Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ny Karazan’olona Rehetra any Holandy

Fanampiana ny Karazan’olona Rehetra any Holandy

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fanampiana ny Karazan’olona Rehetra any Holandy

LEHILAHY iray nanana finoana niavaka i Abrahama. “Rehefa nantsoina” izy, hoy ny apostoly Paoly, dia nankato ny feon’Andriamanitra, ary “niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.” Rehefa avy namindra ny fianakaviany manontolo i Abrahama, dia ‘nivahiny tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana’, nandritra ireo zato taona farany tamin’ny fiainany.​—Hebreo 11:8, 9.

Tahaka izany koa amin’izao andro izao, fa maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah no nanaiky ireo zava-tsarotry ny fifindrana ho any amin’ny tany hafa iray, mba hanompo any amin’izay ilana fanampiana kokoa. Nianatra fiteny hafa iray ny hafa, mba hahafahany hitory amin’ireo vahiny izay nifindra monina ao amin’ny taniny. Io toe-tsaina tsara dia tsara io dia nanokatra “varavarana lehibe iray izay mitarika ho amin’ny asa”, tany Holandy, izay ny iray tapitrisa amin’ireo mponina 15 tapitrisa, dia avy any amin’ny tany hafa, araka ny asehon’ireto ohatra manaraka ireto.​—1 Korintiana 16:9, NW.

□ I Bahram, mpampianatra Kung Fu taloha, dia avy tany amin’ny tany iray any Moyen-Orient. Nahazo Baiboly iray sy zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower sasantsasany izy. Tao anatin’ny iray volana, dia takatr’i Bahram fa nahita ny fahamarinana izy. Natomboka ny fampianarana Baiboly taminy sy ny vadiny, nefa nisy zava-nanahirana iray​—tsy nahay ny fiteniny ilay mpampianatra Baiboly azy ireo. Nampita hevitra tamin’ny alalan’ny fihetsika izy ireo, ka niteny tamin’ny “fampiasana tanana sy tongotra”, hoy ny tsaroany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia afaka nahita kôngregasiôna iray izay niteny tamin’ny fiteniny i Bahram sy ny vadiny, ka nanao fandrosoana haingana izy ireo taorian’izay. Vavolombelona vita batisa izao i Bahram.

□ Nanatona lehilahy indonezianina iray, izay nijoro teo anoloan’ny fivarotana lehibe iray, ny mpivady mpisava lalana holandey iray. Sady taitra izy no faly, rehefa niresaka taminy tamin’ny fiteniny ilay mpivady. Nisy fandaharana natao àry mba hitsidihana azy tany an-tranony. Hita fa efa niaina tany Rosia nandritra ny 20 taona mahery izy, ka nandritra izany fotoana izany, dia nanjary mpitsabo aretim-behivavy. Nilaza ho tsy nino an’Andriamanitra izy, nefa niaiky fa isaky ny nanampy tamin’ny fahaterahan’ny zaza iray, dia tsy afaka ny tsy ho talanjona ka hanao hoe: “Tena lavorary mihitsy ny vatan’ny olombelona ka! Fahagagana re izany!” Nanaiky ny hianatra Baiboly izy, ary tsy ela dia nanjary nino fa misy Mpamorona iray miahy ny olombelona. (1 Petera 5:6, 7). Rahalahy vita batisa izy izao, ary manompo ao amin’ny kôngregasiôna indonezianina, ao Amsterdam.

□ Tany amin’ny iray amin’ny seranan-tsambo lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao, ao Rotterdam dia nisy antokona mpisava lalana iray nanjary havanana tamin’ny fitoriana tamin’ireo antokon’olona niteny tamin’ny fiteny samihafa, izay tonga isan’andro nidina an-tsambo teo. Ho vokatry ny asan’io antoko-mpitory nafana fo io, dia nisy tantsambo maromaro nanaiky ny fahamarinana, anisan’izany ny kapiteny iray, sy ny manamboninahitra iray tao amin’ny sambo, ary ny mpiambina olona taloha iray. Izao izy ireo dia manampy koa mba hampiely ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, maneran-tany.​—Matio 24:14.

Tahaka ny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, ny Vavolombelon’i Jehovah any Holandy dia tapa-kevitra ny hanao ny anjarany mba hanambara ilay vaovao tsara mandrakizay, any amin’ny firenena sy ny foko sy ny fiteny ary ny olona rehetra.​—Apokalypsy 14:6.