Jehovah no Fialofako sy Heriko
Tantaram-piainana
Jehovah no Fialofako sy Heriko
NOTANTARAIN’I MARCEL FILTEAU
“Raha manambady an’iny ianao, dia azo antoka fa higadra.” Izany no nolazain’ny olona tamin’ilay vehivavy nokasaiko halaina ho vady. Avelao aho hanazava aminareo hoe nahoana izy ireo no niteny toy izany.
FONY aho teraka, tamin’ny 1927, dia toerana nanjakan’ny Fivavahana Katolika ny provans’i Québec, eto Kanada. Tokony ho efa-taona tatỳ aoriana, dia nanomboka nitsidika anay tao an-trano, tany an-tanànan’i Montréal, i Cécile Dufour, Vavolombelon’i Jehovah nanompo manontolo andro. Matetika izy no norahonan’ireo mpiray tanàna taminay, noho izany antony izany. Raha ny marina, dia imbetsaka izy no nosamborina sy nampijalina, noho izy nitory ny hafatra avy tao amin’ny Baiboly. Tsy ela àry izahay dia nahafantatra ny fahamarinan’ny tenin’i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.”—Matio 24:9.
Tamin’izany fotoana izany, dia nihevitra ny maro fa zavatra tsy azo nosaintsainina ny hoe fianakaviana kanadianina frantsay hiala amin’ny fivavahana katolika. Na dia tsy tonga Vavolombelona vita batisa mihitsy aza ny ray aman-dreniko, tsy ela izy ireo dia nanatsoaka hevitra fa tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’ny Baiboly ny an’ny Eglizy Katolika. Noho izany, dia nampirisika an’ireo zanany valo izy mivady mba hamaky ny zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelona, no sady nanohana anay izay niandany tamin’ny fahamarinana ara-baiboly.
Nijoro tao anatin’ny fotoan-tsarotra
Tamin’ny 1942 aho no nanomboka tena liana tamin’ny fianarana Baiboly, fony aho mbola nianatra tany an-tsekoly. Voarara teto Kanada ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany, noho izy ireo nanaraka ny ohatry ny Kristianina tany am-boalohany ka tsy nandray anjara tamin’ny ady nifanaovan’ireo firenena. (Isaia 2:4; Matio 26:52). Nalefa tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona i Roland, zokiko lahimatoa, satria tsy nety nandray fiadiana izy nandritra ny ady lehibe nafotaka tamin’izany.
* Voatosika hanahaka ireny olona be herim-po namela ohatra teo amin’ny tsy fivadihana ireny aho, ka nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay natao tany an-tranon’olona manokana. Tsy ela dia nasaina handray anjara tamin’ny asa fitoriana aho. Nanaiky ilay fanasana aho, na dia nahafantatra tsara aza fa nety hosamborina sy hogadraina noho izany.
Tokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nomen’i Dada ahy ny boky iray tamin’ny teny frantsay, izay nilazalaza ny fijalian’ireo Vavolombelona alemà, noho izy ireo tsy nety nanohana ny fanafihana ara-tafika nataon’i Adolph Hitler.Nandondòna ny varavarana, anjarako voalohany indrindra, aho, rehefa avy nivavaka mba hahazo hery. Ramatoa iray tsara fanahy no nivoaka, ary rehefa avy nampahafantatra ny tenako aho, dia novakiko taminy ny teny ao amin’ny 2 Timoty 3:16 hoe: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa”.
“Ho tianao ve ny hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly?”, hoy aho nanontany.
“Eny”, hoy ilay ramatoa namaly.
Nilaza taminy àry aho fa hitondra namana vehivavy izay mahay tsara kokoa ny Baiboly noho izaho, ary izany no nataoko ny herinandro nanaraka an’iny. Taorian’io andrana voalohany io, dia nahatsiaro ho nanana fatokisan-tena bebe kokoa aho, sady nahafantatra fa tsy manao ny fanompoana amin’ny herintsika manokana isika. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly, dia ampian’i Jehovah isika hanao izany. Tena zava-dehibe marina tokoa ny hanekentsika fa ‘an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy avy amintsika’.—2 Korintiana 4:7.
Taorian’izay dia nanjary tapany tsy nisaraka tamin’ny fiainako ny asa fitoriana, ary toy izany koa ny fisamborana sy ny figadrana. Tsy nahagaga raha nilazana ilay vehivavy nokasaiko hampakarina hoe: “Raha manambady an’iny ianao, dia azo antoka fa higadra”! Tsy hoe tena sarotra anefa izany zavatra niainanay izany. Rehefa avy nandany ny alina tany am-pigadrana izahay, dia matetika no nisy Vavolombelona iray nanome antoka ho amin’ny fanafahana anay.
Fanapahan-kevitra lehibe
Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho ary nanamarika izany tamin’ny batisa anaty rano, tamin’ny Aprily 1943. Avy eo, tamin’ny Aogositra 1944, dia nanatrika ny fivoriambe lehibe voalohany teo amin’ny fiainako aho, tany Buffalo, any New York, any Etazonia, teo ampita kelin’ny sisin-tanin’i Kanada. Nahitana mpanatrika 25 000 izany, ary ny fandaharana dia nanaitra ny faniriako ho tonga mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nofoanana ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada tamin’ny May 1945, ary nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho, ny volana nanaraka an’iny.
Arakaraka ny nitomboan’ny fandraisako anjara tamin’ny fanompoana anefa, no nitomboan’ny fidirako tany am-ponja koa. Indray mandeha aho dia natao tao amin’ny efitrano figadrana niaraka tamin’i Mike Miller, izay mpanompon’i Jehovah nahatoGalatiana 5:15.
ky efa hatramin’ny ela. Nipetraka teo amin’ny gorodona vita tamin’ny simenitra izahay sady niresaka. Tena nanatanjaka ahy tokoa ny resaka, nampandroso ara-panahy, nifanaovanay. Taorian’izany anefa dia tonga tao an-tsaiko izao fanontaniana izao: ‘Ho nanao ahoana re raha toa ka tsy nifankahazo hevitra izahay, ary tsy nifampiteny e?’ Nampianatra ahy ny iray tamin’ireo lesona tsara indrindra teo amin’ny fiainako ny fiarahana tamin’io rahalahy malala io tany am-ponja, dia ny hoe mila ireo rahalahintsika isika, ka noho izany dia tokony hifamela heloka sy hifaneho hatsaram-panahy. Raha tsy izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.”—Tamin’ny Septambra 1945, dia nasaina aho hanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, ilay antsointsika hoe Betela, teto Toronto, eto Kanada. Tena nampandroso sy nanatanjaka ny finoana tokoa ny fandaharana ara-panahy teto. Ny taona nanaraka an’iny aho dia voatendry hiasa tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’ny Betela, 40 kilaometatra eo ho eo, any avaratry ny biraon’ny sampana. Raha niara-nioty frezy tamin’ilay tovovavy atao hoe Anne Wolynec aho, dia voamariko, tsy ny hakanton’ny bikany ihany, fa ny fitiavany sy ny zotom-pony ho an’i Jehovah koa. Nitombo ny fifankatiavanay, ary nivady izahay tamin’ny Janoary 1947.
Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany London, any Ontario, izahay, nandritra ireo roa taona sy tapany nanaraka, ary taorian’izany, dia nanampy tamin’ny fiforonan’ny kôngregasiôna iray tany amin’ny Nosy Cap-Breton. Avy eo, tamin’ny 1949, dia nasaina hanaraka ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, kilasy faha-14, izahay, ka niofana ho misionera.
Asa misionera tao Québec
Notendrena ho any Québec, mba hanokatra ny asa fitoriana tany, ireo Kanadianina efa nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada talohan’izay. Tamin’ny 1950, dia nanatevin-daharana azy ireo tany izahay, niaraka tamin’ny 25 hafa avy tamin’ny kilasy faha-14 nisy anay. Nahatonga fanenjehana mafy kokoa sy herisetran’ny mpirotaka, netsehin’ireo mpitondra fivavahan’ny Eglizy Katolika Romanina, ny fitomboan’ny asa misionera.
Roa andro taorian’ny nahatongavanay tao an-tanànan’i Rouyn, toerana nanendrena anay voalohany tamin’ny naha misionera, dia nosamborina i Anne ary nampidirina tao aoriana, tao anaty fiaran’ny polisy. Zava-baovao teo amin’ny fiainany izany, satria avy any amin’ny tanàna kely any amin’ny provans’i Manitoba, eto Kanada, izy, ary nahalana vao mba nahita polisy. Mazava ho azy fa natahotra izy, ary nahatsiaro ilay teny hoe: “Raha manambady an’iny ianao, dia azo antoka fa higadra.” Talohan’ny niaingany anefa, dia tratran’ny polisy koa aho, ary natsofoka tao anatin’ilay fiara niaraka tamin’i Anne. “Andray izany hafaliako mahita anao!”, hoy izy. Na izany aza, dia nahagaga fa tony izy nanamarika hoe: “Zavatra nitovy tamin’izao no nanjo ny apostoly rehefa nitory momba an’i Jesosy izy ireo.” (Asan’ny Apostoly 4:1-3; 5:17, 18). Nafahana vonjimaika izahay ny harivan’iny.
Tokony ho herintaona taorian’iny fisehoan-javatra iny, raha teo am-panaovana fanompoana isan-trano tany Montréal, toerana vaovao nanendrena anay, iny izahay, dia nandre tabataba teny amin’ny arabe aho, ary nahita vahoaka romotra nitora-bato. Rehefa nandeha hanampy an’i Anne sy ilay niara-nitory taminy aho, dia niditra an-tsehatra ny polisy. Tsy nisambotra na iza na iza tamin’ilay vahoaka ny polisy, fa i Anne sy ilay namany indray no nosamboriny! Nampahatsiahivin’i Anne an’ilay Vavolombelona vaovao, nony tany am-ponja, fa nahita tsara ny fahamarinan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ho halan’ny olona rehetra hianareo noho ny anarako” izy ireo tamin’izay.—Matio 10:22.
Tamin’ny fotoana sasany dia nahatratra 1 700 ny raharaha ara-pitsarana niandry ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Québec. Tamin’ny ankapobeny izahay dia nampangaina ho nizara zavatra vita an-tsoratra nampirisika hikomy tamin’ny fanjakana, sy nizara zavatra vita an-tsoratra tsy nahazoan-dalana. Vokatr’izany, dia nanao zavatra, hanoherana ny governemantan’ny Québec, ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna an’ny Fikambanana Watch Tower. Taorian’ny taona maro nanaovana ady ara-dalàna, dia nomen’i Jehovah fandresena roa niezinezina, teo anoloan’ny Fitsarana Tampony teto Kanada, izahay. Afaka nadiodio tamin’ny fiampangana hoe ny zavatra vita an-tsoratray dia nampirisika hikomy tamin’ny fanjakana izahay tamin’ny Desambra 1950, ary nekena ny zonay hizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, tsy nilana fahazoan-dalana, tamin’ny Oktobra 1953. Araka izany, dia hitanay niharihary fa tena ‘toeram-piarovana sy hery ary Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana’ tokoa, i Jehovah.—Salamo 46:1.
Nitombo tamin’ny fomba niavaka ny isan’ny Vavolombelona tao Québec. Raha 356 ny isan’izy ireo tamin’ny 1945, fony aho nanomboka ny asan’ny Isaia 54:17.
mpisava lalana, dia 24 000 mahery izany amin’izao fotoana izao! Izany dia tena nanatanteraka tokoa an’ilay faminanian’ny Baiboly nambara mialoha hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra.”—Ny asanay tany Frantsa
Tamin’ny Septambra 1959, dia nahazo fanasana izahay sy i Anne mba hanompo tany amin’ny Betelan’i Paris, any Frantsa, izay nanendrena ahy ho mpiandraikitra ny fanaovam-pirinty. Kompaniam-barotra iray no nisahana ny fanaovam-pirinty tany, talohan’ny nahatongavanay tamin’ny Janoary 1960. Koa satria voarara tany Frantsa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany, dia isam-bolana izahay no nanonta ny gazety, nomena endriky ny bokikely 64 pejy. Nantsoina hoe Ny Gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah io bokikely io, ary nirakitra ireo lahatsoratra natao hianarana any amin’ny kôngregasiôna, ho an’ilay volana diavina. Tamin’ny 1960 ka hatramin’ny 1967, dia nitombo ireo nandray anjara tamin’ny asa fitoriana tany Frantsa, niisa 15 439 ka nanjary 26 250.
Rehefa nandeha ny fotoana, ny ankamaroan’ny misionera dia notendrena ho any amin’ny toeran-kafa, ka nalefa tany amin’ireo tany afrikanina miteny frantsay ny sasany, ary ny hafa naverina tao Québec. Niverina tao Québec izahay, satria tsy salama i Anne ka nila fandidiana. Taorian’ny telo taona nanarahana fikarakarana ara-pitsaboana, dia nody indray ny fahasalamany. Notendrena hanao ny asan’ny fizaran-tany aho avy eo, ka nitsidika kôngregasiôna samy hafa isan-kerinandro, mba hanome fampaherezana ara-panahy.
Asa misionera tany Afrika
Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 1981, dia faly izahay nandray fanendrena vaovao mba ho misionera tany Zaïre, ny Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny. Nahantra ny mponina sady nijaly noho ny zava-tsarotra maro. Fony izahay tonga tany, dia nisy Vavolombelona 25 753 tany, kanefa amin’izao fotoana izao, dia nitombo ho 113 000 mahery io isa io, ary nisy mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy 446 362, tamin’ny 1999!
Tamin’ny 1984, dia nahazo tany tokotokony ho 200 hektara avy tamin’ny governemanta izahay, mba hanorenana biraon’ny sampana vaovao. Avy eo, tamin’ny Desambra 1985, dia nisy fivoriambe iraisam-pirenena natao tao Kinshasa renivohitra, ka nahitana solontena 32 000, avy tany amin’ny faritra maro eto ambonin’ny tany, nanatrika tao. Taorian’izay, dia nanakorontana ny asanay tany Zaïre ny fanoherana netsehin’ny mpitondra fivavahana. Tamin’ny 12 Martsa 1986, dia naharay taratasy ireo rahalahy tompon’andraikitra, taratasy izay nilaza fa tsy ara-dalàna tao Zaïre ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io fandrarana ny asanay io dia nosoniavin’ny filoham-pirenena tamin’izany, i Mobutu Sese Seko, izay nodimandry vao haingana.
Tsy maintsy nampihatra izao torohevitry ny Baiboly izao izahay, noho ireo fisehoan-javatra nitranga tampoka ireo: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. (Ohabolana 22:3). Nahita fomba nahazoana taratasy, ranomainty, filma, plaky, ary zavatra simika avy tany ivelany izahay, hanaovana pirinty ny zavatra vita an-tsoratray tao Kinshasa. Afa-tsy izany koa, dia izahay no namorona ny fitsinjarana ny réseau, izay anay manokana. Nony tena voalamina izahay, dia nandeha tsara noho ny an’ny paositry ny fanjakana ny asanay!
An’arivony maro ireo Vavolombelona nosamborina, ary nampijalina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana ny maro taminy. Na dia teo aza anefa izany fitondrana ratsy izany, dia nijoro sy nitana ny fahatokiany hatramin’ny farany izy ireo, afa-tsy vitsivitsy naningana. Nosamborina koa aho, ary hitako ny toe-piainana nahatsiravina niaretan’ireo rahalahy tany am-ponja. Imbetsaka izahay no noporetin’ny polisy miafina sy ireo manam-pahefana tamin’ny fomba isan-karazany, kanefa nasian’i Jehovah lalana foana hivoahanay.—2 Korintiana 4:8.
Nafeninay tao amin’ny trano fanatobiana entana, an’ny mpandraharaha iray, ny baoritra tokony ho 3 000 nisy zavatra vita an-tsoratra. Tamin’ny farany anefa, dia nisy mpiasan’io mpandraharaha io nampahafantatra izany tamin’ny polisy miafina, ary dia nosamborin’izy ireo ilay mpandraharaha. Sendra nifanena tamiko, izay nitondra fiara, izy ireo raha iny teny an-dalana ho any amin’ny fonja iny. Nampahafantarin’ilay mpandraharaha azy ireo fa izaho no tompon’antoka tamin’ny fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratra tao aminy. Nijanona ireo polisy, ary nanontany ahy momba izany, tamin’ny fiampangana fa nitahiry zavatra vita an-tsoratra tsy ara-dalàna tao amin’ny trano fanatobiana entan’ilay rangahy aho.
“Misy iray amin’ireo boky ireo ve any aminareo?”, hoy aho nanontany.
“Mazava ho azy”, hoy izy ireo namaly.
“Mba azoko jerena kely ve ilay izy?”, hoy aho nanontany.
Nitondrany boky iray aho ka nasehoko azy izay voasoratra tao amin’ny pejy anatiny: “Natao pirinty tany Etazonian’i Amerika; Mpampanonta: Watch Tower Bible & Tract Society.”
“Ireny boky eny am-pelatananareo ireny dia fananan’i Amerika, fa tsy an’i Zaïre akory”, hoy aho nampahatsiahy azy ireo. “Nandrara ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nijoro ara-dalàna teto Zaïre ny governemantanareo, fa tsy nandrara kosa ny Watch Tower Bible & Tract Society any Etazonia. Koa mitandrema tsara ianareo amin’izay hanaovanareo ireny boky ireny.”
Navela handeha aho, satria tsy nahazo lalana hisambotra ahy izy ireo. Ny alin’iny, dia nitondra kamiao roa izahay nitaomana ireo zavatra vita an-tsoratra avy tao amin’ilay trano fanatobiana entana. Nony tonga ireo manam-pahefana ny ampitson’iny, dia sosotra mafy izy ireo teo am-pahitana fa foana ilay toerana. Nitady ahy izy ireo noho izany, satria efa nahazo lalana hisambotra ahy izy ireo izao. Hitan’izy ireo aho; ary satria tsy nanana fiara izy ireo, dia izaho ihany no nitondra ny tenako tamin’ny fiara ho any am-ponja! Nisy Vavolombelona iray niaraka tamiko mba hitondra ilay fiarako handositra, alohan’ny hibodoan’izy ireo azy io.
Taorian’ny fakana am-bavany nandritra ny adiny valo, dia nanapa-kevitra ny handroaka ahy hiala an’i Zaïre izy ireo. Nasehoko azy ireo anefa ny fôtôkôpian’ny taratasy iray avy tamin’ny fanjakana, nanamarina ny fahazoako lalana hivarotra ny fananana rehetran’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay voarara ankehitriny, tany Zaïre. Koa navela hanohy ny asako tao amin’ny Betela àry aho.
Taorian’ny efa-taona nanompoana teo ambany fanerena noho ny fandrarana ny asa tany Zaïre, dia nanjary voan’ny ferim-bavony nandeha ra aho, ka nahatandindomin-doza ny aiko izany. Notapahina ny hevitra fa tokony handeha hitsabo tena any Afrika Atsimo aho, ka tany dia nikarakara ahy tsara ny sampana, ary niverina ny fahasalamako. Rehefa avy nanompo valo taona tany Zaïre, izay nahazoana traikefa tsy hay hadinoina sy nahafinaritra izahay, dia nifindra tany amin’ny sampan’i Afrika Atsimo, tamin’ny 1989. Niverina teto amin’ny tany niaviana izahay tamin’ny 1998, ary manompo eto amin’ny Betelan’i Kanada indray hatramin’izay.
Velom-pankasitrahana noho ny fanompoana
Rehefa manao jery todika an’ireo 54 taona nanaovako ny fanompoana manontolo andro aho, dia velom-pankasitrahana aoka izany noho ny nampiasako ny herin’ny fahatanorako tamin’ny fanompoana an’i Jehovah, izay fanompoana sarobidy. Na dia niaritra tarehin-javatra nisedra maro aza i Anne, dia tsy nitaraina izy, fa tena nanohana kosa ny asa rehetra nataonay. Nanana tombontsoa nanampy olona maro ho tonga tamin’ny fahalalana an’i Jehovah izahay mivady, ary ao amin’ny fanompoana manontolo andro ankehitriny ny maromaro amin’izy ireny. Fifaliana tokoa ny mahita ny sasany amin’ny zanak’izy ireny, eny ny zafikeliny mihitsy aza, manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe!
Azoko antoka fa tsy misy na inona na inona azon’ity tontolo ity atolotra, afaka mifampitaha amin’ny tombontsoa sy ny fitahiana nomen’i Jehovah anay. Marina fa niaritra fisedrana maro izahay, kanefa izy rehetra ireny dia nampiorina ny finoanay sy ny fatokisanay an’i Jehovah. Tena hita fa tilikambo mafy tokoa Izy, ary toeram-pialofana sy Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Navoaka tamin’ny teny alemà io boky io tamin’ny voalohany: Kreuzzug gegen das Christentum (Kroazada Manohitra ny Kristianisma). Nadika tamin’ny teny frantsay sy poloney izy io, fa tsy tamin’ny teny anglisy.
[Sary, pejy 26]
Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana, tamin’ny 1947; miaraka amin’i Anne, amin’izao fotoana izao
[Sary, pejy 29]
Tia ny fahamarinana ara-baiboly ireo olona hitanay tany Zaïre