Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo “Zavatra Faniry”

Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo “Zavatra Faniry”

Mameno ny Tranon’i Jehovah Ireo “Zavatra Faniry”

“Hanozongozona ny firenena rehetra aho [Jehovah], ka tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity”.​—HAGAY 2:7, NW.

1. Nahoana isika no mihevitra voalohany indrindra ireo havan-tiantsika, amin’ny tarehin-javatra ilana vonjy aina?

INONA avy no zavatra faniry mameno ny tranonao? Moa ve ianao manana fanaka kanto sy lafo vidy, ôrdinatera faran’izay ary fomba, fiara vaovao ao amin’ny garazinao? Na dia manana ireo zavatra rehetra ireo aza ianao, moa ve ianao tsy hanaiky fa ny zava-tsarobidy indrindra ao an-tokantranonao dia ny olona​—ireo anisan’ny mpianakavinao? Alao sary an-tsaina hoe taitra tamin’ny torimasonao ianao indray alina, noho ny fandrenesanao fofon-tsetroka. Mirehitra, hay, ny tranonao, ary tsy manana afa-tsy minitra vitsy monja ianao mba handosirana! Inona no ahinao voalohany indrindra? Ny fanakao ve? Ny ôrdinateranao? Ny fiaranao? Tsy hihevitra kosa ny amin’ireo havan-tianao ve ianao? Izany tokoa, satria sarobidy kokoa noho ny zavatra ny olona.

2. Inona avy no voafaoka ao amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah, ary inona amin’izany no niraiketan’ny fon’i Jesosy indrindra?

2 Eritrereto izao ny amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy Zanany. I Jehovah no “nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny”. (Asan’ny Apostoly 4:24). Ny Zanany, ilay “mpità-marika”, no fitaovana nampiasain’i Jehovah hanaovana ny zavatra hafa rehetra. (Ohabolana 8:30, 31; Jaona 1:3; Kolosiana 1:15-17). Azo antoka fa samy mihevitra ho sarobidy ny zavatra noforonina rehetra i Jehovah sy i Jesosy. (Ampitahao amin’ny Genesisy 1:31.) Ny inona amin’ny zavatra noforonina anefa no heverinao ho zava-dehibe indrindra amin’izy ireo​—zavatra sa olona? Izao no ambaran’i Jesosy, ilay fahendrena aseho ho toy ny olona: “Ny zavatra niraiketan’ny foko dia teo amin’ny zanak’olombelona”, na, araka ny fandikan-teny katolika, dia hoe “nahita fahafinaretana teo amin’ny zanak’olombelona” i Jesosy.

3. Faminaniana inona no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay?

3 Tsy isalasalana fa tena sarobidy amin’i Jehovah ny olona. Ny zavatra iray mampiseho izany dia hita ao amin’ireo teny ara-paminaniana nolazainy tamin’ny alalan’i Hagay mpaminaniny, tamin’ny taona 520 al.f.i. Izao no nambaran’i Jehovah: “[Hanozongozona ny firenena rehetra aho, ka tsy maintsy hiditra ireo zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, NW ] (...). Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha”.​—Hagay 2:7, 9.

4, 5. a) Nahoana no tsy ho azon’ny saina ekena ny hanatsoahana hevitra fa manondro famirapiratana hita maso ilay teny hoe “zavatra faniry”? b) Ahoana no hamaritanao ny atao hoe “zavatra faniry”, ary nahoana?

4 “Zavatra faniry” inona no hameno ny tranon’i Jehovah ka hanome voninahitra azy io mbola tsy nisy toy izany? Kojakojan-javatra mirenty sy ravaka tsy toko tsy forohana ve? Volamena sy volafotsy ary vatosoa ve? Toa tsy azon’ny saina ekena velively izany. Tadidio fa ilay tempoly taloha, izay notokanana tokony ho taonjato dimy talohan’izay, dia trano iray nitentina an-tapitrisa tapitrisany maro amin’ny vola malagasy! * Azo antoka fa tsy nanantena i Jehovah hoe hihoatra noho ny an’ny tempolin’i Solomona ny famirapiratana hita mason’ilay tempoly haorin’io antokon’olona somary vitsy io, dia ireo Jiosy tafaverina an-tanindrazana!

5 Koa inona àry ireo “zavatra faniry” hameno ny tranon’i Jehovah? Mazava fa tsy maintsy ho olona izy ireo. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy volafotsy sy volamena no mampifaly ny fon’i Jehovah, fa olona manompo azy noho ny fitiavana. (Ohabolana 27:11; 1 Korintiana 10:26). Eny, sarobidy amin’i Jehovah avokoa ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra manompo azy amin’ny fomba azony ekena. (Jaona 4:23, 24). “Zavatra faniry” izy ireny, ary sarobidy lavitra amin’i Jehovah noho ny ravaka rehetra nampihaingo ny tempolin’i Solomona.

6. Natao ho amin’ny zava-kendrena inona ilay tempolin’Andriamanitra fahiny?

6 Na dia nisy fanoherana tsy an-kijanona aza, dia vita ilay tempoly, tamin’ny 515 al.f.i. Mandra-pahatongan’ny fotoana nanaovana sorona an’i Jesosy, ny tempoly tao Jerosalema dia nitoetra ho foiben’ny fanompoam-pivavahana madio ho an’ny “zavatra faniry” maro, dia ireo Jiosy teratany, sy ireo proselyta jentilisa. Sary nampiseho zavatra lehibe lavitra anefa ny tempoly, araka ny ho hitantsika.

Fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany

7. a) Tandindon’ny inona ilay tempolin’Andriamanitra fahiny tao Jerosalema? b) Lazalazao ny zavatra nataon’ny mpisoronabe tamin’ny Andro Fanavotana.

7 Ilay tempoly tao Jerosalema dia tandindon’ny fandaharam-panompoam-pivavahana lehibe kokoa, dia ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra, izay naorin’i Jehovah tamin’ny 29 am.f.i., ary manana an’i Jesosy ho Mpisoronabe. (Hebreo 5:4-10; 9:11, 12). Diniho ny fifanitsiana misy eo amin’ireo andraikitry ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely sy ireo zavatra nataon’i Jesosy. Isan-taona, tamin’ny Andro Fanavotana, dia nanatona ny alitara tao an-kianjan’ny tempoly ny mpisoronabe, ka nanolotra vantotr’ombilahy mba hanavotana ireo mpisorona tamin’ny fahotany. Taorian’izay, dia niditra tao amin’ny tempoly niaraka tamin’ny ran’ilay vantotr’ombilahy izy, namaky teo amin’ireo varavarana nanasaraka ny kianja sy ny Masina, ary avy eo dia namaky teo amin’ilay efitra lamba nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra. Raha vao tafiditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe, dia namafy ilay ra teo anoloan’ny fiaran’ny fanekena. Avy eo, dia namerina izany rehetra izany indray izy, ka nanolotra osilahy iray mba hanavotana ireo foko 12 tsy mpisorona teo amin’ny Isiraely. (Levitikosy 16:5-15). Inona no ifandraisan’io fankalazana io amin’ilay tempoly ara-panahin’Andriamanitra?

8. a) Tamin’ny heviny ahoana no nanolorana an’i Jesosy, nanomboka tamin’ny 29 am.f.i.? b) Fifandraisana manokana inona no nananan’i Jesosy tamin’i Jehovah, nandritra ny fanompoany manontolo teto an-tany?

8 Raha ny marina, dia natolotra teo amin’ny alitaran’ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy, rehefa natao batisa sy nohosorana tamin’ny fanahy masin’Andriamanitra, tamin’ny 29 am.f.i. (Lioka 3:21, 22). Eny tokoa, io fisehoan-javatra io no nanamarika ny fanombohan’ny ampaham-piainan’i Jesosy naharitra telo taona sy tapany, izay nitarika ho amin’ny fanaovana sorona ny tenany. (Hebreo 10:5-10). Nandritra io fe-potoana io, dia nifandray tamin’Andriamanitra tamin’ny naha zanaka nateraky ny fanahy azy i Jesosy. Tsy nety ho takatry ny sain’ny olombelona hafa tamin’ny fomba feno, izany toerana tsy manan-tsahala nananan’i Jesosy teo anatrehan’ilay Rainy any an-danitra izany. Izany dia toy ny hoe nisy efitra lamba iray nanakona ny mason’ny fahaizan’izy ireo nanavaka, tsy nisy hafa tamin’ny efitra lamba iray izay nanakona ny Masina tsy ho hitan’ireo tao amin’ny kianjan’ny tabernakely.​—Eksodosy 40:28.

9. Nahoana i Jesosy no tsy afaka niditra tany an-danitra tamin’ny naha olombelona azy, ary ahoana no nahavoalamina an’io zava-nanahirana io?

9 Na dia Zanak’Andriamanitra voahosotry ny fanahy aza i Jesosy tamin’ny naha olombelona azy, dia tsy afaka nahazo fiainana tany an-danitra. Nahoana moa? Satria ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. (1 Korintiana 15:44, 50). Koa satria sakana ho an’i Jesosy ilay nofon’olombelona nananany, dia sary nampiseho tsara azy io ilay efitra lamba nanasaraka ny Masina tamin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’Andriamanitra fahiny. (Hebreo 10:20). Telo andro taorian’ny nahafatesany anefa, dia natsangan’Andriamanitra ho fanahy (esprit) i Jesosy. (1 Petera 3:18). Avy eo izy dia afaka niditra tao amin’ilay efitra Masina Indrindra amin’ilay tempoly ara-panahin’Andriamanitra, dia ny lanitra. Ary izany indrindra no nitranga, satria izao no nosoratan’i Paoly: “Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina [miharihary fa manondro ny Masina Indrindra] nataon-tànana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny ho antsika”.​—Hebreo 9:24.

10. Inona no nataon’i Jesosy rehefa tafaverina tany an-danitra izy?

10 Tany an-danitra i Jesosy dia ‘namafy ny ran’ny’ sorona nataony, tamin’ny nanolorany ho an’i Jehovah ny vidin’ny avotra nentin’ny rany. Mbola nanao mihoatra noho izany anefa i Jesosy. Nilaza toy izao tamin’ireo mpanara-dia azy izy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 14:2, 3). Rehefa afaka niditra tao amin’ny Masina Indrindra, na ny lanitra, àry, i Jesosy, dia nanokatra ny lalana harahin’ny maro hafa. (Hebreo 6:19, 20). Ireo olona ireo, izay hiisa 144 000 dia ho mpisorona lefitra ao amin’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra momba ny tempoly ara-panahy. (Apokalypsy 7:4; 14:1; 20:6). Nitondra ny ran’ilay vantotr’ombilahy nankao amin’ny Masina Indrindra aloha ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely mba hanavotana ireo mpisorona tamin’ny fahotany. Toy izany koa fa nampiharina voalohany indrindra tamin’ireo mpisorona lefitra 144 000, ny vidin’ny ra nalatsak’i Jesosy. *

“Zavatra faniry” amin’ny andro ankehitriny

11. Ho tombontsoan’iza no nanateran’ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely osilahy, ary tandindon’ny inona izany?

11 Toa vita tamin’ny taona 1935 ny fanangonana ny voahosotra rehetra. * Tsy nifarana anefa ny fanomezan’i Jehovah voninahitra ny tranony. Tsia, mbola hisy “zavatra faniry” hiditra ao. Tadidio fa nanatitra biby roa ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely: vantotr’ombilahy iray ho an’ny fahotan’ireo mpisorona, ary osilahy iray ho an’ny fahotan’ireo foko tsy mpisorona. Koa satria sary nampiseho ireo voahosotra izay hiaraka amin’i Jesosy any amin’ilay Fanjakana any an-danitra ireo mpisorona, dia sary nampiseho an’iza kosa ireo foko tsy mpisorona? Hita ao amin’ireto tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 10:16 ireto ny valin’izany: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.” Ny ra nalatsak’i Jesosy àry dia mitondra soa ho an’ny antokon’olona roa​—voalohany, dia ireo Kristianina manantena ny hiara-manapaka amin’i Jesosy any an-danitra, ary ny faharoa, dia ireo manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany zary paradisa. Miharihary fa io antokon’olona faharoa io no asehon’ireo “zavatra faniry” ao amin’ny faminanian’i Hagay.​—Mika 4:1, 2; 1 Jaona 2:1, 2.

12. Ahoana no itarihana “zavatra faniry” maro ho ao an-tranon’Andriamanitra amin’izao andro izao?

12 Mbola mameno ny tranon’i Jehovah hatrany ireny “zavatra faniry” ireny. Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nisy fameperana nesorina tany Eoropa Atsinanana, tany amin’ny faritra sasany atsy Afrika, ary tany an-tany hafa, hany ka niroborobo tany amin’ireo faritany izay mbola tsy voakasika mihitsy talohan’izay, ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. Rehefa miditra ao amin’ilay fandaharana nataon’Andriamanitra momba ny tempoly ireny olona faniry ireny, dia miezaka kosa indray manao mpianatra hafa, ho fankatoavana ny didin’i Jesosy. (Matio 28:19, 20). Rehefa manao izany izy ireo, dia tojo olona maro, antitra sy tanora, izay manana fahafahana ho tonga “zavatra faniry”, izay hanome voninahitra ny tranon’i Jehovah. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy monja ny amin’ny fomba itrangan’izany.

13. Ahoana no nanehoan’ny ankizivavy kely iray tany Bolivia ny zotom-pony hampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana?

13 Tany Bolivia, ny zazavavy kely iray dimy taona, izay notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelona, dia nangataka tamin’ny mpampianatra azy mba ho afaka ny tsy hianatra nandritra ny herinandro nitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nahoana? Naniry handray anjara tamin’ny fanompoana izy, nandritra io herinandro manokana manontolo nanaovan-javatra io. Nahagaga ny ray aman-dreniny izany, kanefa dia faly izy ireo fa nanana izany fihetsika tsara dia tsara izany ilay zazavavy kely. Mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano dimy izao ilay ankizivavy kely, ary manatrika fivoriana kristianina ny sasany amin’ireo mpianatra ireo. Nentiny tany amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy aza ilay mpampianatra azy. Angamba rehefa mandeha ny fotoana, dia hampiseho ny tenany ho “zavatra faniry” izay hanome voninahitra ny tranon’i Jehovah ny sasany amin’ireo olona ampianariny Baiboly ireo.

14. Tany Korea, ahoana no namalian-tsoa ny fikirizan’ny anabavy iray tamin’ny olona iray toa tsy liana?

14 Teo am-piandrasana tao amin’ny garan-damasinina iray, dia nanatona mpianatra iray teo am-pihainoana mozika tamin’ny écouteur, ny vehivavy kristianina iray any Korea. “Manana fivavahana ve ianao?”, hoy ny fanontanian’ilay anabavy. “Tsy liana amin’ny fivavahana na inona na inona aho”, hoy ny navalin’ilay mpianatra. Tsy kivy anefa ilay anabavy. “Rehefa mandeha ny fotoana”, hoy ihany ilay anabavy, “dia mety haniry hifidy fivavahana ny olona iray. Raha tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin’ny fivavahana anefa izy, dia mety hifidy ilay fivavahana diso.” Hendratra ilay mpianatra, ary nanomboka nihaino tamim-pahalianana an’ilay anabavintsika. Nanolotra azy ilay boky hoe Y a-t-il un Créateur qui se soucie de vous? ilay anabavy, ka nilaza taminy fa hanampy be dia be azy io boky io rehefa ho tonga ny fotoana hifidianany fivavahana. Noraisiny tsy nisy fisalasalana ilay boky. Ny herinandro nanaraka an’io, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary manatrika ny fivoriana rehetra izy izao.

15. Ahoana no nanombohan’ny ankizivavy kely iray tany Japon fampianarana Baiboly, ary ahoana no namalian-tsoa ny ezaka nataony?

15 Tany Japon, i Megumi, izay 12 taona, dia mihevitra ny sekoliny ho saha fitoriana sy fampianarana mamokatra. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly maro mihitsy aza izy. Inona no nataon’i Megumi? Koa satria mamaky Baiboly na manomana fivoriana izy mandritra ny fiatoana amin’ny antoandro, dia matetika no manontany azy izay ataony ny iray kilasy aminy. Ny sasany nanontany an’i Megumi hoe nahoana izy no tsy mandray anjara amin’ireo zavatra sasany atao ao am-pianarana. Namaly ny fanontanian’izy ireo i Megumi ary nilaza tamin’izy ireo fa manana anarana Andriamanitra. Matetika izany no nandranitra ny fahalianan’ireo nihaino azy. Notolorany fampianarana Baiboly izy ireny avy eo. Mitarika fampianarana 20 izao i Megumi, ka ny 18 amin’ireo dia amin’ny iray kilasy aminy.

16. Tamin’ny ahoana ny rahalahy iray tany Cameroun no afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny olona sasany anisan’ny antokon’olona iray nanesoeso?

16 Tany Cameroun, ny olona valo lahy niasa tao amin’ny toeram-piasana iray dia niantsoantso ny rahalahy iray nanolotra zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tamin’ny mpandalo. Ta hanesoeso an’ilay rahalahy izy ireo, ka nanontany azy hoe nahoana izy no tsy nino ny Andriamanitra telo izay iray, ny afobe, na ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nampiasa ny Baiboly ilay rahalahintsika, ka namaly ny fanontanian’izy ireo. Vokatr’izany, dia nanaiky fampianarana Baiboly ny telo tamin’izy ireo. I Daniel, iray tamin’izy ireo, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana, ary namotika mihitsy ny zavatra rehetra nananany nifandray tamin’ny spiritisma. (Apokalypsy 21:8). Tsy ampy herintaona akory dia natao batisa izy.

17. Tamin’ny ahoana ny rahalahy sasany tany Salvador no nampiasa fahaiza-mahita hevitra mba hitoriana tamin’ny lehilahy iray izay tsy ta handre ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny voalohany?

17 Tany Salvador, ny lehilahy iray dia namatotra ny alikany masiaka teo anoloan’ny varavarana, isaky ny nahita Vavolombelon’i Jehovah teny akaiky teny. Niandry mandra-pahalasan’ireo Vavolombelona ilay rangahy, ary avy eo dia namerina ilay alikany ho ao an-trano. Tsy afaka niresaka tamin’ilay rangahy mihitsy ireo rahalahy. Indray andro àry, dia nanapa-kevitra ny hanandrana fomba hafa iray izy ireo. Fantany fa afaka nandre izay nolazain’izy ireo ilay rangahy, ka nanapa-kevitra ny hitory tamin’ilay alika izy ireo. Nanatona ilay trano izy ireo, niarahaba an’ilay alika, ary nilaza fa faly izy ireo afaka niresaka taminy. Noresahin’izy ireo ny amin’ilay fotoana izay hisian’ny paradisa eto an-tany, ary tsy hisian’ny olona ho tezitra intsony, eny, na ny biby aza dia tsy hasiaka intsony amin’izay fotoana izay. Avy eo, dia nanao veloma an’ilay alika tamim-pahalalam-pomba izy ireo, ka nanomboka nidina an’ilay lalan-kely. Akory ny hagagan’izy ireo fa nivoaka avy tao an-tranony ilay rangahy, ka niala tsiny satria tsy nomeny fahafahana hiresaka taminy mihitsy ny Vavolombelona. Noraisiny ireo gazety, ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Rahalahintsika izao io lehilahy io, iray amin’ireo “zavatra faniry”!

“Aza matahotra hianareo”

18. Zava-tsarotra inona avy no atrehin’ny Kristianina maro, nefa ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo mpivavaka aminy?

18 Mandray anjara amin’ilay asa tena lehibe itoriana ilay Fanjakana sy anaovana mpianatra ve ianao? Raha izany no izy, dia tena manana tombontsoa ianao. Eny tokoa, amin’ny alalan’io asa io no itarihana ireo “zavatra faniry” ho ao an-tranon’i Jehovah. (Jaona 6:44). Marina fa mety ho reraka na ho kivy kely ianao indraindray. Indraindray dia miady amin’ny fahatsapana ho tsy misy vidiny ny sasany, eny fa na dia ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah aza. Mahereza anefa! I Jehovah dia mihevitra ho faniry ny tsirairay amin’ireo mpivavaka aminy, ka liana fatratra amin’ny famonjena anao.​—2 Petera 3:9.

19. Fampaherezana inona no nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Hagay, ary amin’ny ahoana ireo teny ireo no loharanon-kery ho antsika?

19 Rehefa mahatsiaro ho kivy isika, na noho ny fanoherana izany, na noho ny tarehin-javatra tsy mahafinaritra, dia afaka ny ho loharanon-kery ho antsika ny tenin’i Jehovah tamin’ireo Jiosy tafaverina an-tanindrazana. Izao no vakintsika ao amin’ny Hagay 2:4-6: “Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, hianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta hianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra hianareo. Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia [hanozongozona, NW ] ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina [aho]”. Mariho fa tsy vitan’ny hoe mampirisika antsika mba hatanjaka fotsiny i Jehovah fa manome antsika koa ny fomba hahazoana hery. Amin’ny fomba ahoana? Mariho izao teny fanomezan-toky izao: “Izaho no momba anareo”. Manatanjaka finoana tokoa ny fahatakarana fa na inona na inona vato misakana atrehintsika, dia momba antsika i Jehovah!​—Romana 8:31.

20. Amin’ny ahoana no feno voninahitra mbola tsy nisy toy izany ny tranon’i Jehovah, ankehitriny?

20 Azo antoka fa nanaporofo i Jehovah hoe momba ny vahoakany ny tenany. Eny tokoa, izany dia araka ny nambarany tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany toy izao indrindra: “Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, (...) ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana”. (Hagay 2:9). Marina tokoa fa tokony ho hita ao amin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah ny voninahitra lehibe indrindra amin’izao andro izao. Ana hetsiny maro no mirohotra ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio isan-taona. Tsara fahana eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, ary na dia eto amin’ity tontolo mikorontana ity aza, dia manana fiadanana izy ireo, ary tsy hisy fiadanana hihoatra an’izany raha tsy ilay any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.​—Isaia 9:5, 6; Lioka 12:42.

21. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

21 Efa antomotra izao ilay fanozongozonan’i Jehovah ireo firenena, ao Haramagedona. (Apokalypsy 16:14, 16). Aoka àry isika hampiasa ny fotoana sisa tavela mba hamonjena aina maro kokoa. Enga anie isika hatanjaka sy hatoky tanteraka an’i Jehovah. Aoka isika ho tapa-kevitra ny hanohy hanolotra fanompoam-pivavahana ao amin’ilay tempoliny ara-panahy lehibe, ka hameno azy io amin’ny “zavatra faniry” maro kokoa, mandra-pilazan’i Jehovah fa vita ny asantsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ny tokom-bidin’ny zavatra nomena hanamboarana ny tempolin’i Solomona dia efa ho 252 tapitrisa tapitrisa FMG, raha amin’ny sandany amin’izao fotoana izao. Narotsaka tao amin’ny rakitry ny tempoly izay zavatra rehetra tsy nampiasaina tamin’ilay asa fanorenana.​—1 Mpanjaka 7:51.

^ feh. 10 Tsy tahaka ny mpisoronabe teo amin’ny Isiraely i Jesosy, fa tsy nanana ota ilana fanavotana. Nanana ota kosa anefa ireo mpisorona mpiara-miasa aminy, satria novidina avy teo amin’ny olombelona mpanota.​—Apokalypsy 5:9, 10.

^ feh. 11 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1998, pejy faha-17-22.

Tadidinao Ve?

Inona no sarobidy kokoa noho ny zavatra ara-nofo, raha araka ny fiheveran’i Jehovah?

Antokon’olona roa iza avy no mandray soa amin’ny ra nalatsak’i Jesosy?

Iza ireo “zavatra faniry” izay hameno voninahitra ny tranon’i Jehovah?

Inona no porofo ananantsika fa tanteraka amin’izao andro izao ny faminanian’i Hagay?

[Fanontaniana]

[Kisary, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Fantatrao ve ny hevitra ara-panoharana fonosin’ilay tempolin’i Jehovah fahiny?

Masina Indrindra

Efitra lamba

Masina

Lalantsara

Alitara

Kianja

[Sary, pejy 17]

Ny mpisoronabe dia nanolotra vantotr’ombilahy iray noho ny fahotan’ny Levita, ary osilahy iray noho ny fahotan’ireo fokon’ny Isiraely tsy mpisorona

[Sary, pejy 18]

Misarika olona sesehena ho ao an-tranon’i Jehovah ny asa fitoriana ilay Fanjakana atao maneran-tany