Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mambole Fisakaizana Akaiky Amin’i Jehovah

Mambole Fisakaizana Akaiky Amin’i Jehovah

Mambole Fisakaizana Akaiky Amin’i Jehovah

“MANATÒNA an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra. (Jakoba 4:8). Ary i Davida mpanao salamo nihira hoe: “[Ny fisakaizana akaiky amin’i Jehovah, NW ] asehony amin’izay matahotra Azy”. (Salamo 25:14). Mazava fa i Jehovah Andriamanitra dia maniry ny hananantsika fifandraisana akaiky aminy. Kanefa, tsy izay rehetra manompo an’Andriamanitra sy mankato ny lalàny akory dia mahatsiaro ho akaiky azy avy hatrany.

Ahoana ny aminao? Moa ve ianao manana fifandraisana manokana sy akaiky amin’Andriamanitra? Tsy isalasalana fa maniry ny hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra ianao. Ahoana no azontsika ambolena fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra? Hidika ho inona ho antsika izany? Manome antsika ny valiny ny toko fahatelo amin’ny bokin’ny Ohabolana, ao amin’ny Baiboly.

Manehoa hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana

Nanomboka ny toko fahatelo amin’ny Ohabolana tamin’izao teny izao i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.” (Ohabolana 3:1, 2). Koa satria nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra i Solomona, io torohevitry ny ray io dia tena avy amin’i Jehovah Andriamanitra, ary natao ho antsika. Toroana hevitra isika eto mba hiaina mifanaraka amin’ny fampahatsiahivan’Andriamanitra​—ny lalàny, na ny fampianarany sy ny didiny​—voarakitra ao amin’ny Baiboly. Raha manao izany isika, dia “andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny” ho antsika. Eny, na dia izao ankehitriny izao aza isika dia efa afaka mankafy fiainam-piadanana sy afaka manalavitra fanaovan-javatra mety hitera-doza ho antsika, ka hitarika fahafatesana aloha be, izay matetika manjo ny mpanao ratsy. Ambonin’izany, dia afaka manantena ny hahazo fiainam-piadanana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao isika.​—Ohabolana 1:24-31; 2:21, 22.

Nanohy nilaza izao i Solomona: “Aoka tsy handao anao [ny hatsaram-panahy miharo fitiavana, NW ” ] sy ny fahamarinana; afehezo eo am-bozonao izany, ary soraty ao amin’ny fonao tahaka ny amin’ny vato fisaka, ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao.”​Ohabolana 3:3, 4.

Ny teny tany am-boalohany nadika hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana” dia adika koa hoe “fitiavana tsy mivadika”, ary mahafaoka fahatokiana sy firaisan-kina ary tsy fivadihana. Moa ve isika tapa-kevitra ny hifikitra hatrany amin’i Jehovah, na inon-kidona na inon-kihatra? Moa ve isika mampiseho hatsaram-panahy miharo fitiavana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny mpiray finoana amintsika? Moa ve isika miezaka mafy mba hitoetra ho akaiky azy ireo? Eo amin’ny fifampiraharahana isan’andro isan’andro amin’izy ireo, moa ve isika mihazona ‘ny lalàn’ny hatsaram-panahy miharo fitiavana eo amin’ny lelantsika’, na dia ao anatin’ny toe-javatra misedra aza?​—Ohabolana 31:26, NW.

Be hatsaram-panahy miharo fitiavana i Jehovah ka “vonona hamela heloka”. (Salamo 86:5, NW ). Raha nibebaka noho ny fahotantsika tamin’ny lasa isika, ary manitsy ny lalan-kalehan’ny tongotsika ankehitriny, dia omena toky isika fa ho avy ny “andro famelombelomana” avy amin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 3:19). Tsy tokony hanahaka ny Andriamanitsika ve isika amin’ny famelana ny fahadisoan’ny hafa?​—Matio 6:14, 15.

“Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah, ary maniry ny hanehoan’ireo izay mitady fisakaizana aminy “fahamarinana” izy. (Salamo 31:5). Moa ve isika tena afaka manantena ny hahazo an’i Jehovah ho Sakaizantsika, raha toa isika ka manana fiainana roa sosona​—manao zavatra amin’ny fomba iray rehefa eo anatrehan’ny Kristianina namantsika, ary manao izany amin’ny fomba hafa rehefa takona azy ireo​—tsy misy hafa “amin’ny olon-dratsy” manafina ny maha izy azy? (Salamo 26:4). Hadalana re izany, satria ‘ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’i’ Jehovah!​—Hebreo 4:13.

Tokony hoheverina ho toy ny vakana sarobidy ‘afehintsika eo am-bozontsika’, ny hatsaram-panahy miharo fitiavana sy ny fahamarinana, satria manampy antsika ‘hahazo fitia eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona’ izy ireo. Tsy ny hampiseho ireo toetra ireo etỳ ivelany fotsiny anefa no ilaintsika, fa ny hisokitra azy ireo ‘ao amin’ny fontsika, tahaka ny amin’ny vato fisaka’ koa, ka hanao azy ireo ho tapany tsy misaraka amin’ny maha isika antsika.

Mambole fitokisana tanteraka an’i Jehovah

Nanohy ny teniny toy izao ilay mpanjaka hendry: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”​Ohabolana 3:5, 6.

Tena mendrika ny fitokisantsika tanteraka i Jehovah. Noho izy Mpamorona, dia manana “ny heriny tsy toha” izy sady Loharanon’ny ‘fahatanjahana’. (Isaia 40:26, 29). Afaka manatanteraka izay rehetra nokasainy izy. Eny, ny anarany mihitsy dia midika ara-bakiteny hoe “Mahatonga Izy”, ary izany dia manome toky antsika ny amin’ny fahaizany manatontosa izay nampanantenainy! Mahatonga azy ho tena sary velon’ny fahamarinana ny hoe ‘tsy mahay mandainga Andriamanitra’. (Hebreo 6:18). Ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra. (1 Jaona 4:8). “Marina amin’ny làlany rehetra, sady tsy mivadika eo amin’ny asany rehetra” izy. (Salamo 145:17, NW ). Raha tsy afaka mitoky amin’Andriamanitra isika, dia amin’iza indray àry isika no afaka mitoky? Mazava ho azy fa mba hambolena fitokisana aminy, dia ilaintsika ny ‘manandrana sy mizaha fa tsara i Jehovah’, amin’ny fampiharana eo amin’ny fiainantsika manokana izay ianarantsika avy ao amin’ny Baiboly, sy amin’ny fisaintsainana ny soa entin’izany.​—Salamo 34:8.

Ahoana no ahafahantsika ‘manaiky an’i Jehovah amin’ny alehantsika rehetra’? Nilaza toy izao ny mpanao salamo nahazo tsindrimandry: “Hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 77:12). Koa satria tsy hita maso Andriamanitra, ny fisaintsainana ny asany lehibe sy ny fifampiraharahany amin’ny vahoakany, dia tena zava-dehibe mba hambolena fisakaizana akaiky aminy.

Ny vavaka koa dia fomba iray lehibe hanisiana fiheverana an’i Jehovah. Nitaraina tamin’i Jehovah ‘tontolo andro’ i Davida Mpanjaka. (Salamo 86:3, NW ). Matetika i Davida no nivavaka nandritra ny alina, ohatra, fony izy nandositra tany an-tany foana. (Salamo 63:6, 7). “Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy”, hoy ny nampirisihan’ny apostoly Paoly. (Efesiana 6:18). Impiry isika no mivavaka? Moa ve isika mankafy firesahana manokana amim-pahatsorana amin’Andriamanitra? Rehefa eo anoloan’ny toe-javatra misedra, moa ve isika mitalaho aminy mba hahazoana fanampiana? Moa ve isika mivavaka mba hitadiavana ny tari-dalany, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe? Mahatonga antsika ho tian’i Jehovah ny vavaka amim-pahatsorana ataontsika aminy. Ary mahazo antoka isika fa sady hihaino ny vavaka hataontsika izy no ‘handamina ny lalantsika’.

Hadalana tokoa ny ‘hiankinana amin’ny fahalalantsika’, na amin’ireo olo-malazan’ity tontolo ity, kanefa afaka mametraka ny fitokisantsika tanteraka amin’i Jehovah isika! “Aza manao anao ho hendry”, hoy i Solomona. Fa hoy kosa izy nananatra: “Matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. Dia ho famelombelomana ny nofonao izany sy ho fanamandoana ny taolanao.” (Ohabolana 3:7, 8). Tokony hifehy tanteraka ny zavatra ataontsika, ny eritreritsika, ary ny toe-pontsika, ny tahotra mahasoa sao dia tsy hampifaly an’Andriamanitra. Manakana antsika tsy hanao ratsy, sady manasitrana sy mamelombelona ara-panahy, ny tahotra miharo fanajana toy izany.

Omeo an’i Jehovah izay tsara indrindra avy aminao

Inona koa no azontsika atao mba hanatonana an’Andriamanitra? “Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra”, hoy ny toromarika nomen’ilay mpanjaka. (Ohabolana 3:9). Ny hoe mankalaza an’i Jehovah dia midika hoe manaja azy fatratra sy manandratra azy ampahibemaso, amin’ny fandraisana anjara sy amin’ny fanohanana ny asa fanambarana ampahibemaso ny anarany. Ny fananana entintsika mankalaza an’i Jehovah dia ny fotoanantsika, ny talentantsika, ny herintsika, ary ny fananantsika ara-nofo. Tsy maintsy ho ireo no voaloham-bokatra — ny tsara indrindra avy amintsika. Moa ve tsy tokony hahitana taratry ny fahatapahan-kevitsika ‘tsy hitsahatra hikatsaka voalohany indrindra ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany’, ny fomba ampiasantsika ny fananantsika manokana?​—Matio 6:33, NW.

Tsy hoe tsy hovalian-tsoa akory ny fankalazana an’i Jehovah amin’ny fananantsika. “Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao”, hoy ny fanomezan-tokin’i Solomona, “ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ny vata fanantazanao”. (Ohabolana 3:10). Na tsy mitarika ho amin’ny fanambinana ara-nofo aza ny fanambinana ara-panahy, ny fampiasana amim-pahalalahan-tanana ny fananantsika, mba hankalazana an’i Jehovah, dia mitondra fitahiana tondraka. Tena ‘hanina’ ho an’i Jesosy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Jaona 4:34). Mitovy amin’izany koa, fa ny fandraisana anjara amin’ny asa fitoriana sy ny fanaovana mpianatra, izay asa fanomezam-boninahitra an’i Jehovah, dia mamelona antsika. Raha maharitra amin’izany asa izany isika, dia ho feno mitafotafo ny tahirin-tsakafontsika ara-panahy. Hihoatra ny fifaliantsika, izay asehon’ny ranom-boaloboka.

Afa-tsy izany koa, moa ve isika tsy mitodika any amin’i Jehovah sy mivavaka aminy, mba hahazoana ny sakafo ara-nofo sahaza antsika isan’andro? (Matio 6:11). Raha ny marina, ny zavatra rehetra ananantsika dia azontsika avy amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra. Handrotsaka fitahiana fanampiny i Jehovah, arakaraka ny ampiasantsika ny fananantsika ho fiderana azy.​—1 Korintiana 4:7.

Raiso amim-pifaliana ny famaizan’i Jehovah

Mba hanamarihana fa zava-dehibe ny famaizana mba hahazoana ny fisakaizan’i Jehovah, dia nanoro hevitra antsika ilay mpanjakan’ny Isiraely hoe: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany; fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.”​Ohabolana 3:11, 12.

Mety tsy ho mora amintsika anefa ny hanaiky famaizana. “Ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, “fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” (Hebreo 12:11). Tapany iray tena ilaina eo amin’ny fampiofanana, izay mampanatona antsika akaiky kokoa an’Andriamanitra, ny fananarana sy ny famaizana. Ny fanitsiana avy amin’i Jehovah​—na azontsika avy amin’ny ray aman-drenintsika izany, na amin’ny alalan’ny kôngregasiôna kristianina, na koa avy amin’ny fisaintsainantsika ny Soratra Masina mandritra ny fianarana manokana ataontsika​—dia fanehoany ny fitiavany antsika. Maneho fahendrena isika amin’ny fandraisana azy io amim-pifaliana.

Hazony mafy ny fahendrena sy ny fahalalana

Avy eo dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fahendrena sy ny fahalalana, eo amin’ny fambolena fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, i Solomona. Izao no nambarany: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. (...) Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.”​Ohabolana 3:13-18.

Ho fampahatsiahivana antsika ny fihariharian’ny fahendrena sy ny fahalalana, eo amin’ny asa famoronan’i Jehovah mahatalanjona, dia izao no nolazain’ilay mpanjaka: “Fahendrena no nanorenan’i Jehovah ny tany, ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. (...) Anaka, aoka tsy hiala amin’ny masonao izany; raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, ka dia ho ain’ny fanahinao izany ary ho firavaky ny vozonao.”​Ohabolana 3:19-22.

Toetra tsara ny fahendrena sy ny fahalalana. Tsy ny hamboly azy ireo fotsiny no ilaintsika, fa ny hihazona mafy izany koa, amin’ny tsy fanaovana tsirambina ny fianarana amim-pahazotoana ny Soratra Masina sy ny fampiharana izay ianarantsika. “Dia handroso aman-toky hianao”, hoy i Solomona nanohy ny teniny, “ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.” Hoy koa izy: “Tsy hatahotra hianao, raha mandry; eny, handry hianao, ary ho mamy ny torimasonao.”​Ohabolana 3:23, 24.

Eny, afaka mandeha amim-pilaminan-tsaina isika, sady afaka matory amim-piadanan-tsaina, eo am-piandrasantsika ilay andro ‘fandringanana tampoka’, izay manatona haingana toy ny mpangalatra, hihatra amin’ny tontolo ratsin’i Satana. (1 Tesaloniana 5:2, 3; 1 Jaona 5:19). Na dia amin’izao eo an-katoky ny fahoriana lehibe izao aza, dia mahazo fanomezan-toky toy izao isika: “Aza manahy ny tahotra avy tampoka, na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; fa Jehovah no ho tokinao ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.”​Ohabolana 3:25, 26; Matio 24:21.

Manaova soa

“Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy”, hoy i Solomona nananatra, “raha azon’ny tananao atao ihany”. (Ohabolana 3:27). Ny fanaovana soa amin’ny hafa dia mahatafiditra ny fampiasana amim-pahalalahan-tanana ny fananantsika ho tombontsoany, ary izany dia amin’ny lafiny maro. Kanefa, moa ve tsy ny fanampiana ny hafa hanana fifandraisana akaiky amin’ilay Andriamanitra marina no zavatra tsara indrindra azontsika atao ho azy ireo, mandritra izao “andro farany” izao? (Daniela 12:4). Izao àry no andro fanehoana zotom-po eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra.​—Matio 28:19, 20.

Nitanisa fanao sasany tokony hohalavirina koa ilay mpanjaka hendry ka nilaza hoe: “Aza manao amin’ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; kanefa manana ihany hianao. Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, saingy mitoetra matoky eo aminao izy. Aza miady amin’olona foana, raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay làlany akory”.​Ohabolana 3:28-31.

Ho famintinana ny antony nanomezany torohevitra, dia hoy i Solomona: “Satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany. Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina dia tahiny kosa. Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. Ny hendry handova voninahitra; fa henatra kosa no ho anjaran’ny adala.”​Ohabolana 3:32-35.

Raha ta hankafy fisakaizana akaiky amin’i Jehovah isika, dia tsy tokony hanana fo maniasia sy mamoron-tsain-dratsy. (Ohabolana 6:16-19). Raha manao ny marina eo imason’Andriamanitra ihany isika vao hahazo sitraka sy fitahiana avy aminy. Mety hahazo voninahitra tsy notadiavina koa isika, rehefa marihin’ny hafa fa manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra. Aoka àry hariantsika ny fomba feno faniasiavan’ity tontolo ratsy sy feno herisetra ity. Eny tokoa, aoka isika hanana fiainana mahitsy ka hamboly fisakaizana akaiky amin’i Jehovah!

[Sary, pejy 25]

“Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao”