Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fanalahidin’ny Fahombiazana?

Inona no Fanalahidin’ny Fahombiazana?

Inona no Fanalahidin’ny Fahombiazana?

NANOMANA tamin’ny fomba voalamina tsara ny milina iray hafahafa bika, mba hanaovana andrana iray tena lehibe, ny tovolahy roa sahisahy. Tampoka teo, dia nisy rivo-mahery nifaoka ilay fitaovana nalemy, sy nampitambolimbolina azy ary nampianjera azy tao anatin’ny tabataba nankarenin-tsofina. Kivy izy roa lahy, ka tsy nahaloa-bava. Antontan-kazo sy metaly sisa no tavela tamin’ilay asa nanehoam-pitandremana fatratra nataon’izy ireo.

Ho an’i Orville sy i Wilbur Wright, dia tsy fahavoazana voalohany nahakivy teo amin’ny fanandramany hanamboatra milina manidina mavesatra noho ny rivotra akory, iny nitranga tamin’ny volana Oktobra 1900 iny. Efa nandany taona maromaro sy vola be mba hanaovana fanandramana izy ireo.

Tamin’ny farany anefa, dia novalian-tsoa ny fikirizan’izy ireo. Tamin’ny 17 Desambra 1903, tany Kitty Hawk, any Caroline Avaratra, any Etazonia, ry Wright mirahalahy dia nahavita nandefa modely vaovao voalohany nandeha tamin’ny môtera, izay nanidina nandritra ny 12 segondra​—fotoana fohy raha ampitahaina amin’ny faharetan’ny fisidinana amin’izao andro izao, nefa ampy tsara hanovana an’izao tontolo izao mandrakizay!

Miankina indrindra amin’ny fikirizana amim-paharetana, ny fahitana fahombiazana eo amin’ny ankamaroan’ny ezaka atao. Na fahaiza-miteny tsara amin’ny fiteny vaovao iray izany, na fianarana asa iray, na fambolena fisakaizana mihitsy aza, dia amin’ny alalan’ny fanaovana ezaka mitohy ihany no ahatratrarana ny ankamaroan’ireo zavatra misy vidiny. “Raha misy fahombiazana folo”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Charles Templeton, “ny sivy dia mifandray mivantana amin’izao zavatra iray loha izao: asa mafy.” Nanamarika toy izao ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Leonard Pitts, Jr.: “Miresaka momba ny talenta isika, manaiky ny vintana isika, nefa matetika aoka izany isika no tsy mahita ireo zavatra tena lehibe indrindra. Ny asa mafy sy ny tsy fahombiazana maro. Ny ora niasana naharitra.”

Izany dia manamafy izay nolazain’ny Baiboly taloha ela be hoe: “Ny tànan’ny mazoto no hanapaka”. (Ohabolana 12:24). Ny fahazotoana dia midika hoe maneho fikirizana amin’ny ezaka ataontsika isika. Tena ilaina izy io, raha irintsika ny hanatratra izay nokasaintsika hatao. Inona no atao hoe fikirizana? Ahoana no ahafahantsika maneho fikirizana eo amin’ny fanatratrarana ireo tanjontsika, ary amin’ny inona no tokony hanehoantsika fikirizana? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

U.S. National Archives photo