“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!” Vavaka Averimberin’ny Olona An-tapitrisany
Efa nivavaka ve ianao mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? Olona an-tapitrisany no nanao an’io vavaka io nandritra ny taonjato maro. Nangataka izy ireo hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!” Nahoana? Satria nampirisika ny mpanara-dia azy hanao an’izany i Jesosy.
Tsy tena nahazo an’izay rehetra nolazain’i Jesosy momba an’io Fanjakana io ny mpanara-dia azy, tamin’ny voalohany. Nisy fotoana izy ireo nanontany hoe: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?” Azo inoana fa gaga izy ireo hoe tsy namaly mivantana ny fanontaniany i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:6, 7) Midika ve izany fa tsy ho fantatsika mihitsy hoe inona io Fanjakana io, ary rahoviana izy io no ho tonga? Tsy izany mihitsy!
Hanampy anao hahita ny valin’ireto fanontaniana ireto ity gazety ity:
Nahoana isika no mila ny Fanjakan’Andriamanitra?
Iza no Mpanjakan’io Fanjakana io?
Rahoviana izy io no hitondra ny tany?
Inona no hataon’io Fanjakana io?
Nahoana ianao no tokony hanohana azy io dieny izao?
Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?