Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandehanana Amim-pahendrena Rehefa Mifandray Amin’izao Tontolo Izao

Fandehanana Amim-pahendrena Rehefa Mifandray Amin’izao Tontolo Izao

Fandehanana Amim-pahendrena Rehefa Mifandray Amin’izao Tontolo Izao

“Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany”. — KOLOSIANA 4:5.

1. Nifanehatra tamin’inona ireo Kristiana voalohany, ary torohevitra inona no nomen’i Paoly ny kongregasiona tany Kolosia?

IREO Kristiana voalohany niaina tany amin’ireo tanànan’izao tontolo izao romana, dia nifanehatra tsy tapaka tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fitadiavana fahafinaretana maloto ary ireo fombafomba sy fanaon’ny mpanompo sampy. Ireo izay niaina tany Kolosia, tanàna lehibe iray tany andrefana-afovoanin’i Azia Minora, dia tsy isalasalana fa nifanehatra tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ilay andriamanibavy-reny sy ny spiritisma nataon’ireo teratany fryziana, ny filozofian’ny mpanompo sampy teo amin’ireo mpiavy grika, ary ny Jodaisma teo amin’ireo zanatany jiosy. Nanoro hevitra ny kongregasiona kristiana ny apostoly Paoly mba ‘handeha amin’ny fahendrena eo amin’izay eo ivelany’ toy izany. — Kolosiana 4:5.

2. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao no mila mandeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany?

2 Amin’izao andro izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifanehatra amin’ny fanao ratsy toy izany, ary ratsy kokoa mihitsy aza. Izy ireo koa àry dia mila maneho fahendrena eo amin’ny fifandraisany amin’ireo izay any ivelan’ny tena kongregasiona kristiana. Olona maro ao amin’ireo fikambanana ara-pivavahana sy ara-politika ary koa eo amin’ireo filazam-baovao no manohitra azy ireo. Ny sasany amin’ireny mpanohitra ireny dia manandrana mandoto ny lazan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy mampipoitra fitsarana an-tendrony azy ireo amin’ny fanafihana mivantana na, matetika kokoa, amin’ny fomba an-kolaka. Toy ny niheverana tsy ara-drariny an’ireo Kristiana voalohany ho “antokom-pivavahana” mirehidrehitra tafahoatra sy mampidi-doza mihitsy aza, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao matetika dia mifandona amin’ny fitsarana an-tendrony sy ny fiheveran-diso. — Asan’ny Apostoly 24:14; 1 Petera 4:4.

Fandresena fitsarana an-tendrony

3, 4. a) Nahoana ny tena Kristiana no tsy ho tian’izao tontolo izao mihitsy, kanefa inona no tokony hiezahan’izy ireo hatao? b) Inona no nosoratan’ny mpanoratra iray mikasika ny Vavolombelon’i Jehovah voatana tany amin’ny toby fitanana nazia iray?

3 Ny Kristiana marina dia tsy manantena ny ho tian’izao tontolo izao izay “mipetraka eo amin’ilay ratsy”, araka ny voalazan’ny apostoly Jaona. (1 Jaona 5:19). Na dia izany aza, ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana mba hiezaka hanao izay hitiavan’ny isam-batan’olona an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana madio atao aminy. Manao izany isika amin’ny alalan’ny fanaovana fanambarana mivantana ary koa amin’ny fitondran-tena tsara asehontsika. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” — 1 Petera 2:12.

4 Ao amin’ny bokiny hoe Forgive — But Do Not Forget, ilay mpanoratra atao hoe Sylvia Salvesen dia niteny toy izao ny amin’ireo vehivavy Vavolombelona izay niara-nigadra taminy tao amin’ny toby fitanana nazia iray: “Izy roa vavy, i Käthe sy i Margarethe mbamin’ny maro hafa dia nanampy ahy betsaka, tsy tamin’ny finoan’izy ireo fotsiny, fa tamin’ireo zavatra iainana koa. Nanome anay ny voro-damba madio voalohany ho an’ny ferinay izy ireo (...) Raha fintinina dia teo anivon’ny olona izay naniry ny hahasoa anay sy nampiseho ny fihetseham-pony feno fisakaizana tamin’ny asa izahay.” Fanambarana tsara dia tsara toy inona moa izany avy amin’ireo “izay eo ivelany”!

5, 6. a) Asa inona no tanterahin’i Kristy amin’izao fotoana izao, ary inona no tsy tokony hohadinointsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika eo anoloan’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary nahoana?

5 Afaka manao zavatra betsaka isika mba hahatonga ireo fitsarana an-tendrony tsy hanan-kery, ka izany dia amin’ny fomba feno fahendrena itondrantsika tena eo amin’ireo izay eny ivelany. Marina fa isika dia miaina amin’ny fotoana anavahan’i Kristy Jesosy, Mpanjakantsika eo am-perinasa, ny olona eo amin’ireo firenena “tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. (Matio 25:32). Aza hadinoina mihitsy anefa, fa i Kristy no Mpitsara; izy no manapaka hoe iza no “ondry” ary iza no “osy”. — Jaona 5:22.

6 Izany dia tokony hanan-kery eo amin’ny fihetsitsika amin’ireo izay tsy anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Mety hihevitra azy ireny ho olon’izao tontolo izao isika, kanefa izy ireo dia anisan’ilay tontolo izay ‘notiavin’Andriamanitra ka nanomezany ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay’. (Jaona 3:16). Ho tsara lavitra ny hiheverana ny olona ho toy ny azo antenaina fa ondry, toy izay ho sahisahy ratsy hanapaka hoe osy izy ireo. Ny sasany izay nanohitra tamin-kerisetra ny fahamarinana taloha, dia Vavolombelona vita fanoloran-tena amin’izao fotoana izao. Ary maro amin’izy ireny no nanjary nandray tsara noho ny asa feno hatsaram-panahy, talohan’ny naneken’izy ireo fanambarana mivantana na inona izany na inona. Jereo, ohatra, ilay sary eo amin’ny pejy faha-18.

Be zotom-po fa tsy vonona ny hiady

7. Fanakianana inona no nambaran’ny papa, kanefa fanontaniana inona no azontsika apoitra?

7 Nanakiana ireo antokom-pivavahana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny Vavolombelon’i Jehovah, ny Papa Jean-Paul II rehefa nilaza hoe: “Ilay zotom-po saiky feno fahavononana hiady itadiavan’ny sasany mpikambana vaovao, amin’ny fandehanana isan-trano, na amin’ny fanakanana mpandalo eny amin’ny kihon-dalana, dia fisandohan’ireo antokom-pivavahana ny hafanam-pon’ny apostoly sy ny misionera.” Azo atao ny manontany hoe: Raha ‘fisandohana ny hafanam-pon’ny apostoly sy ny misionera’ ny anay, aiza no tokony hahitana ilay tena zotom-po amin’ny fitoriana ny filazantsara? Azo antoka fa tsy eo amin’ireo Katolika, na eo amin’ireo Protestanta na ireo mpikambana amin’ny eglizy ortodoksa.

8. Ahoana no tokony hanatanterahantsika ny fanaovantsika fanambarana isan-trano, amin’ny fanantenana vokatra inona?

8 Na dia izany aza, mba hanaporofoana fa lainga ny fiampangana ny amin’ny fahavononana hiady eo amin’ny fanambarana ataontsika, dia tokony ho tsara fanahy sy ho feno fanajana ary hahalala fomba mandrakariva isika rehefa manatona olona. Nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.” (Jakoba 3:13). Mampirisika antsika mba “tsy ho mpila ady” ny apostoly Paoly. (Titosy 3:2). Ohatra, toy izay hanameloka mivantana izay inoan’ny olona anaovantsika fanambarana, nahoana raha maneho fahalianana amim-pahatsorana ny amin’ny heviny? Avy eo dia lazao amin’ilay olona ny vaovao tsara araka izay voarakitra ao amin’ny Baiboly. Amin’ny fanatonana ny olona amin’ny fomba manorina sy amin’ny fanehoana fanajana sahaza ho an’ny olona manan-javatra inoana hafa, dia hanampy azy ireo isika mba hanana toe-tsaina tsara kokoa hihainoana, ary angamba ho takatr’izy ireo ny vidin’ny hafatry ny Baiboly. Mety hanjary ‘hankalaza an’Andriamanitra’ ny sasany ho vokatr’izany. — 1 Petera 2:12.

9. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitra nomen’i Paoly a) ao amin’ny Kolosiana 4:5? b) ao amin’ny Kolosiana 4:6?

9 Nanoro hevitra toy izao ny apostoly Paoly: “Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa [“fotoana mety”, NW ].” (Kolosiana 4:5). Rehefa nanazava io fitenenana farany io i J. B. Lightfoot, dia nanoratra hoe: “Tsy famelana fahafahana handalo anao fotsiny mba hitenenana sy hanaovana izay mety hampandroso ny raharahan’Andriamanitra.” (Sora-mandry nataonay.) Eny, tsy maintsy vonona isika amin’ny teny sy ny atao amin’ny fotoana mety. Ny fahendrena toy izany dia mahatafiditra koa ny fifidianana fotoana mety amin’ny andro mba hanaovana fitsidihana. Raha lavina ny hafatra entintsika, moa ve izany noho ny olona tsy mankasitraka azy io, sa noho isika mitsidika amin’ny fotoana izay azo inoana fa tsy mety? Nanoratra toy izao koa i Paoly: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kolosiana 4:6). Mitaky fieritreretana mialoha sy fitiavana marina ny mpiara-belona izany. Aoka isika hampiseho mandrakariva ny hafatr’ilay Fanjakana amin’ny fomba mahafinaritra.

Feno fanajana sy “vonona ho amin’ny asa tsara rehetra”

10. a) Torohevitra inona no nomen’ny apostoly Paoly an’ireo Kristiana niaina tany Kreta? b) Tamin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no ohatra tsara teo amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly?

10 Tsy afaka manaiky lembenana isika eo anoloan’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Etsy an-danin’izany, dia tsy tokony hiady hevitra tsy amin’antony momba ireo fanontaniana izay tsy mahatafiditra ny tsy fivadihana kristiana isika. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Mampahatsiarova azy [ireo Kristiana tany Kreta] hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.” (Titosy 3:1, 2). Nanoratra toy izao momba io andinin-teny io ilay manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly atao hoe E. F. Scott: “Tsy vitan’ny hoe tokony hankato ny fahefana ny Kristiana fa tsy maintsy vonona ho amin’ny asa tsara rehetra koa. Izany (...) dia midika fa, rehefa nitaky izany ny toe-javatra, ny Kristiana dia tokony ho anisan’ireo loha laharana amin’ny fanehoana fahavononana hanao soa ny besinimaro. Hisy foana ny fipoahan’ny hain-trano, ny areti-mandringana, ny loza lehibe isan-karazany izay hanirian’ny olom-pirenena mahafatra-po rehetra hanampy ny mpiara-belona aminy.” Manerana izao tontolo izao dia nisy ohatra maro ny amin’ny famelezan’ny loza amin’antambo sy ny naha-anisan’ny loha laharana ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fanaovana asa fanampiana. Tsy ireo rahalahiny fotsiny no nampian’izy ireo fa ireo teny ivelany koa.

11, 12. a) Ahoana no tokony ho fihetsiky ny Kristiana eo anoloan’ireo manam-pahefana? b) Inona no tafiditra amin’ny fanekena ireo manam-pahefana raha ny mikasika ny fanorenana Efitrano Fanjakana?

11 Io andinin-teny tao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’i Titosy io ihany, dia manoritra ny maha-zava-dehibe ny fananana fihetsika feno fanajana eo anoloan’ireo manam-pahefana. Ireo tanora kristiana izay miseho eo anatrehan’ny mpitsara noho ny fialanalanany dia tokony hitandrina indrindra mba handeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany. Afaka manao zavatra betsaka izy ireo mba hanatsarana na hanaratsiana ny lazan’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fisehoany ivelany, amin’ny fitondrany ny tenany, ary amin’ny fomba fiteniny amin’ny manam-pahefana toy izany. Izy ireo dia tokony ‘handoa (...) haja ho an’izay tokony hohajaina’ ary hiaro ny tenany amim-panajana lalina. — Romana 13:1-7, NW; 1 Petera 2:17; 3:15.

12 Ireo “manam-pahefana” dia mahatafiditra ireo mpiasam-panjakana eo an-toerana. Amin’izao fotoana izao, izay anorenana Efitrano Fanjakana mihamaro hatrany, ny fifampiraharahana amin’ireo manam-pahefana eo an-toerana dia tsy azo ialana. Matetika ireo loholona dia mifanehatra amin’ny fitsarana an-tendrony. Hita anefa fa any amin’izay anorenan’ireo solontenan’ny kongregasiona fifandraisana tsara amin’ny manam-pahefana sy iarahany miasa amin’ny vaomieran’ny fikojakojana ny tanàna, dia azo arodana io fitsarana an-tendrony io. Matetika dia misy fanambarana tsara dia tsara omena ny olona izay tsy nahafantatra afa-tsy kely dia kely na tsy nahafantatra mihitsy momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafatra entiny, teo aloha.

‘Raha azo atao, dia mihavàna amin’ny rehetra’

13, 14. Torohevitra inona no nomen’i Paoly ho an’ny Kristiana tany Roma, ary ahoana no ahafahantsika mampihatra izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo izay eny ivelany?

13 Nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ny Kristiana niaina tany Roma mpanompo sampy i Paoly: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’. Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao; dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany. Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” — Romana 12:17-21.

14 Eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny eny ivelany, dia tsy maintsy mifanehatra amin’ny mpanohitra isika amin’ny maha-tena Kristiana antsika. Ao amin’ilay andinin-teny etsy ambony, dia asehon’i Paoly fa lalan’ny fahendrena ny miezaka mandresy ny fanoherana amin’ny asa feno hatsaram-panahy. Toy ny vainafo mirehitra, ireny asa feno hatsaram-panahy ireny dia mety hampiempo ilay fankahalana ka hahatonga ilay mpanohitra haneho fihetsika tsara kokoa amin’ny vahoakan’i Jehovah, angamba hanaitra ny fahalianany ho amin’ny vaovao tsara mihitsy aza. Rehefa mitranga izany, dia resy amin’ny tsara ny ratsy.

15. Rahoviana ny Kristiana no tokony hitandrina indrindra mba handeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany?

15 Ny fandehanana amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany dia zava-dehibe indrindra ao amin’ny tokantrano misy vady mbola tsy nanaiky ny fahamarinana. Ny fanarahana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia mahatonga ho lehilahy manambady tsaratsara kokoa, vehivavy manambady tsaratsara kokoa, raim-pianakaviana tsaratsara kokoa, renim-pianakaviana tsaratsara kokoa, ary zanaka izay mankato kokoa sy mianatra mafy kokoa any an-tsekoly. Ny tsy mpino dia tokony ho afaka hahita ny vokatra mahasoa entin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny mpino. Noho izany, ny sasany dia mety “ho voataonan’ny fitondrantenan’ny” mpianakavy vita fanoloran-tena, “na dia tsy amin’ny teny aza”. — 1 Petera 3:1, 2.

‘Fanaovan-tsoa amin’ny olona rehetra’

16, 17. a) Fanatitra toy inona no sitrak’Andriamanitra? b) Ahoana no tokony ‘hanaovantsika soa’ amin’ireo rahalahintsika sy amin’ireo izay eny ivelany koa?

16 Ny soa lehibe indrindra azontsika atao ho an’ny mpiara-belona amintsika dia ny fitondrana any aminy ny hafatra mitondra fiainana sy ny fampianarana azy ny amin’ny fampihavanana amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Romana 5:8-11). Noho izany, dia izao no ambaran’ny apostoly Paoly amintsika: “Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany [i Kristy] ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.” (Hebreo 13:15). Nanampy teny toy izao i Paoly: “Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’Andriamanitra.” (Hebreo 13:16). Ho fanampin’ny fanambarana ampahibemaso ataontsika, dia tsy tokony hanadino ny “hanao soa” isika. Mahaforona tapany feno iray amin’ny fanatitra izay sitrak’Andriamanitra izany.

17 Mazava ho azy fa manao soa isika amin’ireo rahalahintsika ara-panahy, izay mety ho sahirana ara-pihetseham-po, ara-panahy, ara-batana, na ara-nofo. Naneho izany i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” (Galatiana 6:10; Jakoba 2:15, 16). Tsy tokony hohadinointsika anefa ireo teny hoe “aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra”. Ny asa feno hatsaram-panahy atao amin’ny havana, amin’ny mpifanila trano na amin’ny mpiara-miasa dia afaka mahavita zavatra betsaka mba handrodanana ireo fitsarana an-tendrony atao amintsika ary hahatonga ny fon’ilay olona handray ny fahamarinana.

18. a) Loza inona avy no tokony hohalavirintsika? b) Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny hatsaram-po kristiana mba hanohanana ny asa fanambarana ampahibemaso ataontsika?

18 Mba hanaovana izany, dia tsy ilaintsika ny misakaiza akaiky amin’ireo izay eny ivelany. Mety hampidi-doza ny fiarahana toy izany. (1 Korintiana 15:33). Ary tsy misy fikendrena ny ho tonga sakaizan’izao tontolo izao amin’izany. (Jakoba 4:4). Ny hatsaram-po kristiana asehontsika kosa anefa, dia afaka manohana ny fitoriana ataontsika. Any amin’ny tany sasany dia manjary mihasarotra hatrany ny miresaka amin’ny olona any an-tranony. Ny trano lehibe sasany misy mpanofa maro dia voaron’ny fitaovana na fomba fanakanana antsika tsy hifandray amin’ireo izay mipetraka ao. Any amin’ny tany mandroso, ny telefaonina dia manome lalana iray itoriana. Any amin’ny ankamaroan’ny tany dia azo atao ny fanaovana fanambarana eny amin’ny arabe. Na dia izany aza, any amin’ny tany rehetra, ny fisehoana ho mahafinaritra, ho mahalala fomba, ho tsara fanahy, ary ho afaka manampy dia manokatra fahafahana handrodana ireo fitsarana an-tendrony ary hanao fanambarana tsara dia tsara.

Fampanginana ireo mpanohitra

19. a) Koa satria isika tsy vonona ny hila sitraka amin’olona, dia afaka manampo inona isika? b) Ahoana no tokony hiezahantsika hanaraka ny ohatr’i Daniela sy ny torohevitr’i Petera?

19 Tsy mpila sitraka amin’olona no sady tsy matahotra olona ny Vavolombelon’i Jehovah. (Ohabolana 29:25; Efesiana 6:6). Takatr’izy ireo tsara fa na dia eo aza ny fiezahana rehetra ataon’izy ireo mba ho mpandoa hetra fakan-tahaka sy ho olom-pirenena mahafatra-po, dia hampiely lainga feno hasomparana sy hiresaka amim-panevatevana momba azy, ireo mpanohitra. (1 Petera 3:16). Noho ny fahafantarany izany, dia miezaka izy ireo manahaka an’i Daniela izay toy izao no nolazain’ny fahavalony ny aminy: “Tsy ho hitantsika izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy ny amin’ny lalàn’Andriamaniny no misy hitantsika hiampangana azy.” (Daniela 6:6). Tsy hampandefitra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly mihitsy isika mba hahazoana sitraka amin’olona. Etsy an-danin’izany, dia tsy mitady fampijaliana isika. Miezaka isika mba hiaina amim-pihavanana sy hanaraka ilay torohevitra avy amin’ny apostoly hoe: “Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan’ny olona adala amin’ny fanaovan-tsoa”. — 1 Petera 2:15.

20. a) Miaiky mafy ny amin’inona isika, ary fampaherezana inona no nomen’i Jesosy antsika? b) Ahoana no ahafahantsika manohy mandeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany?

20 Miaiky mafy isika fa ny toerantsika tafasaraka amin’izao tontolo izao dia mifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly. Tohanan’ny tantara momba ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany izany. Mahazo fampaherezana isika amin’ny tenin’i Jesosy hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Tsy matahotra isika. “Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’izay tsara hianareo? Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo; fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana”. (1 Petera 3:13-15). Sady manao zavatra amin’izany fomba izany isika no hanohy handeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany.

Ho Famerenana

◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mila mandeha amim-pahendrena eo amin’ireo izay eny ivelany?

◻ Nahoana ny tena Kristiana no tsy manantena mihitsy ny ho tian’izao tontolo izao, kanefa inona no tokony hiezahan’izy ireo hatao?

◻ Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary nahoana?

◻ Nahoana isika no tokony “hanao soa”, tsy amin’ireo rahalahintsika ihany fa amin’ireo izay eny ivelany koa?

◻ Amin’ny ahoana ny fandehanantsika amim-pahendrena amin’ireo izay eny ivelany no manampy antsika eo amin’ny asa fanambarana ampahibemaso ataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 19]

Havia: Tena Kristiana any Frantsa manampy ny mpiara-belona aminy taorian’ny tondra-drano iray

[Sary, pejy 20]

Ireo asa kristiana feno hatsaram-panahy dia afaka manao zavatra betsaka mba handrodanana ny fitsarana an-tendrony

[Sary, pejy 23]

Tokony ho “vonona ho amin’ny asa tsara rehetra” ny Kristiana