Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika

Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika

Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika

ROMOTRA tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy i Saoly. Tsy nahafa-po azy ilay fanenjehana efa nampiharina tamin’izy ireo tao Jerosalema, anisan’izany ny nitoraham-bato an’i Stefana, fa mbola nitady hanitatra ilay famoretana koa izy izao. “Mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo ihany [i Saoly], dia nankao amin’ny mpisoronabe izy ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.”​—Asan’ny Apostoly 9:1, 2.

Teny am-panaovana dia an-tongotra nankany Damaskosy, dia tsy maintsy noeritreretin’i Saoly izay fomba faran’izay nandaitra azony nanatanterahana ilay baiko nomena azy. Nahazo ilay fahefana avy tamin’ny mpisoronabe izy, ka azo antoka tanteraka, araka izany, fa hiara-miasa aminy ireo mpitarika teo anivon’ireo Jiosy maro be tao amin’io tanàna io. Hangataka azy ireo mba hanampy azy i Saoly.

Tsy maintsy nitombo ny fientanam-pon’i Saoly rehefa nihananakaiky an’ilay toerana halehany izy. Nandreraka ilay dia avy tao Jerosalema nankany Damaskosy, izay nisy 220 kilaometatra teo ho eo, izany hoe dia an-tongotra fito na valo andro. Tampoka teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, dia nisy hazavana namirapiratra kokoa noho ny masoandro nanjelanjelatra nanodidina an’i Saoly, ka lavo tamin’ny tany izy. Nandre feo nilaza taminy toy izao, tamin’ny teny hebreo, izy: “Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.” “Iza moa Hianao, Tompoko?”, hoy ny fanontanian’i Saoly. “Izaho no Jesosy Izay enjehinao”, hoy ny valin-teny azony. “Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao, hamonjy anao amin’ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao”. “Tompoko, inona no hataoko?”, hoy ny fanontanian’i Saoly. “Mitsangàna, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.”​—Asan’ny Apostoly 9:3-6; 22:6-10; 26:13-17.

Nandre feo ireo niara-dia tamin’i Saoly, saingy tsy nahita an’ilay niteny na nahatakatra izay nolazainy. Noho ny famirapiratan’ilay hazavana, dia tsy afaka nahita i Saoly rehefa niarina, ka tsy maintsy notantanana. “Tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.”​—Asan’ny Apostoly 9:7-9; 22:11.

Telo andro nisaintsainana

Nampiantranoin’i Jodasy, izay nonina teo amoron’ilay lalana antsoina hoe Imahitsy, i Saoly. * (Asan’ny Apostoly 9:11). Mbola lalam-be tena fampiasa ao Damaskosy foana io lalana io, izay antsoina hoe Darb al-Mustaqim amin’ny teny arabo. Alao sary an-tsaina izay tonga tao an-tsain’i Saoly fony izy tao an-tranon’i Jodasy. Nahajamba sy nampivadi-po an’i Saoly iny zavatra niainany iny. Nisy fotoana nisaintsainana izay hevitra fonosin’izy iny izao.

Niatrika an’izay nailiny ho hevitra adaladala ilay mpanenjika. Mbola velona, hay, ilay Jesosy Kristy Tompo nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, izay sady nomelohin’ny manam-pahefana jiosy fara tampony no “natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona”. Manana toeram-pankasitrahana, eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, mihitsy aza izy, ary ao amin’ny “mazava tsy azo hatonina”! I Jesosy tokoa, hay, no Mesia, ary marina ny an’i Stefana sy ny hafa. (Isaia 53:3; Asan’ny Apostoly 7:56; 1 Timoty 6:16). Diso hevitra tanteraka i Saoly, satria nampahafantatra ny tenany ho anisan’ireo nenjehin’i Saoly i Jesosy! Ahoana no ahafahan’i Saoly mbola hikiry “hanipaka ny fanindronana”, eo anatrehan’izany porofo izany? Na dia ny omby mpitrifana aza dia mandeha any amin’izay tian’ny tompony halehany ihany amin’ny farany, rehefa voatsindrona. Handratra ny tenany àry i Saoly raha nanda tsy hanaraka ny fampirisihan’i Jesosy.

Tsy nety ho nanameloka an’i Jesosy, ilay Mesia, Andriamanitra. Na izany aza, i Jehovah dia namela azy handia fahafatesana faran’izay nanala baraka sy hiharan’izao fanamelohan’ny Lalàna izao: “Voaozon’Andriamanitra ny mihantona amin’ny hazo”. (Deoteronomia 21:23). Maty tamin’ny fotoana mbola nihantonany teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy. Voaozona izy, tsy noho ny fahotan’ny tenany akory, satria tsy nanana ota izy, fa noho ny fahotan’olombelona kosa. Nanazava toy izao i Saoly, tatỳ aoriana: “Izay rehetra amin’ny asan’ny lalàna dia eo ambanin’ny fanozonana; fa voasoratra hoe: ‘Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna’. Ary hita marimarina fa amin’ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra (...). Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: ‘Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo’ ”.​—Galatiana 3:10-13.

Nitondra fanavotana ny soron’i Jesosy. Rehefa nanaiky an’iny sorona iny i Jehovah, dia toy ny hoe nofantsihiny teo amin’ny hazo fijaliana ny Lalàna sy ny ozon’ny Lalàna. Rehefa takatr’i Saoly izany, dia azony noheverina ho “fahendren’Andriamanitra” ny hazo fijaliana, izay “fahatafintohinana amin’ny Jiosy”. (1 Korintiana 1:18-25; Kolosiana 2:14). Koa raha tsy nety ho azo tamin’ny alalan’ny asan’ny lalàna àry ny famonjena, fa tamin’ny alalan’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory, izay nampihariny tamin’ny mpanota toa an’i Saoly, dia afaka nisokatra ho an’ireo tany ivelan’ny lalàna koa ny famonjena. Ary tany amin’ny Jentilisa no nanirahan’i Jesosy an’i Saoly. — Efesiana 3:3-7.

Tsy fantatsika hoe hatraiza marina ny zavatra takatr’i Saoly ny amin’izany, tamin’ny fotoana niovany finoana. Tsy maintsy niresaka indray tamin’i Saoly, mahakasika ilay asa nanirahana azy teo amin’ireo firenena, i Jesosy, ary angamba maherin’ny indray mandeha no nanaovany izany. Ambonin’izany, dia efa taona maromaro tatỳ aoriana vao nandrakitra an-tsoratra izany rehetra izany, teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, i Saoly. (Asan’ny Apostoly 22:17-21; Galatiana 1:15-18; 2:1, 2). Andro vitsivitsy monja tatỳ aoriana kosa anefa, dia efa nahazo toromarika fanampiny avy tamin’ilay Tompony vaovao i Saoly.

Fitsidihan’i Ananiasy

Rehefa avy niseho tamin’i Saoly i Jesosy, dia niseho koa tamin’i Ananiasy, ka nilaza taminy hoe: “Mandehana any amin’ny làlana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon’i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tànana taminy, mba hahiratra indray ny masony.”​—Asan’ny Apostoly 9:11, 12.

Koa satria fantatr’i Ananiasy ny momba an’i Saoly, dia tsy mahagaga raha nanaitra azy ny tenin’i Jesosy. Hoy tokoa mantsy izy: “Tompoko, efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. Ary manana fahefana atỳ koa avy tamin’ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.” Hoy anefa i Jesosy tamin’i Ananiasy: “Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Isiraely”.​—Asan’ny Apostoly 9:13-15.

Nahazo toky i Ananiasy ka nandeha tany amin’ilay adiresy nomen’i Jesosy azy. Rehefa nahita sy niarahaba an’i Saoly i Ananiasy, dia nametra-tanana taminy. “Ary niaraka tamin’izay”, hoy ilay fitantarana, “dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny mason[’i Saoly], dia nahiratra izy”. Vonona ny hihaino i Saoly izao. Nanamafy an’izay azo inoana fa nahazoan’i Saoly ny hevitry ny tenin’i Jesosy ny tenin’i Ananiasy, manao hoe: “Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; fa ho vavolombelony amin’ny olona rehetra hianao ny amin’izay efa hitanao sy renao. Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao.” Inona no vokany? “Nitsangana [i Saoly], dia natao batisa; ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka.”​—Asan’ny Apostoly 9:17-19; 22:12-16.

Niditra an-tsehatra tampoka tao amin’ilay fitantarana i Ananiasy nahatoky, ary rehefa vitany ilay asa nanirahana azy, dia tampoka toy izany koa no nanjavonany tao amin’ilay fitantarana, ka tsy fantatsika intsony ny momba azy. Nahatalanjona an’izay nandre azy anefa i Saoly! Ilay mpanenjika taloha, izay nihazo an’i Damaskosy mba hisambotra ireo mpianatr’i Jesosy, dia nanomboka nitory tao amin’ireo synagoga ka nanaporofo fa i Jesosy no Kristy.​—Asan’ny Apostoly 9:20-22.

“Apostolin’ny jentilisa”

Ny nihaonan’i Saoly tamin’i Jesosy teny an-dalana ho any Damaskosy, dia nahatonga an’io mpanenjika io hampitsahatra ny fanenjehany. Takatr’i Saoly hoe iza no Mesia, hany ka azony nampiharina tamin’i Jesosy ny hevitra sy ny faminaniana maro ao amin’ny Soratra Hebreo. Nampiova tanteraka ny fiainan’i Saoly ny nahatakarany fa niseho taminy i Jesosy ka ‘nihazona azy’ sy naniraka azy ho “Apostolin’ny jentilisa”. (Filipiana 3:12; Romana 11:13). Izao izy efa apostoly Paoly izao, dia nanana tombontsoa sy fahefana, izay tsy vitan’ny hoe namaritra izay ho fizotran’ny androm-piainany sisa teto an-tany, fa namaritra koa izay ho fizotran’ny tantaran’ny Kristianina.

Taona maro tatỳ aoriana, rehefa niadian-kevitra ny naha apostoly an’i Paoly, dia niaro ny fahefany izy, tamin’ny firesahana ilay zavatra niainany teny an-dalana ho any Damaskosy. “Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an’i Jesosy Tompontsika va aho?”, hoy ny fanontaniany. Hoy i Saoly (Paoly), rehefa avy nilaza fa niseho tamin’ny hafa koa i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty: “Faran’izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.” (1 Korintiana 9:1; 15:8). Hitan’i Saoly tamin’ny fahitana, ny voninahitr’i Jesosy any an-danitra, ka toy ny hoe nomem-boninahitra ho teraka na natsangana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana any an-danitra talohan’ny fotoana izy.

Nanaiky ilay tombontsoany i Saoly ka nilofo niaina nifanaraka tamin’izany. “Izaho dia ambany indrindra amin’ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra aho”, hoy ny nosoratany. “Fa (...) tsy foana ny fahasoavan[’Andriamanitra] ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho [ny apostoly hafa] rehetra aho”.​—1 Korintiana 15:9, 10.

Toa an’i Saoly, dia angamba tadidinao koa ny fotoana nahatakaranao fa nila nanova ireo hevitra ara-pivavahana ninoanao hatramin’ny ela ianao, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa tena velom-pankasitrahana ianao noho ny nanampian’i Jehovah anao hahatakatra ny fahamarinana. Rehefa nahita ilay hazavana i Saoly, ary nahatakatra izay notakina taminy, dia tsy nisalasala nanao izany izy. Ary tsy nitsahatra nanao izany tamin-jotom-po sy tamim-pahatapahan-kevitra izy, nandritra ny androm-piainany sisa rehetra teto an-tany. Izany ka ohatra faran’izay tsara ho an’izay rehetra maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah amin’izao andro izao!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Mihevitra ny manam-pahaizana iray fa nety ho mpitarika teo anivon’ireo Jiosy maro be teo an-toerana, na tompon’ny tranom-bahiny iray ho an’ny Jiosy, i Jodasy.

[Sary, pejy 27]

Ilay lalana antsoina hoe Imahitsy, any Damaskosy ankehitriny

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by ROLOC Color Slides