Tsy Mahazo Manambady ve ny Mpitondra Fivavahana?
MARO ny fivavahana mandrara ny mpitondra fivavahana ao aminy mba tsy hanambady. Anisan’izany ny Katolika sy Ortodoksa ary Bodisma. Betsaka anefa no mieritreritra hoe izany no mahatonga ny mpitondra fivavahana maro hanao firaisana mamoafady tato ho ato.
Raran’ny Soratra Masina tsy hanambady tokoa ve ny mpitondra fivavahana? Andeha hojerentsika ny niandohan’io fanao io sy ny fomba nielezany ary ny fahitan’Andriamanitra azy io.
ZAVA-NISY ARA-TANTARA
Nisy fivoriana iray nataon’ny lohandohan’ny Eglizy tamin’ny 2006. Nilaza ny Papa Benoît Faha-16 tamin’izay fa norarana tsy hanambady ny mpitondra fivavahana “taoriana kelin’ny nahafatesan’ireo Apostoly.”
Tsy nisy an’izany fandrarana izany anefa teo anivon’ny Kristianina voalohany. Ny apostoly Paoly aza nampitandrina hoe hisy olona hanao “fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy” ary ‘handrara tsy hanambady.’—1 Timoty 4:1-3.
Oviana àry no norarana tsy hanambady ny mpitondra fivavahana? Tamin’ny taonjato faharoa no nanombohan’izany teo anivon’ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina, izay lasa Eglizy Katolika Romanina tatỳ aoriana. Milaza ny boky Ny Fandrarana Tsy Hanambady eo Anivon’ny Fivavahana (anglisy) fa nifanaraka tamin’io fanao io “ny toe-tsaina vaovao nalaza tao amin’ny Fanjakana Romanina, dia ny hoe ilaina ny mifehy tena tsy hanao firaisana.”
Nohamafisin’ny konsilin’ny Eglizy sy ireo nantsoina hoe Rain’ny Eglizy, tatỳ aoriana, fa tsy tokony hanambady ny mpitondra fivavahana.
Tsy mety amin’izy ireo, hono, ny manao firaisana, sady mandoto ny vatany. ‘Na tamin’ny taonjato fahafolo aza anefa dia mbola betsaka ny pretra nanambady ary na ny eveka sasany aza’, araka Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy).Nisy lalàna nivoaka tamin’ny Konsilin’i Latran, izay natao tany Roma tamin’ny 1123 sy 1139. Nilaza izy io fa tsy mahazo manambady ny pretra katolika, ary mbola izany foana hatramin’izao. Nandray an’io fepetra io ny Eglizy satria tsy tiany ho very ny fahefany sy ny fananany. Raha manambady mantsy ny pretra dia hampandovany ny zanany ny fananan’ny Eglizy.
NY HEVITR’ANDRIAMANITRA
Hita mazava ao amin’ny Baiboly ny hevitr’Andriamanitra. Resahina ao ny tenin’i Jesosy hoe nisy olona tsy nanambady toa azy “noho ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 19:12) Nilaza koa ny apostoly Paoly hoe nisy Kristianina nifidy ny tsy hanambady toa azy “noho ny vaovao tsara.”—1 Korintianina 7:37, 38; 9:23.
Samy tsy nandrara an’ireo mpitondra fivavahana tsy hanambady anefa na i Jesosy na i Paoly. Nilaza i Jesosy fa “fanomezana” ny mijanona ho mpitovo, ary tsy ny mpianany rehetra no manana azy io. Niaiky toy izao i Paoly rehefa niresaka momba an’ireo mbola tsy nanambady mihitsy: “Tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho. Manome ny hevitro anefa aho.”—Matio 19:11; 1 Korintianina 7:25.
Asehon’ny Baiboly koa fa maro tamin’ireo Kristianina voalohany, izay nanana andraikitra ara-pivavahana, no nanambady ary anisan’izany ny apostoly Petera. (Matio 8:14; Marka 1:29-31; 1 Korintianina 9:5) Ratsy fitondran-tena ny olona tao amin’ny fanjakana romanina tamin’izany. Nilaza àry i Paoly fa raha manambady ny mpiandraikitra kristianina dia tokony ‘hanambady tokana’, ary hanana “zanaka manaiky azy.”—1 Timoty 3:2, 4.
Midika ve izany fa azony atao ny manambady, saingy tsy mahazo manao firaisana amin’ny vadiny izy? Tsia, satria milaza mazava ny Baiboly fa tokony “hanao ny adidiny amin’ny vadiny” ny lehilahy, ary samy tokony “hanaiky hanao” firaisana ny mpivady. (1 Korintianina 7:3-5) Tsy raran’Andriamanitra tsy hanambady àry ny mpitondra fivavahana. Tsy takina amin’izy ireo koa izany.
NOHO NY VAOVAO TSARA
Nahoana àry i Jesosy sy Paoly no nampirisika ny olona hijanona ho mpitovo? Satria afaka mitory bebe kokoa ny vaovao tsara ny mpitovo. Manam-potoana kokoa izy ireo fa tsy hoatran’ny olona manambady, izay maro ahina.—1 Korintianina 7:32-35.
Diniho ny ohatr’i David. Nialany ny asa be karama nataony tany Mexico, ary nifindra tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Costa Rica izy mba hampianatra Baiboly. Tsapany hoe noho izy mpitovo no nahavitany an’izany. Hoy izy: “Sarotra ny mizatra kolontsaina sy fomba fiaina vaovao. Mora kokoa tamiko anefa ilay izy satria ny tenako ihany no nila nokarakaraiko.”
Mbola mpitovo i Claudia ary nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa. Hoy izy: “Tiako be ny manompo an’Andriamanitra. Hitako hoe mikarakara ahy izy, dia vao mainka aho lasa mino azy sy akaiky azy.”
“Tsy maninona ianao na mpitovo na manambady. Ho sambatra foana ianao raha manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah Andriamanitra.”—Claudia
Tsy tokony ho enta-mavesatra ny mijanona ho mpitovo. Hoy ihany i Claudia: “Tsy maninona ianao na mpitovo na manambady. Ho sambatra foana ianao raha manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah Andriamanitra.”—Salamo 119:1, 2.