Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao

Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao

Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao

“Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” — MATIO 24:9.

1. Inona no tokony ho marika nampiavaka ny Kristianisma?

MARIKA nampiavaka ny Kristiana voalohany ny fisarahana tamin’izao tontolo izao. Tao amin’ny vavaka nataony tamin’i Jehovah Rainy any an-danitra, dia niteny toy izao i Kristy momba ireo mpianany: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14). Rehefa nantsoina teo anatrehan’i Pontio Pilato i Jesosy dia nilaza hoe: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”. (Jaona 18:36). Ny fisarahan’ny Kristianisma tany am-boalohany tamin’izao tontolo izao dia hamarinin’ny Soratra Grika Kristiana sy ireo mpanoratra tantara.

2. a) Tokony ho nisy fiovana ve teo amin’ny fifandraisan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy sy izao tontolo izao rehefa nandeha ny fotoana? b) Moa ve ny Fanjakan’i Jesosy tokony ho tonga amin’ny alalan’ny fiovan’ireo firenena?

2 Moa ve i Jesosy nanambara tatỳ aoriana fa hisy fiovana eo amin’ny fifandraisan’ireo mpanara-dia azy sy izao tontolo izao, ary ny Fanjakany dia ho tonga amin’ny alalan’ny fiovan’izao tontolo izao ho amin’ny Kristianisma? Tsia. Tsy nisy na inona na inona nosoratan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ka nahazo tsindrimandry taorian’ny nahafatesany, nanisy fitenenana ny amin’izany na dia tsy nivantana aza. (Jakoba 4:4 [nosoratana fotoana fohy talohan’ny 62 am.f.i.]; 1 Jaona 2:15-17; 5:19 [nosoratana tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any]). Mifanohitra amin’izany fa ny Baiboly dia mampifamatotra ny “fanatrehan’i” Jesosy sy ny “fiaviany” amin’ny herin’ny Fanjakana hanaraka izany, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” izay hahatratra ny fara tampony amin’ny “farany”, na ny fandringanana azy. (Matio 24:3, 14, 29, 30, NW; Daniela 2:44; 7:13, 14). Ao amin’ny famantarana nomen’i Jesosy mikasika ny pa·rou·siʹa, na ny fanatrehany, dia hoy izy tamin’ireo tena mpanara-dia azy: “Ary dia hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” — Matio 24:9.

Kristiana marina amin’izao andro izao

3, 4. a) Ahoana no ilazalazan’ny firaketana katolika iray ny amin’ireo Kristiana voalohany? b) Amin’ny teny mitovy ahoana no ilazalazana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Kristiana voalohany?

3 Antokon’olona ara-pivavahana iza amin’izao andro izao no nahazo laza ho tsy nivadika tamin’ny fotopoto-pitsipika kristiana sy nisaraka tamin’izao tontolo izao, ka ny mpikambana ao aminy dia ankahalaina sy enjehina? Fandaminana kristiana maneran-tany iza no mifanitsy amin’ny lafiny rehetra amin’ireo filazalazana ara-tantara momba ny Kristiana voalohany? Mikasika azy ireo, dia izao no lazain’ny New Catholic Encyclopedia: “Ny fitambaran’olona kristiana tany am-boalohany, na dia noheverina ho antokom-pivavahana hafa iray fotsiny teo amin’ny tontolo jiosy aza tamin’ny voalohany, dia niseho ho tsy nisy toa azy teo amin’ny fampianarany ara-teolojia, ary indrindra fa teo amin’ny zotom-pon’ireo mpikambana tao aminy, izay nanompo tamin’ny naha-vavolombelon’i Kristy azy ireo ‘nanerana an’i Jodia sy Samaria, ary hatramin’ny faran’ny tany mihitsy aza’ (Asa. 1.8).” — Boky faha-3, pejy faha-694.

4 Mariho ny fitenenana hoe “noheverina ho antokom-pivavahana hafa iray fotsiny”, “tsy nisy toa azy teo amin’ny fampianarany”, ‘zotom-po (...) tamin’ny naha-vavolombelona’. Ary diniho izao ny fomba ilazalazan’io firaketana io ihany ireo Vavolombelon’i Jehovah: “Antokom-pivavahana iray (...) ireo Vavolombelona dia miaiky lalina fa ho avy ao anatin’ny taona vitsy dia vitsy ny faran’izao tontolo izao. Toa io finoana velona io no hery manosika lehibe indrindra ao ambadiky ny zotom-po tsy mety lefy ananan’izy ireo. (...) Ny adidy lehibe indrindra ananan’ny mpikambana tsirairay amin’ilay antokom-pivavahana dia ny hilaza teny vavolombelona ho an’i Jehovah amin’ny fanambarana ny Fanjakany izay manatona. (...) Mihevitra ny Baiboly ho ny hany loharanon’ny zavatra inoany sy ny fitsipi-pitondran-tenany izy ireo (...) Mba ho tena Vavolombelona, ny olona iray dia tsy maintsy mitory amin’ny fomba mandaitra amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa.” — Boky faha-7, pejy faha-864-865.

5. a) Amin’ny lafiny inona avy ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy misy toa azy? b) Manomeza ohatra mampiseho fa ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina.

5 Amin’ny lafiny inona avy ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy misy toa azy? Manonona vitsivitsy amin’izany ny New Catholic Encyclopedia: “Melohin’izy ireo [Vavolombelon’i Jehovah] ho fanompoan-tsampy ny Trinite (...) Mihevitra an’i Jesosy ho Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra izy ireo, ho ‘andriamanitra iray’ (toy izao ny andikan’izy ireo ny Jaona 1.1), tsy ambany noho iza na iza afa-tsy i Jehovah ihany. (...) Maty tamin’ny naha-olombelona izy ary natsangana ho Zanaka ara-panahy tsy mety maty. Ny Fijaliany sy ny fahafatesany no vidiny naloany mba hahazoan’ny olombelona indray ny zo hiaina mandrakizay eto an-tany. Marina tokoa fa ny ‘olona betsaka’ (Ap 7.9) amin’ny tena Vavolombelona dia manantena Paradisa iray eto an-tany; 144 000 mahatoky ihany (Ap 7.4; 14.1, 4) no afaka mifaly amin’ny voninahitra any an-danitra miaraka amin’i Kristy. Hahita fandringanana tanteraka ny ratsy fanahy. (...) Ny batisa — izay ataon’ny Vavolombelona amin’ny fandentehana anaty rano (...) [dia] famantarana ivelany ny fanoloran-tenany ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra. (...) Nanintona ny sain’ny maro ho amin’ny tenany ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fandavany fampidiran-dra. (...) Somary henjana ihany ny fitsipi-pitondran-tenany momba ny fanambadiana sy momba ny lahy sy ny vavy.” Mety tsy hisy toa azy amin’ireo lafiny ireo ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy ny toerana tanany amin’ireo hevitra ireo dia miorina mafy amin’ny Baiboly. — Salamo 37:29; Matio 3:16; 6:10; Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Romana 6:23; 1 Korintiana 6:9, 10; 8:6; Apokalypsy 1:5.

6. Toerana nanao ahoana no notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Nahoana?

6 Nanampy teny io boky katolika io fa tamin’ny 1965 (toa ilay taona nanoratana ilay lahatsoratra) “ny Vavolombelona dia mbola tsy nandinika fa izy ireo dia anisan’ilay tany ama-monina misy azy”. Ilay mpanoratra dia toa nieritreritra fa arakaraka ny fandehan’ny fotoana ka hihamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary hakan’izy ireo “bebe kokoa amin’ireo toetra mampiavaka ny fiangonana izay manohitra ny antokom-pivavahana”, dia ho tonga naman’izao tontolo izao izy ireo. Tsy marina anefa izany. Amin’izao andro izao, amin’ny fananana Vavolombelona avo efatra heny mahery noho ny tamin’ny 1965, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitana tamin’ny fomba tsy niovaova ny toerany mikasika izao tontolo izao. “Tsy naman’izao tontolo izao izy”, sahala amin’i Jesosy “tsy naman’izao tontolo izao”. — Jaona 17:16.

Tafasaraka fa tsy mankahala

7, 8. Toy ny naha-marina izany ho an’ny Kristiana voalohany, dia inona koa no marina raha ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?

7 Rehefa nanonona ilay fiarovana ny Kristiana voalohany nataon’i Justin le Martyr, mpiaro ny finoana tamin’ny taonjato faharoa, i Robert M. Grant dia nanoratra toy izao tao amin’ilay bokiny hoe Early Christianity and Society: “Raha mpanongam-panjakana ny Kristiana dia ho nitoetra niafina izy ireo mba hahatratrarany ny zava-kendreny. (...) Izy ireo no naman’ny emperora tsara indrindra teo amin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana tsara.” Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia fantatra manerana izao tontolo izao ho olom-pirenena tia fihavanana sy milamina. Fantatr’ireo fitondram-panjakana, na toy inona na toy inona karazany, fa tsy misy atahorany ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

8 Nanoratra toy izao ny mpanoratra lahatsoratra an-gazety iray tany Amerika Avaratra: “Eritreritra mitsara an-tendrony sy miahiahy tsy amin’antony ny hafa no hino fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra fandrahonana na inona na inona amin’izay mety ho fitondrana ara-politika; tsy mpanongam-panjakana izy ireo ary tia fihavanana, toy ny tokony hataon’ny fitambaran’olona ara-pivavahana.” Ao amin’ny bokiny hoe L’objection de conscience, dia nanoratra toy izao i Jean-Pierre Cattelain: “Manaiky tanteraka ny manam-pahefana ny Vavolombelona ary mankato lalàna amin’ny ankapobeny; mandoa ny hetrany izy ireo ary tsy mitady ny hanakiana na hanova na handrava fitondram-panjakana, satria tsy miditra amin’ireo raharahan’izao tontolo izao izy.” Nanohy nanampy teny i Cattelain fa rehefa mitaky ny ain’izy ireo na ny fotoanany izay natokany tanteraka ho an’Andriamanitra ihany ny Fanjakana vao tsy mety mankato ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitovy akaiky amin’ireo Kristiana voalohany izy ireo amin’izany. — Marka 12:17; Asan’ny Apostoly 5:29.

Tsy fahatakaran’ireo kilasin’ny mpitondra

9. Raha ny mikasika ny fisarahana amin’izao tontolo izao, inona no tsy fitoviana miavaka eo amin’ireo Kristiana voalohany sy ny Katolika amin’izao andro maoderina izao?

9 Ny ankamaroan’ireo emperora romana dia tsy nahatakatra ireo Kristiana voalohany ka nanenjika azy ireo. Rehefa nampiseho ny anton’izany ny The Epistle to Diognetus, izay heverin’ny sasany fa nosoratana tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nanambara hoe: “Miaina eo amin’izao tontolo izao ny Kristiana saingy tsy anisany ary tsy tafiditra amin’ny raharahan’izao tontolo izao.” Tetsy an-danin’izany, dia nilaza ny Konsily Faharoan’i Vatican, tao amin’ny Lalàm-panorenany tsy maintsy ekena momba ny Eglizy, fa ireo Katolika dia tokony “hikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny firotsahana ao amin’ireo raharaha sivily” ary “hiasa ho fanamasinana an’izao tontolo izao avy ao anatiny”.

10. a) Ahoana no niheveran’ireo kilasin’ny mpitondra an’ireo Kristiana voalohany? b) Ahoana matetika no iheverana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ahoana no fihetsik’izy ireo?

10 Milaza ilay mpanoratra tantara atao hoe E. G. Hardy fa ireo emperora romana dia nihevitra ny Kristiana voalohany ho “somary olona mafana fo mendrika ny hovingavingaina”. Ilay Frantsay mpanoratra tantara atao hoe Étienne Trocmé, dia niresaka ny amin’ny “fanaratsiana nataon’ireo mpanao fanjakana grika sy romana nahita fianarana, tamin’izay noheverin’izy ireo ho antokom-pivavahana tatsinanana tena hafahafa [ny Kristiana]”. Ny fifanoratana taratasy teo amin’i Pline le Jeune, governora romana tany Bitynia, sy ny Emperora Trajan dia mampiseho fa mazàna ireo kilasin’ny mpitondra dia tsy nahafantatra ny amin’ny tena toetran’ny Kristianisma. Toy izany koa amin’izao andro izao, dia mazàna tsy takatr’ireo kilasin’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao, ary hamavoin’izy ireo mihitsy aza ny fihevitry ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mahagaga na mahakivy ny Vavolombelona anefa izany. — Asan’ny Apostoly 4:13; 1 Petera 4:12, 13.

“Ratsy laza eny tontolo eny”

11. a) Zavatra inona avy no nolazaina momba ireo Kristiana voalohany, ary inona no nolazaina momba ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy mandray anjara amin’ny politika?

11 Izao no nolazaina momba ireo Kristiana voalohany: “Fa ny amin’izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.” (Asan’ny Apostoly 28:22). Tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., dia nilaza i Celsus mpanompo sampy, fa ny Kristianisma dia tsy nanintona afa-tsy ireo fakofakon’olona teo amin’ny tany ama-monina. Toy izany koa, dia nolazaina fa ny Vavolombelon’i Jehovah “amin’ny ankamaroany, dia nalaina avy amin’ireo tsy ampiampy fivelomana eo amin’ny tany ama-monina”. Ilay mpanoratra tantaran’ny Eglizy atao hoe Augustus Neander dia nanao tatitra fa “ny Kristiana dia naseho ho olona maty teo imason’izao tontolo izao, ary tsy azo nampiasaina teo amin’ireo raharaha rehetra amin’ny fiainana; (...) ary nanontaniana ny hoe inona no hitranga amin’ireo raharaha eo amin’ny fiainana raha mitovy amin’izy ireo avokoa ny rehetra?” Koa satria ny Vavolombelon’i Jehovah mitana tena tsy handray anjara amin’ny politika, dia ampangaina ho toy ny hazo boboka eo amin’ny tany ama-monina koa izy ireo. Ahoana anefa no hahafahan’izy ireo handray anjara amim-paharisihana amin’ny politika no sady hiaro ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona? Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandatsaka am-po ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Aoka hiaritra fijaliana (...) ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristỳ Jesoa. Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika.” — 2 Timoty 2:3, 4, DIEM.

12. Lafiny lehibe amin’ny fisarahana inona no itovian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny Kristiana voalohany?

12 Nanoratra toy izao ny profesora K. S. Latourette ao amin’ny bokiny hoe A History of Christianity: “Iray tamin’ireo raharaha niadian-kevitra izay tsy nampitovy ny Kristiana voalohany tamin’izao tontolo izao grika-romana, ny fandraisana anjara tamin’ny ady. Nandritra ireo taonjato telo voalohany, dia tsy nisy soratra kristiana naharitra hatramin’izao androntsika izao nanala tsiny ny fandraisan’ny Kristiana anjara amin’ny ady.” Nilaza toy izao ilay bokin’i Edward Gibbon hoe The History of the Decline and Fall of the Roman Empire: “Raha tsy niala tamin’ny fanaovana adidy masina kokoa izy ireny [ny Kristiana], dia tsy afaka nanaiky ny raharahan’ny miaramila, mpitsara na mpanapaka.” Toy izany koa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitana toeram-pialanalanana hentitra sy manaraka ilay fotopoto-pitsipiky ny Baiboly voasoritra ao amin’ny Isaia 2:2-4 sy Matio 26:52.

13. Fiampangana inona no atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa inona no asehon’ny zava-misy?

13 Ampangain’ireo fahavalony ho mampisaraka fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Marina fa misy fianakaviana izay nanjary voazarazara rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah ny mpianakavy iray na betsaka kokoa. Nambaran’i Jesosy mialoha fa hitranga izany. (Lioka 12:51-53). Asehon’ny tarehimarika anefa fa maningana ny fanambadiana izay tapaka noho izany antony izany. Eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, ohatra, dia fanambadiana 1 ao anatin’ny 3 no ahitana vady iray tsy Vavolombelona. Kanefa, ny tahan’ny fisaraham-panambadiana eo amin’ireo fanambadiana amin’ny tsy mpino ireo dia tsy avo kokoa noho ilay antsalany eo amin’ilay firenena. Nahoana? Ny apostoly Paoly sy Petera dia nanome torohevitra ara-tsindrimandry feno fahendrena ho an’ny Kristiana manambady tsy mpino, ary miezaka manaraka ny tenin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. (1 Korintiana 7:12-16; 1 Petera 3:1-4). Raha tapaka ny fanambadiana amin’ny tsy mpino, ny fanombohan-javatra dia saiky mandrakariva avy amin’ilay ankilany tsy Vavolombelona. Etsy an-danin’izany, dia fanambadiana an’arivony maro no voavonjy noho ny iray amin’ireo mpivady tonga Vavolombelon’i Jehovah ary nanomboka nampihatra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly teo amin’ny fiainany.

Kristiana fa tsy mino ny Trinite

14. Fiampangana inona no natao tamin’ireo Kristiana voalohany, ary nahoana izany no mahatsikaiky?

14 Mahatsikaiky fa teo amin’ny Empira Romana, dia fiampangana iray natao tamin’ireo Kristiana voalohany ny hoe tsy nino an’Andriamanitra izy ireo. Nanoratra toy izao ny Dr. Augustus Neander: “Ireo mpandà an’ireo andriamanitra, ireo tsy mino an’Andriamanitra, (...) no anarana nahazatra nanondroana ireo Kristiana teo amin’ny olona.” Hafahafa tokoa raha ny Kristiana izay nivavaka tamin’ilay Mpamorona velona fa tsy tamin’andriamanitra maro indray no voapetaka anarana hoe tsy mino an’Andriamanitra, avy amin’ireo mpanompo sampy izay nivavaka tamin’izay “tsy Andriamanitra (...), fa asan’ny tànan’olona ihany, dia hazo sy vato”. — Isaia 37:19.

15, 16. a) Inona no nolazain’ny mpikambana ao amin’ny fivavahana sasany momba ny Vavolombelon’i Jehovah, mampipoitra fanontaniana inona anefa izany? b) Inona no mampiseho fa tena Kristiana marina ny Vavolombelon’i Jehovah?

15 Mahatsikaiky mitovy amin’izany koa fa amin’izao andro izao dia misy manam-pahefana sasany eo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mandà fa tsy Kristiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Satria mandà ny Trinite ny Vavolombelona. Araka ilay famaritana vilana ataon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ny atao hoe “Kristiana dia ireo izay manaiky an’i Kristy ho Andriamanitra”. Mifanohitra amin’izany, ny rakibolana maoderina iray dia mamaritra ny anarana hoe “Kristiana” ho “olona iray izay mino an’i Jesosy Kristy ka manaraka ny fampianarany” ary ny hoe “Kristianisma” ho “fivavahana iray izay miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy amin’ny finoana fa izy dia zanak’Andriamanitra”. Antokon’olona iza no mifanentana kokoa amin’io famaritana io?

16 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky ny fanambaran’i Jesosy ny amin’ny tenany. Hoy izy: “Zanak’Andriamanitra Aho” fa tsy hoe “Andriamanitra Zanaka Aho”. (Jaona 10:36; ampitahao amin’ny Jaona 20:31.) Eken’izy ireo ilay filazana ara-tsindrimandry nataon’ny apostoly Paoly mikasika an’i Kristy hoe: “Na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny”. * (Filipiana 2:6, Fandikan-teny Katolika). Milaza toy izao ilay boky hoe The Paganism in Our Christianity: “I Jesosy Kristy dia tsy nanisy fitenenana mihitsy ny amin’izany zava-mahagaga izany [Trinite iray tsy misy ambony na ambany fa samy mitovy], ary tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe ‘Trinite’. Telonjato taona taorian’ny nahafatesan’ny Tompontsika vao noraisin’ny Eglizy io hevitra io; ary ny fiavian’ilay hevitra dia avy any amin’ny mpanompo sampy tanteraka.” Manaiky ny fampianarana araka ny Baiboly momba an’i Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah. Kristiana izy ireo fa tsy mino ny Trinite.

Tsy misy fampiraisam-pinoana

17. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy miara-miasa amin’ny fihetsiketsehana fampiraisam-pinoana na fanakambanam-pinoana?

17 Ny fitarainana roa hafa atao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia noho izy ireo tsy mety mandray anjara amin’ireo fihetsiketsehana fampiraisam-pinoana sy noho izy ireo miditra ao amin’izay antsoina hoe “fitaomana olona amin’ny fomba vonona ny hiady”. Ireo fiampangana roa ireo dia natao tamin’ireo Kristiana voalohany koa. Tsy isalasalana fa naman’izao tontolo izao ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana miaraka amin’ny taharony katolika sy ortodoksa ary protestanta. Sahala amin’i Jesosy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia “tsy naman’izao tontolo izao”. (Jaona 17:14). Ahoana no ahafahan’izy ireo hikambana amin’ireo fandaminana ara-pivavahana izay mampirisika fitondran-tena sy zavatra inoana tsy kristiana, amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana fanakambanam-pinoana?

18. a) Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy azo kianina noho izy ireo milaza fa izy ireo ihany no manaraka ny fivavahana marina? b) Na dia mino aza ny Katolika fa manana ny fivavahana marina, inona no tsy ananan’izy ireo?

18 Iza no afaka manakiana ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny finoany fa izy ireo ihany no manaraka ny fivavahana marina, toy ny nataon’ireo Kristiana voalohany? Na dia ny Eglizy Katolika aza, dia sady mihambo amim-pihatsarambelatsihy ho miara-miasa amin’ny fihetsiketsehana fampiraisam-pinoana, no sady manambara hoe: “Izahay dia mino fa io hany fivavahana marina io dia mbola misy ao amin’ny Katolika sy ny Eglizy Apostolika izay nanankinan’i Jeso Tompo ny andraikitra hampiely izany any amin’ny olona rehetra rehefa nilaza tamin’ireo apostoly izy hoe: ‘Koa mandehana hianareo, mampianara ny firenena rehetra.’ ” (Konsilin’ny Vatican faha-II, “Fanambarana Momba ny Fahafahana Ara-pivavahana”). Toa tsy ampy anefa ny finoana toy izany mba hahavonto ny Katolika amin’ny zotom-po tsy mety lefy eo amin’ny fandehanana manao mpianatra.

19. a) Tapa-kevitra ny hanao inona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary noho ny antony manosika inona? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Manana izany zotom-po izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanohy hanao fanambarana izy ireo raha mbola maniry ny hanaovan’izy ireo izany koa Andriamanitra. (Matio 24:14). Feno zotom-po ny fanambarana ataon’izy ireo fa tsy feno fahavononana hiady akory. Izany dia atosiky ny fitiavana ny mpiara-belona, fa tsy noho ny fankahalana ny olombelona akory. Manantena ny hahavoavonjy ny olombelona betsaka araka izay farany azo atao izy ireo. (1 Timoty 4:16). Sahala amin’ireo Kristiana voalohany, izy ireo dia miezaka ny ‘hihavana amin’ny olona rehetra’. (Romana 12:18). Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba anaovan’izy ireo izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Mba hanaovana dinidinika momba io andinin-teny io mifandray amin’ny fampianarana momba ny Trinite, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jona 1971 pejy faha-355-356.

Ho Famerenana

Inona no nampiavaka ny Kristiana voalohany, ary ahoana no itovian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izy ireo?

◻ Amin’ny lafiny inona avy ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiseho fa olom-pirenena mahafatra-po izy ireo?

◻ Ahoana no niheveran’ireo kilasin’ny mpitondra an’ireo Kristiana voalohany, misy maha-samy hafa izany amin’ny hita amin’izao andro izao ve?

◻ Manosika azy ireo hanao inona ny fieken’ny Vavolombelona mafy fa manana ny fahamarinana izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Tapa-kevitra ny hanohy hanao fanambarana ny Vavolombelon’i Jehovah raha mbola maniry ny hanaovan’izy ireo izany koa Andriamanitra

[Sary, pejy 17]

Hoy i Pilato: “Indro ny lehilahy!” — dia Ilay tsy naman’izao tontolo izao. — Jaona 19:5

[Sary nahazoan-dalana]

“Ecce Homo” by A. Ciseri: Florence, Galleria d’Arte Moderna / Alinari/Art Resource, N.Y.