Ahoana no Fiheveranao ny Tenanao?
Ahoana no Fiheveranao ny Tenanao?
IZY dia lehilahy niavonavona. Nomena toerana mendri-kaja teo amin’ny fitondram-panjakana izy, ka afa-po erỳ noho ny fanindrahindrana sy ny fankasitrahana natototra azy. Sosotra mafy anefa izy, fa tsy nety nanome voninahitra azy toy izany ny olona ambony hafa iray. Mba hamaliana faty, ilay manam-pahefana niavonavona dia nanao teti-dratsy hamongorana, tao amin’ny empira, izay rehetra iray fiaviana tamin’ilay nanafintohina azy. Fivaonan’ny fomba fiheveran-tena re izany!
Ilay mpanao teti-dratsy dia i Hamana, manam-pahefana ambony tao an-dapan’i Ahasoerosy, mpanjaka persanina. Ary iza ilay niantefan’ny fankahalany? Jiosy iray natao hoe Mordekay. Na dia tafahoatra aza ny fihetsik’i Hamana nikasa handripaka vahoaka iray, izy io dia mampiseho mazava ny loza sy ny vokatra mahatsiravina ateraky ny fieboeboana. Ilay toe-tsainy nieboebo dia tsy vitan’ny hoe niteraka fahasahiranana lehibe ho an’ny hafa fotsiny, fa nitarika ny tenany ho amin’ny fahafaham-baraka an-karihary koa, ary fahafatesana tamin’ny farany.—Estera 3:1-9; 5:8-14; 6:4-10; 7:1-10.
Tsy vita fanefitra amin’ny avonavona ireo mpivavaka marina
Mitaky ny ‘hiheverantsika tena araka ny antonony, eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitsika’, i Jehovah. (Mika 6:8, NW ). Ny Baiboly dia mirakitra fitantarana maro samihafa momba ireo olona izay tsy nihevi-tena araka ny antonony. Nitondra zava-manahirana sy alahelo ho azy ireny izany. Ny fandinihana ny sasantsasany amin’ireo ohatra ireo, dia afaka manampy antsika hahita ny hadalana sy ny loza entin’ny fisainana tsy voalanjalanja.
Nanjary tsy voalanjalanja aoka izany ny fisainan’i Jona, mpaminanin’Andriamanitra, hany ka nitady handositra izy rehefa nirahin’Andriamanitra hampitandrina momba ny didim-pitsaran’i Jehovah, hamelezana an’ireo olona ratsy fanahy tao Ninive. (Jona 1:1-3). Tatỳ aoriana, rehefa nahomby ny asa fitoriany, ka nahatonga ireo Ninivita hibebaka, dia nidongy i Jona. Niahy be loatra ny lazany manokana tamin’ny naha mpaminany azy i Jona, ka tsy noraharahainy, na tsy nasiany vidiny firy, ny ain’ireo Ninivita an’arivony maro. (Jona 4:1-3). Raha mihevi-tena ho zavatra loatra tsy araka ny antonony isika, dia mety ho hitantsika fa ho sarotra ny hitanana fomba fijery tsy miangatra, sy araka ny marina, an’ireo olona sy ny fisehoan-javatra manodidina antsika.
Diniho koa i Ozia, izay mpanjaka tsara teo amin’ny Joda. Rehefa nanjary tsy nahay nandanjalanja izy teo amin’ny fomba fisainany, dia nanandrana tamim-pieboeboana handrombaka ny andraikitra sasany izay an’ny mpisorona. Noho izy nanao zavatra tsy araka ny antonony sy feno fahasahisahian-dratsy miharo fieboeboana, dia novidiny lafo tamin’ny fahasalamany izany, sady veriny ny fankasitrahan’Andriamanitra.—2 Tantara 26:3, 16-21.
Saika nahafandrika an’ireo apostolin’i Jesosy ny fisainana tsy voalanjalanja. Nanjary tena niahy ny amin’ny voninahiny sy ny heriny manokana izy ireo. Rehefa tonga ny fotoam-pitsapana lehibe, dia nandao an’i Jesosy izy ireo ary nandositra. (Matio 18:1; 20:20-28; 26:56; Marka 9:33, 34; Lioka 22:24). Ny tsy fananan’izy ireo fiheveran-tena araka ny antonony, sy ny fiheveran-tena ho zavatra, dia saika nahatonga azy ireo hanadino ny fikasan’i Jehovah sy ny anjara asan’izy ireo nifandray tamin’ny sitrapon’i Jehovah.
Ny vokatra manimban’ny fiheveran-tena ho zavatra
Afaka mahatonga fahoriana, ary afaka manimba ny fifandraisantsika amin’ny hafa, ny fiheverantsika tena amin’ny fomba tsy voalanjalanja. Mety hipetraka ao amin’ny efitra iray isika, ohatra, ary mety hahamarika fa misy mpivady mifampibitsibitsika sy mihomehy. Raha tia tena isika, dia mety hihevitra amin’ny fomba diso fa mihomehy antsika ireo olona ireo, satria mitakoritsoka. Mety tsy hamela antsika handinika izay mety ho antony hafa nahatonga azy ireo hanao izany ny saintsika. Olon-kafa iza indray moa no azon’izy ireo resahina eo? Mety hanjary ho sosotra isika, ary hanapa-kevitra ny tsy hiresaka intsony mihitsy amin’io mpivady io. Amin’izany fomba izany, ny fiheveran-tena manokana ho zavatra loatra, amin’ny fomba tsy voalanjalanja, dia afaka mitarika ho amin’ny tsy fifankahazoan-kevitra
sy ny faharavan’ny fihavanana amin’ny namana, ny fianakaviana, ary ny hafa koa.Ireo izay mihevi-tena ho zavatra loatra dia mety hanjary ho mpandoka tena, hirehareha lalandava ny amin’izay lazainy fa talentany miavaka, ny zava-bitany, na ny fananany. Na mety hibodo ny resaka izy ireo, ka hanisy firesahana foana momba ny tenany. Ny fomba firesahana toy izany dia mampihanjahanja ny tsy fisian’ny fitiavana marina, ary mety hanorisory tokoa. Araka izany, ny olona be ebo dia matetika no mampihataka ny tenany amin’ny hafa.—1 Korintiana 13:4.
Noho isika Vavolombelon’i Jehovah, dia mety ho tojo fanarabiana isika, na fandavana, eny amin’ny fanompoana ampahibemaso. Mila ny mitadidy isika fa miantefa mivantana any amin’i Jehovah, ilay Loharanon’ny hafatra entintsika, ny fanoherana toy izany, fa tsy amintsika manokana akory. Mety hisy vokany lehibe anefa ny fiheveran-tena manokana ho zavatra loatra amin’ny fomba mivaona. Taona maro lasa izay, ny rahalahy iray dia nandray am-po ny famelezana am-bava nataon’ny tompon-trano iray, ka niteny ratsy ho setrin’izany. (Efesiana 4:29). Taorian’izay, io rahalahy io dia tsy nandray anjara intsony mihitsy tamin’ny fanompoana isan-trano. Eny, mety hanosika antsika hanary ny fahatoniantsika, rehefa mitory, ny avonavona. Aoka isika hiezaka mafy mba tsy hamela izany hitranga amintsika na oviana na oviana. Aoka kosa isika hitady amim-panetren-tena ny fanampian’i Jehovah, mba hitanana fankasitrahana araka ny tokony ho izy ny tombontsoa manao ny fanompoana kristianina.—2 Korintiana 4:1, 7; 10:4, 5.
Afaka misakana antsika tsy handray torohevitra tena ilaina koa ny toe-tsaina mihevi-tena ho zavatra loatra. Taona vitsivitsy lasa izay, tany amin’ny tany iray any Amerika Afovoany, ny zatovolahy iray dia nanao lahateny tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, tao amin’ny kôngregasiôna kristianina. Rehefa nanome azy torohevitra sasantsasany, tamin’ny fomba mivantana, ny mpiandraikitra ny sekoly, dia tezitra ilay tanora ka natsipiny teny amin’ny tany ny Baiboliny, ary nirintona nivoaka ny Efitrano Fanjakana izy, tamin’ny fikasana ny tsy hiverina intsony. Nony afaka andro vitsivitsy anefa, dia nampandefitra ny avonavony izy ka nihavana indray tamin’ilay mpiandraikitra ny sekoly, ary nandray tamim-panetren-tena ny toroheviny. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nitombo ho amin’ny fahamatorana kristianina io tovolahy io.
Afaka manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny fiheveran-tena ho zavatra loatra, tsy araka ny antonony. Mampitandrina ny Ohabolana 16:5 hoe: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po”.
Fiheveran-tena voalanjalanja
Miharihary fa tsy tokony hihevi-tena ho zavatra loatra isika. Izany akory tsy milaza, mazava ho azy, fa hoe tokony hanao kitoatoa isika amin’izay ataontsika na amin’izay lazaintsika. Milaza ny Baiboly fa ny mpiandraikitra sy ny mpanampy amin’ny fanompoana—raha ny marina, ny rehetra ao amin’ny kôngregasiôna—dia tokony tsy hanao kitoatoa. (1 Timoty 3:4, 8, 11; Titosy 2:2). Ahoana àry no ahafahan’ny Kristianina hampitombo sady hihazona fiheveran-tena araka ny antonony sy voalanjalanja ary tsy hanao kitoatoa?
Manome ohatra mampahery maro ny amin’ireo olona izay nanana fiheveran-tena voalanjalanja hatrany, ny Baiboly. Miavaka amin’izany ny oha-panetren-tenan’i Jesosy Kristy. Mba hanaovana ny sitrapon’ny Rainy sy hamonjena ny olombelona, ilay Zanak’Andriamanitra dia nandao an-tsitrapo ny toeram-boninahitra nananany tany an-danitra, ary tonga olombelona ambany tetỳ an-tany. Na dia nampiharina taminy aza ny fitenenan-dratsy sy ny fampijaliana ary ny fahafatesana nanala baraka, dia nihazona hatrany ny fifehezan-tena sy ny fahamendrehana izy. (Matio 20:28; Filipiana 2:5-8; 1 Petera 2:23, 24). Ahoana no nahafahan’i Jesosy nanao izany? Niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izy, ary tapa-kevitra ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nianatra tamim-pahazotoana ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, nivavaka tamin-kafanam-po, ary nikely aina fatratra nanao ny fanompoana. (Matio 4:1-10; 26:36-44; Lioka 8:1; Jaona 4:34; 8:28; Hebreo 5:7). Afaka manampy antsika hampitombo sy hihazona fiheveran-tena voalanjalanja ny fanarahantsika ny ohatr’i Jesosy.—1 Petera 2:21.
Diniho koa ny ohatr’i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. Noho ny tsy fankatoavan’ny rainy, dia nafoin’i Jonatana ny fahafahana ho tonga mpanjaka, handimby an’i Saoly. (1 Samoela 15:10-29). Sosotra tamin’izany ve i Jonatana? Moa ve izy nanjary nialona an’i Davida, ilay tovolahy voatendry ho mpanapaka ho solony? Na dia zokin’i Davida be dia be aza i Jonatana, sady azo inoana fa za-draharaha kokoa noho i Davida, dia nanaiky ny fandaharan’i Jehovah tamim-pahatsorana sy tamim-panetren-tena izy, ary tsy nivadika mihitsy tamin’i Davida. (1 Samoela 23:16-18). Ny fananana fomba fijery mazava ny sitrapon’Andriamanitra, sy ny fahavononana hanaiky azy io, dia hanampy antsika tsy ‘hiavonavon-kevitra ka hihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina’.—Romana 12:3.
Nampianarin’i Jesosy antsika ny hasarobidin’ny fanehoana fiheveran-tena araka ny antonony sy ny fanetren-tena. Nohazavainy tamin’ny ohatra izany, tamin’ny filazana fa rehefa mamonjy fanasana amin’ny fampakaram-bady ireo mpianany, dia tsy tokony hipetraka eny amin’ny “fitoerana aloha”, satria mety hisy olona mihaja kokoa ho tonga, dia ho menatra izy ireo, satria ho voatery hifindra any amin’ny fitoerana aoriana indrindra. Izao no nanampin’i Jesosy, mba hampahazava tsara ilay fianarana: “Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.” (Lioka 14:7-11). Maneho fahendrena isika raha manaraka ny torohevitra nomen’i Jesosy, ary ‘mitafy fanetren-tena’.—Kolosiana 3:12; 1 Korintiana 1:31.
Ireo fitahiana entin’ny fiheveran-tena voalanjalanja
Ny fananana toe-tsaina mihevi-tena araka ny antonony sy manetry tena, dia mahatonga ny mpanompon’i Jehovah hahita ny tena fifaliana eo amin’ny fanompoany. Mora hatonina kokoa ireo loholona rehefa ‘miantra ny ondry’ amim-panetren-tena. (Asan’ny Apostoly 20:28, 29). Amin’izay, ny rehetra ao amin’ny kôngregasiôna dia tsy ho sakodiavatra hiresaka amin’izy ireo, ary hitady ny fanampiany. Mety hifanatona akaiky kokoa, amin’ny toe-tsaina feno fitiavana sy hafanana ary fifampitokisana, ny mpikambana ao amin’ny kôngregasiôna amin’izay.
Mahatonga antsika hanana namana tsara ny tsy fiheveran-tena ho zavatra loatra. Ny fiheveran-tena araka ny antonony sy ny fanetren-tena dia hihazona antsika tsy hampitombo toe-tsaina tia fifaninanana, ka hanandrana hisongona foana ny hafa eo amin’ny zavatra atao sy ny fananana ara-nofo. Ireo toetra araka an’Andriamanitra ireo dia hanampy antsika haneho fiheverana ny hafa bebe kokoa, ary ho tsara toerana isika, araka izany, mba hampionona sy hanohana ireo izay mila izany. (Filipiana 2:3, 4). Tena mandray tsara ny olona matetika rehefa voatohin’ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy ny fony. Ary moa ve tsy ny fifandraisana tsy ombam-pitiavan-tena toy izany no manjary fototra hiorenan’ny fisakaizana mafy? Fitahiana tokoa no azon’izay tsy mihevi-tena ho zavatra loatra, fa mihevi-tena araka ny antonony!—Romana 12:10.
Ny fiheveran-tena amin’ny fomba voalanjalanja koa dia manamora kokoa ny fiekena ny fahadisoantsika, rehefa nanafintohina olona isika. (Matio 5:23, 24). Izany dia miteraka fifandraisana tsaratsara kokoa, ka mamela ny hisian’ny fihavanana indray sy ny fifanajana. Raha manetry tena, sy mihevi-tena araka ny antonony, ireo izay eo amin’ny toeram-piandraiketana, anisan’izany ireo loholona kristianina, dia hanana fahafahana hanao soa be dia be ho an’ny hafa izy ireo. (Ohabolana 3:27; Matio 11:29). Ho hitan’ny olona manetry tena koa fa ho mora kokoa ho azy ny hamela ny helok’ireo izay diso taminy. (Matio 6:12-15). Tsy ho mora tezitra noho izay heveriny ho fanaovana tsinontsinona azy izy, ary hitoky amin’i Jehovah izy mba hanitsy ny toe-javatra, izay tsy voahitsy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.—Salamo 37:5; Ohabolana 3:5, 6.
Ny fahazoana fitia sy fankasitrahana avy amin’i Jehovah no fitahiana lehibe indrindra azo noho ny fiheveran-tena araka ny antonony sy amim-panetren-tena. “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena.” (1 Petera 5:5). Enga anie isika mba tsy ho latsaka na oviana na oviana ao amin’ny fandriky ny fiheveran-tena ho tsara kokoa, tsy araka ny tena izy. Aoka kosa isika hanaiky amim-panetren-tena ny toerana misy antsika ao amin’ny fandaharan-javatr’i Jehovah. Fitahiana tondraka no miandry an’izay rehetra ‘mihevi-tena araka ny antonony, eo am-piaraha-mandeha amin’Andriamanitra’.
[Sary, pejy 22]
Nanohana tamim-panetren-tena an’i Davida i Jonatana