Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lemaka ivan’​i Elaha

Tena Nisy ve ny Adin’​i Davida sy Goliata?

Tena Nisy ve ny Adin’​i Davida sy Goliata?

Misy mieritreritra hoe tsy tena nisy ny tantaran’i Davida sy Goliata fa angano fotsiny. Nisalasala hoatr’izany koa ve ianao rehefa namaky ny lahatsoratra teo aloha? Raha izany no izy, dia diniho ireto fanontaniana telo ireto:

1 | Tena misy olona mahatratra 2,90 metatra eo ho eo ve?

Milaza ny Baiboly fa “enina hakiho sy irain-jehy” ny halavan’i Goliata. (1 Samoela 17:4) Nirefy 44,5 santimetatra ny iray hakiho ary 22,2 santimetatra ny irain-jehy. Nahatratra 2,90 metatra teo ho eo àry ny halavan’i Goliata. Misy milaza fa tsy mampino izany. Diniho anefa izao: Voalaza fa nahatratra 2,70 metatra mahery ny lehilahy lava indrindra eran-tany, tamin’ny taonjato faha-20. Tena tsy mampino àry ve hoe nanan-tombo 20 santimetatra teo ho eo i Goliata? Avy amin’ny fokon’i Refaima izy ary goavam-be daholo ny lehilahy avy tamin’io foko io. Milaza ny boky ejipsianina iray tamin’ny taonjato faha-13 Talohan’i Kristy fa maherin’ny 2,40 metatra ny halavan’ny miaramila sasany, tany amin’ny faritr’i Kanana. Tena mitombina àry ny halavan’i Goliata na dia tsy mahazatra aza.

2 | Tena nisy ve i Davida?

Nisy fotoana ny manam-pahaizana niezaka nanaporofo hoe angano fotsiny ny tantaran’i Davida Mpanjaka. Lasa sarotra amin’izy ireo anefa ny manao an’izany. Nahita soratra tranainy hoe “taranak’i Davida” mantsy ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nilaza koa i Jesosy Kristy hoe olona tena nisy i Davida. (Matio 12:3; 22:43-45) Asehon’ny tetirazana roa fa taranak’i Davida Mpanjaka i Jesosy, ilay Mesia. (Matio 1:6-16; Lioka 3:23-31) Tena nisy àry i Davida.

3 | Tena nisy ve ny toerana voalaza ao amin’ilay tantara?

Milaza ny Baiboly fa tany amin’ny lemaka ivan’i Elaha ilay ady no nitranga. Voalaza ao mihitsy aza fa teo amin’ny tendrombohitra teo anelanelan’ny tanànan’i Soko sy Azeka ny Filistinina no nitoby. Ny Israelita kosa teo amin’ilay tendrombohitra terỳ ampita. Tena nisy ve ireo toerana ireo?

Mariho ny tenin’ny lehilahy iray nitsidika an’ireo toerana ireo vao haingana. Hoy izy: “Nitondra anay tany amin’ny lemaka ivan’i Elaha ilay lehilahy mpitondra mpitsidika. Nentiny tany an-tampon’ny tendrombohitra iray izahay, dia nahatazana an’ilay lemaka. Nasainy novakinay ny 1 Samoela 17:1-3, na dia tsy mpivavaka aza izy. Hoy izy avy eo: ‘Io amin’ny ankavianareo io ny sisa amin’ny tanànan’i Soko.’ Nihodina izy dia nilaza hoe: ‘Io amin’ny ankavananareo io indray ny sisa amin’ny tanànan’i Azeka. Teo anelanelan’ireo tanàna ireo ny Filistinina no nitoby, teo amin’io tendrombohitra manoloana anareo io. Mety ho eo amin’ilay tendrombohitra nisy an’ireo Israelita àry no misy antsika.’ Nalaiko sary an-tsaina i Saoly sy Davida nijoro teo amin’ilay nisy ahy. Nidina an’ilay tendrombohitra izahay avy eo, ary nandeha teo amin’ilay lemaka. Niampita renirano efa ho ritra izahay, ary feno vato ilay izy. Azoko sary an-tsaina i Davida naka vato kilonjy dimy teo. Ny iray tamin’ilay izy no nahafaty an’i Goliata.” Betsaka no resy lahatra toa an’io mpitsidika io fa tena marina ny tsipirian’ilay tantara ao amin’ny Baiboly.

Tsy misy antony tokony hampisalasala antsika hoe marina io tantara io. Tena nisy mantsy ireo olona voaresaka ao sy ny toerana nitrangan’ilay izy. Anisan’ny Tenin’Andriamanitra koa izy io, izany hoe avy amin’ilay Andriamanitry ny fahamarinana, izay “tsy mahay mandainga.”—Titosy 1:2; 2 Timoty 3:16.