Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahatsiaro ny Mpamorona Antsika efa Hatramin’ny Fahatanorako Aho

Nahatsiaro ny Mpamorona Antsika efa Hatramin’ny Fahatanorako Aho

Tantaram-piainana

Nahatsiaro ny Mpamorona Antsika efa Hatramin’ny Fahatanorako Aho

NOTANTARAIN’I DAVID Z. HIBSHMAN

“Raha tody hatreo amin’ny faran’ny fiainako aho, dia manantena marimarina fa nahatoky teo imason’i Jehovah. Miangavy azy aho mba hiahy an’i Davidako. Misaotra anao aho Jehovah noho izy sy noho ny fanambadianay. Mahafinaritra erỳ! Mahasambatra erỳ!”

ALAO sary an-tsaina ange ny fihetseham-poko taorian’ny nandevenana ny vadiko tamin’ny Martsa 1992 e, rehefa nahita izany teny farany nampidiriny tao amin’ny diariny izany! Vao dimy volana talohan’io izahay no nankalaza ny tsingerin-taona faha-60 naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro an’i Helen.

Tsaroako tsara ilay andro tamin’ny 1931, fony izaho sy i Helen nifanila toerana tany amin’ny fivoriambe tany Columbus, any Ohio, any Etazonia. Tsy tena mbola ampy 14 taona i Helen tamin’izay, kanefa nahatakatra bebe kokoa noho izaho ny naha zava-dehibe an’iny fisehoan-javatra iny izy. Niharihary, fotoana fohy taorian’izay, ny hafanam-pon’i Helen tamin’ny fanompoana, rehefa lasa mpisava lalana izy sy ny reniny efa maty vady. Mpisava lalana no iantsoana ireo mpitory ny filazantsara manontolo andro eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaozan’izy mianaka ny tokantranony nampiadana mba handehanana hitory tany amin’ny faritra ambanivohitra, any atsimon’i Etazonia.

Ny lovako kristianina

Tamin’ny 1910 dia niala tany atsinanan’i Pennsylvanie ny ray aman-dreniko, niaraka tamin’ireo zanany kely roa, ka nifindra tany amin’ny tanànan’i Grove, any amin’ny tapany andrefana. Nandoa vola ho vodiondrim-barotra ry zareo tany, mba hahazoana trano iray tsotsotra, sady lasa mpikambana narisika tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina. Fotoana fohy taorian’izay, dia nitsidika an-dry zareo i William Evans, Mpianatra ny Baiboly, araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany. I Dada, izay vao teo amin’ny faha-25 taonany monja tamin’izay, sy i Neny, izay zandriny dimy taona, dia samy nihaino an’io lehilahy sariaka avy any Pays de Galles io, ary nanasa azy io hisakafo. Vetivety foana izy ireo dia nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly nianarany.

Nafindran’i Dada tany amin’ny tanànan’i Sharon, tany amin’ny tokony ho 40 kilaometatra, ny fianakaviany mba ho akaikin’ny kôngregasiôna kokoa. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1911 na 1912, dia natao batisa i Dada sy i Neny. I Charles Taze Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower no nanao ny lahatenin’ny batisa. Teraka aho tamin’ny 4 Desambra 1916, fony ireo ray aman-dreniko efa nanan-janaka efatra. Izao no nambara tamin’ny fotoana nahaterahako: “Rahalahy hafa iray tokony hotiavina ity.” Izany no nahatonga ny anarako hoe David, izay midika hoe “Malala”.

Iray volana aho fony nentina voalohany tany amin’ny fivoriambe. Tamin’ireny fotoana tany am-boalohany ireny, dia nandeha an-tongotra kilaometatra maromaro ny raiko sy ireo zokiko lahy mba hamonjy fivorian’ny kôngregasiôna, fa izaho sy ilay zokiko vavy kosa nentin’i Neny tamin’ny tramway (aotobisy mandeha amin’ny lalamby). Nisy fotoam-pivoriana ny maraina sy ny tolakandro tamin’izany fotoana izany. Tao an-trano, ny resaka dia niompana matetika tamin’ny lahatsoratra tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana sy ny L’Âge d’Or, anaran’ny gazety Mifohaza! teo aloha.

Nandray soa avy tamin’ny ohatra tsara dia tsara

Nisy pèlerins maro, araka ny niantsoana an’ireo mpandahateny mpitety faritany tamin’izany fotoana izany, nitsidika ny kôngregasiônanay. Mazàna izy ireny no nandany andro iray na roa niarahana taminay. Ny mpandahateny iray misongadina ato an-tsaiko dia i Walter J. Thorn, izay nahatsiaro ny Mpamorona Lehibe azy ‘tamin’ny andro fahatanorany’. (Mpitoriteny 12:1). Fony aho mbola kely, dia niaraka tamin’i Dada mba hampiseho ny “Photo-Drame de la création” aho. Fampisehoana an-tsary sy noraisim-peo momba ny tantaran’ny olombelona izy io, ary misy fizarana efatra.

Tsy niteraka ny Rahalahy Evans sy i Miriam, vadiny, kanefa tonga ray aman-dreny ary raibe aman-drenibe ara-panahy ho an’ny fianakavianay izy ireo. Niantso an’i Dada hoe “Anaka” foana i William rehefa niresaka taminy, ary nampiditra tsikelikely tao amin’ny fianakavianay ny toe-tsaina tia mitory ny filazantsara izy sy i Miriam. Tamin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-20, dia nanao dia lavitra maro niverenana tany Pays de Galles ny Rahalahy Evans mba hampahafantarana ny fahamarinana ara-baiboly tany amin’ny faritra manodidina an’i Swansea. Ilay mpitory avy any Amerika no nahafantarana azy tany.

Niala tamin’ny asany ny Rahalahy Evans tamin’ny 1928, ary nanomboka nitory tany amin’ireo vohitra tany Virginie Andrefana. Niaraka taminy izy mirahalahy zokiko, dia i Clarence, 21 taona, sy i Carl, 19 taona. Samy nandany taona maro tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay efa-dahy. Raha ny marina, dia samy mpiandraikitra mpitety faritany teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay rehetra tamin’ny fahatanoranay. Tsy ela izay dia nanoratra tamiko toy izao i Mary, zandrin’i Neny faravavy, izay efa mahery lavitra ny 90 taona ankehitriny: “Velom-pankasitrahana aoka izany isika rehetra noho ny zotom-po nananan’ny Anadahy Evans teo amin’ny fanompoana ka nitsidihany ny tanànan’i Grove!” Io Nenitoa Mary io koa dia olona hafa iray izay nahatsiaro ny Mpamorona azy hatramin’ny fahatanorany.

Nanatrika fivoriamben’ny distrika

I Dada sy i Clarence ihany no afaka nanatrika ilay fivoriambe nanan-tantara tany Cedar Point, any Ohio, tamin’ny 1922. Fa tamin’ny 1924, dia nahazo fiarakodia izahay, ka nandeha tany amin’ilay fivoriambe tany Columbus, any Ohio, ny fianakavianay manontolo. Nantenaina ny hampiasanay ankizy ny vola tahirinay manokana mba handoavana ny vidin-tsakafonay nandritra ilay fivoriambe naharitra valo andro. Araka ny hevitry ny ray aman-dreninay mantsy, dia tsy maintsy mianatra mamelon-tena ny mpianakavy rehetra. Koa niompy akoho sy bitro ary tantely izahay, ary samy nanana olona nanaterana gazety mba hahazoam-bola izahay ankizilahy.

Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ilay fivoriambe tany Toronto, tany Kanada, tamin’ny 1927, dia nitaiza kely an’i Paul, rahalahinay vao enim-bolana izahay. Voatendry hijanona tao an-trano mba hikarakara an’i Paul aho, niaraka tamin’ny nenitoako iray efa nanambady, fa ny ray aman-dreniko kosa lasa tany Toronto niaraka tamin’ireo ankizy hafa. Nomena folo dolara aho ho valisoako, ka nampiasaiko mba hividianana kompile vaovao ho ahy io vola io. Nozarina hiakanjo tsara foana mantsy izahay rehefa hivory, ary hikarakara ny fitafianay.

Nanambady i Clarence sy i Carl, tamin’ny fotoanan’ilay fivoriambe tsy hay hadinoina tamin’ny 1931, tany Columbus, any Ohio, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny vadiny avy. Nipetraka tao amin’ny tranofiara, izay namboariny ihany, izy mivady avy. I Claire Houston avy any Wheeling, any Virginie Andrefana, no nalain’i Carl ho vady, ary izany no antony nipetrahako teo akaikin’i Helen, zandry vavin’i Claire, tany amin’ilay fivoriambe tany Columbus.

Ny fanompoana manontolo andro

Azoko ny diplaomako tany amin’ny lise tamin’ny 1932, fony aho 15 taona, ary ny taona nanaraka dia nanatitra fiara iray efa nampiasaina, tany amin’i Clarence rahalahiko izay nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Caroline Atsimo, aho. Nanao fangatahana hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana aho, ary nanomboka niara-niasa tamin’i Clarence sy ny vadiny. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Hopkinsville, any Kentucky, i Helen tamin’izany fotoana izany, ary nanoratra voalohany taminy aho. Hoy ny fanontaniana napetrany tao amin’ny valin-taratasiny: “Mpisava lalana ve ianao?”

Izao no navaliko tao amin’ny taratasy, izay notahiriziny mandra-pahafatiny, efa ho 60 taona tatỳ aoriana: “Mpisava lalana aho, ary manantena fa ho afaka ny ho toy izany foana.” Notantaraiko tamin’i Helen, tao amin’io taratasy io, ny fizarako ilay bokikely hoe Le Royaume, l’espérance du monde tamina mpitondra fivavahana sy olona ambony tao amin’ny fitsarana, teo amin’ny toerana nasaina nitoriako.

Nanamboaran’i Dada lay nisy kodiarany aho tamin’ny 1933. Tranofiara izy io, 2,4 metatra ny halavany ary 2 metatra ny sakany. Lamba nohenjanina nanodidina ireo tanjany marotsaka no rindrina ary nisy varavarankely iray avy, teo anoloana sy tao andamosina. Io no trano tsotsotra nipetrahako nandritra ny efa-taona nanaraka, nanaovako ny asan’ny mpisava lalana.

Tamin’ny Martsa 1934, dia nandeha niankandrefana mba hanatrika ilay fivoriambe tany Los Angeles, any Kalifornia, izahay valo mianaka, dia izaho sy i Clarence mivady, i Carl mivady, i Helen sy ny reniny ary ny zaobavin’i Clarence. Nandeha tamin’ny tranofiarako sy natory tao ny sasantsasany. Natory tao anaty fiara aho fa ny sisa kosa nanofa trano hatoriany. Koa satria nisy olana ny fiaranay, dia tamin’ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe naharitra enina andro izahay vao tonga tany Los Angeles. Tany, tamin’ny 26 Martsa, izaho sy i Helen vao afaka nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, rehefa ela ny ela.

Tamin’io fivoriambe io, dia niara-nivory manokana tamin’ny mpisava lalana rehetra i Joseph F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany. Nampahery anay izy tamin’ny filazana fa mpiady mahery fo ho an’ny fahamarinana ara-baiboly izahay. Nisy fandaharana natao, tamin’io fotoana io, mba hanomezana fanampiana ara-bola ho an’ireo mpisava lalana mba hahafahany hanohy ny fanompoany.

Fianarana ho amin’ny fiainana

Rehefa tafaverina avy tany amin’ilay fivoriambe tany Los Angeles izahay, dia samy nizara ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny olona tany amin’ny faritra manontolo tao Caroline Atsimo, sy Virginie, sy Virginie Andrefana, ary Kentucky. Toy izao no nosoratan’i Helen momba izany fotoana izany, taona maro tatỳ aoriana: “Tsy nisy kôngregasiôna hianteherana, na namana hanampy, satria vahiny marina tokoa izahay tany. Fantatro anefa ankehitriny fa nahazo fianarana aho. Nanjary nanankarena aho.”

Hoy izy nanontany: “Inona moa no ampiasan’ny tovovavy iray ny fotoanany rehefa lavitra ny namany sy ny toerana mahazatra azy izy? Tsy dia tena nahasorena nanao ahoana ilay izy. Mbola tsy nahatsiaro ny tenako ho sorisorena mihitsy aho. Namaky boky betsaka aho. Mbola tsy nisy mihitsy fotoana tsy naharahanay ny famakiana ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teo am-pelatananay sy tsy nahavitanay ny fianaranay. Nitoetra ho akaiky ny reniko foana aho, ka nianatra nitantana ny volanay, nianatra niantsena sy nanolo pne vaky, nianatra nahandro sy nanjaitra ary nitory. Tsy nanenina mihitsy aho ary mbola ho faly hamerina izany rehetra izany indray.”

Nianina tamin’ny fipetrahana tao amin’ny tranofiara kely iray i Helen sy ny reniny, nandritra ireny taona ireny, na dia nanana trano tsara tarehy iray aza io reniny io. Niharatsy ny fahasalaman’ny renin’i Helen taorian’ilay fivoriambe tany Columbus, any Ohio, tamin’ny 1937, ka nampidirina hopitaly izy. Nodimandry tany amin’ny toerana nanendrena azy tany Philippi, any Virginie Andrefana, izy, tamin’ny Novambra 1937.

Fanambadiana sy fanohizana ny fanompoana

Tamin’ny 10 Jona 1938, dia natao tsotra tao amin’ilay trano nahaterahany tao Elm Grove, any akaikin’i Wheeling, any Virginie Andrefana, ny mariazinay sy i Helen. Ny Rahalahy Evans malalanay, izay nampahafantatra ny fianakaviako ny fahamarinana, taona maromaro talohan’ny nahaterahako, no nanao ny lahatenim-panambadiana. Taorian’ny mariazinay, dia nikasa hiverina tamin’ny asan’ny mpisava lalana tany atsinanan’i Kentucky izaho sy i Helen. Akory anefa ny hagaganay fa nasaina hanao ny asan’ny zone izahay. Tafiditra tamin’io asa io ny fitsidihana fitambara-mpitory Vavolombelon’i Jehovah tany andrefan’i Kentucky sy ireo faritra tany Tennessee mba hanampiana azy ireny teo amin’ny fanompoany. Tokony ho 75 monja ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany amin’ireo toerana rehetra notsidihinay tamin’izany fotoana izany.

Simban’ny fanindrahindram-pirenena ny toe-tsain’ny maro tamin’izany, ka nampoiziko ny hampidirana am-ponja ahy tsy ho ela noho ny fialanalanana kristianina notanako. (Isaia 2:4). Noho ny asa fitoriana nataoko anefa, dia nataon’ny tompon’andraikitra ho ao anatin’ny sokajy izay namela ahy hanohy ny fanompoana manontolo andro aho.

Saika nanao fanamarihana momba ny fahatanoranay avokoa ny rehetra fony izahay nanomboka ny asa fitetezam-paritany. Nisy anabavy kristianina iray tany Hopkinsville, any Kentucky, niarahaba sady namihina mafy an’i Helen ary nanontany hoe: “Tadidinao ve aho?” Nanao fanambarana taminy tao amin’ny toeram-pivarotan’ny vadiny tany ambanivohitra, i Helen, tamin’ny 1933. Mpampianatra sekoly alahady io anabavy io tamin’izany fotoana izany, nefa rehefa avy namaky ny boky napetrak’i Helen taminy izy, dia nijoro teo anatrehan’ny mpianany ka niala tsiny noho ny nampianarany azy ireo zavatra tsy araka ny Baiboly. Nametra-pialana tao amin’ny fiangonana izy ary nanomboka nanambara ireo fahamarinana ara-baiboly teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy nony avy eo. Telo taona no niasanay sy i Helen tany andrefan’i Kentucky, ka io anabavy io sy ny vadiny no mpampiantrano anay.

Nanao fivoriambe kely teo an-toerana izahay tamin’izany andro izany, ka i A. H. Macmillan no tonga mba handray anjara tamin’ny iray tamin’izy ireny. Efa namantana tao amin’ny tokantranon’ny ray aman-drenin’i Helen izy fony i Helen mbola kely. Koa nifidy ny hiaraka taminay tao amin’ilay tranofiaranay, izay nanana halava dimy metatra, izy, nandritra ilay fivoriambe. Nisy fandriana iray tsy nampiasainay tao. Izy koa dia nahatsiaro ny Mpamorona Lehibe azy tamin’ny andro naha tovolahy azy, ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah tamin’ny 1900, fony izy 23 taona.

Natsahatra vetivety ny asan’ireo rahalahy mpitety faritany tamin’ny Novambra 1941, ka notendrena ho mpisava lalana tany Hazard, any Kentucky, aho. Niara-niasa indray tamin’i Carl rahalahiko sy i Claire vadiny izahay. Tonga niaraka taminay tao koa i Joseph Houston, zanak’anadahin’i Helen ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana. Nanohy ny fanompoana manontolo andro nandritra ny efa ho 50 taona izy, ary maty tampoka noho ny aretim-po tamin’ny 1992, fony izy nanompo tamim-pahatokiana tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York.

Voatendry hiasa tany Rockville, any Connecticut izahay, tamin’ny 1943. Toy ny hoe tontolo hafa taminay sy i Helen tany, noho izahay zatra nitory tany amin’ny faritra atsimo. Nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano tsy tapaka maherin’ny 20 isan-kerinandro i Helen, tany Rockville. Tamin’ny farany izahay dia nanofa efitra tsotsotra iray natao Efitrano Fanjakana, ka voalamina ny votoatin’ny kôngregasiôna kely iray.

Fony izahay nanompo tany Rockville, dia nasaina hanatrika ny kilasy fahadimy tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada an’ny Watchtower, tany South Lansing, any New York izahay. Faly izahay nahita fa iray kilasy taminay i Aubrey sy i Bertha Bivens, namanay fony izahay mpisava lalana tany Kentucky.

Sekoly sy toerana vaovao nanendrena anay

Na dia mbola tanora ihany aza izahay, dia mbola tanora noho izahay ny ankamaroan’ny mpiara-mianatra taminay. Eny, nahatsiaro ny Mpamorona Lehibe azy izy ireo tamin’ny fahatanorany. Tamin’ny Jolay 1945 no nizarana ny diplaomanay, tamin’ny fotoana nadiva hifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa indrindra. Teo am-piandrasana ny toerana hanendrena anay ho misionera, dia niara-niasa tamin’ny kôngregasiôna Flatbush tany Brooklyn, any New York, izahay. Farany, ny 21 Oktobra 1946, dia nandray fiaramanidina ho atỳ amin’ny fonenanay vaovao tatỳ Goatemalà renivohitra, eto Goatemalà izahay, niaraka tamin’ny misionera enina hafa iray kilasy taminay, anisan’izany ry Bivens. Latsaka ny 50 ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’ity tany eto Amerika Afovoany ity, tamin’izany fotoana izany.

Tamin’ny Aprily 1949, dia nafindra tany Quetzaltenango, tanàna lehibe sy malaza faharoa eto Goatemalà ny sasantsasany taminay misionera. Any amin’ny 2 300 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy io tanàna io, ka mamanala sy madio ny rivotra any an-tendrombohitra any. Nanoratra toy izao i Helen mba hamintinany ny asanay teto: “Tombontsoanay ny nitory tany amin’ireo tanàna sy vohitra maro be. Nifoha tamin’ny efatra maraina teo ho eo izahay, ary nandray aotobisy (izay lamba matetika no solon’ny varavarankeliny) mba hankany amin’ny tanàna iray lavitra be. Nitory adiny valo teo ho eo izahay tany, vao nody ny hariva.” Misy kôngregasiôna ankehitriny any amin’ny ankamaroan’ireny toerana ireny, anisan’izany ny kôngregasiôna enina ao Quetzaltenango.

Tsy ela dia nisy antso natao ho an’ny misionera mba hanompo tany Puerto Barrios, any amin’ny morontsirak’i Caraïbes, tanàna lehibe fahatelo eto Goatemalà. Anisan’ireo nafindra nankany amin’io toerana vaovao nanendrena io ry Bivens, namana malalanay, izay niara-nanompo taminay nandritra ny dimy taona, teto Goatemalà. Mafy ny fisarahana ary nahatonga fahabangana teo amin’ny fiainanay izany. Koa satria izaho sy i Helen no sisa tavela tao amin’ilay tranon’ny misionera, dia nifindra tao amin’ny trano kely iray izahay. Nanaiky fanendrena vaovao hankany Mazatenango, tanàna iray mafana kokoa, izaho sy i Helen tamin’ny 1955. Efa nanompo tao fotoana fohy, talohan’ny nahatongavanay i Paul, faralahinay sy i Dolores vadiny, izay nahazo diplaoman’i Gileada tamin’ny 1953.

Tamin’ny 1958, dia nanana Vavolombelona maherin’ny 700 sy kôngregasiôna 20 ary fizaran-tany telo izahay teto Goatemalà. Nandray anjara tamin’ny asa fitetezam-paritany indray izaho sy i Helen, ka nitsidika fitambara-mpitory nisy Vavolombelona vitsivitsy ary kôngregasiôna maromaro, anisan’izany ilay tao Quetzaltenango. Avy eo, tamin’ny Aogositra 1959, dia nasaina izahay hiverina teto Goatemalà renivohitra, ary nipetraka tato amin’ny biraon’ny sampana. Voatendry hiasa teto amin’ny sampana aho, fa i Helen kosa mbola nanohy ny fanompoan’ny misionera nandritra ny 16 taona fanampiny. Avy eo izy dia nanomboka niasa teto amin’ny sampana koa.

Fitahiana fanampiny

Taona maro lasa izay, dia toa izaho foana no zandriny indrindra tamin’ireo nanompo an’i Jehovah. Ankehitriny, dia izaho matetika no zokiny indrindra, ohatra, fony aho nanatrika ny sekoly ho an’ireo anisan’ny komitin’ny sampana, tany Patterson, any New York, tamin’ny 1996. Nahazo fanampiana be dia be tamin’ireo be taona kokoa aho tamin’ny fahatanorako. Toy izany koa fa tombontsoa ho ahy, tato anatin’ireo am-polony taona faramparany, ny manampy tanora maro izay maniry hahatsiaro ny Mpamorona azy amin’ny fahatanorany.

Manohy mandrotsaka ny fitahiany amin’ny vahoakany eto Goatemalà i Jehovah. Nisy kôngregasiôna maherin’ny 60 teto Goatemalà renivohitra tamin’ny 1999. Ary mbola misy kôngregasiôna maro lavitra sy mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra an’arivony maro any avaratra sy atsimo sy atsinanana ary andrefana. Nitombo ka nahatratra mahery lavitra ny 19 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana izay latsaka ny 50 fony izahay tonga teto, tokony ho 53 taona lasa izay!

Zavatra maro tokony hahavelom-pankasitrahana

Tsy misy olona mandia ny fiainana ka tsy mahita olana, kanefa isika dia afaka ‘mametraka foana amin’i Jehovah ny entantsika’. (Salamo 55:22). Matetika izy no manohana antsika amin’ny alalan’ireo namana be fitiavana. Ohatra, taona vitsivitsy talohan’ny hahafatesany, dia nanao fanomezana ho ahy i Helen. Takela-by nisy tranony, izay nisy ity andinin-teny ao amin’ny Hebreo 6:10 ity ilay izy: “Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo ihany.”

Toy izao no vakin’ny tapany tamin’ny taratasy fohy nampiarahiny tamin’ilay izy: “Malala a, kely dia kely no azoko omena anao, ankoatra ny FITIAVAKO REHETRA. (...) Sahaza anao mihitsy io andinin-teny io, ka mangataka aminao aho mba hametraka azy io eo ambonin’ny biraonao, tsy hoe satria izaho no nanome azy io anao, fa satria mihatra aminao ilay izy noho ireo taom-panompoana maro vitanao.” Mbola eo ambonin’ny biraoko ato amin’ny sampana eto Goatemalà foana ilay takela-by mandraka androany.

Nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny fahatanorako aho, ary amin’izao fahanterako izao dia isaorako izy noho ny fahasalamako mbola tsara ka mamela ahy hiantsoroka ireo adidy nanendrena ahy. Rehefa manao famakiana tsy tapaka ny Baiboly aho, dia matetika no sendra andinin-teny izay heveriko fa ho notsipihin’i Helen malalako tao amin’ny Baiboliny. Izany no nitranga rehefa namaky indray ity Salamo 48:14 ity aho: “Izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.”

Fifaliana ho ahy ny milaza amin’ny hafa ny fahatsinjovana ny andro hitsanganan’ny maty, rehefa handray ireo havan-tiany avy amin’ny fahafatesana, hankao amin’ny tontolo vaovao iray, ny olona avy amin’ny firenena rehetra tany aloha. Izany ka fanantenana! Ranomasom-pifaliana tsy misy toy izany no hirotsaka amin’izay, rehefa hotsaroantsika fa i Jehovah marina tokoa no ilay Andriamanitra “Izay mampionona ny mpandefitra”! — 2 Korintiana 7:6.

[Sary, pejy 25]

Manaraka ny fihodin’ny famantaranandro, miainga avy etsy ambony ankavia: Neny, Dada, Nenitoa Eva, Carl sy Clarence rahalahiko, tamin’ny 1910

[Sary, pejy 26]

Miaraka amin’i Helen tamin’ny 1947 sy 1992