Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahombiazana Amin’ny Alalan’ny Fikirizana

Fahombiazana Amin’ny Alalan’ny Fikirizana

Fahombiazana Amin’ny Alalan’ny Fikirizana

NANJARY toetra tsy fahita firy ny fikirizana, amin’izao andro ankehitriny izao. Olona maro no mino fa ny fahombiazana dia mifandray kokoa amin’ny fahatongavany eo amin’ny toerana mety amin’ny fotoana mety, noho ny amin’ny fikirizana. Iza no afaka manome tsiny azy ireo? Ny fampitam-baovao dia heniky ny teny fanevan’ny dokam-barotra, izay mahatonga hihevitra avy hatrany fa saika ny zava-drehetra irinao dia azo amin’ny fanaovana ezaka faran’izay kely sy amin’ny fampiasana vola kely fotsiny. Ireo gazety dia mamoaka tsy tapaka tantaran’olona nanjary nahomby tampoka sy ny an’ny tanora mpianto-draharaha kely mahay, izay lasa mpanefohefo, raha vao mahavita ny fianarany.

Mitaraina toy izao ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Leonard Pitts: “Eo amin’ny fiaraha-monina iray mifantoka be loatra amin’ny fahatakaran-javatra haingana, dia toa mora loatra izany (...). Toy ny zavatra iray izay azon’iza na iza atao izany, raha mahatakatra fotsiny ny fomba fanaovana azy, sy manana fahaizana, na mahazo fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra izy.”

Inona no atao hoe fikirizana?

Ny dikan’ny hoe mikiry dia hoe ‘mifikitra mafy sy tsy an-kijanona amin’ny zavatra kasaina, ny toerana, na ny fanaovan-javatra iray, na dia eo aza ny vato misakana na ny fahalavoana indray’. Izy io dia midika hoe manohy amim-pahatapahan-kevitra manoloana ny fahoriana, ka mikikitra mafy fa tsy milavo lefona. Manasongadina ny maha zava-dehibe an’io toetra io ny Baiboly. Ohatra, mananatra antsika toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aza mitsahatra àry mikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakana”, “aza mitsahatra mandondona, dia hovohana hianareo, “mahareta amin’ny fivavahana”, ary “hazòny mafy izay tsara”.​—Matio 6:33, NW; Lioka 11:9, NW; Romana 12:12; 1 Tesaloniana 5:21.

Tapany lehibe iray amin’ny fikirizana ny fiatrehana ireo fahalavoana indray tsy azo ialana. Milaza toy izao ny Ohabolana 24:16: “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany”. (Izahay no manao sora-mandry.) Tsy ‘mitsoaka an-daharana’ ny olona maneho fikirizana, rehefa tojo zava-tsarotra na tsy fahombiazana, fa ‘miarina’ sy ‘tsy mitsahatra’ ary manandrana indray kosa.

Maro anefa no tsy mivonona amin’ireo zava-tsarotra sy tsy fahombiazana izay mety ho tojo azy. Noho izy ireo tsy namboly mihitsy ny faniriana haneho fikirizana, dia milavo lefona mora foana izy. “Olona maro loatra no manana fihetsika manimba tena, rehefa mahita tsy fahombiazana”, hoy ny nomarihin’i Morley Callaghan, mpanoratra. “Mitsetra tena izy ireo, manome tsiny ny rehetra, manjary tezitra mafy ary (...) mitsoaka an-daharana.”

Tsy tsara izany. “Hadinontsika”, hoy ny fanazavan’i Pitts, “fa misy antony matoa isika mandia fahoriana mafy, ary misy maha tsara azy ny fijaliana.” Inona izany zavatra tsara izany? Namarana ny teniny toy izao izy: “[Ny olona iray] dia manjary mahafantatra fa tsy mahafaty ny tsy fahombiazana, ary tsy maharitra mandrakizay ny faharesena. Manjary manana fahamatorana izy. Manjary vonona izy.” Milaza izany amin’izao fomba tsotra izao ny Baiboly: “Manjary misy tombony ny karazan’asa mafy rehetra”.​—Ohabolana 14:23, NW.

Mazava ho azy fa tsy mora foana ny miarina mba hamerina indray, aorian’ny nahalavoana indray. Indraindray isika dia miatrika zava-tsarotra, izay mety ho toa hihaika ny ezaka rehetra ataontsika mba handresena azy ireny. Mety ho toa hihamanalavitra ny tanjontsika, fa tsy hihamanatona. Mety hahatsiaro ho resy sy tsy hahay isika, ary mety hanjary ho kivy, eny, ho ketraka mihitsy aza. (Ohabolana 24:10). Kanefa ny Baiboly dia mampirisika antsika toy izao: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.”​Galatiana 6:9, izahay no manao sora-mandry.

Inona no afaka manampy antsika haneho fikirizana?

Ny dingana voalohany mba hanehoana fikirizana eo amin’ny lalana iray nofidina, dia ny famerana tanjona mendrika sy azo tratrarina. Tena nahatakatra izany ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ireo Korintianina: “Izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra”. Fantatr’i Paoly fa raha naniry ny hahombiazan’ny ezaka nataony izy, dia nila nanana tanjona nazava tsara, tahaka ny mpihazakazaka iray izay mampifantoka ny sainy amin’ny tsipika fahatongavana amin’ny hazakazaka iray. “Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo”, hoy ny nampirisihany azy ireo. (1 Korintiana 9:24, 26). Ahoana no ahafahantsika manao izany?

“Ny mahira-tsaina mandinika ny diany”, hoy ny Ohabolana 14:15. Fahendrena ny hanombanana indray tsindraindray ny fomba fanaovantsika zavatra eo amin’ny fiainana, ka hanontaniana tena ny amin’izay izorantsika sy hoe misy fanitsiana ilaina hatao sa tsia. Tena zava-dehibe ny manao mazava tsara ao an-tsaina izay irintsika hotanterahina sy ny antony. Tsy hirona firy ny hilavo lefona isika, raha mandrakitra mafy ao an-tsaintsika ny fahitana ny tanjontsika farany. “Aoka ny masonao hijery mahitsy”, hoy ny ampirisihan’ilay ohabolana ara-tsindrimandry, mba “ho voalamina ny alehanao rehetra”.​—Ohabolana 4:25, 26.

Rehefa avy mamantatra ireo tanjonao ianao, dia ny mamakafaka ny fomba hanatratrarana azy ireo no dingana manaraka. Nanontany toy izao i Jesosy: “Iza moa aminareo, raha ta hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany?” (Lioka 14:28). Mifanaraka amin’io foto-pitsipika io, dia nanamarika toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny fahasalaman’ny saina: “Ny iray amin’ireo zavatra voamariko momba ny olona mahomby, dia ny hoe mazava tsara ao an-tsainy ny fifandraisana eo amin’ny antony sy ny vokany eo amin’ny fiainany. Ny olona mahomby dia mahatakatra fa raha maniry zavatra iray izy, dia tsy maintsy manao izay zavatra ilaina rehetra mba hahazoana azy io.” Ny fananana mazava tsara ao an-tsaina ireo dingana ilaina rehetra, izay tokony hataontsika mba hanatratrarana izay irintsika, dia hanampy antsika hanohy hifantoka. Hanamora kokoa ny fiarenana mba hamerina indray izany, raha iharan’ny fahalavoana indray isika. Ny famakafakana toy izany no ilay fanalahidin’ny fahombiazan’i Orville sy i Wilbur Wright.

Noho izany, rehefa mitranga ny fahalavoana indray, dia manaova araka izay fara herinao mba hiheverana azy ireny amin’ny fomba tsara sy ho fakana fianarana. Fakafakao ilay toe-javatra, ka fantaro izay tsy nety, ary avy eo dia ahitsio ilay fahadisoana na ilay fahalemena. Manampy ny firesahana amin’ny hafa, satria “ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana”. (Ohabolana 20:18). Mazava ho azy fa noho ny ezaka tsirairay ataonao, dia hamboly fahakingana sy fahaizana kokoa ianao, ary hiantoka ny fahombiazanao izany amin’ny farany.

Ny lafiny tena ilaina fahatelo amin’ny fikirizana, dia ny fanaovan-javatra tsy miovaova. Mampirisika antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.” (Filipiana 3:16). “Ny fahalalana ny antonony sy ny tsy fiovaovana mandritra ny fotoana iray, dia miteraka vokatra miavaka”, araka ny ilazan’ny mpanabe iray azy. Izany dia aseho mazava tsara ao amin’ilay anganon’i Esope be mpahalala, momba ny sokatra sy ny bitro. Ilay sokatra no nandresy tamin’ilay hazakazaka, na dia niadam-pandeha kokoa noho ilay bitro aza izy. Nahoana? Satria ilay sokatra dia nanana fomba fanaovan-javatra nitohy sy nilamina tsara. Tsy nitsoaka an-daharana izy, fa nifidy kosa ny hafainganam-pandeha izay nahafahany naharaka, araka ny toerana nisy azy, ary avy eo dia nifikitra tamin’izy io mandra-pahatratrarany ny tsipika fahatongavana. Koa satria manao fandrosoana tsy miovaova ny olona milamina sy miezaka maneho fikirizana, dia manana risi-po hatrany izy, ka araka izany dia azo inoana fa tsy hitsoaka an-daharana na hiala amin’ilay hazakazaka. Eny, “mihazakazaha toy izany”, mba hahatratraranao ny tanjonao.

Fifidianana tanjona mendrika

Mazava ho azy fa mba hampisy vidiny ny fikirizana, dia ilaintsika ny manana tanjona mendrika. Olona maro no mikatsaka zavatra izay tsy mitondra fahasambarana. Milaza toy izao anefa ny Baiboly: “Izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka maharitra amin’izany, (...) dia ho sambatra amin’ny asany”. (Jakoba 1:25). Eny, ny fianarana mba hahatakarana ny lalàn’Andriamanitra voasoritra ao amin’ny Baiboly, dia tena tanjona mendrika iray. Nahoana? Amin’ny ankapobeny, dia satria miorina amin’ny fari-pitsipiny marina sy tanteraka ny lalàn’Andriamanitra. Amin’ny maha Mpamorona azy, dia fantany izay tsara indrindra ho an’ny zavaboariny. Koa raha maneho fikirizana amin’ny fianarana ny toromarik’Andriamanitra sy mampihatra azy ireo eo amin’ny fiainantsika isika, dia azo antoka fa hitondra fahasambarana ho antsika, ny fikirizana toy izany. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, (...) maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao”, hoy ny ampanantenain’ny Ohabolana 3:5, 6.

Fanampin’izany, ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesosy dia “midika ho fiainana mandrakizay”, hoy i Jesosy. (Jaona 17:3, NW ). Ny faminaniana ara-baiboly dia milaza fa miaina amin’ny “andro farany” amin’ity fandehan-javatra ity isika. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:3-13). Tsy ho ela, ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanapahany marina dia hampihatra ny fanapahany eo amin’ny mponina amin’ny tany. (Daniela 2:44; Matio 6:10). Io fitondram-panjakana io dia hitondra fotoam-piadanana sy fanambinana ary fahasoavana mbola tsy nisy toy izany, ho an’ny olombelona mankato rehetra. (Salamo 37:10, 11; Apokalypsy 21:4). “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34. Eny, asaina mba hankafy ireo soa ny rehetra!

Ny Baiboly dia boky tranainy feno fahendrena sy misy heviny. Mitaky fotoana sy ezaka ny fahatakarana azy io. Noho ny fanampian’Andriamanitra anefa​—ary raha maharitra mitady ny fahalalana ao aminy isika​—dia ho azontsika ny heviny. (Ohabolana 2:4, 5; Jakoba 1:5). Marina aloha fa mety ho sarotra ny mampihatra izay ianarantsika. Mety hila hanao fanitsiana eo amin’ny fomba fisainantsika na ny fahazarantsika isika. Ny namana na ny mpianakavy tsara fikasa dia mety hanohitra mihitsy ny fianarantsika ny Baiboly. Koa tena ilaina àry ny fikirizana. Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly fa Andriamanitra dia hanome fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mampiseho ‘fiaretana amin’ny asa izay tsara’. (Romana 2:7, NW ). Ho faly hanampy anao hahatratra izany tanjona izany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Matokia fa hahita fahombiazana ianao, raha maneho fikirizana amin’ny fianarana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ary maharitra amin’ny fampiharana izay ianaranao.​—Salamo 1:1-3.

[Sary, pejy 6]

Hahita fahombiazana ianao, raha maharitra amin’ny fianarana momba an’Andriamanitra sy ny sitrapony

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Culver Pictures