Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Manova ny Fiainanao ny Finoana

Afaka Manova ny Fiainanao ny Finoana

Afaka Manova ny Fiainanao ny Finoana

“TENA azo atao tokoa ny manana fari-pitsipika tsara, tsy misy an’Andriamanitra.” Izany no fanambarana nataon’ny vehivavy iray misalasala momba ny fisian’Andriamanitra. Nilaza izy fa nitaiza ny zanany hanana fari-pitsipi-pitondran-tena ambony, ary ireo zanaka ireo kosa, dia nitaiza ny azy hanana fari-pitsipika ambony toy izany koa​—tsy nisy finoana an’Andriamanitra ireny rehetra ireny.

Midika ve izany fa tsy ilaina ny finoana an’Andriamanitra? Miharihary fa nihevitra toy izany io olona io. Ary marina fa tsy voatery ho olon-dratsy izay rehetra tsy mino an’Andriamanitra. Ny apostoly Paoly dia niresaka ny amin’ireo “jentilisa”, izay tsy mahafantatra an’Andriamanitra, nefa “manao izay nandidian’ny lalàna araka ny nahim-pony”. (Romana 2:14). Ny rehetra​—anisan’izany ireo olona misalasala momba ny fisian’Andriamanitra​— dia teraka nanana feon’ny fieritreretana. Maro no miezaka manaraka izay andidian’ny feon’ny fieritreretany azy, na dia tsy mino an’ilay Andriamanitra izay nanome azy ireo izany fahatsapana raiki-tampisaka ny amin’ny tsara sy ny ratsy izany aza, izy ireo.

Kanefa, ny finoana mafy orina an’Andriamanitra​—izay miorina amin’ny Baiboly​—dia hery mitaona ho amin’ny tsara mahery kokoa noho ny fitarihan’ny feon’ny fieritreretana tsy misy mpanampy. Ny finoana miorina amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, dia manome fahalalana ny feon’ny fieritreretana, ka mahatonga azy io hahiratra kokoa mba hanavahana ny tsara sy ny ratsy. (Hebreo 5:14). Ambonin’izany, ny finoana dia manatanjaka ny olona mba hihazona fari-pitsipika ambony, manoloana ny fanerena goavana. Ohatra, nandritra ny taonjato faha-20, dia tany maro no nanjary teo ambany fifehezan’ny fitondrana ara-politika tia kolikoly, izay nanerena ireo olona toa tsara fitondran-tena hanao habibiana mahatsiravina. Kanefa, ireo izay nanana tena finoana an’Andriamanitra dia nanda tsy hampandefitra ny foto-pitsipika narahiny, na dia nahatandindomin-doza ny ainy aza izany. Fanampin’izany, dia afaka manova olona ny finoana miorina amin’ny Baiboly. Afaka manavotra ny fiainan’olona izay toa tsy misy antenaina intsony, sy manampy ny olona tsy hanao fahadisoana lehibe, izy io. Diniho ireto ohatra vitsivitsy ireto.

Afaka manova ny fiainam-pianakaviana ny finoana

“Tamin’ny alalan’ny finoanareo, dia nahavita izay tsy tokony ho vita ianareo.” Izany no nolazain’ny mpitsara anglisy iray, rehefa namoaka ny didim-pitsarany momba izay hitaiza ny zanak’i John sy i Tania izy. Fony i John sy i Tania nanan-java-nanahirana voalohany tamin’ny polisy, dia mbola tsy mpivady izy ireo, ary nahatsiravina ny fiainany tao an-tokantrano. I John, izay nidoroka zava-mahadomelina sy zatra niloka, dia nanao heloka bevava mba hamatsiana ara-bola ny fahazaran-dratsiny. Nataony tsirambina ny fikarakarana ny zanany sy ny renin’izy ireo. Koa, “fahagagana” inona àry no nitranga?

Indray andro i John dia nandre ny zana-drahalahiny mbola kely niresaka momba ny Paradisa. Nanitikitika ny sainy izany, ka nanontany ny ray aman-drenin’ilay zazalahy izy. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nanampy an’i John hianatra momba azy io avy ao amin’ny Baiboly. Nampitombo tsikelikely finoana miorina amin’ny Baiboly, izay nanova ny fiainany, i John sy i Tania. Nisoratra ara-dalàna izy ireo, ary nandresy ireo fahazaran-dratsiny. Ireo manam-pahefana izay nisafo ny tokantranony dia nahita zavatra izay toa tsy tokony ho vita taloha kelin’izay​—fianakaviana sambatra ao amin’ny tokantrano madio, toerana tsara itaizana zanaka. Marina ny an’ilay mpitsara, raha nihevitra an’io “fahagagana” io ho avy amin’ilay finoana vao hitan’i John sy i Tania izy.

An’arivony kilaometatra maro avy eo Angletera, ny vehivavy tanora iray manambady any Proche-Orient, dia nadiva ho tafiditra tao amin’ny antontan’isa iray tena mampalahelo. Nikasa ny hanaraka an’ireo olona an-tapitrisany maro isan-taona, izay mifarana amin’ny fisarahana ny fanambadiany, izy. Nanan-janaka iray izy, nefa be taona lavitra noho izy ny vadiny. Noho io antony io, dia nampirisika azy hisara-panambadiana ny havany, ary nanomboka nanao izany tokoa izy. Kanefa, niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izy. Rehefa nahafantatra ilay toe-javatra ilay Vavolombelona, dia nanazava izay lazain’ny Baiboly momba ny fanambadiana, ohatra, ny hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana ka zavatra tsy tokony hialana mora foana. (Matio 19:4-6, 9). Hoy ilay vehivavy anakampo: ‘Mahagaga fa ity vehivavy ity, izay olon-tsy fantatro, dia miezaka hamonjy ny fianakavianay, nefa ireo izay akaiky ahy mitady handrava azy.’ Ny finoana vao azony dia nanampy azy hiaro ny fanambadiany.

Ny antontan’isa iray mampalahelo, mahakasika ny fiainam-pianakaviana, dia mifandray amin’ny fanalana zaza. Ny tatitra iray nataon’ny Firenena Mikambana dia nanombana fa isan-taona dia zaza ao am-bohoka 45 tapitrisa, fara fahakeliny, no niniana nesorina. Mahonena ny zavatra tsirairay toy izany. Ny fahalalana ara-baiboly dia nanampy vehivavy iray tany Philippines, mba tsy ho iray tao anatin’izany antontan’isa izany.

Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nandray bokikely fianarana ny Baiboly mitondra ny lohateny hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, * ilay vehivavy, ary nanomboka nianatra ny Baiboly. Volana maromaro tatỳ aoriana, dia nanazava ny antony izy. Bevohoka ilay vehivavy, fony ilay Vavolombelona nitsidika azy voalohany, nefa nanapa-kevitra ny hanala ilay zaza izy mivady. Kanefa, nanohina ny fon’ilay vehivavy ny sarin’ilay zaza ao am-bohoka eo amin’ny pejy faha-24 ao amin’ilay bokikely. Nandresy lahatra azy hihazona ny zanany ny fanazavana miorina amin’ny Baiboly, ampiarahina amin’ilay sary, izay milaza fa masina ny aina satria ‘ao amin’Andriamanitra no misy loharanon’aina’. (Salamo 36:9). Renin’ny zazakely iray mahafatifaty sady salama tsara izy ankehitriny.

Manampy ireo izay hamavoina ny finoana

Tany Etiopia, dia tonga tao amin’ny fivoriana iray, nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah fanompoam-pivavahana, ny lehilahy roa ratsy fitafiana. Tamin’ny faran’ny fivoriana, dia nampahafantatra tamim-pisakaizana ny tenany tamin’izy ireo, ny Vavolombelona iray. Nangataka vola ireo lehilahy ireo. Nanome azy ireo zavatra tsara kokoa, fa tsy vola, ilay Vavolombelona. Nampirisika azy ireo hamboly finoana an’Andriamanitra, “izay tsara lavitra noho ny volamena”, izy. (1 Petera 1:7). Nanaiky izany ny iray tamin’izy ireo, ka nanomboka nianatra ny Baiboly. Nanova ny fiainany izany. Rehefa nitombo finoana izy, dia niala tamin’ny fifohana sigara, ny fisotroana tafahoatra, ny fahalotoam-pitondran-tena, ary ny fampiasana katy (zava-mahadomelina manaitaitra). Nianatra ny fomba hameloman-tena izy, fa tsy nangataka intsony, ary manana fiainana madio sy ahitam-bokatra izy izao.

Tany Italia, ny lehilahy iray 47 taona, dia nosazina folo taona tany am-ponja ary nohazonina tany amin’ny hopitaly ara-pitsarana ho an’ny marary saina. Niara-nianatra Baiboly taminy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izay nahazo lalana hiditra tao am-ponja mba hanome fanampiana ara-panahy. Nanao fandrosoana haingana ilay lehilahy. Nanova be aoka izany ny fiainany ny finoana, hany ka mitodika any aminy izao ireo voafonja hafa, mba hangataka torohevitra momba ny fomba handaminany ny zava-manahirana azy. Nahazoany ny fanajana sy ny fiheveran’ny hafa ary ny fitokisan’ireo manam-pahefana ao am-ponja ny finoany miorina amin’ny Baiboly.

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nanao tatitra momba ny ady an-trano tatsy Afrika ireo gazety. Ny nampivarahontsana indrindra dia ny fitantarana ny amin’ny zazalahy kely izay nampiofanina ho miaramila. Nomena zava-mahadomelina sy nentina tamin-kalozana ary noterena hitondra ny havany tamin’ny fomba izay nanaisotra ny fahatsapany fangorahana, ireny ankizy ireny, mba hahazoana antoka fa ny hany tsy hivadihany dia ilay ankolafiny izay iandaniany. Manana hery hanova ny fiainan’ny tanora toy izany ve ny finoana miorina amin’ny Baiboly? Izany tokoa, fara fahakeliny, tamin’ireto toe-javatra roa ireto.

Tany Liberia, i Alex dia mpiserivy lamesa tao amin’ny Eglizy Katolika. Teo amin’ny faha-13 taonany anefa, dia nandeha niaraka tamin’ny ankolafiny mpiady iray niantafika izy, ka nanjary ankizy miaramila nalaza. Nitodika tany amin’ny filalaovana ody izy, mba hahazoana herim-po tamin’ny ady. Nahita ny nahafatesan’ny maro tamin’ny namany i Alex, fa izy kosa dia tafavoaka velona. Tamin’ny 1997, dia nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary hitany fa tsy nanamavo azy izy ireo. Nanampy azy hianatra izay lazain’ny Baiboly momba ny herisetra kosa izy ireo. Niala tamin’ny tafika i Alex. Rehefa nanomboka nitombo ny finoany, dia nampihariny ilay didy ao amin’ny Baiboly hoe: “Aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.”​—1 Petera 3:11.

Tetsy an-danin’izany, ny ankizy miaramila taloha iray, izay nantsoina hoe Samson, dia nandalo tany amin’ilay tanàna ipetrahan’i Alex ankehitriny. Tao amin’ny amboarampeo iray izy taloha, nefa tamin’ny 1993, dia lasa miaramila, ka nanjary nidoroka zava-mahadomelina sy nanao spiritisma sy fahalotoam-pitondran-tena. Tamin’ny 1997, dia tsy nohazonina ho miaramila intsony izy. Handeha ho any Monrovia i Samson, mba hiditra tao amin’ny antoko mpitandro filaminana manokana iray, raha nandresy lahatra azy mba hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny namany iray, ary ho vokany dia nampitombo finoana miorina amin’ny Baiboly izy. Nanome azy herim-po mba hialana tamin’ny fitiavana ady izany. Samy tia fihavanana sy madio ara-pitondran-tena izao i Alex sy i Samson. Misy zavatra hafa ankoatra ny finoana miorina amin’ny Baiboly ve afaka manova fiainan’olona izay nentina tamin-kalozana be toy izany?

Ilay karazana finoana tsara

Ireo dia vitsivitsy monja amin’ireo ohatra maro be tsy voatonona, izay mampiseho ny herin’ny tena finoana miorina amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa tsy izay rehetra milaza ho mino an’Andriamanitra fotsiny akory, no manaraka ireo fari-pitsipika ambonin’ny Baiboly. Eny tokoa, ny olona sasany tsy mino an’Andriamanitra aza dia mety hanana fiainana tsara kokoa noho ny olona sasany milaza ho Kristianina. Izany dia satria mihoatra noho ny filazana ho mino an’Andriamanitra fotsiny ny finoana miorina amin’ny Baiboly.

Ny apostoly Paoly dia niantso ny finoana ho “ny fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ny fampisehoana miharihary ny zavatra tena izy na dia tsy hita aza”. (Hebreo 11:1, NW ). Noho izany, ny finoana dia midika hoe mino mafy​—miorina amin’ny porofo tsy azo lavina​—ny fisian’ny zavatra tsy hita. Ny finoana dia midika indrindra indrindra hoe tsy misalasala velively fa misy Andriamanitra, sy miahy antsika, ary hitahy ireo izay manao ny sitrapony. Hoy koa ilay apostoly: “Izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.”​—Hebreo 11:6.

Io karazam-pinoana io no nanova ny fiainan’i John sy i Tania ary ireo hafa voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity. Nitarika azy ireo hitodika tamim-patokisana feno tany amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, izy io, mba hahazoany tari-dalana mba handraisana fanapahan-kevitra. Nanampy azy ireo hanao sorona kely, tsy maharitra, izy io, mba tsy hanarahana lalana tsy mampananosarotra nefa diso. Na dia samy hafa aza ny zavatra niainan’ny tsirairay, dia nitovy ny niantombohan’izy rehetra. Niara-nianatra Baiboly tamin’ireny olona ireny ny Vavolombelon’i Jehovah iray, ka nanjary tsapan’izy ireny ny fahamarinan’izay lazain’ny Baiboly hoe: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12). Ny herin’ny Tenin’Andriamanitra dia nanampy ny tsirairay taminy hanorina finoana matanjaka, izay nanova ny fiainany ho tsara kokoa.

Miasa any amin’ny tany sy ny nosin-dranomasina maherin’ny 230, ny Vavolombelon’i Jehovah. Manasa anao hianatra ny Baiboly izy ireo. Nahoana? Satria miaiky izy ireo fa afaka mitondra fihatsarana lehibe eo amin’ny fiainanao koa ny finoana miorina amin’ny Baiboly.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 3]

Manova ny fiainana ho tsara kokoa ny finoana miorina amin’ny Baiboly

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

Title card of Biblia nieświeska by Szymon Budny, 1572