Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kristiana Voalohany sy Izao Tontolo Izao

Ny Kristiana Voalohany sy Izao Tontolo Izao

Ny Kristiana Voalohany sy Izao Tontolo Izao

ROA arivo taona lasa teo ho eo izay, dia nitranga tany Moyen-Orient ny fisehoan-javatra iray faran’izay nahatalanjona. Nirahina avy tany amin’ny fonenany tany an-danitra ilay Zanakalahy tokan’Andriamanitra mba hiaina fotoana kelikely teo amin’izao tontolo izaon’olombelona. Ahoana no nandraisan’ny ankamaroan’ny olombelona izany? Namaly toy izao ny apostoly Jaona: “Teo amin’izao tontolo izao Izy [i Jesosy], ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin’ny Azy [Isiraely] Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.” — Jaona 1:10, 11.

Tsy nanaiky tsotra izao an’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, izao tontolo izao. Fa nahoana? Nanazava ny antony iray i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Izaho no halan[’izao tontolo izao], satria milaza fa ratsy ny asany.” (Jaona 7:7). Farany, io tontolo io ihany — nasehon’ny mpitondra fivavahana jiosy sasany sy mpanjaka edomita iray ary mpanao politika romana iray — dia nanao izay hamonoana ho faty an’i Jesosy. (Lioka 22:66–23:25; Asan’ny Apostoly 3:14, 15; 4:24-28). Ahoana ny amin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy? Moa ve izao tontolo izao vonona kokoa handray azy ireo? Tsia. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nampitandrina azy ireo toy izao i Jesosy: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:19.

Tamin’ny andron’ireo apostoly

Marina ireo tenin’i Jesosy. Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahafatesany, dia nosamborina ireo apostoly, norahonana ary nokapohina. (Asan’ny Apostoly 4:1-3; 5:17, 18, 40). Fotoana fohy taorian’izay, dia notarihina ho eo anatrehan’ny Synedriona jiosy i Stefana, ary avy eo dia notoraham-bato ho faty. (Asan’ny Apostoly 6:8-12; 7:54, 57, 58). Tatỳ aoriana, dia novonoin’ny Mpanjaka Heroda Agripa I i Jakoba apostoly. (Asan’ny Apostoly 12:1, 2). Nandritra ireo dia misionera nataon’i Paoly, dia nenjehina noho ny fampirisihan’ireo Jiosy tany am-pielezana izy. — Asan’ny Apostoly 13:50; 14:2, 19.

Ahoana no fihetsik’ireo Kristiana voalohany tamin’ny fanoherana toy izany? Tany am-boalohany, rehefa nandrara ny apostoly tsy hitory tamin’ny anaran’i Jesosy ireo manam-pahefana ara-pivavahana, dia izao no nolazain’ireo apostoly: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” (Asan’ny Apostoly 4:19, 20; 5:29). Toy izany hatrany no fihetsik’izy ireo rehefa nisy fanoherana nipoitra. Na dia izany aza, ny apostoly Paoly dia nanoro hevitra ny Kristiana tany Roma mba “hanaiky ny manam-pahefana [ara-panjakana] ambony”. Nanoro hevitra azy ireo koa izy hoe: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:18; 13:1, NW ). Noho izany, dia tsy maintsy nanatratra fahaiza-mandanjalanja sarotra iray ireo Kristiana voalohany. Nankato an’Andriamanitra ho Mpanapaka azy voalohany indrindra izy ireo. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia tsy maintsy nanaiky ireo manam-pahefana teo amin’ilay tany izy ireo, ary niezaka ny hihavana tamin’ny olon-drehetra.

Ny Kristiana teo amin’izao tontolo izao romana

Teo amin’izao tontolo izaon’ny Empira Romana tamin’ny taonjato voalohany, ireo Kristiana dia tsy isalasalana fa nandray soa tamin’ny Pax Romana, na Fiadanana Romana, izay nokojakojain’ny miaramila romana. Ny fitsipika momba ny lalàna sy ny filaminana mafy orina, ireo arabe tsara voatra, ary ny fandehanana an-tsambo azo lazaina ihany hoe tsy nahitan-doza, dia namorona toe-javatra izay nahatonga ny fitaran’ny Kristianisma ho mora. Miharihary fa niaiky ny trosany tamin’ny fiaraha-monina ireo Kristiana voalohany ary nanaraka ilay baikon’i Jesosy mba ‘handoa ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara’. (Marka 12:17). Nanoratra tany amin’i Antoninus Pius, emperora romana (138-161 am.f.i.) i Justin Le Martyr, ka nanambara fa ny Kristiana dia “vonona kokoa noho ny olona rehetra” handoa ny hetrany. (First Apology, toko faha-17). Tamin’ny 197 am.f.i., dia nilaza tamin’ireo mpanapaka romana i Tertullien fa ireo mpitaky hetran’izy ireo dia nanana “adidy hankasitraka ireo Kristiana” noho ny fitadiavany hanao izay mety teo amin’ny fandoavany hetra. (Apology, toko faha-42). Izany dia fomba iray nanarahan’izy ireo ilay torohevitr’i Paoly hoe: Tokony hanaiky ny manam-pahefana ambony izy ireo.

Ambonin’izany, araka izay namelan’ireo fotopoto-pitsipika kristiana, dia niezaka nihavana tamin’ireo mpiara-belona taminy ny Kristiana voalohany. Tsy mora anefa izany. Ilay tontolo nanodidina azy ireo dia tena naloto fitondran-tena ary vonton’ny fanompoan-tsampy grika-romana, izay vao nampiana ny fanompoam-pivavahana tamin’ny emperora. Ny fivavahana romana mpanompo sampy, tamin’ny fotony, dia fivavahan’ny Fanjakana, hany ka izay fandavana ny hanaraka azy io dia nety ho noheverina ho fankahalana ny Fanjakana. Namela ny Kristiana taiza izany?

Nanoratra toy izao i E. G. Hardy profesora ao Oxford: “I Tertullien dia nitanisa zavatra maro izay tsy ho azo natao ho an’ny Kristiana iray ta hanao ny mety, toy ireo zavatra nahatafiditra fanompoan-tsampy: oh. ny fianianana fanao tamin’ireo fifanekena; ny fanazavana ireo varavarana tamin’ny andro firavoravoana, sns.; ireo fombafombam-pivavahan’ny mpanompo sampy rehetra; ireo lalao sy ireo fampisehoana an-tsehatra; ny asan’ny mpampianatra haisoratra tsy ara-pivavahana [klasikan’ny mpanompo sampy]; ny raharaha miaramila; ny asam-panjakana.” — Christianity and the Roman Government.

Eny, sarotra ny niaina teo amin’izao tontolo izao romana ka tsy hivadika tamin’ny finoana kristiana. Nanoratra toy izao i A. Hamman, mpanoratra frantsay katolika: “Tsy azo natao ny nanao zavatra ka tsy nifanehatra tamin’andriamanitra iray. Nitondra zava-nanahirana ho azy isan’andro ny toeran’ny Kristiana; niaina nihataka tamin’ny besinimaro izy (...) Niatrika zava-nanahirana niverimberina izy tany an-trano, teny amin’ny arabe, tany an-tsena (...) Teny amin’ny arabe, na olom-pirenena romana izy na tsia, ny Kristiana iray dia tokony ho nanala saron-doha rehefa nandalo tempoly na sary vongana iray. Ahoana no hahafahany tsy hanao izany ka tsy hahatonga fiahiahiana, kanefa ahoana no hahafahany hanaraka izany tsy nisy fanaovan-javatra nampiseho fifikirana? Raha nanao raharaha izy ary nila nisambo-bola, dia tsy maintsy nianiana tamin’ny anaran’ireo andriamanitra tamin’ilay mpampisambo-bola. (...) Raha nanaiky asam-panjakana izy, dia nantenaina ny hanolorany fanatitra. Raha voantso ho miaramila izy, ahoana no hahafahany hanalavitra ilay fianianana sy handray anjara amin’ireo fombafomba fanao amin’ny raharaha miaramila?” — La vie quotidienne des premiers chrétiens (95-197).

Olom-pirenena nahafatra-po, kanefa noharatsina

Tany amin’ny taona 60 na 61 am.f.i. tany ho any, rehefa tany Roma i Paoly niandry ny fitsaran’ny Emperora Néron, dia hoy ireo lohandohany tamin’ny Jiosy nikasika ireo Kristiana voalohany: “Fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22). Ireo zavatra notanana an-tsoratra ara-tantara dia manamarina fa noharatsina ny Kristiana — saingy tsy ara-drariny. Ao amin’ny bokiny hoe The Rise of Christianity, dia nitantara toy izao i E. W. Barnes: “Ao amin’ireo tahirin-kevitra ofisialy voalohany, ny fihetsiketsehana kristiana dia naseho indrindra ho ara-pitondran-tena sy ho mpanara-dalàna. Naniry ny ho olom-pirenena nahafatra-po sy ho olom-pehezina tsy nivadika ireo mpikambana tao aminy. Nanalavitra ireo fahadisoana sy fahazaran-dratsin’ny mpanompo sampy izy ireo. Teo amin’ny fiainany manokana, dia niezaka ny ho mpifanolobodirindrina tia fihavanana sy ho sakaiza mendri-pitokiana izy ireo. Nampianarina ho maotina sy hahalala ny antonony izy ireo, ny hiasa mafy ary ny ho madio fiaina. Teo anivon’ny fahasimban-toetra sy ny fanaranam-po tamin’ny fahalotoam-pitondran-tena nanjaka, dia nanao ny marina sy nilaza ny marina izy ireo, raha tsy nivadika tamin’ny fotopoto-pitsipiny. Ambony ny fari-pitsipiny momba ny lahy sy ny vavy: nohajaina ny fatoram-panambadiana, ary nadio ny fiainam-pianakaviana. Mety hisy hieritreritra hoe, amin’ny fananana toetra tsara toy izany dia tsy afaka ny ho olom-pirenena nanahirana izy ireo. Na dia izany aza anefa, dia nohamavoina sy noharatsina ary nankahalaina hatramin’ny ela izy ireo.”

Toy ny tsy nahatakaran’izao tontolo izao fahiny an’i Jesosy no tsy nahatakarany an’ireo Kristiana ka nankahalany azy ireo noho izany. Koa satria izy ireo tsy nety nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny emperora sy ireo andriamanitry ny mpanompo sampy, dia nampangaina ho tsy nino an’Andriamanitra izy ireo. Raha nisy loza nitranga, dia nomena tsiny ho nampahatezitra ireo andriamanitra izy ireo. Noho izy ireo tsy nanatrika lalao naloto ara-pitondran-tena na fampisehoana nisy ra nandriaka nataon’ny gladiatera, dia noheverina ho tsy tia miaraka amin’olona izy ireo, ho ‘mpankahala ny taranak’olombelona’ mihitsy aza. Ireo fahavalony dia nilaza fa misara-bazana ireo fianakaviana noho ny “antokom-pivavahana” kristiana, ka noho izany dia loza ho an’ny tsy fihilangilanana ara-tsosialy izy io. I Tertullien dia niresaka ny amin’ireo lehilahy mpanompo sampy izay naniry kokoa ny hanitsakitsahan’ny vadiny azy toy izay ny hahatongavan’izy io ho Kristiana.

Nokianina ireo Kristiana noho izy ireo nanohitra ny fanalana zaza izay natao hatraiza hatraiza tamin’izany fotoana izany. Kanefa dia nampangain’ireo fahavalony ho namono ny zanany izy ireo. Nendrikendrehina ho nisotro ny ran’ireo ankizy natao fanatitra izy ireo tany amin’ny fivoriany. Tamin’izay fotoana izay ihany, dia nanandrana nanery azy ireo hihinana saosisy voasesika ra ireo fahavalony, tamin’ny fahafantarana fa nifanohitra tamin’ny feon’ny fieritreretan’izy ireo izany. Araka izany dia nanohitra ny fiampangan’ny tenan’izy ireo ihany ireny mpanohitra ireny. — Tertullien, Apology, toko faha-9.

Nohamavoina ho antokom-pivavahana vaovao

Nanoratra toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Kenneth Scott Latourette: “Mbola nisy fitambarana fiampangana hafa nahatonga ny Kristianisma ho nesoina noho izy niandoha vao haingana, ka nampifanohitra azy tamin’ny fahelan’ireo rafiny [ny Jodaisma sy ny fivavahana mpanompo sampy grika-romana].” (A History of the Expansion of Christianity, Boky Voalohany, pejy faha-131). Teo am-piandohan’ny taonjato faharoa am.f.i., ilay mpanoratra tantara romana atao hoe Suétone dia niantso ny Kristianisma ho “finoanoam-poana vaovao sy manimba”. Nilaza marina i Tertullien fa ilay anarana hoe Kristiana mihitsy dia nankahalaina ary antokom-pivavahana tsy nankasitrahana ireo Kristiana. Raha niresaka ny amin’ny fomba niheveran’ireo mpanao fanjakana teo amin’ny Empira Romana ny Kristiana tamin’ny taonjato faharoa i Robert M. Grant, dia nanoratra hoe: “Ilay fiheverana fototra dia hoe, ny Kristianisma dia tsy inona fa fivavahana iray tsy nilaina sy nety hanimba.” — Early Christianity and Society.

Nampangaina ho mpitaona olona vonon-kiady

Nanoratra toy izao i Jean Bernardi, profesora ao Sorbonne, ao amin’ilay bokiny hoe Les premiers siècles de l’Eglise: “Tsy maintsy nandeha nivoaka [ireo Kristiana] ary niresaka teny rehetra teny sy tamin’ny olon-drehetra. Teny an-dalam-be sy tany amin’ireo tanàn-dehibe, teny an-kianjam-bahoaka ary tany amin’ireo trano. Na noraisina tsara na tsia. Tamin’ny mahantra sy tamin’ny mpanankarena novesaran’ny fananany. Tamin’ny madinika sy tamin’ireo governoran’ny faritany romana (...) Voatery nanao dia lavitra nanaraka arabe izy ireo, nitaingin-tsambo, ary nandeha tany amin’ny faran’ny tany.”

Nanao izany ve izy ireo? Azo hamarinina fa nanao izany izy ireo. Nitantara ny profesora Léon Homo fa ireo Kristiana voalohany dia notoherin’ny besinimaro noho ny “fitaomany olona feno firehetam-po”. Nilaza ny profesora Latourette fa raha namoy ny zotom-pony teo amin’ny fitaomana olona ireo Jiosy, ny “Kristiana kosa, tetsy an-danin’izany, dia misionera vonon-kiady, ary noho izany dia nampipoitra fahasosorana”.

Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nanankiana ny fomba fitorin’ireo Kristiana ilay filozofa romana atao hoe Celsus. Nilaza izy fa ny Kristianisma dia natao ho an’ireo tsy nahita fianarana ary izy io dia tsy afaka ‘nampiaiky afa-tsy ny olona dondrona mbamin’ny andevo sy ny vehivavy ary ny ankizy madinika’. Nampangainy ireo Kristiana ho nampianatra “olona mora fitahina”, ho nanao izay “hampino azy ireo tsy nisy fieritreretana azo eken’ny saina”. Nolazainy fa izy ireo dia niteny tamin’ireo mpianany vaovao hoe: “Aza manontany; minoa fotsiny.” Na dia izany aza anefa, araka ny filazan’i Origène dia ny tenan’i Celsus mihitsy no niaiky fa “tsy ireo olon-tsotra ihany no voatarik’ilay fampianarana momba an’i Jesosy mba hanaraka ny fivavahany”.

Tsy nisy fampiraisam-pinoana

Mbola nokianina koa ireo Kristiana voalohany noho izy ireo nilaza fa nanana ny fahamarinan’ilay hany Andriamanitra marina. Tsy nanaiky fampiraisam-pinoana, na fanakambanam-pinoana izy ireo. Nanoratra toy izao i Latourette: “Tsy sahala amin’ny ankamaroan’ireo finoana tamin’izany fotoana izany izy ireo [ny Kristiana] fa nankahala ireo fivavahana hafa. (...) Nifanohitra tamin’ilay saiky fileferana be nampiavaka ireo fivavahana hafa, izy ireo dia nanambara fa nanana ny fahamarinana tsy azo lavina.”

Tamin’ny taona 202 am.f.i., ny Emperora Septimius Severus dia namoaka didy nandrara ireo Kristiana tsy hitaona olona hanaraka azy. Tsy nisakana azy ireo tsy hanao fanambarana ny amin’ny finoany anefa izany. Nilazalaza ny vokatr’izany toy izao i Latourette: “Tamin’ny tsy fetezany hanaiky lembenana tamin’ny fanompoan-tsampy nahazatra sy ny maro tamin’ireo fomba fanao ara-tsosialy sy fanao ara-pitondran-tena tamin’izany fotoana izany, [ny Kristianisma voalohany] dia nampitombo fifanarahana sy fandaminana iray izay nampifandrafy azy tamin’ny fitambaran’olona. Ilay fiovana tampoka notakina mba hidirana ao aminy mihitsy dia nanome an’ireo mpikambana fiekena mafy izay nahaforona loharanon-kery hanoherana ny fanenjehana sy loharanon’ny zotom-po teo amin’ny fitaomana olona hiova finoana.”

Mazava àry ireo zavatra notanana an-tsoratra ara-tantara. Tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra dia nanda tsy ho “naman’izao tontolo izao” ireo Kristiana voalohany, na dia niezaka ny ho olom-pirenena nahafatra-po sy nihavana tamin’ny olon-drehetra aza izy ireo. (Jaona 15:19). Nanaja ireo manam-pahefana izy ireo. Rehefa nandrara azy ireo tsy hitory anefa i Kaisara, dia tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny fanohizana ny fitoriana izy ireo. Niezaka nihavana tamin’ny olon-drehetra izy ireo kanefa dia tsy nety nanaiky lembenana tamin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena sy ny fanompoan-tsampy. Noho izany rehetra izany, dia nohamavoina izy ireo, noharatsina, nankahalaina, ary nenjehina, toy izay nolazain’i Kristy mialoha fa hanjo azy ireo. — Jaona 16:33.

Nitohy ve ny fisarahan’izy ireo tamin’izao tontolo izao? Sa arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nanova ny fihetsiny mikasika izany ireo izay nihambo ho nanaraka ny Kristianisma?

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Nitondra zava-nanahirana ho azy isan’ andro ny toeran’ny Kristiana; niaina nihataka tamin’ny besinimaro izy”

[Teny notsongaina, pejy 6]

‘Ny Kristianisma dia nesoina noho izy niandoha vao haingana, ka nampifanoherina (...) tamin’ny fahelan’ireo rafiny’

[Sary, pejy 3]

Koa satria ny Kristiana tsy nety nanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ny emperora romana sy ireo andriamanitry ny mpanompo sampy, dia nampangaina ho tsy nino an’Andriamanitra izy ireo

[Sary nahazoan-dalana]

Museo della Civiltà Romana, Roma

[Sary, pejy 7]

Ireo Kristiana voalohany dia fantatra ho mpitory ny hafatr’ilay Fanjakana be zotom-po

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Fonony: Alinari/Art Resource, N.Y.