Nohazavaina ny Bokin’i Daniela!
Nohazavaina ny Bokin’i Daniela!
MAY ny hahazo ny bokiny 320 pejy vao navoaka hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, ireo mpamonjy fivoriambe. Inona no tsapan’izy ireo momba ilay boky? Diniho izay nolazain’ny sasany.
“Tahaka ny ankamaroan’ny zatovo, dia sarotra amiko ny mankafy ny fianarana tantara fahiny. Koa rehefa nahazo ilay boky vaovao hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela! aho, dia tsy tena nanintona ahy loatra ny hamaky azy io, nefa nandramako ihany ilay izy. Hay, tena diso be ny fomba fijeriko! Io no iray amin’ireo boky tsara indrindra novakiko hatramin’izay. Tena mitana ny fahalianana izy io! Tsy tsapako intsony hoe fitantarana zavatra nitranga an’arivony taona maro lasa izay no vakiko. Sambany aho vao mba nahatsapa ho afaka nipetraka teo amin’ny toeran’i Daniela. Tena afaka mahita an’eritreritra aho hoe hanao ahoana izany hoe hesorina avy ao amin’ny fianakavianao, sy halefa any an-tany hafa, ary tsapaina finoana miverimberina. Misaotra betsaka anareo noho io boky io.”—Anya.
“Ny manampy ahy indrindra dia ilay hafatra mazava tsara hoe mifehy tanteraka ireo raharaha manan-kery eo amin’ny vahoakany, i Jehovah. Amin’ny alalan’ny fahitan’i Daniela sy ny nofiny, ary ny an’ireo hafa, izay nolazainy ny heviny, dia mazava fa ilay Andriamanitsika dia tsy hamela mihitsy ireo fisehoan-javatra hanjary hihoatra na ho latsaka noho izay nokasainy. Izany dia manatanjaka ny fanantenantsika an’ilay sary ara-paminaniana hita ao amin’ny Baiboly, momba ny tontolo vaovao haoriny.”—Chester.
“Tiako ny fomba nanaovanareo izay hahatonga an’i Daniela ho toy ny velona indray. Toy ny hoe mahafantatra tsara kokoa azy aho, noho ny fomba nanasongadinanareo ny fanahiany sy ny tebitebiny. Takatro tsara kokoa ny antony nahitan’i Jehovah azy ho faniry aoka izany. Nandritra ny fisedrana sy ny fanenjehana rehetra nahazo azy, dia tsy nanahy ny amin’ny tenany izy. Ny zavatra nahiny voalohany indrindra dia ny momba an’i Jehovah sy ny anarany kanto. Misaotra anareo, nanasongadina ireny hevitra ireny.”—Joy.
“Io no efa nandrasanay! Mbola tsy naseho tahaka izany mihitsy taloha hoe be dia be amin’ny bokin’i Daniela no tena mihatra amintsika tsirairay. Rehefa avy namaky ny ankabeazan’ilay boky vaovao aho, ny takariva taorian’ny nahazoako azy, dia voatery niato kely ka nisaotra an’i Jehovah tamin’ny vavaka.”—Mark.
“Ny tsy nampoizinay dia ny vokatr’izy io teo amin’ny zanakay. Dimy sy telo taona izy ireo. (...) Na dia anisan’ny fitantarana tiany indrindra foana tao amin’ny boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, aza ny tantaran’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria, dia nisy vokany tsy nampoizinay ny fampisehoana azy ao amin’ny Faminanian’i Daniela. Na dia hatramin’ny fahakeliny aza izy ireo dia toa afaka mampitovy ny tenany amin’ireo tovolahy marina ireo. Tena modely mahatalanjona ho an’ny zanakay mihitsy izy ireo! Tena fitaovana tsara dia tsara mihitsy no nomenareo anay! Misaotra be dia be anareo!”—Bethel.
“Toy ny hoe niaraka tamin’ireo zazalahy hebreo aho, rehefa niaritra fitsapana ny finoany izy ireo; ary nampirisika ahy handinika ny finoako izany. Ilay faritra natao ho famerenana mitondra ny lohateny hoe “Inona no Azonao?”, dia mandentika ny zavatra raketin’ilay toko ao am-po. Misaotra betsaka anareo indray noho io sangan’asa iray hafa io.”—Lydia.