Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Haharitra Hafiriana ny Ratsy Fanahy?

Mbola Haharitra Hafiriana ny Ratsy Fanahy?

Mbola Haharitra Hafiriana ny Ratsy Fanahy?

“Nahoana Hianao [Jehovah] no (...) mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy”?​—HABAKOKA 1:13.

1. Rahoviana ny tany no ho feno tanteraka ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah?

HANDRINGANA ny ratsy fanahy ve Andriamanitra indray andro any? Raha eny, mbola haharitra hafiriana no tsy maintsy hiandrasantsika? Fanontaniana apetraky ny olona maneran-tany ny toy izany. Aiza no ahafahantsika mahita ny valin’izany? Afaka mahita izany isika, ao amin’ireo teny faminaniana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra momba ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Manome toky antsika izy ireo fa tsy ho ela i Jehovah dia hampihatra didim-pitsarana amin’ny ratsy fanahy rehetra. Amin’izay ihany ny tany vao ho “feno [tanteraka] ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”. Izany no fampanantenana ara-paminaniana hita ao amin’ny Teny Masin’Andriamanitra, ao amin’ny Habakoka 2:14.

2. Inona avy ireo didim-pitsarana telo avy amin’Andriamanitra, raketin’ny bokin’i Habakoka?

2 Nosoratana tokony ho tamin’ny 628 al.f.i. ny bokin’i Habakoka, izay tsy inona fa didim-pitsarana telo mifampitohy avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Efa notanterahina ny roa tamin’izy ireo. Ny voalohany dia ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny firenen’i Joda fahiny naniasia. Ary ilay faharoa? Izy io dia ny didim-pitsaran’Andriamanitra nampiharina tamin’i Babylona mpampahory. Azo antoka àry fa manana ny antony rehetra hatokisana isika hoe ho tanteraka koa ny fahatelo amin’ireo didim-pitsaran’Andriamanitra ireo. Raha ny marina aza, dia afaka manampo ny hahatanterahan’izy io tsy ho ela isika. Handringana ny olombelona ratsy fanahy rehetra Andriamanitra, ho tombontsoan’ireo olo-mahitsy amin’izao andro farany izao. Hiala aina ny farany amin’ireo ratsy fanahy, amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” mihamanatona haingana.​—Apokalypsy 16:14, 16.

3. Inona no azo antoka hahazo ny ratsy fanahy amin’izao androntsika izao?

3 Mihamanatona hatrany io adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra io. Ary ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy amin’izao androntsika izao dia azo antoka tsy misy hafa amin’ny nahatanterahan’ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Joda sy i Babylona. Nahoana anefa amin’izao isika miteny izao raha maka sary an-tsaina ny tenantsika ho tany Joda tamin’ny andron’i Habakoka? Inona no nitranga tao amin’io tany io?

Tany iray nikorontana

4. Inona no vaovao faran’izay nanaitra ren’i Habakoka?

4 Alao sary an-tsaina ange i Habakoka, mpaminanin’i Jehovah, nipetraka teo amin’ny tafo marin-tampon’ny tranony, nankafy ny tsio-drivotra nangatsiatsiaka tamin’ny takariva. Nisy zavamaneno teo anilany teo. (Habakoka 1:1; 3:19, teny mamarana ilay boky). Nandre vaovao faran’izay nanaitra anefa i Habakoka. Novonoin’i Joiakima mpanjakan’i Joda i Oria, ka natsipiny tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatin’io mpaminany io. (Jeremia 26:23). Marina aloha fa tsy nihazona ny fatokisany an’i Jehovah i Oria, ka nanjary resin-tahotra, ary dia nandositra tany Ejipta. Na izany aza anefa, dia fantatr’i Habakoka fa tsy faniriana hanandratra ny voninahitr’i Jehovah akory no nanosika an’i Joiakima hanao izany herisetra izany. Nampiharihary izany ny hoe tsy niraharaha tanteraka ny lalàn’Andriamanitra io mpanjaka io, ary nankahala an’i Jeremia mpaminany sy ny hafa izay nanompo an’i Jehovah.

5. Toe-draharaha nanao ahoana no nisy tao Joda raha ny amin’ny lafiny ara-panahy, ary nanao ahoana ny fihetsik’i Habakoka teo anoloan’izany?

5 Nahita ny setroky ny ditin-kazo manitra niakatra avy teo amin’ny tafon’ireo trano teo akaiky teo i Habakoka. Tsy noho izy ireo mpivavaka tamin’i Jehovah akory no nandoroan’ny olona an’io ditin-kazo manitra io, fa noho izy ireo kosa nanao zavatra nifandray tamin’ny fivavahan-diso, izay nahazo ny fanohanan’i Joiakima, mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Joda. Fahafaham-baraka re izany! Nanganohano ny ranomason’i Habakoka, ka nitalaho toy izao izy: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy ady, sady miseho ny fifandirana. Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny; fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.”​—Habakoka 1:2-4.

6. Inona no nitranga tamin’ny lalàna sy ny fanaovana ny rariny tao Joda?

6 Eny, niely patrana ny fandrobana sy ny herisetra. Na taiza na taiza nitodihan’i Habakoka, dia nahitany fikorontanana, fifandirana, ady. Nanjary “ngoly ny lalàna”, nanjary tsy nanan-kery. Ary ny rariny? ‘Tsy nivoaka’ ho mpandresy mihitsy izy io, tsy nanjaka mihitsy! ‘Nirohonan’ny ratsy fanahy kosa ny marina’, ka nihodivirany tamin-kafetsena ireo fepetra araka ny lalàna, izay natao hiarovana ny tsy nanan-tsiny. Eny tokoa, ‘nivoaka ny fitsarana niangatra’. Naolana ny rariny. Nampalahelo tokoa izany toe-draharaha izany!

7. Tapa-kevitra ny hanao inona i Habakoka?

7 Niato i Habakoka ka nisaintsaina momba ilay toe-javatra. Hiala ve izy? Sanatria izany! Rehefa avy nandinika indray ny fanenjehana rehetra nahazo ireo mpanompo nahatokin’Andriamanitra io lehilahy tsy nivadika io, dia nanavao indray ny fahatapahan-keviny hitoetra ho mpaminanin’i Jehovah niorina mafy sy nahatoky. Hanohy hanambara ny hafatr’Andriamanitra i Habakoka, na dia nety hidika ho fahafatesana ho azy aza izany.

Nanao “zavatra” tsy nampino i Jehovah

8, 9. Inona no “zavatra” tsy mampino nataon’i Jehovah?

8 Hitan’i Habakoka tao amin’ny fahitana ireo mpanaraka fivavahan-diso, izay nanala baraka an’Andriamanitra. Henoy izay nolazain’i Jehovah tamin’izy ireo, manao hoe: “Jereo any amin’ny jentilisa, ka diniho”. Azo inoana fa nanontany tena i Habakoka hoe nahoana Andriamanitra no niresaka toy izany tamin’ireo ratsy fanahy ireo. Avy eo izy dia nahare an’i Jehovah nilaza tamin’izy ireo hoe: “Gagà dia gagà; fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.” (Habakoka 1:5). Raha ny tena izy, dia i Jehovah mihitsy no hanao io zavatra tsy inoan’izy ireo io. Inona anefa izy io?

9 Nohenoin’i Habakoka tsara ny tohin’ny tenin’Andriamanitra, voarakitra ao amin’ny Habakoka 1:6-11. Izao no hafatr’i Jehovah, ary tsy hisy andriamani-diso na sampy tsy manana aina ho afaka hisakana azy ity tsy ho tanteraka: “Indro, atsangako ny Kaldeana, dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, izay mamaky eran’ny tany hahazoany fonenana izay tsy azy. Mahatsiravina sy mahatahotra izy; avy amin’ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany. Faingana noho ny leoparda ny soavaliny sady masiaka noho ny amboadia hariva; ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy. Hampidi-doza no ihavian’izy rehetra; ny handroso ihany no atrehiny fatratra, ka manangona sambotra toy ny fasika izy. Izy manakora ny mpanjaka, ary ihomehezany ny mpanapaka; ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafaka azy. Dia mihelina toy ny rivotra izy ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!”

10. Iza no notaomin’i Jehovah?

10 Fampitandremana ara-paminaniana avy tamin’ny Avo Indrindra izany! Nitaona ny Kaldeanina, dia ilay firenen’i Babylona lozabe, i Jehovah. Rehefa hamakivaky “eran’ny tany” io firenena io, dia handresy fonenana maro dia maro. Nampihoron-koditra tokoa izany! ‘Nahatsiravina sy nahatahotra’ ireo Kaldeanina sesehena, naharaiki-tahotra sy nampangorohoro. Ny tenany ihany no nanao lalàna henjana hampihariny. ‘Avy tamin’ny tenany ihany ny fitsarany.’

11. Ahoana no hilazalazanao ny fahatongavan’ny tafika babylonianina hanafika an’i Joda?

11 Faingana noho ny leoparda haingam-pandeha ny soavalin’i Babylona. Masiaka noho ny amboadia noana miremby amin’ny alina ny mpitaingin-tsoavaliny. May ny handeha ireo soavaliny, ka dodona ny ‘hiriotra’ na hoe ‘hitoto ny tany amin’ny kitrony’ (NW ). Miainga avy lavitra, any Babylona, izy ireo, ary mitodi-doha ho any Joda. Manidina toy ny voromahery maika hihinana sakafo matsiro ireo Kaldeanina, ka hiantsambotra tsy ho ela amin’ny rembiny. Ho fanafihana tselatra fotsiny ve izany, fanafihana tampoka hataon’ny miaramila vitsivitsy? Tsia! “Hampidi-doza no ihavian’izy rehetra”, toy ny andian-tafika goavana mirohotra mba hahatonga fandravana be. Miramirana noho ny fahadodonana ny endrik’izy ireo eny am-pitaingenana soavaly miankandrefana ho any Joda sy Jerosalema, ka miriotra mafy toy ny rivotra atsinanana. Mipaoka babo maro dia maro ny tafika babylonianina, ka “manangona sambotra toy ny fasika”.

12. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Babylonianina, ary ‘nahazo heloka’ ny amin’inona io fahavalo nahatahotra io?

12 Manakora mpanjaka ny tafika kaldeanina ary mihomehy mpanapaka, izay samy tsy manan-kery hisakanana ny fandrosony tsy hay tohaina. “Ihomehezany (...) ny tanàna mimanda rehetra”, satria azo avokoa ny tanàna rehetra misy manda, rehefa “manandratra vovoka” (fanamarihana ambany pejy) ny Babylonianina, tamin’ny nanorenany dongon-tany mba hanafihana azy ireny. Amin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia ‘hihelina toy ny rivotra’ ny fandroson’ilay fahavalo nahatahotra. Amin’ny fanafihany an’i Joda sy i Jerosalema, dia ‘hahazo heloka’ izy, satria nampitondra faisana ny vahoakan’Andriamanitra. Aorian’ny fandresena tselatra iray, dia hirehareha ilay mpitari-tafika kaldeanina hoe: ‘Izany hery izany dia noho ilay andriamanitray.’ Endre izany hakelin’ny zavatra tena fantany!

Antony marim-pototra anantenana

13. Nahoana i Habakoka no feno fanantenana sy toky?

13 Nitombo ny fahatakaran’i Habakoka ny fikasan’i Jehovah, hany ka nitombo tao am-pony ny fanantenana. Nahazo toky tanteraka izy ka niteny ho fiderana an’i Jehovah. Araka ny marihina ao amin’ny Habakoka 1:12, dia nilaza toy izao ilay mpaminany: “Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty [ianao, NW ]”. Eny tokoa, i Jehovah dia Andriamanitra “hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay”.​—Salamo 90:1, 2.

14. Lalam-pitondran-tena nanao ahoana no narahin’ireo mpivadi-pinoana tao Joda?

14 Nisaintsaina momba ilay fahitana nomen’Andriamanitra azy ilay mpaminany, sady faly fa nahatakatra hevi-dalina avy tamin’izy io, ka hoy ny teny nanampiny: “Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.” Nanameloka ireo mpivadi-pinoana tao Joda Andriamanitra, ka hahazo fananarana, famaizana mafy, avy amin’i Jehovah, izy ireo. Tokony ho nitodika tany aminy izy ireo, satria izy no Vatolampin’izy ireo, ilay hany tena fiarovana mafy sy fialofana ary Loharanom-pamonjena. (Salamo 62:7; 94:22; 95:1). Tsy nanatona an’Andriamanitra anefa ireo mpitarika nivadi-pinoana tao Joda, fa nanohy nampahory an’ireo mpivavaka tamin’i Jehovah, izay tsy nampidi-doza akory.

15. Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no “madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy”?

15 Nampalahelo mafy an’ilay mpaminanin’i Jehovah io toe-javatra io, ka hoy izy: “Hianao [dia] madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy ary tsy mahajery fahoriana”. (Habakoka 1:13). Eny, i Jehovah dia “madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy”, izany hoe tsy milefitra eo anoloan’ny fanaovan-dratsy.

16. Ahoana no hamintinanao izay voarakitra ao amin’ny Habakoka 1:13-17?

16 Nisy fanontaniana nampisaintsaina àry tonga tao an-tsain’i Habakoka. Hoy ny fanontaniany: “Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy, ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka? Aingainy amin’ny fintana izy rehetra, samboriny amin’ny haratony ary sarihany amin’ny harato tarihiny, ka dia faly sy ravoravo izy. Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny; fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy. Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ny tandrohony va izy ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?”​—Habakoka 1:13-17.

17. a) Tamin’ny ahoana ny Babylonianina no nahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra, rehefa nanafika an’i Joda sy i Jerosalema? b) Inona no hambaran’i Jehovah amin’i Habakoka?

17 Rehefa hanafika an’i Joda sy i Jerosalema, renivohiny, ny Babylonianina, dia hanao zavatra araka ny nahim-pony. Tsy ho fantany fa fitaovana hampiasain’Andriamanitra hampiharana ny didim-pitsarany marina amin’ny vahoaka iray tsy nahatoky, izy ireo. Mora ny mahita hoe nahoana no sarotra tamin’i Habakoka ny nahatakatra ny antony nampiasan’Andriamanitra an’ireo Babylonianina ratsy fanahy mba hampiharana ny didim-pitsarany. Tsy mpivavaka tamin’i Jehovah ireo Kaldeanina tsy nifaditrovana ireo. Nihevitra ny olombelona ho toy ny ‘hazandrano sy biby mandady’ fotsiny, izay natao hosamborina sy hofehezina, izy ireo. Very hevitra i Habakoka, kanefa tsy haharitra ela izany. Tsy ho ela dia hambaran’i Jehovah amin’ilay mpaminaniny fa tsy havela ho afa-maina ireo Babylonianina noho ny nandrobany tamim-pierenana sy noho ny fananany trosan-dra nihoa-pampana.​—Habakoka 2:8.

Vonona ho amin’ny teny fanampiny holazain’i Jehovah

18. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Habakoka, araka ny hita taratra ao amin’ny Habakoka 2:1?

18 Izao anefa i Habakoka dia niandry mba handre ny teny fanampiny holazain’i Jehovah aminy. Nanambara toy izao tamim-pahatapahan-kevitra ilay mpaminany: “Hitsangana eo ambonin’ny fitazanako aho ary hijoro eo ambonin’ny mànda, hiandry hahitako izay holazainy amiko sy izay havaliko amin’ny fitarainako.” (Habakoka 2:1). Liana fatratra tamin’izay mbola holazain’Andriamanitra tamin’ny alalany, tamin’ny naha mpaminany azy, i Habakoka. Ny finoany an’i Jehovah ho Andriamanitra tsy milefitra eo anoloan’ny zava-dratsy dia nahatonga azy hanontany tena hoe nahoana no nanjaka ny faharatsiana. Vonona ny hanitsy ny fomba fisainany anefa izy. Ahoana kosa ny amintsika? Rehefa manontany tena isika hoe nahoana ny zava-dratsy sasany no leferina, ny fatokisantsika fa marina i Jehovah Andriamanitra, dia tokony hanampy antsika hihazona ny fahaizantsika mandanjalanja, ka hanampy antsika hiandry azy.​—Salamo 42:5, 11.

19. Nifanaraka tamin’ny teny nataon’Andriamanitra tamin’i Habakoka, inona no nitranga tamin’ireo Jiosy naniasia?

19 Nitana ny teny nataony tamin’i Habakoka Andriamanitra, ka nampihatra didim-pitsarana tamin’ilay firenena jiosy naniasia izy, tamin’ny namelany ny Babylonianina hanafika an’i Joda. Tamin’ny 607 al.f.i., dia nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoly izy ireo, namono ny antitra sy ny tanora, ary naka olona maro ho babo. (2 Tantara 36:17-20). Taorian’ny sesitany iray naharitra ela be tany Babylona, dia nisy sisa tamin’ny Jiosy nahatoky niverina tany an-tanindrazany ka nanorina indray ilay tempoly tamin’ny farany. Taorian’izay anefa, dia tsy nahatoky teo anatrehan’i Jehovah indray ireo Jiosy, indrindra fa tamin’ny fandavana an’i Jesosy tsy ho Mesia.

20. Ahoana no nampiasan’i Paoly ny Habakoka 1:5, raha ny amin’ny fandavana an’i Jesosy?

20 Araka ny Asan’ny Apostoly 13:38-41, dia nasehon’ny apostoly Paoly tamin’ireo Jiosy tany Antiokia izay ho dikan’ny hoe mandà an’i Jesosy, ka noho izany dia manao tsinontsinona koa ny sorom-panavotany. Nanonona ny Habakoka 1:5 avy tao amin’ny dikan-tenin’ny Septante grika i Paoly, ka nampitandrina hoe: “Tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ny mpaminany hoe: ‘Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levòna; fa Izaho manao asa amin’ny andronareo, dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza.’ ” Nifanaraka tamin’io teny notononin’i Paoly io, dia tanteraka fanindroany ny Habakoka 1:5, fony nandringana an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny tafika romanina tamin’ny 70 am.f.i.

21. Rehefa nasain’Andriamanitra noravan’ny Babylonianina i Jerosalema, ahoana no niheveran’ny Jiosy tamin’ny andron’i Habakoka an’izany ‘asan’Andriamanitra’ izany?

21 Nasain’Andriamanitra noravan’ny Babylonianina i Jerosalema, ary tamin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Habakoka, dia zavatra tsy azo noeritreretina hisy io ‘asan’Andriamanitra’ io, satria foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah io tanàna io, no sady toerana nisy ny seza fiandrianan’ny mpanjaka voahosony. (Salamo 132:11-18). Noho izany toerana notanan’i Jerosalema izany, dia mbola tsy rava mihitsy izy talohan’io. Mbola tsy nodorana mihitsy ny tempoliny. Mbola tsy naongana mihitsy ny ankohonan’i Davida mpanjaka. Tsy nampino ny hoe hamela zavatra toy izany hitranga i Jehovah. Tamin’ny alalan’i Habakoka anefa, dia nanome fampitandremana ampy tsara Andriamanitra hoe hitranga ireo fisehoan-javatra faran’izay hanaitra ireo. Ary porofoin’ny tantara fa nitranga araka ny nambara mialoha tokoa izy ireo.

“Asa” tsy mampino ataon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao

22. Hahafaoka inona ilay “asa” tsy hampino hataon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

22 Hanao “asa” tsy mampino ve i Jehovah amin’izao androntsika izao? Matokia fa hanao izany tokoa izy, na dia toa tsy mampino an’ireo mpisalasala aza izany. Amin’ity indray mandeha ity, dia ny fandringanana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina no asa tsy mampino hataon’i Jehovah. Toa an’i Joda fahiny, dia mihambo ho manompo an’Andriamanitra izy io, nefa nanjary nikororosy tanteraka. Hataon’i Jehovah izay hahafoana ny soritra rehetra navelan’ny fivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristianina rehefa afaka kelikely, ary ho toy izany koa ny an’i “Babylona Lehibe” manontolo, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso.​—Apokalypsy 18:1-24.

23. Natosiky ny fanahin’Andriamanitra hanao inona avy eo i Habakoka?

23 Nanana asa fanampiny nampanaovina an’i Habakoka i Jehovah, talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i. Inona no mbola holazain’Andriamanitra amin’ilay mpaminaniny? Handre zavatra izay hahatonga azy handray ny zavamanenony sy hanao an-kira vavaka fisaonana tamin’i Jehovah, i Habakoka. Alohan’izay anefa, dia hanosika an’ilay mpaminany hanambara loza manaitra mafy, ny fanahin’Andriamanitra. Azo antoka fa hankasitrahantsika ny fahatakarana ny hevi-dalina fonosin’izany teny ara-paminaniana ho amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra izany. Andeha àry isika handinika bebe kokoa ny faminanian’i Habakoka.

Tadidinao Ve?

• Nanao ahoana ny toe-piainana nisy tao Joda tamin’ny andron’i Habakoka?

• Inona no “zavatra” tsy nampino nataon’i Jehovah tamin’ny andron’i Habakoka?

• Inona no antony nahavelom-panantenana an’i Habakoka?

• Inona no “asa” tsy mampino hataon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Nanontany tena i Habakoka hoe nahoana Andriamanitra no namela ny faharatsiana hanjaka. Ary ianao?

[Sary, pejy 10]

Nanambara mialoha ny amin’ny loza hampiharin’ny Babylonianina amin’ny tanin’i Joda i Habakoka

[Sary, pejy 10]

Sisan-javatra tamin’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., araka ny hitan’ny arkeôlôjia