Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila ny Fandaminan’i Jehovah Isika

Mila ny Fandaminan’i Jehovah Isika

Mila ny Fandaminan’i Jehovah Isika

EFA mba nandre olona niteny toy izao ve ianao: “Mino an’Andriamanitra aho fa tsy mino ny fivavahana lehibe”? Izany matetika no fomba fijery ananan’ny olona, izay mpiangona nafana fo teo aloha, kanefa nanjary diso fanantenana noho ny fivavahany tsy afaka manome izay ilainy ara-panahy. Maro no manizingizina fa mbola ta hanolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra ihany izy, na dia diso fanantenana ny amin’ireo fandaminana ara-pivavahana amin’ny ankapobeny aza. Mino anefa izy ireo fa tsara kokoa ho azy ny manolotra fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra araka ny fomban’ny tenany manokana, toy izay hanao izany miaraka amin’ny fiangonana na fandaminana hafa.

Inona no lazain’ny Baiboly? Tian’Andriamanitra ve ny hiarahan’ny Kristianina amin’ny fandaminana iray?

Nandray soa ny Kristianina tany am-boalohany noho izy ireo nanana fandaminana

Tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., i Jehovah dia nandatsaka ny fanahiny masina, tsy tamin’ny mpino nitsitokantokana, fa tamin’ny lehilahy sy vehivavy tafangona “teo amin’ny fitoerana iray”, izany hoe tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tao an-tanànan’i Jerosalema. (Asan’ny Apostoly 2:1). Tamin’izay fotoana izay no niforona ny kôngregasiôna kristianina, izay tonga fandaminana niraisam-pirenena. Hita fa tena fitahiana tokoa izany ho an’ireo mpianatra tany am-boalohany ireo. Nahoana? Voalohany aloha, izy ireo dia nomena asa nanendrena lehibe​—ny hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any “amin’ny tany onenana manontolo”, rehefa nandeha ny fotoana. (Matio 24:14, NW ). Tao amin’ny kôngregasiôna, ireo vaovao dia afaka nianatra, avy tamin’ireo mpiray finoana za-draharaha, ny fomba hanatanterahana ny asa fitoriana.

Tsy ela dia niely lavitra dia lavitra ny mandan’i Jerosalema ny hafatra momba ilay Fanjakana. Teo anelanelan’ny 62 sy ny 64 am.f.i. no nanoratan’ny apostoly Petera ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristianina izay tany “am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia”, izay samy any Torkia ankehitriny avokoa. (1 Petera 1:1). Nisy mpino koa tany Palestina, Libanona, Syria, Kyprosy, Gresy, Kreta, ary Italia. Araka ny nosoratan’i Paoly ho an’ny Kolosianina tamin’ny 60-61 am.f.i., ny vaovao tsara dia “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”.​—Kolosiana 1:23.

Ny soa noraisina faharoa, tamin’ny fiarahana tamin’ny fandaminana iray, dia ny fahafahan’ireo Kristianina nifampahery. Rehefa niaraka tamin’ny kôngregasiôna ireo Kristianina dia afaka nandre lahateny nandrisika, niara-nianatra ny Soratra Masina, nizara traikefa nanatanjaka ny finoana, ary niombom-bavaka tamin’ireo mpiray finoana. (1 Korintiana, toko faha-14). Ary afaka ‘niandry ny ondrin’Andriamanitra’ ireo lehilahy matotra.​—1 Petera 5:2.

Noho izy ireo anisan’ny kôngregasiôna, ny Kristianina koa dia nanjary nifankahalala sy nanjary nifankatia. Tsy nahatsapa ho novesarana enta-mavesatra velively ny Kristianina tany am-boalohany tamin’ny fiarahana tamin’ny kôngregasiôna, fa nampandroso sy nanatanjaka azy ireo kosa aza izany.​—Asan’ny Apostoly 2:42; 14:27; 1 Korintiana 14:26; Kolosiana 4:15, 16.

Ny antony hafa iray nilana kôngregasiôna, na fandaminana, tafaray naneran-tany, dia ny mba hampandrosoana ny firaisan-tsaina. Nianatra ny “hiray teny” ny Kristianina. (1 Korintiana 1:10). Tena zava-dehibe izany. Avy tamin’ny fanabeazana sy ny fiaraha-monina samihafa ireo anisan’ny kôngregasiôna. Samy hafa ny fitenin’izy ireo, sady niharihary fa samy hafa ny toetrany. (Asan’ny Apostoly 2:1-11). Tena nisy tokoa indraindray ny tsy fifanarahan-kevitra. Nampiana anefa ny Kristianina mba handamina ny tsy fifanarahana toy izany, teo anivon’ny kôngregasiôna.​—Asan’ny Apostoly 15:1, 2; Filipiana 4:2, 3.

Ireo raharaha lehibe niadian-kevitra, izay tsy voalamin’ny loholona teo an-toerana, dia nentina teo amin’ny mpiandraikitra mpitety faritany matotra, toa an-dry Paoly. Ireo raharaha momba ny foto-pampianarana niankinan’ny aina, dia nentina teo amin’ny fitambara-mpitantana, tany Jerosalema. Teo am-piandohana, dia voaforon’ny apostolin’i Jesosy Kristy io fitambara-mpitantana io; tatỳ aoriana anefa, dia niitatra izany ka nahafaoka koa ireo loholona tao amin’ny kôngregasiôna tany Jerosalema. Nanaiky ny kôngregasiôna tsirairay fa nomen’Andriamanitra fahefana ny fitambara-mpitantana sy ny solontenany, fahefana mba handamina ny fanompoana, hanendry lehilahy ho amin’ny toeram-panompoana, ary handray fanapahan-kevitra eo amin’ny foto-pampianarana. Rehefa voalamin’ny fitambara-mpitantana ny raharaha iray, dia nanaiky ilay fanapahan-kevitra ny kôngregasiôna ka “nifaly noho ny anatra tsara”.​—Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 28, 30, 31.

Eny, nampiasa fandaminana iray i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Ahoana kosa amin’izao andro izao?

Mila fandaminana iray isika amin’izao andro izao

Sahala amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao koa dia mihevitra ho zava-dehibe ny asa anirahana azy mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Fomba iray hanatanterahany izany ny fizarana Baiboly sy fitaovana fianarana Baiboly, izay mitaky ny hisian’ny fandaminana iray.

Ireo zavatra vita an-tsoratra kristianina dia tsy maintsy omanina amim-pitandremana tsara, hamarinina mba ho araka ny marina tsara, atao pirinty, ary avy eo dia alefa any amin’ireo kôngregasiôna. Ny Kristianina isam-batan’olona kosa dia tsy maintsy manolo-tena an-tsitrapo mba hitondra ny zavatra vita an-tsoratra any amin’ireo izay maniry hamaky izany. Tamin’izany fomba izany, dia nahatratra olona an-tapitrisany maro ny hafatra momba ilay Fanjakana. Miezaka ny hanatanteraka ny asa fitoriany amin’ny fomba milamina ny mpitory ny vaovao tsara, ka hahazo antoka fa tsy misy tapany amin’ny faritany voasa tafahoatra, ary ny hafa atao an-tsirambina. Mitaky ny hisian’ny fandaminana iray izany rehetra izany.

Tsy maintsy atao ny fandikan-teny ho an’ny Baiboly sy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, satria “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 10:34). Ankehitriny, dia misy amin’ny fiteny 132 ity gazety ity, ary ilay gazety namany hoe Mifohaza! dia misy amin’ny fiteny 83. Mitaky ny hisian’ny ekipa mpandika teny voalamina tsara maneran-tany izany.

Mahazo fampaherezana ireo anisan’ny kôngregasiôna rehefa manatrika ireo fivoriana sy fivoriambe kristianina. Any izy ireo dia mandre lahateny ara-baiboly mandrisika, miara-mianatra ny Soratra Masina, mizara traikefa mampahery, ary miombom-bavaka amin’ireo mpiara-mivavaka. Ary sahala amin’ireo rahalahiny tamin’ny taonjato voalohany, izy ireo koa dia faly noho ny fitsidihana manatanjaka ny finoana, avy amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany be fitiavana. Araka izany, dia mahaforona ‘andiany iray, misy mpiandry iray’, ny Kristianina amin’izao andro izao.​—Jaona 10:16.

Mazava ho azy fa tsy lavorary ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny tsy naha lavorary an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany am-boalohany. Na izany aza, dia miara-miasa amim-piraisan-tsaina izy ireo. Vokatr’izany, dia tanterahina maneran-tany ny asa fitoriana ilay Fanjakana.​—Asan’ny Apostoly 15:36-40; Efesiana 4:13.

[Sary, pejy 31]

Mahaforona ‘andiany iray, misy mpiandry iray’, ny Kristianina amin’izao andro izao