Fiezahana Hahafantatra “ny Sain’i Kristy”
Fiezahana Hahafantatra “ny Sain’i Kristy”
“‘Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo [Jehovah] mba hampianatra Azy?’ Fa izahay manana ny sain’i Kristy.”—1 KORINTIANA 2:16.
1, 2. Inona, momba an’i Jesosy, no hitan’i Jehovah fa tsara haharihary ao amin’ny Teniny?
TOY inona ny bika aman’endrik’i Jesosy? Inona no lokon’ny volony? ny masony? Inona no volon-kodiny? Toy inona ny halavany? Firy ny lanjany? Nandritra ireo taonjato maro lasa, dia niovaova ny sarin’i Jesosy nataon’ny mpanakanto, ka tao ireo araka ny antonony, fa tao koa ireo tsy azo inoana ho marina mihitsy. Nisy nampiseho azy ho lehilahy matanjaka sy mavitrika, fa ny hafa kosa nanao ny sariny ho malezolezo sy hatsatra.
2 Tsy mampifantoka ny saina ho amin’ny bika aman’endrik’i Jesosy anefa ny Baiboly. Nifidy ny hampiharihary zavatra lehibe lavitra kosa i Jehovah, dia ny hoe: karazan’olona nanao ahoana i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe mitatitra izay nolazain’i Jesosy sy izay nataony fotsiny ny fitantaran’ireo Filazantsara, fa mampiharihary koa ny halalin’ny fihetseham-po sy ny fomba fisaina tao ambadiky ny teny sy asa nataony. Ireo fitantarana ara-tsindrimandry efatra ireo dia mahatonga antsika ho afaka handinika akaiky an’izay nolazain’ny apostoly Paoly hoe “ny sain’i Kristy”. (1 Korintiana 2:16). Zava-dehibe ny hahafantarantsika tsara ny fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony ary ny toetra maha izy azy. Nahoana? Noho ny antony roa, fara fahakeliny.
3. Afaka mahatakatra inona isika rehefa manjary mahafantatra tsara ny sain’i Kristy?
Lioka 10:22). Toy ny hoe nilaza toy izao i Jesosy: ‘Raha tianareo ho fantatra hoe manao ahoana i Jehovah, dia jereo ny tenako.’ (Jaona 14:9). Noho izany, rehefa ianarantsika izay ahariharin’ireo Filazantsara mahakasika ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony, dia mianatra ny fomba fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony isika, raha ny marina. Mahatonga antsika ho afaka hanatona akaiky kokoa an’ilay Andriamanitsika ny fahalalana toy izany.—Jakoba 4:8.
3 Voalohany, ny sain’i Kristy dia manome antsika topy maso ny amin’izay ao an-tsain’i Jehovah Andriamanitra. Nifankahalala tsara tokoa tamin-dRainy i Jesosy, ka afaka nilaza hoe: “Tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary [tsy misy mahalala] ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.” (4. Raha tiantsika marina ny hanao zavatra sahala amin’i Kristy, inona no tsy maintsy ianarantsika aloha, ary nahoana?
4 Faharoa, ny fahafantarantsika ny sain’i Kristy dia manampy antsika ‘hanaraka ny diany’. (1 Petera 2:21). Ny fanarahana an’i Jesosy dia tsy vitan’ny hoe mamerina fotsiny ny teniny sy maka tahaka izay nataony. Koa satria misy heriny eo amin’izay lazaina sy atao ny fisainana sy ny fihetseham-po, dia mitaky ny hambolentsika ilay “toe-tsaina” toy ny an’i Kristy, ny fanarahana azy. (Filipiana 2:5, NW ). Raha lazaina amin’ny teny hafa izany dia hoe: Raha tiantsika marina ny hanao zavatra sahala amin’i Kristy, dia tsy maintsy ianarantsika aloha ny misaina toa azy sy ny manana fihetseham-po toy ny azy, izany hoe, araka izay vitantsika amin’ny maha olombelona tsy lavorary antsika. Andeha àry isika handinika akaiky ny sain’i Kristy, amin’ny alalan’ireo Filazantsara. Hodinihintsika aloha ireo anton-javatra izay nisy heriny teo amin’ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny fihetseham-pony.
Ny fisiany talohan’ny naha olombelona azy
5, 6. a) Mety hanan-kery toy inona eo amintsika ireo olona ifaneraserantsika? b) Nanana fifaneraserana tamin’iza ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa tany an-danitra, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, ary inona no vokatr’izany teo aminy?
5 Mety hanan-kery eo amintsika ireo olona ifaneraserantsika akaiky, ka hitaona antsika ho amin’ny ratsy na ny tsara eo amin’ny fisainantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny ataontsika. * (Ohabolana 13:20). Hevero ilay fifaneraserana nananan’i Jesosy tany an-danitra, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany. Ny Filazantsaran’i Jaona dia manintona ny saina ho amin’ny fisian’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy, dia fony izy “ny Teny”, na Mpitondra Tenin’Andriamanitra. Hoy i Jaona: “Tany am-piandohana dia nisy ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin’Andriamanitra izy io tany am-piandohana.” (Jaona 1:1, 2, NW ). Koa satria tsy nanam-piandohana i Jehovah, ny filazana fa niaraka tamin’Andriamanitra hatrany “am-piandohana” ny Teny, dia tsy maintsy manondro ny fanombohan’ny asa famoronan’Andriamanitra. (Salamo 90:2). I Jesosy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”. Noho izany, dia efa nisy izy, talohan’ny namoronana ireo zavaboary ara-panahy hafa sy izao rehetra izao hita maso.—Kolosiana 1:15; Apokalypsy 3:14.
6 Araka ny tombantombana sasany ara-tsiansa, dia efa nisy hatramin’ny 12 000 tapitrisa taona, fara fahakeliny, izao rehetra izao hita maso. Raha toa ka marina ihany ireny tombantombana ireny, dia efa nifanerasera akaiky tamin-dRainy nandritra ny an’arivo tapitrisany taona maro ny Zanak’Andriamanitra lahimatoa, talohan’ny namoronana an’i Adama. (Ampitahao amin’ny Mika 5:1.) Araka izany, dia nihanisy fifankahazoana am-po lalina teo amin’izy mianaka. Ny fahendrena aseho ho toy ny olona io Zanaka lahimatoa io, talohan’ny naha olombelona azy, ary voalaza fa niteny toy izao izy: “Nanjary ilay niraiketan’ny fon[’i Jehovah] manokana isan’andro isan’andro aho, ka falifaly mandrakariva teo anatrehany”. (Ohabolana 8:30, NW ). Azo antoka fa nisy vokany lalina teo amin’ny Zanak’Andriamanitra ny fandaniana taona tsy hita isa nifaneraserana akaiky tamin’ilay Loharanon’ny fitiavana! (1 Jaona 4:8). Nanjary fantatr’io Zanaka io sy hita taratra teo aminy ny fisainana sy ny fihetseham-po ary ny fomban-dRainy, tamin’ny fomba tsy vitan’iza na iza.—Matio 11:27.
Ny fiainany teto an-tany sy ireo fitaomana nihatra taminy
7. Inona no anisan’ny antony tena nilana hahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra lahimatoa teto an-tany?
7 Nanan-javatra maro kokoa hianarana ilay Zanak’Andriamanitra, satria ny fikasan’i Jehovah dia ny hanomana ny Zanany ho tonga Mpisoronabe mangoraka, afaka “miara-mitondra ny fahalementsika”. (Hebreo 4:15). Anisan’ny antony nahatongavan’ilay Zanaka ho olombelona tetỳ an-tany ny ho ampy fahaizana ho amin’io anjara asa io. Rehefa tonga olona nofo aman-dra tetỳ an-tany i Jesosy, dia tsy voaro tamin’ireo toe-piainana sy fitaomana izay tazany avy tany an-danitra fotsiny, talohan’izay. Izao izy dia afaka nahatsapa mivantana ny fihetseham-po sy ny toe-pon’olombelona. Nahatsiaro tena ho vizana sy nangetaheta ary noana izy indraindray. (Matio 4:2; Jaona 4:6, 7). Fanampin’izany, dia mbola nizaka izao karazana zava-tsarotra sy fahoriana rehetra izao mihitsy aza izy. Tamin’izany no ‘nianarany fankatoavana’, ka nahatongavany ho ampy fahaizana tanteraka mba hanao ny anjara asan’ny Mpisoronabe.—Hebreo 5:8-10, NW.
8. Inona no fantatsika momba ny fahazazan’i Jesosy teto an-tany?
8 Ahoana ny amin’ireo zavatra niainan’i Jesosy, nandritra ny fahazazany teto an-tany? Fohy dia fohy ny fitantarana mahakasika ny fahazazany. Raha ny marina, dia i Matio sy i Lioka ihany no nitantara ireo fisehoan-javatra nanodidina ny nahaterahany. Fantatr’ireo mpanoratra ny Filazantsara fa efa niaina tany an-danitra i Jesosy, talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Io fisiany talohan’ny naha olombelona azy io indrindra indrindra no nanazava ny nahatonga azy ho toy iny. Na izany aza anefa, dia olombelona tena olombelona i Jesosy. Na dia lavorary aza izy, dia mbola tsy maintsy nihalehibe ihany: zazakely aloha, avy eo nandalo ny fahazazana sy ny fotoana naha zatovo azy, ary dia tonga olon-dehibe. Ary niana-javatra foana izy, nandritra izany fotoana rehetra izany. (Lioka 2:51, 52). Ambaran’ny Baiboly ny zavatra sasany mahakasika ny fahazazan’i Jesosy, izay tsy isalasalana fa nisy heriny teo aminy.
9. a) Inona no manondro fa teraka tao amin’ny fianakaviana nahantra i Jesosy? b) Azo inoana fa tao anatin’ny karazana toe-piainana nanao ahoana i Jesosy no nihalehibe?
9 Miharihary fa teraka tao amin’ny fianakaviana nahantra i Jesosy. Hita izany tamin’ilay fanatitra nentin’i Josefa sy i Maria tany amin’ny tempoly, tokony ho 40 andro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Tsy nitondra zanak’ondry ho fanatitra dorana sy zana-boromahailala na domohina ho fanatitra noho ny ota izy ireo, fa nitondra kosa “domohina roa, na zana-boromailala roa”. (Lioka 2:24). Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia fandaharana natao ho an’ny mahantra izany. (Levitikosy 12:6-8). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihamaro anaka io fianakaviana nahantra io. Enina, fara fahakeliny, ny zanaka hafa naterak’i Josefa sy i Maria tamin’ny fomba voajanahary, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ny fomba nahagaga. (Matio 13:55, 56). Koa nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana maro anaka àry i Jesosy, ary azo inoana fa tao anatin’ny toe-piainana tsotra izy ireo.
10. Inona no mampiseho fa olona natahotra an’Andriamanitra i Maria sy i Josefa?
10 Ray aman-dreny natahotra an’Andriamanitra sy niahy an’i Jesosy no nitaiza azy. Vehivavy niavaka i Maria, reniny. Tsarovy fa niteny toy izao ny anjely Gabriela, rehefa niarahaba azy: “Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.” (Lioka 1:28). Lehilahy mpivavaka be koa i Josefa. Isan-taona, dia nanao tsy tapaka ilay dia 150 kilaometatra nankany Jerosalema izy, mba hankalaza ny Paska. Nanaraka azy koa i Maria, na dia ireo lehilahy ihany aza no notakina hanao izany. (Eksodosy 23:17; Lioka 2:41). Tamin’ny fotoana toy izany, indray mandeha, no nahitan’i Josefa sy i Maria an’i Jesosy, izay 12 taona, tao amin’ny tempoly, teo anivon’ireo mpampianatra, rehefa avy nikaroka azy fatratra izy mivady. Hoy i Jesosy tamin’ireo ray aman-dreniny nitebiteby: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49). “Raiko”—izany teny izany dia tsy maintsy nifono fitiavana sy nifono heviny tsara ho an’i Jesosy zatovo. Voalohany aloha, dia miharihary fa efa nolazaina taminy hoe i Jehovah no tena Rainy. Fanampin’izany, dia tsy maintsy ho ray tsara ho an’i Jesosy i Josefa, izay nitaiza azy. Azo antoka fa tsy ho nifantina lehilahy masiaka na lozabe mba hitaiza ny Zanany malala, i Jehovah!
11. Asa tanana inona no nianaran’i Jesosy, ary inona avy no tafiditra tamin’ny fanaovana io asa io, tamin’ny andron’ny Baiboly?
11 Nandritra ireo taona niainan’i Jesosy tany Nazareta, dia nianatra ny asan’ny mpandrafitra izy, ka azo inoana fa i Josefa ray nitaiza azy no nampianatra azy izany asa izany. Nahay tsara ilay asa tanana i Jesosy, hany ka ny tenany mihitsy no nantsoina hoe “ilay mpandrafitra”. (Marka 6:3). Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny mpandrafitra dia nampiasaina tamin’ny fanorenan-trano sy ny fanamboarana fanaka (anisan’izany ny latabatra sy ny akalana ary ny dabilio), ary tamin’ny fanaovana fitaovam-piasana amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Nanoratra toy izao momba an’i Jesosy i Justin Maritiora, izay velona tamin’ny taonjato faharoa am.f.i., tao amin’ilay bokiny hoe Dialogue avec Tryphon: “Zatra nanao ny asan’ny mpandrafitra izy fony teo anivon’ny olombelona, ka nanamboatra angadin’omby sy zioga.” Tsy mora ny asa toy izany, satria azo inoana fa tsy afaka nividy ny hazo handrafetany ireo mpandrafitra fahiny. Azo inoana mihitsy aza fa nandeha nivoaka izy ka nifantina hazo iray, dia nikapa tamin’ny famakiny, ary nitondra ilay hazo tany an-tranony. Koa nety ho fantatr’i Jesosy àry ireo zava-tsarotra hita amin’ny asa fivelomana sy amin’ny fifampiraharahana amin’ny mpividy ary amin’ny fahitana vola ampy hivelomana.
12. Inona no manondro fa maty talohan’i Jesosy i Josefa, raha araka ny porofo eo am-pelatanana, ary nidika ho inona ho an’i Jesosy izany?
12 I Jesosy no zokiny indrindra, koa azo inoana fa nanampy teo amin’ny fikarakarana ny fianakaviana izy, indrindra fa toa maty talohan’i Jesosy i Josefa. * Hoy ny Zion’s Watch Tower tamin’ny 1 Janoary 1900: “Ambaran’ny lovantsofina fa maty i Josefa raha mbola tanora i Jesosy, ka nandray an-tanana ny asan’ny mpandrafitra ity farany, ary tonga mpamelona ilay fianakaviana. Ahitana porofo manohana izany ao amin’ny fanambaran’ny Soratra Masina, izay iantsoana an’i Jesosy hoe mpandrafitra, sy anononana ny reniny sy ireo rahalahiny, fa tsy iresahana an’i Josefa kosa. (Marka 6:3). (...) Tena azo inoana àry fa lany tamin’ny fanaovana ireo adidy mahazatra eo amin’ny fiainana ilay fe-potoana lava naharitra valo ambin’ny folo taona niainan’ny Tompontsika, nanomboka tamin’ilay zava-nitranga [voatantara ao amin’ny Lioka 2:41-49] ka hatramin’ny fotoanan’ny batisany.” Azo inoana fa fantatr’i Maria sy ireo zanany, anisan’izany i Jesosy, ny fahoriana tsapa rehefa maty ny vady sy ray tiana.
13. Rehefa nanomboka ny fanompoany i Jesosy, nahoana izy no nanana fahalalana sy fahaiza-mahataka-javatra ary fihetseham-po lalina izay mbola tsy nananan’olon-kafa na iza na iza mihitsy?
13 Mazava fa tsy namantana fiainam-piadanana i Jesosy rehefa teraka. Fiainan’olon-tsotra kosa no niainany. Avy eo, tamin’ny taona 29 am.f.i., dia tonga ilay fotoana hanatanterahan’i Jesosy ilay asa niandry azy, izay efa nanendren’Andriamanitra azy. Tamin’ny fararanon’io taona io, dia natao batisa tao anaty rano izy ary nateraka ho Zanak’Andriamanitra ara-panahy. Miharihary fa ny hoe ‘nisokatra taminy ny lanitra’, dia milaza fa tsaroany amin’izay izao ilay fiainany tany an-danitra, talohan’ny naha olombelona azy, anisan’izany ireo fisainana sy fihetseham-po niaraka tamin’izany fiainany izany. (Lioka 3:21, 22). Koa rehefa nanomboka ny fanompoany àry i Jesosy, dia nanana fahalalana sy fahaiza-mahataka-javatra ary fihetseham-po lalina izay mbola tsy nananan’olon-kafa na iza na iza mihitsy izy. Misy antony tsara matoa ireo mpanoratra ny Filazantsara nanokana ny ankamaroan’ny asa sorany ho amin’ireo fisehoan-javatra teo amin’ny fanompoan’i Jesosy. Na izany aza, dia tsy vitan’izy ireo ny nandrakitra an-tsoratra izay rehetra nolazain’i Jesosy sy nataony. (Jaona 21:25). Izay noraketin’izy ireo an-tsoratra teo ambany tsindrimandry anefa, dia mahatonga antsika ho afaka handinika akaiky ny tao an-tsain’ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany.
Nanao ahoana i Jesosy tamin’ny naha olona azy
14. Ahoana no ilazalazan’ny Filazantsara an’i Jesosy ho lehilahy iray mahay mandray olona sy be firaiketam-po ary manana fihetseham-po lalina?
14 Ny toetra mampiavaka an’i Jesosy izay ahariharin’ny Filazantsara, dia ny an’ny lehilahy iray mahay mandray olona sy be firaiketam-po ary manana fihetseham-po lalina. Maro karazana ny fihetseham-po nasehony: nitsetra boka iray izy (Marka 1:40, 41); nalahelo vahoaka iray tsy nihontsina (Lioka 19:41, 42); tafintohina ara-drariny tamin’ireo mpanakalo vola mpierina. (Jaona 2:13-17). Lehilahy nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny hafa i Jesosy ka nety nitomany, ary tsy nanafina ny fihetseham-pony izy. Fony maty i Lazarosy sakaiza tiany, dia nanohina mafy an’i Jesosy ny nahitany an’i Maria, anabavin’i Lazarosy, nitomany, hany ka latsa-dranomaso koa ny tenany, nitomany teo imason’ny hafa.—Jaona 11:32-36.
15. Ahoana no nihariharian’ny fihetseham-po feno firaiketam-po nananan’i Jesosy teo amin’ny fomba niheverany sy nitondrany ny hafa?
15 Niharihary manokana teo amin’ny fomba niheveran’i Jesosy sy nitondrany ny hafa, ny fihetseham-po feno firaiketam-po nananany. Nifandray tamin’ireo nahantra sy nampahorina izy, ka nanampy azy ireny ‘hahita fitsaharana ho an’ny fanahiny’. (Matio 11:4, 5, 28-30). Tsy sahirana loatra izy ka hoe tsy afaka nanome izay nilain’ireo nijaly: na ilay vehivavy iray nandeha ra be izay nikasika mangingina ny fitafiany izany, na ilay mpangataka jamba izay tsy nety nampanginina. (Matio 9:20-22; Marka 10:46-52). Niezaka hahita izay tsara tao amin’ny hafa i Jesosy ka nidera azy; kanefa vonona hananatra koa izy rehefa nilaina izany. (Matio 16:23; Jaona 1:47; 8:44). Tamin’ny fotoana tsy nananan’ny vehivavy zo firy, dia nitondra azy ireo tamim-pahamendrehana sy tamim-panajana voalanjalanja i Jesosy. (Jaona 4:9, 27). Tsy mahagaga raha nisy antokom-behivavy nanompo azy an-tsitrapo tamin’ny fananan’izy ireo.—Lioka 8:3.
16. Inona no mampiseho fa nanana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny fiainana sy ny zavatra ara-nofo, i Jesosy?
16 Nanana fomba fihevitra voalanjalanja momba ny fiainana i Jesosy. Tsy zava-dehibe indrindra taminy ny zavatra ara-nofo. Teo amin’ny ara-nofo, dia toa tena kely dia kely ny nananany. Nilaza izy fa tsy nanana “izay hipetrahan’ny lohany”. (Matio 8:20). Tetsy an-danin’izany anefa, dia nampitombo ny fifalian’ny hafa, i Jesosy. Fony izy nanatrika fanasana tamin’ny fampakaram-bady iray, izay fisehoan-javatra niavaka tamin’ny mozika sy ny hira ary ny firavoravoana, dia mazava fa tsy tonga mba hanimba ny fifalian’ny olona tamin’io lanonana io i Jesosy. Raha ny marina, dia tao i Jesosy no nanao ny fahagagany voalohany. Rehefa lany ny divay, dia nanova rano ho tonga divay tsara dia tsara, izay zava-pisotro “mampifaly ny olona”, izy. (Salamo 104:15; Jaona 2:1-11). Afaka nitohy àry ilay lanonana, ary tsy isalasalana fa tsy nitsanga-menatra ilay mpivady vao. Mbola hita taratra bebe kokoa ny fahaizan’i Jesosy nandanjalanja teo amin’ireo fisehoan-javatra maro be lavitra voalaza, izay niasan’i Jesosy mafy sy naharitra teo amin’ny fanompoany.—Jaona 4:34.
17. Nahoana no tsy mahagaga raha Mpampianatra Faran’izay Mahay i Jesosy, ary inona no hita taratra teo amin’ny fampianarany?
17 Mpampianatra Faran’izay Mahay i Jesosy. Maro tamin’ny fampianarany no nahitana taratr’ireo zava-misy teo amin’ny fiainana andavanandro, izay tena fantany tsara. (Matio 13:33; Lioka 15:8). Tsy nanam-paharoa ny fomba fampianany: mazava sy tsotra ary azo ampiharina mandrakariva. Mbola zava-dehibe kokoa aza ny zavatra nampianariny. Hita taratra tao amin’ny fampianarany fa niriny tamim-pahatsorana ny hahatonga ny mpihaino azy hahafantatra tsara ny fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony ary ny fombany.—Jaona 17:6-8.
18, 19. a) Tamin’ny fanoharana toa hitan’ny maso erỳ inona avy no nilazalazan’i Jesosy ny Rainy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Matetika no nampiasa ohatra i Jesosy mba hampiharihariana ny mombamomba ny Rainy tamin’ny fanoharana toa hitan’ny maso erỳ izay tsy mora hadinoina. Zavatra hafa ny miresaka ankapobe ny amin’ny famindram-pon’Andriamanitra, ary zavatra hafa tanteraka ny mampitaha an’i Jehovah amin’ny raim-pianakaviana mamela heloka izay hontsahontsa tokoa mahatazana an-janany miverina, hany ka ‘mihazakazaka izy, dia mamihina ny vozon-janany sady manoroka azy’. (Lioka 15:11-24). Nolavin’i Jesosy ny fombafomba henjana narahin’ireo mpitarika ara-pivavahana izay nanambany ny sarambaben’olona, ka nohazavainy fa Andriamanitra azo nohatonina ny Rainy. Naleon’Andriamanitra ny fitalahoan’ny mpamory hetra iray nanetry tena, toy izay ny vavaka tia sehoseho nataon’ny Fariseo iray nirehareha. (Lioka 18:9-14). I Jesosy dia nilazalaza an’i Jehovah ho Andriamanitra be fiahiana, izay mahafantatra ny filatsahan’ny tsintsina kely iray amin’ny tany. “Aza matahotra”, hoy i Jesosy nanome toky ny mpianany, “fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.” (Matio 10:29, 31). Tsy mahagaga raha talanjona tamin’ny fomba ‘fampianatr’i Jesosy’ ny vahoaka, ka voasarika hanatona azy. (Matio 7:28, 29). Indray mandeha, dia “betsaka (...) ny vahoaka” nitoetra teo akaikiny nandritra ny telo andro, ka tsy nisakafo mihitsy aza!—Marka 8:1, 2.
19 Afaka ny ho velom-pankasitrahana isika fa nahariharin’i Jehovah tao amin’ny Teniny ny sain’i Kristy! Ahoana anefa no azontsika ambolena sy anehoana ny sain’i Kristy eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 5 Aseho ao amin’ny Apokalypsy 12:3, 4 fa mety hitaona ny zavaboary ara-panahy ireo izay ifaneraserany. Ao i Satana dia aseho ho toy ny “dragona”, izay afaka nitaona “kintana” hafa, na zanaka ara-panahy hafa, hiaraka aminy eo amin’ny lalan’ny fikomiana.—Ampitahao amin’ny Joba 38:7.
^ feh. 12 Ny firesahana mivantana farany momba an’i Josefa, dia fony i Jesosy 12 taona hita tao amin’ny tempoly. Tsy misy filazana fa tao amin’ilay fanasana tamin’ny fampakaram-bady tao Kana i Josefa, teo am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy. (Jaona 2:1-3). Tamin’ny 33 am.f.i., i Jesosy izay voahombo dia nanankina an’i Maria tamin’i Jaona, ilay apostoly tiany. Azo inoana fa tsy ho nanao zavatra toy izany i Jesosy, raha toa ka mbola velona i Josefa.—Jaona 19:26, 27.
Tadidinao Ve?
• Nahoana no zava-dehibe ny hahafantarantsika tsara “ny sain’i Kristy”?
• Nanana fifaneraserana tamin’iza i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy?
• Toe-piainana nanao ahoana sy fitaomana inona avy no niainan’i Jesosy mivantana, nandritra ny fiainany teto an-tany?
• Inona no ahariharin’ireo Filazantsara momba ny toetra mampiavaka an’i Jesosy?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 10]
Nihalehibe tao anatin’ny fianakaviana maro anaka i Jesosy, azo inoana fa tao anatin’ny toe-piainana tsotra
[Sary, pejy 12]
Talanjona ireo mpampianatra noho ny valin-teny sy ny fahaiza-nahazo hevi-javatra nananan’i Jesosy izay 12 taona