Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beri-sheba — Any ny Fantsakana dia Midika hoe Fiainana

Beri-sheba — Any ny Fantsakana dia Midika hoe Fiainana

Sary avy any Amin’ny Tany Nampanantenaina

Beri-sheba — Any ny Fantsakana dia Midika hoe Fiainana

“HATRANY Dana ka hatrany Beri-sheba.” Fitenenana mahazatra an’ireo mpamaky ny Baiboly izany. Milazalaza ny Isiraely iray manontolo izy io, hatrany Dana, akaikin’ny sisin-tany avaratra, ka hatrany Beri-sheba, any atsimo. Nolazalazaina toy izao ny fiadanana teo amin’ny fanapahan’i Solomona: “Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” — 1 Mpanjaka 5:5; Mpitsara 20:1.

Ny tsy fitoviana teo amin’i Dana sy i Beri-sheba anefa dia nahatafiditra zavatra bebe kokoa noho ny fahalavirana mampisaraka azy ireo. I Dana, ohatra, dia nahazo orana betsaka; nisy rano nikoriana avy tao amin’ny tany mba hahaforona ny iray amin’ireo loharanon’ny Ony Jordana, araka ny hita eo amin’ny sary etsy amin’ny havanana. Hafa tokoa amin’izany i Beri-sheba, satria teo amin’ny faritra ngazana izy io, teo anelanelan’ny morontsiraka sy ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty.

Any amin’ny faritr’i Beri-sheba, ny ranonorana isan-taona dia 15 ka hatramin’ny 20 santimetatra monja. Amin’ny fahafantarana izany, dia mariho ilay sary etsy ambony, dia sarin’ilay havoana kely, na dongon-tanin’i Beri-sheba. * Ilay maitso hitanao dia milaza fa ilay sary dia nalaina taorian’ny ranonorana voafetra amin’ny ririnina, rehefa maitso mandritra ny fotoana fohy ireo saha manodidina an’i Beri-sheba. Ireo tanety manodidina dia tsara dia tsara — ary mbola toy izany ihany amin’izao — ho amin’ny famokarana voan-javatra.

Noho ilay faritra maina, dia manantitrantitra ny amin’ny fantsakana sy ny zo ho tompon’ny rano ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly. Ilay tanàna dia miorina eo amoron-dalana na ny lalan’ireo mpandranto niray dia, izay namakivaky ny efitra lavidavitra kokoa tany atsimo. Araka ny azonao an-tsaina, ireo mpanao dia lavitra izay nandalo na nijanona teo, dia nila rano ho an’ny tenany sy ny bibiny. Tsy niboiboika avy tao anaty tany izany rano izany, toy ny tany Dana, fa azo avy tao amin’ireo fantsakana. Raha ny marina, ilay teny hebreo hoe beʼerʹ dia manondro lavaka, na lavaka nohadina mba hampivoaka tahirin-drano any ambanin’ny tany. Ny hoe Beri-sheba dia midika hoe “Fantsakam-pianianana” na “Fantsakan’ny Fito”.

Nipetraka naharitra tao Beri-sheba sy ny manodidina azy i Abrahama sy ny fianakaviany, ary fantatr’izy ireo ny naha-zava-dehibe ny fantsakana. Rehefa nandositra tany an’efitra i Hagara, andevovavin’i Saraha, dia nety ho nitetika ny hahazo rano avy tamin’ny fantsakana izy, na avy tamin’ny Bédouin (Arabo mpifindrafindra monina) izay nampiasa izany — toy ilay vehivavy bédouine etsy amin’ny pejy manaraka, eo ambony, misinton-drano avy ao amin’ny fantsakana iray ao amin’ny Saikinosin’i Sinay. Tatỳ aoriana, rehefa voatery nandefa an’i Hagara niaraka tamin’ny zanany lahy mpisetrasetra i Abrahama, dia nanome azy ireo tahirin-drano tamin-katsaram-panahy. Inona no nitranga rehefa tapitra ilay rano? “Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.” — Genesisy 21:19.

Avy taiza no nahazoan’i Abrahama rano namenoana ny siny hoditr’i Hagara? Angamba tao amin’ilay fantsakana nolavahany izay namboleny hazo tamariska teo akaikiny. (Genesisy 21:25-33). Azo lazaina fa hitan’ireo manam-pahaizana izao ny naha-nety ny nifidianan’i Abrahama ny tamariska, noho io hazo io manan-draviny madinika izay manary hamandoana kely dia kely, ka afaka miroborobo na dia eo aza ny fahamainan’io faritra io. — Jereo ny sary etsy ambany.

Notononina ny nihadian’i Abrahama fantsakana tamin’ny fifandirana nifanaovany tamin’ny mpanjaka filistina iray. Fananana sarobidy ny fantsakana noho ny tsy fahampian’ny rano tamin’ny ankapobeny sy noho ny asa mafy notakin’ny fihadiana fantsakana lalina iray. Raha ny marina, tamin’izany fotoana izany, dia fanimbazimbana ny zon’ny tompom-pananana ny fampiasana fantsakana iray tsy nahazoan-dalana. — Ampitahao amin’ny Nomery 20:17, 19.

Raha mitsidika ilay Havoana kelin’i Beri-sheba ianao, dia afaka mahatsinjo fantsakana lalina iray erỳ amin’ny kisolasola atsimo-atsinanana. Tsy misy mahafantatra hoe oviana izy io no nolavahana voalohany avy tao amin’ny vatolampy mafy, ary ny tapany ambony (hita etsy ambany) dia nohamafisina tamin’ny vato avy eo. Ireo mpanao fikarohana ambanin’ny tany maoderina dia nisava azy io hatrany amin’ny 30 metatra any ambany fa tsy nanatratra ny fanambaniny. Nanao izao fanamarihana izao ny iray tamin’izy ireo: “Maha-ta hanatsoaka hevitra hoe io fantsakana io no (...) ilay ‘Fantsakam-pianianana’ izay nifanaovan’i Abrahama sy i Abimeleka fanekena.” — Biblical Archaeology Review.

Miharihary fa nitombo habe i Beri-sheba tatỳ aoriana, tamin’ny andron’ny Baiboly, nanjary tanàna nimanda nanana vavahady lehibe. Kanefa ny fanalahidin’ny fisiany sy ny fahombiazany dia ilay rano iankinan’ny aina avy tao amin’ny fantsakana lalina nananany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mba hahitana sary lehibe kokoa, dia jereo ny Calendrier des Témoins de Jéhovah 1993.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.