Fiaraha-manompo Amin’ilay Mpiambina
Fiaraha-manompo Amin’ilay Mpiambina
“Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina”.—ISAIA 21:8.
1. Fikasana lehibe inona avy no ijoroan’i Jehovah ho vavolombelon’ny tenany?
I JEHOVAH no ilay Mpikasa Lehibe. Ilay anjely mpikomy, izay nanjary Satana Devoly, dia tsy afaka manao na inona na inona mba hampandamòka ny fikasana lehiben’i Jehovah, dia ny hanamasinana ny anarany sy ny hampiharan’ilay Fanjakana fanapahana be voninahitra eo amin’ny tany zary paradisa. (Matio 6:9, 10). Ho voatahy marina tokoa ny olombelona eo ambanin’io fanapahana io. “Hofoanan[’Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”. Olona sambatra sy tafaray no hiadana sy hahazo fanambinana mandrakizay doria. (Isaia 25:8; 65:17-25). Mijoro ho vavolombelon’ny tenany i Jehovah, raha ny amin’ireo fikasany lehibe ireo!
2. Iza avy no vavolombelona olombelona natsangan’i Jehovah?
2 Manana vavolombelona olombelona koa anefa ilay Mpamorona. Tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma, dia nisy ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’, izay nanomboka tamin’i Abela, nanao ilay hazakazaka nitaky fiaretana, ary matetika izany no tao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay sarotra. Mampirisika ny Kristianina mahatoky amin’izao andro izao ny ohatra tsara dia tsara navelan’izy ireny. I Kristy Jesosy no ohatra tsara indrindra ny amin’ny vavolombelona be herim-po. (Hebreo 11:1–12:2). Tsarovy, ohatra, ilay fanambarana farany nataony teo anatrehan’i Pontio Pilato. Hoy i Jesosy: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37). Nanomboka tamin’ny taona 33 am.f.i. ka hatramin’izao taona 2000 am.f.i. izao, dia nisy Kristianina be zotom-po nanaraka ny ohatr’i Jesosy, sy nanohy nijoro ho vavolombelona, ka nanambara tamin-kerim-po “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”.—Asan’ny Apostoly 2:11.
Fiforonan’ny sekta tao Babylona
3. Ahoana no nanoheran’i Satana ny fanambarana atao momba an’i Jehovah sy ny sitrapony?
3 Tao anatin’ny an’arivony taona maro lasa, dia niezaka tamin-karatsiam-panahy mba hanao izay tsy hinoan’ny olona ny fanambarana ataon’ireo vavolombelon’Andriamanitra ilay Fahavalo lehibe, dia i Satana Devoly. Amin’ny maha “rain’ny lainga” azy, io “dragona” lehibe io, “ilay menarana ela”, dia “mamitaka izao tontolo izao”. Nitohy tsy an-kijanona ny ady ataony amin’ireo “mitandrina ny didin’Andriamanitra”, indrindra amin’izao andro farany izao.—Jaona 8:44; Apokalypsy 12:9, 17.
4. Ahoana no nampisy an’i Babylona Lehibe?
4 Tokony ho 4 000 taona lasa izay, taorian’ilay Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, dia nitaona an’i Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, i Satana. (Genesisy 10:9, 10, NW ). Nanjary foiben’ny fivavahana tamin’ny demonia ilay tanànan’i Nimroda lehibe indrindra, dia i Babylona (Babela). Rehefa nasafotofoton’i Jehovah ny fitenin’ireo mpanorina ny tilikambon’i Babela, dia niparitaka nanerana ny tany ny olona, ka nitondra ny fivavahan-disony niaraka taminy. Noho izany, i Babylona dia nanjary loharano nipoiran’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izay antsoina hoe Babylona Lehibe, ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Milaza mialoha izay hanjo an’io fandehan-javatra ara-pivavahana io, io boky io.—Apokalypsy 17:5; 18:21.
Firenena iray vavolombelona
5. Firenena iza no nalamin’i Jehovah ho vavolombelony, kanefa nahoana izy io no navelany hatao sesitany?
5 Tokony ho 500 taona taorian’i Nimroda, dia nalamin’i Jehovah ho firenen’ny Isiraely ireo taranak’i Abrahama nahatoky, mba ho vavolombelony teto an-tany. (Isaia 43:10, 12). Olona maro tao amin’io firenena io no nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana. Arakaraka ny fandehan’ireo taonjato anefa, dia nanimba ny Isiraely ny zava-diso ninoan’ireo firenena nanodidina azy, hany ka niala tamin’i Jehovah mba hivavaka tamin’ny andriamani-diso ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena. Noho izany, tamin’ny 607 al.f.i., dia nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny tafik’i Babylona, notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nitondra ny ankamaroan’ny Jiosy ho any an-tsesitany tany Babylona.
6. Vaovao tsara inona no nambaran’ilay mpiambin’i Jehovah ara-paminaniana, ary oviana izy io no tanteraka?
6 Fandresena ho an’ny fivavahan-diso tokoa izany! Tsy naharitra ela anefa izany fandresen’i Babylona izany. Tokony ho 200 taona talohan’ilay zavatra hitranga, dia nanome izao baiko izao i Jehovah: “Mandehana, manendre tily; ka izay hitany no aoka holazainy.” Vaovao inona no nambaran’io mpiambina io? “[Nianjera izy! Nianjera i Babylona, NW ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:6, 9). Inona tokoa fa tanteraka ilay fanambarana ara-paminaniana, tamin’ny 539 al.f.i.! Nianjera i Babylona natanjaka, ka tsy ela dia afaka niverina tany an-tanindrazany ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena.
7. a) Inona no nianaran’ny Jiosy avy tamin’ny famaizan’i Jehovah? b) Latsaka tao amin’ny fandrika inona avy ireo Jiosy taorian’ny sesitany, ary inona no vokany?
7 Niana-javatra avy tamin’izay nodiaviny ireo Jiosy niverina, ka niala tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana miharo spiritisma. Arakaraka ny fandehan’ireo taona anefa, dia latsaka tao amin’ny fandrika hafa izy ireo. Voafandriky ny filôzôfia grika ny sasany. Ny hafa nanjary nanome lanja ny lovantsofin’olombelona, fa nampandefitra kosa ny Tenin’Andriamanitra. Ny hafa kosa sodokan’ny fanindrahindram-pirenena. (Marka 7:13; Asan’ny Apostoly 5:37). Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, dia efa niala indray tamin’ny fanompoam-pivavahana madio ilay firenena. Na dia nisy Jiosy sasantsasany nandray ny vaovao tsara nambaran’i Jesosy aza, dia nanda azy ilay firenena manontolo, ka nolavin’Andriamanitra koa. (Jaona 1:9-12; Asan’ny Apostoly 2:36). Tsy vavolombelon’Andriamanitra intsony ny Isiraely, ary noravana indray i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70 am.f.i., ka ny tafika romanina no nandrava azy tamin’io indray mandeha io.—Matio 21:43.
8. Iza no nanjary vavolombelon’i Jehovah, ary nahoana no tonga tamin’ny fotoana nilana azy ny fampitandremana nomen’i Paoly an’io vavolombelona io?
8 Tetsy an-danin’izany, dia teraka ny “Isiraelin’Andriamanitra” kristianina, ary io, tamin’izay fotoana izay, no vavolombelon’Andriamanitra teo amin’ireo firenena. (Galatiana 6:16). Vetivety foana, dia nanao tetika hanimbana an’io firenena ara-panahy vaovao io i Satana. Tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, dia efa hita tao amin’ny kôngregasiôna ny fitaoman’ny sekta. (Apokalypsy 2:6, 14, 20). Tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay fampitandreman’i Paoly, manao hoe: “Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kolosiana 2:8.
9. Araka ny efa nampitandreman’i Paoly, inona avy ireo fisehoan-javatra nitarika ho amin’ny fiforonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina?
9 Tamin’ny farany, dia nandoto ny fivavahan’ny maro izay nitonona ho Kristianina ny filôzôfia grika, sy ny hevitra ara-pivavahana babylonianina, ary, tatỳ aoriana, dia ny ‘fahendren’olombelona’, toy ny teôrian’ny evôlisiôna sy ny fitsikerana ambony. Nifanaraka indrindra tamin’izay nolazain’i Paoly mialoha toy izao izany: “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30). Vokatr’io fivadiham-pinoana io no nampisy ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina.
10. Fisehoan-javatra inona avy no nampiharihary fa tsy ny rehetra no nanaiky ho eo ambany vahohon’ny fanompoam-pivavahana simba, natao teo anivon’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina?
10 Tsy maintsy ‘niezaka mafy hiaro ny finoana izay Joda 3). Tsy nisy nanao fanambarana ampahibemaso momba ny fanompoam-pivavahana madio sy i Jehovah intsony ve teto an-tany? Tsia. Rehefa nihananakaiky ny fotoana handringanana an’i Satana mpikomy sy ny asany rehetra, dia nanjary niharihary fa tsy ny olon-drehetra no nanaiky ho eo ambany vahohon’ny fanompoam-pivavahana nivadi-pinoana, natao teo anivon’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, tany Pittsburgh, any Pennsylvanie, any Etazonia, dia nisy antokona mpianatra ny Baiboly tso-po niforona, ka nanjary votoatin’ny kilasin’ny vavolombelon’Andriamanitra amin’ny andro ankehitriny. Ireny Kristianina ireny dia nanintona ny saina ho amin’ny porofo araka ny Soratra Masina, izay manondro fa efa antomotra ny fifaranan’ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Mifanaraka amin’ny faminanian’ny Baiboly, dia nanomboka tamin’ny 1914 ny ‘fifaranan’ity’ tontolo ity, ary nanamarika izany ny fipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany. (Matio 24:3, 7, NW ). Misy porofo mafy orina fa nazera avy tany an-danitra i Satana sy ireo demoniany sesehena, taorian’io taona io. Ny taonjato faha-20 feno korontana dia porofo mazava fa miasa i Satana, ary tanteraka amin’ny fomba miavaka ilay famantarana ny fanatrehan’i Jesosy amin’ny maha Mpanjaka nahazo fahefana any an-danitra azy.—Matio toko faha-24 sy faha-25; Marka toko faha-13; Lioka toko faha-21; Apokalypsy 12:10, 12.
efa voatolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina’ ireo izay tena nanokan-tena marina ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio. (11. Inona no niezahan’i Satana hatao, nefa tamin’ny ahoana no tsy nahomby ny fiezahany?
11 Tamin’ny Jona 1918, i Satana dia nikoropaka nanao izay hamongorana an’ireo mpianatra ny Baiboly ireo, izay efa nitory tany amin’ny firenena maromaro tamin’izay fotoana izay. Notadiaviny horavana koa ilay fikambanan’izy ireo ara-dalàna, dia ny Watch Tower Bible and Tract Society. Naiditra am-ponja ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana, noho izy ireo nosoketaina ho nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana, toy ny nanasoketana an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 23:2). Nafahana anefa ireo tompon’andraikitra ireo tamin’ny 1919, ka afaka nanohy ny fanompoany. Nafahana madiodio tanteraka izy ireo tatỳ aoriana.
“Tily” miambina
12. Iza amin’izao andro izao no anisan’ny kilasin’ny mpiambina na ‘tilin’i’ Jehovah, ary toe-tsaina nanao ahoana no nananan’izy ireo?
12 Rehefa nanomboka àry “ny andro farany”, dia nanana mpiambina niseho sehatra indray i Jehovah. Nampiomana ny olona ny amin’ireo fisehoan-javatra mifandray amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah io mpiambina io. (Daniela 12:4; 2 Timoty 3:1). Hatramin’izao, io kilasin’ny mpiambina io, izany hoe ny Kristianina voahosotra, ny Isiraelin’Andriamanitra, dia manao zavatra mifanaraka amin’ilay filazalazan’i Isaia an’ilay mpiambina ara-paminaniana, manao hoe: “Nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino; dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina”. (Isaia 21:7, 8). Izany ka mpiambina mihevitra ny asany ho zava-dehibe!
13. a) Hafatra inona no nambaran’ilay mpiambin’i Jehovah? b) Nahoana no azo lazaina fa nianjera i Babylona Lehibe?
13 Inona no hitan’io mpiambina io? Eto indray koa, dia nanambara toy izao ilay mpiambin’i Jehovah, dia ny kilasin’ny vavolombelony: “[Nianjera izy! Nianjera i Babylona, NW ]! Ary ny sarin’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany.” (Isaia 21:9). Tamin’ity indray mandeha ity, taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, no nidaraboka avy teny amin’ny toeram-pahefana ambony nananany. (Jeremia 50:1-3; Apokalypsy 14:8). Tsy mahagaga raha niandoha tao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina ny Ady Lehibe, araka ny niantsoana azy tamin’izany fotoana izany. Teo anivon’io Tontolo Lazaina fa Kristianina io, dia nandrehitra ny ady ireo mpitondra fivavahana tao amin’ireo andaniny roa nifanandrina, tamin’ny nampirisihany an’ireo tanora sangany indrindra tao aminy ho any an’ady. Fahafaham-baraka re izany! Tamin’ny 1919, i Babylona Lehibe dia tsy afa-nisakana ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany—eny, tsy nahasakana azy ireo tsy ho afa-nandositra avy tamin’ny tsy fahafahana nanao na inona na inona, ary tsy nahasakana azy ireo koa tsy hanomboka fitoriana maneran-tany, izay mbola mitohy ankehitriny. (Matio 24:14). Nidika ho fianjeran’i Babylona Lehibe izany, tsy misy hafa amin’ny hoe nidika koa ho fianjeran’ilay Babylona fahiny ny nanafahana ny Isiraely tamin’ny taonjato fahenina al.f.i.
14. Gazety inona no tena nampiasain’ny kilasin’ny mpiambin’i Jehovah, ary ahoana no nitahian’i Jehovah ny fampiasana azy io?
14 Nanao foana ny asany tamin-jotom-po sy noho ny faniriana mafy hanao izay mahitsy, ny kilasin’ny mpiambina. Tamin’ny Jolay 1879, ny Mpianatra ny Baiboly dia nanomboka namoaka ity gazety ity, izay Isaia 21:11.” * Efa hatramin’ny 120 taona izao Ny Tilikambo Fiambenana no tsy nitsahatra niambina tamim-pahatokiana, ka nanara-maso ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao sy izay hevitra fonosin’izy ireny ara-paminaniana. (2 Timoty 3:1-5, 13). Nampiasa ity gazety ity ny kilasin’ny mpiambin’Andriamanitra sy ireo “ondry hafa” namany mba hitoriana tamin-kery tamin’ny olombelona hoe antomotra ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah amin’ny alalan’ny Fanjakan’i Kristy. (Jaona 10:16). Notahin’i Jehovah ve io gazety fitoriana io? Raha 6 000 ny isan’ny natonta tamin’ilay nomerao voalohany tamin’Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1879, dia nitombo ho maherin’ny 22 000 000 izany. Miely maneran-tany amin’ny fiteny 132 izy io, ary miara-mivoaka ny 121 amin’ireo. Tena mety tokoa ny hoe ny gazety ara-pivavahana miely patrana indrindra dia tokony ho gazety mankalaza ny anaran’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah!
fantatra tamin’ny hoe Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence (Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy) tamin’izany fotoana izany. Ny nomerao tsirairay nanomboka tamin’ny 1879 ka hatramin’ny 15 Desambra 1938 (anglisy), dia nahitana ireto teny ireto teo amin’ny fonony anoloana: “ ‘Ry Mpiambina ô, toy Inona Alina moa Izao?’—Fanadiovana miandalana
15. Fanadiovana miandalana inona no nanomboka, na dia talohan’ny 1914 aza?
15 Nandritra ny 40 taona teo ho eo, mandra-pahatongan’ny fotoana nanombohan’i Kristy nanapaka tany an-danitra tamin’ny 1914, dia nafahana tamin’ny fangejan’ny ankamaroan’ireo foto-pinoana tsy ara-baibolin’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina, ny Mpianatra ny Baiboly. Anisan’izany ny fanaovam-batisa zazakely, ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, ny afo fandiovana, ny fampijaliana any amin’ny afobe, ary ny Andriamanitra telo izay iray. Nitaky fotoana fanampiny anefa ny nanesorana ireo hevi-diso rehetra. Ohatra, tamin’ireo taona 1920, dia Mpianatra ny Baiboly maro no nanapaingotra sary faneva teny amin’ny akanjony, dia sary faneva nahitana lakroa misy satroboninahitra. Nankalaza Krismasy sy fety hafa avy amin’ny mpanompo sampy koa izy ireo. Raha tiana hadio anefa ny fanompoam-pivavahana, dia tsy maintsy esorina avokoa izay rehetra soritry ny fanompoan-tsampy. Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly Masina, irery ihany no tsy maintsy atao fototra iorenan’ny finoan’ny Kristianina sy ny fomba fiainany. (Isaia 8:19, 20; Romana 15:4). Tsy mety ny manampy ny Tenin’Andriamanitra na ny manaisotra na inona na inona ao amin’izy io.—Deoteronomia 4:2; Apokalypsy 22:18, 19.
16, 17. a) Hevi-diso inona no ninoan’ny kilasin’ny mpiambina, nandritra ny am-polony taona maromaro? b) Inona no fanazavana marina ny amin’ilay “alitara” sy ilay “tsangam-bato” ao “Egypta”?
16 Hanantitrantitra ny maha zava-dehibe io foto-pitsipika io ny ohatra iray. Tamin’ny 1886, dia namoaka boky iray izay nanjary nantsoina hoe Le divin plan des âges i C. T. Russell. Nirakitra tabilao iray izay nampifandray an’ilay Piramida Lehiben’i Egypta sy ireo vanim-potoana teo amin’ny tantaran’ny olombelona, io boky io. Noheverina fa io piramida fahatsiarovana an’i Farao Khoufou io no ilay tsangambato resahina ao amin’ny Isaia 19:19, 20, manao hoe: “Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’i Jehovah. Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, ao amin’ny tany Egypta izany”. Inona no nety ho fifandraisana nisy teo amin’ilay piramida sy ny Baiboly? Ohatra amin’izany ny hoe ny halavan’ny lalantsara sasany ao amin’ilay Piramida Lehibe dia noheverina ho nanondro ny fotoana hanombohan’ilay “fahoriana lehibe” ao amin’ny Matio 24:21, araka ny nahazoana ny heviny tamin’izany. Revo tamin’ny fandrefesana ny lafiny samy hafa tamin’ilay piramida ny Mpianatra ny Baiboly sasany mba hahafantarana ny andro hiakaran’izy ireo any an-danitra, ohatra!
17 Noheverina ho sarobidy io lazaina fa Baiboly Vato io, nandritra ny am-polony taona maromaro, mandra-panazavan’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra sy 1 Desambra 1928 (anglisy) fa tsy Apokalypsy 11:8, i “Egypta” dia teny an’ohatra manondro ny tontolon’i Satana. Ilay “alitara ho an’i Jehovah” dia mampahatsiahy antsika ny amin’ireo fanatitra azo ekena ataon’ireo Kristianina voahosotra raha mbola mpivahiny eto amin’ity tontolo ity koa izy ireo. (Romana 12:1; Hebreo 13:15, 16). Ilay tsangambato na andry “eo an-tsisin[’i Egypta]” dia manondro ny kôngregasiônan’ireo Kristianina voahosotra, izay sady “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” no mijoro ho vavolombelona ao “Egypta”, dia ilay tontolo efa madiva hilaozan’izy ireo.—1 Timoty 3:15.
nila tsangambato hoenti-manamafy ny fanambarana ataon’ny Baiboly i Jehovah, dia tsangambato izay sady naorina farao mpanompo sampy no nisy mariky ny fanandroana araka ny demonia. Hita kosa fa amin’ny lafiny ara-panahy no iharan’ilay faminanian’i Isaia. Toy ny ao amin’ny18. a) Tamin’ny ahoana i Jehovah no nanohy nanome fanazavana bebe kokoa ho an’ireo mpianatra ny Baiboly tso-po? b) Raha hitan’ny Kristianina iray ho sarotra ny mahazo ny fanazavana bebe kokoa omena momba ny andinin-teny iray, inona no fihetsika maneho fahendrena tokony hananany?
18 Arakaraka ny fandehan’ireo taona, i Jehovah dia manohy manome antsika fanazavana bebe kokoa momba ny fahamarinana, anisan’izany ny fahazoana amin’ny fomba tsara kokoa ny hevitry ny teniny ara-paminaniana. (Ohabolana 4:18). Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nampirisihina isika mba handinika indray tamim-pahazoana hevi-javatra lalina kokoa momba ireto zavatra ireto, ankoatra ny zavatra hafa: ilay taranaka tsy ho lany alohan’ny hahatongavan’ny farany, ilay fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ilay fahavetavetana sy ny fotoana hitsanganan’izy io ao amin’izay fitoerana masina, ilay fanekena vaovao, ilay fiovan-tarehy, ary ilay fahitana momba ny tempoly ao amin’ny bokin’i Ezekiela. Mety ho sarotra indraindray ny mahazo ireny fanazavana farany ireny. Amin’ny fotoana mety anefa, dia hanjary hazava ny antony nanaovana azy ireny. Raha tsy azon’ny Kristianina iray amin’ny fomba feno ny fanazavana vaovao iray momba ny andinin-teny iray, dia fahendrena ho azy ny mamerina amim-panetren-tena ireto tenin’i Mika mpaminany ireto: “Hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho”.—Mika 7:7.
19. Tamin’ny ahoana ny sisa voahosotra sy ny ondry hafa naman’izy ireo no nampiseho herim-po toy ny an’ny liona, amin’izao andro farany izao?
Isaia 21:8). Ny sisa voahosotra dia nampiseho herim-po toy ny an’ny liona, tamin’ny fanalana sarona ny fivavahan-diso sy tamin’ny fanoroana ny olona ny lalana ho amin’ny fahafahana. (Apokalypsy 18:2-5). Amin’ny maha “mpanompo mahatoky sy malina” azy ireo, dia nanome Baiboly sy gazety ary boky hafa amin’ny fiteny maro be izy ireo. ‘Sakafo amin’ny fotoana mety’ izy ireny. (Matio 24:45, NW ). Ny sisa voahosotra dia nitari-dalana teo amin’ny fanangonana ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Ireo koa dia voadion’ny ra manavotr’i Jesosy ary mampiseho ny tenany ho be herim-po toy ny liona, eo amin’ny fanaovana ‘fanompoana ho an’Andriamanitra andro aman’alina’. (Apokalypsy 7:9, 14, 15). Tamin’ny taon-dasa, inona no vokatra azon’ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra vitsy an’isa sisa velona, sy ireo namany, dia ny olona betsaka? Hiresaka izany ny lahatsoratsika manaraka.
19 Tsarovy fa ilay mpiambina dia “niantso nanao feon-diona (...) nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako nony antoandro, ary mitoetra eto amin’ny fiambenako aho mandritra ny alina”. ([Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 14 Nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1939 izy io dia novana hoe: “ ‘Ho fantatra fa Izaho no Jehovah.’—Ezekiela 35:15.”
Tadidinao Ve?
• Iza avy no vavolombelona natsangan’i Jehovah tao anatin’ireo taonjato maro lasa?
• Ahoana no niandohan’i Babylona Lehibe?
• Nahoana no navelan’i Jehovah horavana i Jerosalema, ilay renivohi-pirenen’ny vavolombelony, tamin’ny 607 al.f.i.?, tamin’ny 70 am.f.i.?
• Toe-tsaina manao ahoana no nasehon’ny kilasin’ny mpiambin’i Jehovah sy ireo namany?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 7]
“Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin’ny fitazanako”
[Sary, pejy 10]
Mihevitra ny asany ho zava-dehibe ny kilasin’ny mpiambin’i Jehovah