Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faly ao Amin’ilay Andriamanitry ny Famonjena Antsika

Faly ao Amin’ilay Andriamanitry ny Famonjena Antsika

Faly ao Amin’ilay Andriamanitry ny Famonjena Antsika

“Izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.”​—HABAKOKA 3:18.

1. Nahazo fahitana momba ny inona i Daniela, talohan’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i.?

FOLO taona mahery talohan’ny nianjeran’i Babylona tamin’ny 539 al.f.i., dia nahita fahitana nampientam-po i Daniela, mpaminany efa be taona. Nambaran’io fahitana io mialoha ireo fisehoan-javatra maneran-tany izay hitarika ho amin’ilay ady fara tampony hifanaovan’ny fahavalon’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendriny. Nanao ahoana ny fihetsik’i Daniela? Hoy izy: “Torana ka (...) gaga aho ny amin’ny fahitana”.​—Daniela 8:27.

2. Fifandonana inona no hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana, ary manao ahoana ny fihetseham-ponao momba ny fahantomoran’izy io?

2 Ary isika? Efa tena lasa lavitra kokoa eo amin’ny fandehan’ny fotoana isika izao! Manao ahoana ny fihetsitsika, rehefa takatsika fa efa tena akaiky ilay fifandonana hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana, dia i Haramagedona, ilay adin’Andriamanitra? Manao ahoana ny fihetsitsika, rehefa hitantsika fa miely patrana aoka izany ny faharatsiana ahariharin’ny faminanian’i Habakoka, ka tsy azo ihodivirana ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra? Azo inoana fa ny fihetseham-pontsika dia mitovy amin’ny an’i Habakoka, araka ny nilazalazana azy ao amin’ny toko fahatelo amin’ny bokiny ara-paminaniana.

Nivavaka mba hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra i Habakoka

3. Nivavaka ho an’iza i Habakoka, ary inona no mety ho akon’ny teniny eo amintsika?

3 Vavaka ny Habakoka toko faha-3. Araka ny andininy voalohany (NW ), dia lazaina ho hira fisaonana, na hira fahalahelovana na fitarainana, izy io. Toy ny hoe ho an’ny tenany no nanaovan’ilay mpaminany io vavaka io. Raha ny tena izy anefa, dia niteny ho an’ilay firenena voafidin’Andriamanitra i Habakoka. Amin’izao andro izao, dia misy heviny lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, izay manao ny asa fitoriana ilay Fanjakana, io vavaka nataony io. Raha mitadidy izany isika rehefa mamaky ny Habakoka toko faha-3, dia hahatonga antsika ho velon-tebiteby ny teniny, nefa koa hampifaly antsika. Ilay vavaka na hira fisaonana nataon’i Habakoka dia manome antsika antony mafonja hifaliana amin’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny famonjena antsika.

4. Nahoana no nanjary raiki-tahotra i Habakoka, ary azontsika antoka fa hampiasa hery manao ahoana Andriamanitra?

4 Araka ny nomarihintsika tao amin’ireo lahatsoratra roa teo aloha, dia tena ratsy ny toe-piainana tao amin’ny tanin’i Joda tamin’ny andron’i Habakoka. Tsy havelan’Andriamanitra hitohy anefa izany toe-javatra izany. Hanao zavatra i Jehovah, toy izay efa nataony tamin’ny lasa. Tsy mahagaga raha nihiaka toy izao ilay mpaminany: “Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka [nanjary raiki-tahotra aho, Jehovah ô, noho ny asanao, NW]”! Inona no tiany holazaina? ‘Ilay filazana momba an’i Jehovah’ dia ny tantara voarakitra an-tsoratra momba ireo asa fampisehoan-kery nataon’Andriamanitra, toy ilay tany amin’ny Ranomasina Mena, sy ilay tany an’efitra ary ilay tany Jeriko. Fantatr’i Habakoka tsara ireo asa ireo, ary raiki-tahotra izy, satria fantany fa hampiasa indray ny heriny lehibe mba hamelezana ny fahavalony i Jehovah. Rehefa mahita ny faharatsian’ny olombelona ankehitriny isika, dia fantatsika koa fa hanao zavatra i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny andro fahiny. Mahatonga antsika hatahotra ve izany? Mazava ho azy! Na izany aza, dia mivavaka toy ny nataon’i Habakoka toy izao isika: “Velomy ny asanao ao an-tenatenan’ny taona, ataovy fantatra ao an-tenatenan’ny taona izany; na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.” (Habakoka 3:2). Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, “ao an-tenatenan’ny taona”, dia enga anie izy hampiasa indray ny heriny mahagaga. Ary enga anie izy, amin’izay fotoana izay, hahatsiaro ny haneho famindram-po amin’ireo tia azy!

Eo am-pandehanana i Jehovah!

5. Amin’ny ahoana no hoe “tamy avy any Temana Andriamanitra”, ary milaza inona momba an’i Haramagedona izany?

5 Inona no hitranga rehefa ren’i Jehovah ny fangatahantsika famindram-po ao amin’ny vavaka? Hitantsika ny valin’izany, ao amin’ny Habakoka 3:3, 4. Voalohany aloha, dia hoy ilay mpaminany: “Tamy avy any Temana Andriamanitra, dia ny Iray Masina avy any an-tendrombohitra Parana.” Tamin’ny andron’i Mosesy mpaminany, dia teo amin’ilay lalan’ny Isiraely namakivaky ny efitra ho any Kanana no nisy an’i Temana sy i Parana. Fony teny an-dalana ny Isiraely, izay firenena lehibe, dia toa i Jehovah mihitsy no nandeha, ary tsy nisy na inona na inona afaka nisakana azy. Taloha kelin’ny nahafatesan’i Mosesy, dia nilaza toy izao izy: “Jehovah avy tao Sinay, ary niseho taminy avy tany Seïra; niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; ary avy tao amin’ny [anjely] masiny tsy omby alinalina”. (Deoteronomia 33:2). Rehefa handeha hamely ny fahavalony ao amin’i Haramagedona i Jehovah, dia hisy fampisehoana ny heriny tsy hay tohaina toy izany koa.

6. Ankoatra ny voninahitr’Andriamanitra, inona no hitan’ny Kristianina mahay manavaka?

6 Nanambara toy izao koa i Habakoka: ‘Manarona ny lanitra ny voninahitr’i Jehovah, ary manenika ny tany ny fiderana Azy. Misy famirapiratana toy ny mazava.’ Fahitan-javatra mahatalanjona re izany! Marina aloha fa tsy afaka mahita an’i Jehovah Andriamanitra ny olona ka ho velona. (Eksodosy 33:20). Raha ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky anefa, dia jambena ny mason’ny fon’izy ireo rehefa mibanjina ny famirapiratan’i Jehovah. (Efesiana 1:18). Ary mahita zavatra hafa ankoatra ny voninahitr’i Jehovah, ny Kristianina mahay manavaka. Izao no teny mamarana ny Habakoka 3:4: “Misy tàna-masoandro avy eo amin’ny tànany; ary ao no fieren’ny heriny.” Eny, hitantsika fa vonona ny hanao zavatra i Jehovah, ka hampiasa ny tanany havanana, dia ny tanjany sy ny heriny.

7. Midika ho inona ho an’ireo mikomy aminy ny fandehanan’Andriamanitra amim-pandresena?

7 Ny fandehanan’Andriamanitra amim-pandresena dia midika ho loza ho an’ireo mikomy aminy. Hoy ny Habakoka 3:5: “Eo alohany no andehanan’ny areti-mandringana, ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.” Fony teo akaikin’ny sisin’ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita tamin’ny 1473 al.f.i., dia maro tamin’izy ireo no nikomy, ka nanao fitondran-tena maloto sy nanompo sampy. Vokatr’izany, dia mahery lavitra ny 20 000 no matin’ny areti-mandringana nalefan’Andriamanitra. (Nomery 25:1-9). Amin’ny hoavy tsy ho ela, rehefa handeha ho amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” i Jehovah, dia hijaly noho ny fahotany toy izany koa ireo hikomy aminy. Mety hisy ho fatin’ny areti-mandringana ara-bakiteny mihitsy aza.​—Apokalypsy 16:14, 16.

8. Inona no miandry an’ireo fahavalon’Andriamanitra, araka ny Habakoka 3:6?

8 Henoy izao ny filazalazana azo alaina sary an-tsaina nataon’ilay mpaminany, momba ireo tafik’i Jehovah eo am-panaovan-javatra. Izao no vakintsika ao amin’ny Habakoka 3:6: “Mijanona Izy [Jehovah Andriamanitra] ka manozongozona ny tany; mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, mietry ny havoana fahagola; fanaony hatry ny fahagola ny Azy.” “Mijanona”, toy ny jeneraly iray misafo ny saha fiadiana, aloha i Jehovah. Mangovitra noho ny tahotra ny fahavalony. Hitan’izy ireo hoe iza no hifanandrina aminy, ka mivadi-po mafy sy mitsamboatra amim-pahatairana izy ireo. Nanambara mialoha ny amin’ilay fotoana ‘hitomanian’ny firenena rehetra ambonin’ny tany’ i Jesosy. (Matio 24:30). Ho diso aoriana loatra vao ho takatr’izy ireo hoe tsy hisy na iza na iza ho afaka hitsangana hanohitra an’i Jehovah. Hirodana ireo fikambanana naorin’olombelona​—na dia ireo izay toa miorina mafy toy “ny tendrombohitra mandrakizay” sy “ny havoana fahagola” aza. Ho toy ny “fanaon[’Andriamanitra] hatry ny fahagola” izany amin’izay, ho toy ny fomba fiasany fahiny.

9, 10. Mampahatsiahy antsika inona ny Habakoka 3:7-11?

9 “Irehetan’ny fahatezeran’i” Jehovah ny fahavalony. Inona avy anefa no fitaovam-piadiana hampiasainy amin’ilay adiny lehibe? Henoy izao filazalazan’ilay mpaminany azy izao: “Nalan-tsarona ny tsipìkanao; efa nianianana ny fikapohan’ny teny. Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony. Nahita Anao ny tendrombohitra ka tora-kovitra; mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, mamoa-peo ny lalina sady manangan-tànana ho amin’ny avo. Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ny fitoerany, noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.”​—Habakoka 3:7-11.

10 Tamin’ny andron’i Josoa, dia nampijanona ny masoandro sy ny volana i Jehovah, ho fampisehoan-kery nahatalanjona. (Josoa 10:12-14). Ny faminanian’i Habakoka dia mampahatsiahy antsika fa hampiasain’i Jehovah ao amin’i Haramagedona io hery io. Tamin’ny 1513 al.f.i., dia nasehon’i Jehovah fa voafehiny tsara ny rano lalin’ny tany, tamin’ny nampiasany ny Ranomasina Mena mba handringanana ny tafik’i Farao. Efapolo taona tatỳ aoriana, dia tsy nahasakana ny Isiraely tsy hiditra tamim-pandresena tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny rano tondraky ny onin’i Jordana. (Josoa 3:15-17). Tamin’ny andron’i Debora, mpaminanivavy, dia nopaohin’ny oram-batravatra ireo kalesin’i Sisera, fahavalon’ny Isiraely. (Mpitsara 5:21). Ao amin’i Haramagedona, dia ho azon’i Jehovah ampiasaina ireo hery ireo, dia ny tondra-drano sy ny oram-batravatra ary ny rano lalina. Eo am-pelatanan’i Jehovah ihany koa ny kotroka sy ny tselatra, toy ny lefona na ny tranon-jana-tsipìka efa feno tsipìka.

11. Inona no hitranga rehefa hanampatra ny heriny lehibe i Jehovah?

11 Tena hahatahotra marina tokoa rehefa hanampatra ny heriny lehibe i Jehovah. Ireo tenin’i Habakoka dia toa milaza fa hivadika ho andro ny alina ary hazava kokoa noho izay hazavana azon’ny masoandro omena, ny andro. Na ara-bakiteny na an’ohatra io faminaniana ara-tsindrimandry momba an’i Haramagedona io, dia zavatra iray loha no azo antoka: handresy i Jehovah, ary tsy hisy amin’ny fahavalony, ho afa-mandositra.

Azo antoka ny famonjena ho an’ny vahoakan’Andriamanitra!

12. Inona no hataon’Andriamanitra amin’ny fahavalony, kanefa iza no ho voavonjy?

12 Manohy milazalaza ny zavatra hataon’i Jehovah mba handringanana ny fahavalony ilay mpaminany. Izao no vakintsika ao amin’ny Habakoka 3:12: “Amin’ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; amin’ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.” Na izany aza, dia tsy handringana befahatany i Jehovah. Hisy olombelona ho voavonjy. “Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao”, hoy ny Habakoka 3:13. Eny, hamonjy ny mpanompony voahosotra mahatoky i Jehovah. Ho vita amin’izay fotoana izay ny fandringanana an’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ankehitriny anefa, dia mitady hanafoana ny fanompoam-pivavahana madio ireo firenena. Tsy ho ela dia hotafihin’ny tafik’i Goga avy any Magoga ny mpanompon’i Jehovah. (Ezekiela 38:1–39:13; Apokalypsy 17:1-5, 16-18). Hahomby ve io fanafihan’i Satana io? Tsia! Hamely amim-pahatezerana an’ireo fahavalony i Jehovah amin’izay, ka hanosihosy azy ireo toy ny vary eo am-pamoloana. Hamonjy an’ireo izay manompo azy amin’ny fanahy sy ny fahamarinana kosa anefa izy.​—Jaona 4:24.

13. Ahoana no hahatanterahan’ny Habakoka 3:13?

13 Nambara mialoha tamin’ireto teny ireto ny hamongorana tanteraka ny ratsy fanahy: “Torotoroinao [ Jehovah] ny [ lehiben’ny, NW ] tranon’ny ratsy fanahy, ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany.” (Habakoka 3:13). Io ‘trano’ io dia ny fandehan-javatra ratsy niorina teo ambanin’ny fitaoman’i Satana Devoly. Ho montsamontsana izy io. Ho torotoro ilay ‘lehibe’, na ireo mpitarika mpanohitra an’Andriamanitra. Ho rava hatrany amin’ny fotony mihitsy ilay rafitra manontolo. Tsy hisy intsony izy io. Izany ka fahamaivamaivanana hahatalanjona tokoa!

14-16. Araka ny Habakoka 3:14, 15, inona no hitranga amin’ny vahoakan’i Jehovah sy amin’ny fahavalon’izy ireo?

14 Ao amin’i Haramagedona, dia hampifanjevoana ireo hitady handringana ny ‘voahosotr’i’ Jehovah. Miteny amin’Andriamanitra toy izao ilay mpaminany, araka ny Habakoka 3:14, 15: “Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ireo miaramilany betsaka, izay avy toy ny tadio hanely ahy; sady mifaly handany mangingina ny ory izy. Mitety ny ranomasina amin’ny soavalinao Hianao, dia eny amin’ny rano be miavovona.”

15 Rehefa milaza i Habakoka hoe “ireo miaramilany betsaka [dia] avy toy ny tadio hanely ahy”, dia miteny ho solontenan’ireo voahosotra mpanompon’i Jehovah izy. Toy ny jiolahy miery, ireo firenena dia hiantsambotra hamely ny mpivavaka amin’i Jehovah mba handringanana azy ireo. ‘Hifaly’ ireny fahavalon’Andriamanitra sy ny vahoakany ireny, satria matoky fa handresy. Halemy, toy ny “ory”, no fahitana ireo Kristianina mahatoky. Rehefa handefa ny fanafihany anefa ireo tafika mpanohitra an’Andriamanitra, dia hataon’i Jehovah izay hifamelezan’izy samy izy amin’ny fitaovam-piadiany. Hampiasa ny fiadiany, na ny “lefony”, hamelezana ny miaramilany ihany izy ireo.

16 Tsy izay ihany anefa. Hampiasa tafika ara-panahy mahery noho ny olombelona i Jehovah, mba hamitana ilay fandringanana ny fahavalony. Amin’ny alalan’ireo ‘soavaly’ ao amin’ny tafiny any an-danitra hotarihin’i Jesosy Kristy, dia handroso amim-pandresena i Jehovah, hitety ny “ranomasina” sy ny “rano be miavovona”, izany hoe ny sarambaben’ireo fahavalo olombelona misamboaravoara. (Apokalypsy 19:11-21). Amin’izay, dia hesorina amin’ny tany ny ratsy fanahy. Izany ka fampisehoana miavaka ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany ny rariny!

Ho avy ny andron’i Jehovah!

17. a) Nahoana isika no afaka matoky ny hahatanterahan’ireo tenin’i Habakoka? b) Ahoana no ahafahantsika ho sahala amin’i Habakoka, eo am-piandrasantsika ilay andro lehiben’i Jehovah?

17 Afaka mahazo antoka isika fa ho tanteraka tsy ho ela ireo tenin’i Habakoka. Tsy hitaredretra izy ireo. Manao ahoana ny fihetsikao noho ny fahalalanao izany mialoha? Tadidio fa teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra no nanoratan’i Habakoka ny taratasiny. Hanao zavatra i Jehovah, ary hisy faharavana be eto ambonin’ny tany rehefa hitranga izany. Tsy mahagaga raha nanoratra toy izao ilay mpaminany: “Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; ny molotro mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako, ary mangovitra aho; fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, dia izay hiakaran’ny mpanao andiany hamely ny olonao.” (Habakoka 3:16). Taitaitra be i Habakoka​—ary tsy mahagaga izany. Nihozongozona ve anefa ny finoany? Sanatria izany! Vonona ny hiandry mangina ny andro lehiben’i Jehovah izy. (2 Petera 3:11, 12). Tsy toy izany koa ve ny fihetsitsika? Izany tokoa! Manam-pinoana feno isika fa ho tanteraka ny faminanian’i Habakoka. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia hiandry amim-paharetana isika.

18. Nanao ahoana ny fihetsik’i Habakoka, na dia nanampo zava-tsarotra aza izy?

18 Mitondra zava-tsarotra foana ny ady, na dia ho an’ireo izay ho mpandresy aza. Mety tsy ho ampy ny sakafo. Mety ho very ny fananana. Mety hidina ny fari-piainana. Raha mitranga amintsika ny toy izany, hanao ahoana ny fihetsitsika? Nanana fihetsika fakan-tahaka i Habakoka, satria hoy izy hoe: “Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra,​—nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:17, 18). Nihevitra ny zava-misy i Habakoka, ka nanampo zava-tsarotra, angamba mosary. Na izany aza, dia tsy namoy mihitsy ny fifaliany tao amin’i Jehovah, izay niavian’ny famonjena azy, izy.

19. Adim-piainana inona avy no atrehin’ny Kristianina maro, kanefa afaka mahazo antoka ny amin’ny inona isika raha mametraka an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika?

19 Ankehitriny, na dia atỳ alohan’ny ady hataon’i Jehovah amin’ny ratsy fanahy aza, dia maro no mizaka fahoriana mafy. Nanambara mialoha i Jesosy fa hisy ady, mosary, horohoron-tany ary areti-mandringana, ho anisan’ny ‘famantarana ny fanatrehany’, rehefa hahazo ny fahefan’ny mpanjaka izy. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:10, 11). Maro amin’ireo mpiray finoana amintsika no miaina any amin’ny tany izay iharam-pahavoazana mafy noho ny fahatanterahan’ireo tenin’i Jesosy ireo, ka mijaly noho ny adim-piainana mafy. Mety hiharam-pahavoazana toy izany koa ny Kristianina hafa amin’ny hoavy. Ho an’ny maro hafa amintsika, dia tena azo inoana fa ‘tsy hamontsina ny aviavy’, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Fantatsika anefa ny antony hitrangan’ireny zavatra ireny, ary dia manatanjaka antsika izany. Ambonin’izany, dia manana mpanohana isika. Izao no fampanantenan’i Jesosy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinan[’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Izany akory tsy manome antoka ny amin’ny fiainana mampiadana, fa manome toky antsika kosa fa, raha mametraka an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika isika, dia hiahy antsika izy.​—Salamo 37:25.

20. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika na dia eo aza ireo zava-tsarotra mihelina?

20 Na inona na inona zava-tsarotra mihelina tsy maintsy atrehintsika, dia tsy hanary ny finoantsika ny hery mahavonjin’i Jehovah isika. Maro amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika atỳ Afrika sy any Eoropa Atsinanana ary any an-toeran-kafa no miatrika zava-tsarotra faran’izay mafy, nefa tsy mitsahatra ny ‘mifaly amin’i Jehovah’. Enga anie ho tahaka azy ireo koa isika, ka tsy hitsahatra mihitsy ny hanao toy izany. Tadidio fa i Jehovah Tompo Manam-piandrianana no Loharanon’ny ‘tanjatsika’. (Habakoka 3:19). Tsy handiso fanantenana antsika izy. Tsy maintsy ho tonga i Haramagedona, ary azo antoka hanaraka azy io ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. (2 Petera 3:13). Amin’izay, “ny tany [dia] ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. (Habakoka 2:14). Mandra-pahatongan’izany fotoana mahatalanjona izany, dia aoka isika hanaraka ny ohatra tsara navelan’i Habakoka. Aoka isika ‘hifaly amin’i Jehovah sy hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena antsika’.

Tadidinao Ve?

• Amin’ny ahoana no misy akony eo amintsika ilay vavak’i Habakoka?

• Nahoana i Jehovah no miroso mandeha?

• Inona no lazain’ny faminanian’i Habakoka mahakasika ny famonjena?

• Fihetsika manao ahoana no tokony hananantsika eo am-piandrasantsika ilay andro lehiben’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Fantatrao ve ny tafika hampiasain’Andriamanitra hamelezana ny ratsy fanahy ao amin’i Haramagedona?