Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Vatana fa Be Fo Manolotra

Kely Vatana fa Be Fo Manolotra

Kely Vatana fa Be Fo Manolotra

HANAO ahoana izany hoe hiresaka amin’olon-tsy fantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, raha toa ka tsy misy afa-tsy 76 santimetatra monja ny halavanao? Afaka milaza izany aminao i Laura. Telo amby telopolo taona izy, ary izany no halavany: 76 santimetatra monja. Mipetraka ao Quito, any Ekoatera, izy sy i María rahavaviny, izay 24 taona ary 86 santimetatra ny halavany. Avelao izy ireo hanazava ny vato misakana atrehiny eo amin’ny fanompoana kristianina ataony.

“Mba hankanesana any amin’ny faritany itorianay sy ireo fivoriana kristianina, dia mandeha an-tongotra antsasa-kilaometatra eo ho eo izahay mba handraisana aotobisy. Mandeha an-tongotra antsasa-kilaometatra avy eo amin’ny ialanay amin’iny indray izahay mba hamonjena aotobisy faharoa. Mampalahelo fa misy alika masiaka dimy eny amin’izany lalana izany. Tena mampahatahotra anay ny alika, satria toa lehibe toy ny soavaly izy ireny aminay. Mitondra hazo izahay mba handroahana azy ireny, raha ilaina, ary afeninay eny ananonanona eny izany, alohan’ny handraisanay ilay aotobisy, mba hisy hampiasainay rehefa miverina mody.

Dingana lehibe ara-bakiteny ho anay ny fiakarana ao amin’ny aotobisy. Mitsangana eo ambonin’ny dongon-tany iray, eo amin’ny fiandrasana aotobisy izahay, mba tsy dia hananosarotra rehefa miakatra. Manatona an’ilay dongona ny mpamily sasany rehefa hijanona, fa tsy manao toy izany kosa ny hafa. Raha izay no mitranga, dia manampy an’ilay fohy kokoa hiakatra ao anaty aotobisy ilay lava kokoa. Rehefa handray ny aotobisy faharoa izahay dia voatery miampita lalam-be iray feno fiara mandeha​—tena ezaka mafy izany noho ny tongotray fohy kely. Noho izahay kely vatana, dia mbola zava-tsarotra fanampiny koa ny kitapo mavesatra. Mba hahamaivana kokoa ny kitapo, dia mampiasa Baiboly fanao am-paosy izahay ary feranay koa ny habetsahan’ny zavatra vita an-tsoratra entinay.

Hatramin’ny fahazazanay, dia samy tena tsy nisokatra tamin’ny hafa izahay mirahavavy. Fantatry ny manodidina anay fa zavatra nahamenatra anay foana izany hoe hiresaka tamin’olon-tsy fantatra izany. Noho izany, dia gaga sy taitra izy ireo mahita anay mandondòna ny varavarany, ka mazàna no mihaino anay. Any amin’izay tsy tena ahafantarana anay loatra anefa, dia matetika ny olona no tsy mahita afa-tsy ny maha botry anay, ka mazàna izy ireny no tsy tena manisy fiheverana araka ny tokony ho izy ny hafatra entinay. Na izany aza anefa, ny fahatsapana ny fitiavan’i Jehovah dia manome anay risi-po hanohizana ny asa fitoriana ny filazantsara. Manome herim-po anay koa ny fisaintsainana ny Ohabolana 3:5, 6.”

Araka ny asehon’i Laura sy i María, dia afaka manome voninahitra an’Andriamanitra ny fikirizana, na dia eo aza ny sakana ara-batana. Ny apostoly Paoly dia nivavaka mba hanesorana taminy ny ‘tsilo tamin’ny nofony’, izay nety ho zavatra nampahory azy teo amin’ny ara-batana. Niteny taminy anefa Andriamanitra hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.” Eny, tsy voatery hesorina ny kilema ara-batana vao ho afaka hanompo an’Andriamanitra isika. Ny fianteherana tanteraka amin’Andriamanitra dia manampy antsika hanao izay farany azontsika atao ao anatin’ny tarehin-javatra misy antsika. Koa satria nihevitra ny ‘tsilo tamin’ny nofony’ tamin’izany fomba izany i Paoly, dia afaka nilaza hoe: “Ny fahalemeko no fahatanjahako.” (2 Korintiana 12:7, 9, 10). Nanoratra toy izao izy, taona vitsivitsy tatỳ aoriana: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”​—Filipiana 4:13.

Amin’izao andro maoderina izao Andriamanitra dia manatontosa asa lehibe amin’ny alalan’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy, izay manokan-tena tanteraka ho azy. Maro amin’izy ireny no kilemaina. Na dia samy manantena ny fanasitranan’Andriamanitra eo ambanin’ny Fanjakany aza izy rehetra ireny, dia tsy miandry mandra-panafak’Andriamanitra azy amin’ny zava-manahirana azy izy ireny vao hiezaka hanao zavatra eo amin’ny fanompoana azy.

Manana kilema ara-batana ve ianao? Mahereza! Amin’ny alalan’ny finoana anananao, dia afaka ny ho anisan’ireo toa an’i Paoly sy i Laura ary i María ianao. Izao no azo lazaina mahakasika azy ireo, tsy misy hafa amin’izay azo lazaina mahakasika ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana tamin’ny andro fahiny: “Raha nalemy [izy ireo] dia nampahatanjahina”.​—Hebreo 11:34.

[Sary, pejy 8]

María

Laura

[Sary, pejy 9]

María manampy an’i Laura hiakatra ao amin’ny aotobisy

[Sary, pejy 9]

“Tena mampahatahotra anay ny alika, satria toa lehibe toy ny soavaly izy ireny aminay”

Ambany: Laura sy María ary ireo izay miara-mianatra ny Baiboly amin’izy ireo