Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontana Pirinty Zavatra Vita An-tsoratra tao Anatin’ny Fandrarana

Fanontana Pirinty Zavatra Vita An-tsoratra tao Anatin’ny Fandrarana

Fanontana Pirinty Zavatra Vita An-tsoratra tao Anatin’ny Fandrarana

NOTANTARAIN’I MALCOLM G. VALE

“Ataovy pirinty ilay boky hoe Enfants.” Nahazo io toromarika nanaitra io aho, avy tamin’ny mpiandraikitra ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Aostralia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Izany dia fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ilay boky tamin’ny fivoriambe tany St. Louis, Missouri, any Etazonia, tamin’ny 10 Aogositra 1941. Nahoana no nanaitra ilay toromarika?

NORARAN’NY lalàna ny asa fitorianay tamin’ny Janoary 1941, koa ny fanohizana manonta pirinty, na dia tamin’ny fomba voafetra ihany aza, dia raharaha sarotra. Ankoatra izany, ilay boky hoe Enfants dia nanana pejy 384 nisy sary miloko. Nila fanatsarana ny fitaovana fanaovanay pirinty, zara raha nisy ny taratasy, ary ireo mpiasa dia tsy nahazo fiofanana mba hamoaka boky mifono baoritra.  

Alohan’ny hilazalazako ny fomba nahombiazanay teo amin’ny fanaovana pirinty tao anatin’ny fandrarana, dia avelao aho hilaza aminareo ny fomba nahatonga ahy hanompo ho toy ny mpiandraikitra ireo asa fanaovana pirinty nifandray tamin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia.

Toe-javatra tany am-piandohana

Nanan-draharaha fanontam-pirinty ny raiko tao amin’ny tanàna niroborobon’i Ballarat, any Victoria, toerana nahaterahako tamin’ny 1914. Koa nianatra ny raharaha momba ny fanontam-pirinty tao amin’ny fanontam-pirintin’i Dada aho. Tafiditra tao amin’ireo asan’ny Eglizy Anglikana koa aho, nihira tao amin’ny amboaram-peon’ny fiangonana sady nampaneno ny lakolosim-piangonana. Nanana fahatsinjovana ny hampianatra sekoly alahady mihitsy aza aho, saingy tsy azoazoko ilay izy.

Ny antony dia satria aho nanana fisalasalana lehibe mikasika ny fampianarana sasany tao amin’ny fiangonana. Tafiditra tamin’izany ny Trinite, ny afobe, ary ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, ary tsy nisy nanome ahy valiny nahafa-po. Nanahiran-tsaina ahy koa fa, indraindray ilay mpitarika fivavahana tao aminay dia niteny nanohitra tamim-pahatezerana ny antokon’olona mpivavaka vitsivitsy izay niantso ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany tena aho hoe nahoana ny antokon’olona tsy dia manao ahoana toy izany no nahavelom-panahiana be toy izany tao amin’ny tanàna iray nisy olona 40 000.

Indray alahady, dia teo am-pijoroana teo ivelan’ny fiangonana aho taorian’ny fotoam-pivavahana hariva, rehefa nandalo ny antokon-jazavavy avy tao amin’ny Fiangonana Metodista teo akaiky teo. Nanomboka ninamana tamin’ny iray tamin’izy ireo aho. I Lucy no anarany, ary tamin’ny farany dia nanasa ahy ho any an-tranony izy mba hihaona tamin’ny ray aman-dreniny. Alao sary an-tsaina ny fahatairako rehefa fantatro fa Vavolombelon’i Jehovah i Vera Clogan, reniny. Nanao ady hevitra nafana maro momba ny Baiboly izahay, ary izay nolazainy dia tena azon’ny saina ekena tokoa.

Tsy ela dia nivady izahay sy i Lucy, ary tamin’ny 1939, dia nipetraka tany Melbourne, renivohitr’i Victoria, izahay. Na dia tonga Vavolombelon’i Jehovah aza i Lucy, dia mbola tsy tapa-kevitra kosa ny tenako. Rehefa nipoaka anefa ny Ady Lehibe Faharoa tamin’ny Septambra tamin’io taona io, dia nanomboka nieritreritra lalina ny amin’izay nianarako tao amin’ny Soratra Masina aho. Ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Janoary 1941, dia tena nanampy ahy tokoa mba hanapa-kevitra. Nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah Andriamanitra aho, ary natao batisa tsy ela taorian’izay.

Fiovana nanaitra teo amin’ny fiainanay

Tamin’izany fotoana izany, dia nanofa trano nampiadana tany Melbourne izahay. Tsy ela anefa dia nasaina hifindra tany amin’ny trano iray niaraka tamin’ny Vavolombelona maromaro hafa izahay. Namidinay avokoa ny fanakay rehetra afa-tsy ireo fanaka tao amin’ny efitrano fatoriana, ary dia nifindra tany amin’izay nantsoina hoe tranon’ny mpisava lalana izahay. Nanohy niasa tamin’ny naha-mpampanonta pirinty ahy aho ka tamin’izay dia afaka nandray anjara tamin’ireo fandaniana ho fampandehanana tsara ilay tokantrano. Nanao toy izany koa ireo lehilahy hafa nanambady. Vokatr’izany, dia afaka nandray anjara tamin’ny asa fitoriana manontolo andro ireo vadinay, ary niaraka tamin’izy ireo tamin’ny fitoriana ny filazantsara sy tamin’ireo fivoriana kristiana izahay lehilahy nandritra ny takariva sy tamin’ny faran’ny herinandro.

Fotoana fohy taorian’izay, dia naharay taratasy avy tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower izahay mivady, nanasa anay hankany Sydney. Namidinay ireo fanakay tao amin’ny efitrano fatoriana, ary nanefa ireo trosa vitsivitsy nanananay izahay. Kanefa mba hahazoana vola ho an’ny saran-dalanay tamin’ny fiarandalamby, dia voatery namidinay ny peratr’i Lucy tamin’ny fifamofoana!

Noho ireo fameperana tamin’ny fotoan’ny ady sy ilay fandrarana navoakan’ny lalàna vao haingana, dia tsy nisy Baiboly na zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly azo nohafarana avy tany ampitan-dranomasina. Noho izany antony izany, ny biraon’ny sampan’i Aostralia dia nanapa-kevitra ny hanorina tetik’ady ho fanaovana pirinty miafina mba hahafahana haharaka ny fahatondrahan’ny sakafo ara-panahy, ary nasaina mba hiandraikitra ilay asa ny tenako. Nomena tombontsoa hiasa niaraka tamin’ny Ekose iray aho, dia i George Gibb, izay niasa tao amin’ny fanontam-pirintin’ny sampan’i Aostralia nandritra ny 60 taona teo ho eo. * Tamin’izay aho no nahazo ilay toromarika hoe: “Ataovy pirinty ilay boky hoe Enfants.”

Fahazoana indray ireo fitaovana fanaovana pirinty

Maro ireo fanandraman-javatra nandrisika ny saina, nampitsangam-bolo indraindray, izay hitanay tamin’ireny taonan’ny ady feno zava-nitranga ireny. Mba hahafahana hanomboka hampandeha ilay tetik’adinay ho fanaovana pirinty, ohatra, dia nila fitaovana izahay. Izay nampiasainay teo aloha mba hanaovana ireo asa pirinty voafetra tamin’ireo taona talohan’ny ady dia nalain’ireo manam-pahefam-panjakana an-keriny, ary ilay trano kely fanontam-pirintin’ny Fikambanana dia voahidy sy nambenana. Ahoana no hahafahanay hamoaka ilay fitaovana ho any amin’ny toerana mety amin’ny fanaovana pirinty miafina?

Nisy mpiambina nitam-piadiana, niasa nifandimby, nanara-maso ny fananan’ny Fikambanana 24 ora isan’andro. Ny iray tamin’ireo rindrina tany an-damosina anefa dia nifanila tamin’ny lalamby iray tsy niasa firy. Koa tamin’ny alina, tamin’ny fampiasana fomba izay nampahatsiaro ny Ezekiela 12:5-7, dia nisy mpiasan’ny Betela be herim-po niditra avy teo amin’ny rindrina, tamin’ny fanesorana biriky sasany. Raha vao tonga tao anatiny izy ireo, dia naveriny teo amin’ny rindrina ireo biriky afaka mba tsy hisy hahamarika. Tamin’ny fanaovana ireny latsaka alina ireny nandritra ny tapa-bolana teo ho eo, dia novahan’izy ireo tamim-pitandremana ny milina fanontam-pirinty madinika iray, Linotype, sy milina vitsivitsy hafa. Avy eo izy ireo dia namoaka moramora ireo piesy tany ivelany, na dia teo aza ireo mpiambina am-perinasa!

Farany, dia nahazo fitaovana fanampiny izahay avy tamin’ny loharano hafa, ary tsy ela dia niasa mafy tany amin’ny toerana samihafa nanerana an’i Sydney ny fanaovana pirinty niafina. Araka izany, dia tsy vitan’ny hoe afaka nanao pirinty sy namono ny boky Enfants izahay, fa ireo boky lehibe hoe Le monde nouveau, “La vérité vous affranchira” sy Le Royaume de Dieu s’est approché ary koa ireo Annuaires des Témoins de Jehovah tamin’ny 1942, 1943 sy 1944 ary 1945. Fanampin’izany, nandritra ny fandrarana tamin’ireo taonan’ny ady, dia tsy diso anjara tamin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Aostralia. Izany dia nanome toky anay tamin’ny fomba tena manokana fa tsy fohy na oviana na oviana ny tanan’i Jehovah. — Isaia 59:1.

Fiatrehana ireo fitsidihana tsy nampoizina

Nandritra ny vanim-potoana nisian’ny fanasivanana mafy tamin’ny fotoan’ny ady, ireo fanontam-pirinty natao hahazoam-bola dia matetika nahazo fitsidihana tsy nampoizina avy tamin’ireo mpiasam-panjakana izay nisafo ireo zavatra natao pirinty. Noho izany, ny iray tamin’ireo fanontam-pirintinay niafina dia nanana fitaovana fanairana, bokotra iray teo amin’ny gorodona izay mora takarina ho an’ilay mpandray olona. Rehefa nisy olona niakatra ny tohatra ka tsy fantany na nahiahina ho inspektera, dia nanindry ilay bokotra izy.

Rehefa voatsindry ilay bokotra, dia toy ny fampisehoana mihitsy ny mahita ireo rahalahy nivoaka ny varavarankely ka niparitaka nankany amin’ny toerana rehetra! Ireo olona voasoratra ho mpiasa dia nijanona teo mba hanarona haingana izay mety ho taratasy vita pirinty tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana na boky hafa momba ny Baiboly teo am-panaovana azy. Mba hanaovana izany, dia nampiasa taratasy vita pirinty nitovy habe taminy izy ireo, toy ireo boky hafa izay nomanina ho an’ireo mpividy nanao raharaham-barotra.

Nandritra ny fitsidihana iray toy izany, ny inspektera roa lahy dia nipetraka teo ambonin’ny sarisary nampihomehy izay mbola tamin’ny taratasy be velarana. Tao ambaniny tao anefa, dia nisy ireo taratasin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izay vita pirinty ny alin’iny. Tao amin’ny fanontam-pirinty hafa iray tao amin’ilay tanàna, dia nanao ireo pirinty natao hahazoam-bola izahay nandritra ny andro, ary nanao pirinty ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watchtower izahay ny alina sy tamin’ny faran’ny herinandro.

Fanomezana ireo taratasy nilainay

Zava-nanahirana lehibe ny fahazoana taratasy hanaovana pirinty. Tsy nila ny anjara taratasiny rehetra ny trano fanontam-pirinty lehibe sasany noho ny fihenan’ny raharaham-barotra nandritra ny ady. Koa nanaiky ny hivarotra ny ambim-bavany taminay izy — mandrakariva tamin’ny vidiny niakatra kokoa, mazava ho azy. Indray mandeha anefa, dia nahazo taratasy avy tamin’ny loharano hafa izahay.

Nisy sambo mpitatitra entana tonga teto Aostralia nitondra taratasy mavo antitra ho entana. Nisy fahasimbana anefa ilay sambo tany an-dranomasina, ary voan’ny rano ny taratasy maro. Natao lavanty ilay entana manontolo, ary nahagaga anay fa izahay irery no hany mpividy. Izany dia nahatonga anay ho afaka hividy izany tamin’ny sarany faran’izay ambany. Nohamaininay tamin’ny masoandro ilay taratasy, ka tamin’izany dia namonjy ny ankamaroany izahay, ary avy eo dia notapahinay ho ravin-taratasy nifanentana tamin’ilay milina fanaovanay pirinty izany.

Ahoana no nampiasanay ilay taratasy mavo antitra? Nieritreritra izahay, ary nanao izany tamin’ny fomba nety tokoa, fa ireo mpamaky boky nisy sarisary nampihomehy dia mbola ho tia ny bokiny amin’ny taratasy miloko. Noho izany, dia nampiasainay mba hanaovana pirinty Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo zavatra hafa an’ny Fikambanana ny taratasy fotsy izay nomena anay ho an’ireo boky nisy sarisary nampihomehy.

Ny anjara asa lehibe notanan’ireo vehivavy

Nandritra ireo taona nisian’ny ady, dia vehivavy kristiana maro teto Aostralia no nianatra ny famonosam-boky. Indray tolakandro nafana be tamin’ny fahavaratra, ny sasany tamin’izy ireo dia niasa irery tao anatin’ny garazy kely iray izay nohofanay tao ambadiky ny lalan-kely iray tany amin’ny manodidina an’i Sydney. Ho fiarovana, dia nitana ny varavarankely sy ny varavarana rehetra hikatona hatrany izy ireo. Ireo boaty nisy dity dia namoaka hafanana, sy etona namofona, ary saiky tsy tanty ny hafanana. Koa tsy nanao afa-tsy ny atin’akanjony izy ireo.

Nisy dondòna tampoka tao am-baravarana. Niteny mafy ireo anabavy kristiana nanontany hoe iza izao. Nisy mpiasam-panjakana momba ny asa namaly. Izy io dia avy amin’ny sampan-draharaha nanana fahefana nandritra ny ady mba hitarika ny olona ho amin’izay faritra ilana asa. Namaly mafy ireo anabavy fa tsy afaka namela azy hiditra tamin’izay fotoana izay satria tsy nanao afa-tsy ny atin’akanjony izy ireo teo am-piasana noho ny hafanana.

Nangina kelikely ilay mpiasam-panjakana; avy eo dia niantso mafy izy fa nanana fotoana hafa haleha tao amin’io faritra io. Nilaza izy fa hiverina ny ampitson’io mba hanao ny fisafoany. Avy hatrany ireo anabavy dia niantso anay an-telefaonina, ary nandefa kamiao izahay iny alina iny mba haka ireo boky rehetra nofonosina tamin’izay, ary namindra azy ireo tany an-toeran-kafa.

Ny ankamaroan’ireo izay tafiditra tamin’ilay fanaovanay pirinty niafina dia tsy nanana fanandraman-javatra teo aloha momba ny asa fanaovana pirinty. Koa ireo zava-bita dia tsy namela fisalasalana mihitsy tao an-tsaiko fa ny fanahin’i Jehovah no nanome ny fanampiana sy ny fitarihana nilaina. Tombontsoa lehibe ho ahy sy i Lucy vadiko, izay niasa tao amin’ny famonosam-boky, ny naha-tao anatin’izany rehetra izany anay.

Ahoana no nitantanana ny asanay nandritra izany fotoam-pisedrana izany? Ilay niasa vonjimaika teo amin’ny toeran’ny mpiandraikitra ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahazo fameperana avy tamin’ny fanjakana, izay nitaky ny hipetrahany tany amin’ny tanàna iray sahabo ho 100 kilaometatra tany ivelan’i Sydney. Ilay didy dia nandrara azy tsy hivoaka ny valo kilaometatra manodidina niala avy teo afovoan-tanàna. Voatsinjara ho efatra litatra isaky ny fiara isam-bolana ny lasantsy. Ireo rahalahy anefa dia namorona fitaovana iray nampiseho fahaizana izay fantatra ho mpamoaka etona — fitoeran-javatra iray vita tamin’ny metaly miendrika varingarina izay nilanja sahabo ho antsasa-taonina, napetaka tao aorian’ny fiara. Narehitra tao anatin’izany ny afon’arina izay namoaka monoxide de carbone ho toy ny zavatra ataina. Alina maromaro isan-kerinandro, ny tenako sy ny rahalahy tompon’andraikitra hafa dia nanao dia lavitra tamin’izany fomba izany mba hihaonana tamin’ilay mpiandraikitra, tany amin’ny lalan-drano iray efa ritra, akaikin’ilay tanàna nanaovana azy sesitany. Tamin’izany dia afaka niady hevitra ny amin’ny raharaha maro izahay talohan’ny namatsiana indray ilay mpamoaka etona ka niverenana tany Sydney vao nangiran-dratsy.

Farany dia tonga teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony teto Aostralia ny fandrarana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nambaran’ilay mpitsara fa “nampiseho fanamparam-pahefana, feno haitraitra, ary feno fampahoriana” ilay fandrarana, ka dia nafahany nadiodio tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo fiampangana azy ho nanao asa fikomiana. Nanohana io fanapahan-kevitra io ny Fitsarana Tampony manontolo, hany ka afaka nivoaka avy tamin’ny fiafenana izahay mba hanohy ny asanay ara-dalàna momba ilay Fanjakana.

Fanendrena sy fitahiana fanampiny

Taorian’ny ady, dia maro tamin’ireo izay niasa tamin’ilay fanaovanay pirinty niafina no niditra tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Ny sasany tamin’izy ireny tatỳ aoriana dia nandeha tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada Alamin’ny Watchtower any New York. Nanana izany tanjona izany tao an-tsaina koa izahay sy i Lucy, saingy niseho sehatra ny zanakavavy iray, ka dia nanapa-kevitra ny hiverina tamin’ny asa fanaovana pirinty aho. Nivavaka izahay ny hanampian’i Jehovah anay mandrakariva mba hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany, ary dia nanao izany izy. Nanjary tafiditra tao amin’ny asa nanendrena hafa iray aho tamin’izao fomba manaraka izao.

Naharay antso an-telefaonina aho avy tamin’i Lloyd Barry, izay anisan’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, izao. Tamin’izany fotoana izany izy dia mpiandraikitra mpitety faritany tany Sydney. Nanontany ahy izy raha fantatro ny datin’ny fivoriambenay nanaraka. Rehefa nilaza taminy aho fa nahafantatra izany, dia hoy izy: “Irinay ny hikarakaranao ny fandaharana momba ny sakafo”.

Tankina vetivety aho, dia niteny somary moramora ihany hoe: “Ka mbola tsy nanao zavatra toy izany mihitsy anie aho teo amin’ny fiainako e.”

“Eny àry, ry Rahalahy”, hoy ny navaliny somary nanao vazivazy, “fotoana tsara ianaranao izao!” Nianatra tokoa aho, ary nanohy nanana tombontsoa hiandraikitra ny fikarakarana sakafo ny tenako, na dia tamin’ny fivoriambe lehibe aza, nandritra ny 40 taona mahery.

Rehefa nandeha ireo taona, dia niitatra ilay fikambanam-barotra mpanao pirinty, ary nanjary nilaina noho izany ny fandehanana tany ampitan-dranomasina noho ny raharaha. Nataoko foana izay hifanitsian’ireny dia ireny tamin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena natao tany amin’ny tanànan’i New York sy tany an-toeran-kafa tany Etazonia. Izany dia nanome ahy fahafahana handany fotoana niaraka tamin’ireo izay efa niandraikitra sampan-draharaha samihafa tamin’ny fivoriambe, indrindra fa ny fikarakarana sakafo. Noho izany, rehefa tafaverina teto Aostralia aho, dia afaka nanompo tsaratsara kokoa teo amin’izay nilana ahy tamin’ireo fivoriambenay.

Amin’izao fahalehibeazanay izao, dia manontany tena indraindray izahay sy i Lucy hoe ho afaka nahavita bebe kokoa ve izahay raha teraka taoriana kely kokoa. Etsy an-danin’izany, noho izahay teraka tamin’ny 1916 sy 1914 avy, dia heverinay ho tombontsoa mahatalanjona ny fahitana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly niseho tsikelikely teo imasonay. Ary misaotra an’i Jehovah izahay noho ny fitahiana azonay tamin’ny fampianarana olona maro sy tamin’ny fanampiana azy ireny hahafantatra ny fahamarinana ary amin’ny fahitana azy ireo manompo Azy izao amin’ny maha-minisitra vita batisa. Ny vavaka ataonay dia ny mba hahafahanay hanohy hanompo azy izao ka ho mandrakizay, hanaiky azy mandrakizay ho ilay Mpanapaka Tompom-piandrianana lehibe eo amin’izao rehetra izao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1979, pejy faha-24-27.

[Sary, pejy 29]

Trano fanontam-pirinty ao amin’ny Betelan’i Strathfield, 1929-1973

I George Gibb mitsangana eo anilan’ny iray amin’ireo milina izay navoaka avy teo amin’ny rindrina an-damosin’ilay trano fanontam-pirinty