Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mahafantatra ny Hoavy Ianao!

Afaka Mahafantatra ny Hoavy Ianao!

Afaka Mahafantatra ny Hoavy Ianao!

Mieritreritra lalina momba ny hoavy ny ankamaroan’ny olona. Tia manao fandaharana mialoha sy manao fampiasam-bola amim-pahendrena ary mahatsapa filaminan-tsaina izy ireo. Misy fomba ahafahana mahazo antoka ny amin’izay hoentin’ny ampitso ve anefa?

MBA hahitana izay hoentin’ny hoavy, dia nanandrana izao karazan-javatra rehetra izao ny olombelona. Ny mpahay siansa ara-tsosialy, antsoina hoe mpanao fikarohana momba ny hoavy, dia mamakafaka ireo zava-misy ankehitriny, ka manao ny filazany mialoha miorina amin’ireny. Manao toy izany koa ny manam-pahaizana momba ny toe-karena, eo amin’ny sehatra fanaovany fikarohana. Mitodika any amin’ny tombam-bintana sy ny bola kristaly ary ny asan’ny maizina, ny mpanandro sy ny mpisikidy, ary maro be ny mpanaraka azy. Ohatra, i Nostradamus, mpanandro frantsay, dia mbola be mpitia ihany, na dia efa maty hatramin’ny taonjato maro aza.

Ireo rehetra mihambo ho mpaminany ireo, dia hita ho tsy azo itokisana sy mandiso fanantenana indrindra. Nahoana? Satria tsy miraharaha an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Teniny, ny Baiboly, izy ireo. Noho izany antony izany, dia tsy afaka mamaly fanontaniana fototra toy ireto, izy ireo: ‘Nahoana aho no afaka mahazo antoka fa hitranga ireo zavatra voambara mialoha ao amin’ny Baiboly? Amin’ny ahoana no ifanarahan’ireny amin’ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona? Ahoana no ahafahanay mianakavy mandray soa avy amin’ireny faminaniana ireny?’ Mamaly ireo fanontaniana ireo ny Baiboly.

Ny faminaniana ara-baiboly koa dia ambony kokoa amin’ny lafiny maro hafa. Tsy mitovy amin’ny filazana mialoha ataon’ny mpanandro izy io, fa mamela ny hananan’ny tsirairay safidy malalaka. Noho izany, dia tsy misy iharam-pahavoazana noho ny anjara. (Deoteronomia 30:19). Ny asa soratra toy ny an’i Nostradamus dia poakaty eo amin’ny ara-pitondran-tena, ary fenoiny amin’ny mistery sy ny zavatra manaitra be io fahabangana io. Ny faminaniana ara-baiboly anefa dia manana fototra ara-pitondran-tena mafy orina. Hazavainy ny antony hanaovan’Andriamanitra izay nokasainy. (2 Tantara 36:15). Ary tsy misy diso na oviana na oviana ny faminanian’i Jehovah, satria ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. (Titosy 1:2). Araka izany, ny olona izay tarihin’ny Tenin’Andriamanitra dia manana fiainana voazava ara-panahy sy misy heviny ary sambatra, nefa tsy mandanilany foana ny harenany sy ny fotoanany sarobidy amin’ny fikatsahan-javatra tsy misy dikany.​—Salamo 25:12, 13.

Ireo sy ny lafin-javatra maro hafa dia nodinihina tany amin’ny Fivoriamben’ny Distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra” 1999/2000, natao naneran-tany. Nisy lahateny, fanadinadinana, fampisehoana ary fampisehoana tantara ara-baiboly iray, izay nisarika ny sain’ny mpanatrika ho amin’ilay lova ara-panahy mahatalanjona azon’ireo izay mianatra sy mampihatra ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Ny lahatsoratra manaraka dia hamerina hevitra misongadina sasany tamin’iny fivoriambe iny.