifindra amina antokon’olona iray mihitsy izany.

Mora miely ny fankahalana, ka tsy mahagaga raha be dia be hoatr’izao ny olona mifankahala. Mba tsy hisian’ny fankahalana intsony anefa, dia mila fantarintsika aloha ny tena fototr’izy io. Miresaka an’izany ny Baiboly.

RESAHIN’NY BAIBOLY NY FOTOTRY NY FANKAHALANA

ANJELY NO NANKAHALA VOALOHANY. Nanomboka nisy ny fankahalana, rehefa nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely iray tany an-danitra. Nantsoina hoe Satana Devoly izy io tatỳ aoriana. “Efa mpamono olona” izy, tamin’izy vao nanomboka nikomy. ‘Mpandainga izy sady rain’ny lainga’, dia ataony foana izay hahatonga ny olona hifankahala sy hifamono. (Jaona 8:44; 1 Jaona 3:11, 12) Resahin’ny Baiboly hoe ratsy fanahy sy tezi-dava ary tia herisetra izy.​—Joba 2:7; Apokalypsy 12:9, 12, 17.

MORA MANKAHALA NY HAFA NY OLOMBELONA TSY LAVORARY. Nikomy hoatran’i Satana i Adama, ilay olombelona voalohany. Nandova ota àry ny olombelona rehetra, dia lasa tsy lavorary. (Romanina 5:12) Lasa nankahala an’i Abela rahalahiny, ohatra, i Kaina lahimatoan’i Adama, dia namono azy. (1 Jaona 3:12) Marina aloha hoe betsaka ny olona be fitiavana sy mangoraka. Noho izy ireo nandova ota anefa, dia lasa mora tia tena sy mitsiriritra ary manambony tena. Ireo anefa no tena mahatonga ny fankahalana.​—2 Timoty 3:1-5.

TIA MANAVAKAVAKA NY TONTOLO MISY ANTSIKA. Vao mainka mitombo ny fankahalana, satria ataon’ity tontolo ity izay hahatonga ny hafa tsy hangoraka sy hanisy ratsy ny hafa. Mihabetsaka ny olona manavakavaka, mitsaratsara ny hafa, mampijaly, ary manimba zavatr’olona, satria ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy’, na i Satana Devoly.​—1 Jaona 5:19.

Tsy ny fototry ny fankahalana fotsiny anefa no resahin’ny Baiboly, fa ny vahaolana amin’izany koa.