Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Araho ny Fampitandremana!

Araho ny Fampitandremana!

Araho ny Fampitandremana!

BOOM! Tamin’ny 3 Jona 1991, dia sady nandrenesana feo nikotrokotroka nanakoako ny Tendrombohitra Fugen any Japon, no namoaka riakana etona sy lavenom-bolkano. Nikoriana nanaraka ny tehezan’ilay tendrombohitra ilay fifangaroan-javatra faran’izay nahamay. Nahafaty olona 43 ilay fipoahana. May be ny maro izay zara raha tafavoaka velona. “Rano e! Itondray rano e!”, hoy ny antsoantson’ny sasany. Niolomay tamim-pikoropahana hamonjy azy ireny ireo mpamono afo sy polisy.

TOKONY ho tapa-bolana talohan’izay, dia tsikaritra fa nanjary narani-doha kokoa ny Tendrombohitra Fugen noho ny ranoka volkano, hany ka mailo ny manam-pahefana sy ny mponina. Nandritra ny herinandro mahery talohan’ilay loza, dia nalefa ny filazana ny amin’ny tokony hialana tamin’ilay faritra. Andro iray talohan’ilay fipoahana indrindra, dia efa tsy navelan’ny polisy handeha teny amin’ny faritra voarara ireo mpanao gazety. Na izany aza anefa, dia teny amin’ilay faritra nampidi-doza no nisy an’ireo olona 43 namoy ny ainy, tamin’iny tolakandro nitrangan’ny loza iny.

Nahoana no olona maro aoka izany no nisetra loza ka nankao amin’ilay faritra na nijanona tao? Ny mpamboly sasany izay efa nandao ny tranony dia niverina indray mba hijery hoe nanao ahoana ny fananany sy ny tanimboliny. Ny olona telo manam-pahaizana momba ny volkano dia niezaka hanatona akaiky araka izay azo atao an’ilay volkano mba hanomezana fahafaham-po ny fahalianany hiana-javatra. Mpanao gazety sy mpaka sary maro no sahy nihoatra ilay tsipika tsy azo nihoarana, satria ta hanangom-baovao mahaliana momba ny fiasan’ilay volkano. Teny amin’ilay toerana nitrangan’ny loza ny mpitondra taxi telo nokaramain’ny mpanao gazety. Nisy polisy, sy mpamono afo nirotsaka an-tsitrapo, mbola teo am-panaovana ny asany. Samy nanana ny antony manokana nandehanana tao amin’ilay faritra nampidi-doza ny tsirairay, ary ny famoizany ny ainy no vokany.

Ao anatin’ny faritra mampidi-doza ve ianao?

Mety tsy honina eny akaikin’ny volkano velona avokoa isika rehetra. Ahoana anefa raha toa isika ka miatrika loza iray haneran-tany, izay hahatonga antsika rehetra ho ao anatin’ny faritra iray mampidi-doza, dia ny tany manontolo mihitsy? Ny boky iray, izay hita ho loharanom-paminaniana azo ianteherana, dia mampitandrina antsika ny amin’ny loza iray haneran-tany. Toy izao no ilazalazany izany loza izany: “Ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. (...) Hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. (Matio 24:29, 30). Voalaza eo fa hatraiza hatraiza dia hisy fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra, izay hisy akony eo amin’ “ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mifandray amin’ny loza iray hisy vokany eo amintsika tsirairay io faminaniana io.

Io boky mirakitra faminaniana azo ianteherana io dia ny Baiboly. Mahaliana ny manamarika fa ny teny manodidina an’io andininy tononina etsy ambony io dia manome filazalazana amin’ny an-tsipiriany, ny amin’ireo zavatra hitarika ho amin’ilay loza haneran-tany. Nanjary narani-doha ny tendrombohitra Fugen, ary teo koa ireo fambara hafa ny amin’ny hipoahan’ilay volkano, ka izany dia nanome an’ireo manam-pahefana tao Shimabara antony tokony hamaritana faritra nampidi-doza. Tsy misy hafa amin’izany koa fa manome antsika antony tokony hahamailo sy hiomanantsika ho amin’ny fahatafitana velona, ny Baiboly. Afaka maka lesona avy amin’ilay loza nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Fugen isika, ka hahatakatra ny maha zava-dehibe an’izay miandry antsika.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Yomiuri/Orion Press/Sipa Press

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Yomiuri/Orion Press/Sipa Press