Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manana “ny Sain’i Kristy” ve Ianao?

Manana “ny Sain’i Kristy” ve Ianao?

Manana “ny Sain’i Kristy” ve Ianao?

“Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie [hamela anareo hanana eo anivonareo, ilay toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Kristy Jesosy, “NW” ]”.​—ROMANA 15:5.

1. Ahoana no ampisehoana an’i Jesosy ao amin’ny sary hoso-doko maro ao amin’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina, ary nahoana izany no tsy ny sary marina mampiseho an’i Jesosy?

“MBOLA tsy hita nihomehy mihitsy izy, na dia indray mandeha aza.” Toy izany no ilazalazana an’i Jesosy ao amin’ny taratasy iray, izay nosandohana ho nosoratan’ny manam-pahefana romanina fahiny iray. Voalaza fa nanan-kery teo amin’ny mpanakanto maro io taratasy io, izay efa hatramin’ny taonjato faha-11 tany ho any no nahafantarana azy amin’ny endriny ankehitriny. * Ao amin’ny sary hoso-doko maro, i Jesosy dia aseho ho toy ny olona malahelohelo izay mahalana vao mitsiky, raha hitsiky aza. Tsy izany velively anefa no sary marina mampiseho an’i Jesosy, izay lazalazain’ireo Filazantsara ho lehilahy nahay nandray olona sy tsara fanahy, izay nanana fihetseham-po lalina.

2. Ahoana no azontsika ambolena “ilay toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Kristy Jesosy”, ary hanomana antsika ho amin’inona izany?

2 Mazava fa mba hahafantarana an’ilay tena Jesosy, isika dia tsy maintsy mameno ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fahatakarana araka ny marina ny hoe karazan’olona nanao ahoana marina i Jesosy, fony izy tetỳ an-tany. Andeha àry hodinihintsika ny fitantarana sasany ao amin’ireo Filazantsara, izay mahatonga antsika hanana fahaiza-mahatakatra “ny sain’i Kristy”​—izany hoe, ny fihetseham-pony, ny fahaizany mahataka-javatra, ny fisainany, ary ny fanjohian-keviny. (1 Korintiana 2:16). Eo am-panaovantsika izany, dia aoka isika handinika ny fomba azontsika ambolena “ilay toe-tsaina mitovy amin’ny nananan’i Kristy Jesosy”. (Romana 15:5, NW ). Amin’izay dia mety ho voaomana kokoa isika hanaraka ny modely navelan’i Jesosy ho antsika, eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa.​—Jaona 13:15.

Mora hatonina

3, 4. a) Inona no toe-javatra nanodidina ilay fitantarana ao amin’ny Marka 10:13-16? b) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy rehefa nanandrana nisakana ireo ankizy madinika tsy hankeo aminy ny mpianany?

3 Nahatsiaro ho voasintona hanatona an’i Jesosy ny olona. Tamin’ny fotoana samihafa, dia tsy nisalasala nanatona azy ny olona samy hafa taona sy fomba fiaina. Diniho ilay zava-nitranga voatantara ao amin’ny Marka 10:13-16. Nitranga izy io rehefa nadiva hifarana ny fanompoan’i Jesosy, tamin’ny diany farany nankany Jerosalema, mba ho faty rehefa avy nijalijaly.​—Marka 10:32-34.

4 Alao sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra. Nanomboka nitondra ankizy, anisan’izany ny zaza menavava, ny olona, mba homen’i Jesosy tsodrano. * Nanandrana nisakana ireo ankizy tsy hankeo amin’i Jesosy anefa ny mpianatra. Angamba nihevitra ireo mpianatra fa tena tsy te hohelingelenina amin’ny ankizy i Jesosy, nandritra ireo herinandro hitrangan-javatra lehibe ireo. Diso hevitra anefa izy ireo. Rehefa takatr’i Jesosy izay nataon’ireo mpianatra, dia tsy faly izy. Niantso ireo ankizy hankeo aminy izy, tamin’ny filazana hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana”. (Marka 10:14). Avy eo izy dia nanao fihetsika nampiharihary fa tena be firaiketam-po sy fitiavana tokoa izy. Hoy ilay fitantarana: “Nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:16). Niharihary fa tsy nihafahafa ireo ankizy rehefa niahy azy i Jesosy ka nitrotro azy.

5. Milaza inona amintsika ilay fitantarana ao amin’ny Marka 10:13-16, raha ny amin’ny hoe karazan’olona nanao ahoana i Jesosy?

5 Io fitantarana fohy io dia milaza amintsika zavatra maro ny amin’ny hoe karazan’olona nanao ahoana i Jesosy. Mariho fa mora nohatonina izy. Na dia nanan-toerana ambony tany an-danitra aza izy, dia tsy nampitahotra ny olombelona tsy lavorary, no sady tsy nanambany azy ireo koa. (Jaona 17:5). Tsy milaza zavatra koa ve ny hoe tsy nihafahafa niaraka taminy, na dia ireo ankizy aza? Azo antoka fa tsy ho nanintona azy ireo ny olona iray mangatsiaka sy tsy falifaly, izay tsy mba nitsiky na nihomehy mihitsy! Na firy taona na firy taona ny olona dia nanatona an’i Jesosy, satria tsapan’izy ireo fa nahay nandray olona sy be fiahiana izy, ary natoky izy ireo fa tsy handroaka azy ireo izy.

6. Inona no azon’ireo loholona atao mba hahatonga ny tenany ho mora hatonina kokoa?

6 Eo am-pieritreretana an’io fitantarana io, dia afaka manontany tena isika hoe: ‘Manana ny sain’i Kristy ve aho? Mora hatonina ve aho?’ Amin’izao fotoan-tsarotra izao, ny ondrin’Andriamanitra dia mila mpiandry mora hatonina, lehilahy izay toy ny “fierena amin’ny rivotra”. (Isaia 32:1, 2; 2 Timoty 3:1). Ry loholona, raha mamboly fiheverana marina amim-pahatsorana ny rahalahinareo ianareo ka vonona ny tsy hikely soroka ho azy ireo, dia ho tsapan’izy ireo fa be fiahiana ianareo. Ho hitany eny amin’ny endrikareo izany, ho reny amin’ny toe-peonareo, ary ho voamariny eo amin’ny fihetsikareo feno hatsaram-panahy. Ny tena fitiavana sy fiahiana toy izany dia afaka miteraka rivo-piainana misy fifampitokisana, ka ho mora kokoa amin’ny hafa, anisan’izany ny ankizy, ny hanatona anareo. Nohazavain’ny vehivavy kristianina iray toy izao ny antony nahafahany ho tia niresaka tamin’ny loholona iray: “Niresaka tamiko tamim-pahalemem-panahy sy tamim-pangoraham-po izy. Raha tsy izany, dia azo inoana fa tsy ho niloa-bava aho. Nataony izay hahatsiarovako tena ho tsy nanana ahiahy.”

Mihevitra ny hafa

7. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa be fiheverana ny hafa izy? b) Inona no mety ho antony nampahiratan’i Jesosy miandalana ny mason’ny lehilahy jamba iray?

7 Be fiheverana i Jesosy. Nahay nahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa izy. Ny fahitana fotsiny ireo olona nijaly dia nanohina lalina ny fony ka nanosika azy hanamaivana ny fahorian’izy ireo. (Matio 14:14). Nasiany fiheverana koa ny fetran’ny mety ho vitan’ny hafa sy ny zavatra nilain’izy ireny. (Jaona 16:12). Indray mandeha, dia nitondra lehilahy jamba iray nankeo amin’i Jesosy ny olona, ka niangavy azy hanasitrana azy io. Nampahiratra indray ny mason’ilay lehilahy i Jesosy, kanefa nataony miandalana izany. Nahita olona nanjavozavo fotsiny​—“toa hazo (...) saingy mamindra”​—ilay lehilahy, tamin’ny voalohany. Avy eo, dia nampahiratin’i Jesosy tanteraka ny masony. Nahoana no nositraniny miandalana ilay lehilahy? Mety ho tena izao ny antony: mba hahafahan’ilay olona efa zatra tao amin’ny haizina, hahatanty ilay fahitana tampoka ny hazavan’ny masoandro sy ny tontolo iray be kojakojany.​—Marka 8:22-26.

8, 9. a) Inona no nitranga tsy ela taorian’ny nidiran’i Jesosy sy ny mpianany tao amin’ny faritr’i Dekapolisy? b) Lazalazao ny nanasitranan’i Jesosy ny lehilahy marenina iray.

8 Diniho koa ny zava-nitranga iray taorian’ny Paska 32 am.f.i. Niditra tao amin’ny faritr’i Dekapolisy, any atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy sy ny mpianany. Tsy ela dia nisy vahoaka betsaka nahita azy ireo tany, ka nitondra olona maro narary sy kilemaina nankeo amin’i Jesosy, ary nanasitrana azy rehetra izy. (Matio 15:29, 30). Mahaliana fa nisy lehilahy iray nosinganin’i Jesosy mba hanehoany fiheverana manokana. Nitantara izay nitranga i Marka, mpanoratra Filazantsara, izay ny hany nandrakitra an-tsoratra ilay zava-nitranga.​—Marka 7:31-35.

9 Marenina ilay lehilahy ary zara raha nahay niteny. Nety ho tsapan’i Jesosy fa hendratrendratra na sakodiavatra io lehilahy io. Nanao zavatra somary tsy nahazatra i Jesosy tamin’izay fotoana izay. Nentiny niala avy teo amin’ny vahoaka ilay lehilahy, ho any amin’ny toerana mitokana iray. Avy eo, dia nanao baiko moana i Jesosy mba hampahafantarany tamin’ilay lehilahy ny zavatra nadiva hataony. “Nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tànany [Izy], dia nandrora ka nanendry ny lelany”. (Marka 7:33). Niandrandra ny lanitra i Jesosy, ary nisento tamim-pahatsorana, nony avy eo. Izany fihetsika nasehony izany dia nilaza tamin’ilay lehilahy hoe: ‘Avy amin’ny herin’Andriamanitra izay zavatra madiva hataoko aminao.’ Hoy i Jesosy tamin’ny farany: “Maladia.” (Marka 7:34). Tamin’izay, dia nalady indray ny sofin’ilay lehilahy, ary afaka niteny ara-dalàna izy.

10, 11. Ahoana no azontsika anehoana fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna? ao amin’ny fianakaviana?

10 Endrey izany fiheverana nasehon’i Jesosy tamin’ny hafa! Nahay nahatakatra ny fihetseham-pon’izy ireo izy, ary io fiheverana feno fangoraham-po io kosa dia nanosika azy hanao zavatra tamin’ny fomba tsy nandratra ny fihetseham-pon’izy ireo. Amin’ny maha Kristianina antsika, dia maneho fahendrena isika raha mamboly sy maneho ny sain’i Kristy amin’io lafiny io. Mananatra antsika toy izao ny Baiboly: “Miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena”. (1 Petera 3:8). Azo antoka fa izany dia mitaky ny hitenenantsika sy ny hanaovantsika zavatra amin’ny fomba izay manisy fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa.

11 Afaka manisy fiheverana ny fihetseham-pon’ny hafa isika ao amin’ny kôngregasiôna, amin’ny fitondrana azy ireo amim-pahamendrehana, toy ny itiavantsika hitondrana ny tenantsika. (Matio 7:12). Tafiditra amin’izany ny fitandremana izay lazaintsika sy ny fomba ilazantsika izany. (Kolosiana 4:6). Tadidio fa ‘ny teny tsy tsaroana dia toy ny fanindron’ny sabatra’. (Ohabolana 12:18). Ahoana ny ao amin’ny fianakaviana? Mahay mahatakatra ny fihetseham-pon’ny andaniny avy, ny mpivady tena mifankatia. (Efesiana 5:33). Halavirin’izy ireo ny teny henjana sy ny fanakianana tsy an-kijanona ary ny esoeso manindrona​—izany rehetra izany dia mety handratra fihetseham-po izay tsy mora sitranina. Manana fihetseham-po koa ny ankizy, ary manisy fiheverana izany ny ray aman-dreny be fitiavana. Rehefa ilaina ny fanitsiana, dia hanome izany ny ray aman-dreny be fitiavana, saingy manaja ny fahamendrehan’ny zanany ny fomba anaovany izany, ka mahatonga azy ireo tsy ho sakodiavatra tsy amin’antony. * (Kolosiana 3:21). Rehefa maneho fiheverana ny hafa toy izany isika, dia asehontsika fa manana ny sain’i Kristy ny tenantsika.

Vonona hatoky ny hafa

12. Inona ilay fomba fihevitra voalanjalanja sy nijery ny zava-misy nananan’i Jesosy momba ny mpianany?

12 Nanana fomba fihevitra voalanjalanja sy nijery ny zava-misy i Jesosy, raha ny amin’ireo mpianany. Fantany tsara fa tsy lavorary izy ireo. Raha ny marina, dia afaka namaky ny tao am-pon’olombelona izy. (Jaona 2:24, 25). Na izany aza, dia tsy ny tsy fahalavorarian’izy ireo fotsiny no hitan’i Jesosy, fa ny toetra tsarany koa. Hitany koa ny zavatra nety ho vitan’ireny lehilahy notaomin’i Jehovah ireny. (Jaona 6:44). Niharihary ilay fijeren’i Jesosy ny lafy tsaran-javatra teo amin’ny mpianany, teo amin’ny fomba nifampiraharahany tamin’izy ireo sy nitondrany azy ireo. Voalohany aloha, dia nasehony fa vonona ny hatoky azy ireo izy.

13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa natoky ny mpianany izy?

13 Ahoana no nampisehoan’i Jesosy izany fatokisany izany? Fony izy nandao ny tany, dia nanankina andraikitra mavesatra tamin’ireo mpianany voahosotra izy. Napetrany tamin’izy ireo ilay andraikitra hikarakara ny tombontsoan’ny Fanjakany maneran-tany. (Matio 25:14, 15; Lioka 12:42-44). Nandritra ny fanompoany, dia nasehon’i Jesosy fa natoky azy ireo izy, na dia tamin’ny fomba madinika sy tsy nivantana aza. Rehefa nampitombo sakafo tamin’ny fomba nahagaga izy mba hamahanana ny vahoaka, dia nankininy tamin’ny mpianany ny andraikitra hizara ilay sakafo.​—Matio 14:15-21; 15:32-37.

14. Ahoana no amintinanao ilay fitantarana ao amin’ny Marka 4:35-41?

14 Diniho koa ilay fitantarana voarakitra ao amin’ny Marka 4:35-41. Niondrana an-tsambokely i Jesosy sy ny mpianany tamin’io fotoana io, ary niantsinanana namakivaky ny Ranomasin’i Galilia. Fotoana fohy taorian’ny niaingan’izy ireo, dia nitsotra teo aoriana tamin’ilay sambokely i Jesosy ka rendriky ny torimaso. Tsy ela anefa dia “nisy tafio-drivotra mahery”. Nahazatra ny tafio-drivotra toy izany teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Noho izy io iva toerana (200 metatra eo ho eo ambanin’ny haabon’ny ranomasina), dia mafana lavitra noho ny eny amin’ny faritra manodidina ny rivotra eo, ka miteraka fikorontanana eo amin’ny atmôsfera izany. Fanampin’izany, dia misy rivotra mahery mitsoka midina ny Lohasahan’i Jordana, avy eny amin’ny Tendrombohitra Hermona, any avaratra. Ny fahatoniana izao dia mety hivadika tampoka ho tafio-drivotra mahery nony avy eo. Eritrereto ange izao e: Tsy isalasalana fa fantatr’i Jesosy ireo tafio-drivotra nahazatra, satria nihalehibe tany Galilia izy. Na izany aza, dia natory tamim-piadanana izy, natoky ny fahaizan’ireo mpianany, izay mpanjono ny sasany taminy.​—Matio 4:18, 19.

15. Ahoana no azontsika anahafana ny fahavononan’i Jesosy hatoky ny mpianany?

15 Azontsika tahafina ve ny fahavononan’i Jesosy hatoky ny mpianany? Sarotra amin’ny sasany ny manankina andraikitra amin’ny hafa. Toy ny hoe tsy maintsy izy ireo foana no mitantana ny zava-drehetra. Mety hieritreritra izy ireo hoe: ‘Raha misy zavatra tiako ho vita tsara, dia ny tenako ihany no tsy maintsy manao izany!’ Kanefa raha ny tenantsika ihany no voatery hanao ny zava-drehetra, dia mety hanasatra mafy ny tenantsika isika, ary angamba isika haka amin’ny fotoana tokony hiarahantsika amin’ny fianakaviantsika, kanefa tsy tena ilaina akory ny hanaovana izany. Ankoatra izany, raha tsy manankina amin’ny hafa ireo asa sy andraikitra tokony hankinina aminy isika, dia mety hisakana ny hahazoan’izy ireo ny traikefa sy ny fiofanana ilainy. Ho fahendrena ny mianatra matoky ny hafa, ka hanankina raharaha amin’izy ireo. Maneho fahendrena isika raha manontany tena amim-pahatsorana hoe: ‘Manana ny sain’i Kristy ve aho amin’io lafiny io? Vonona hanankina asa sasany amin’ny hafa ve aho, ka matoky fa hanao araka izay fara heriny izy ireo?’

Nasehony fa natoky ny mpianany izy

16, 17. Tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany, dia fanomezan-toky inona no nataon’i Jesosy tamin’ireo apostoliny, na dia fantany aza fa handao azy izy ireo?

16 Nampiseho fijerena ny lafy tsaran-javatra tamin’ny mpianany i Jesosy, tamin’ny lafiny lehibe hafa iray. Nampahafantariny azy ireo fa natoky azy ireo izy. Niharihary mazava izany tamin’ireo teny nanome toky izay nolazainy tamin’ireo apostoliny, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany. Mariho izay nitranga.

17 Feno zavatra natao iny takariva iny, ho an’i Jesosy. Nomeny ohatra velona momba ny fanetren-tena ireo apostoliny, tamin’ny nanasany ny tongotr’izy ireo. Naoriny taorian’izay ilay sakafo hariva izay ho fahatsiarovana ny nahafatesany. Avy eo ireo apostoly dia nanjary tafiditra indray tamin’ny fifandirana mafy ny amin’ny hoe iza tamin’izy ireo no toa lehibe indrindra. Naneho faharetana foana i Jesosy, ka tsy nandevilevy azy ireo fa nanjohy hevitra tamin’izy ireo kosa. Nilaza taminy toy izao izay niandry azy ireo izy: “Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: ‘Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana’.” (Matio 26:31; Zakaria 13:7). Fantatr’i Jesosy fa handao azy amin’ny fotoana ilany fanampiana, ireo namany akaiky azy indrindra. Na izany aza, dia tsy nanameloka azy ireo izy. Mifanohitra tanteraka amin’izany aza fa hoy izy tamin’izy ireo: “Rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.” (Matio 26:32). Eny, nanome toky azy ireo izy fa, na dia handao azy aza izy ireo, dia tsy mba handao azy ireo kosa izy. Rehefa ho lasa io fahoriana mafy io, dia hihaona amin’izy ireo indray izy.

18. Fanirahana navesa-danja inona no nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, tany Galilia, ary ahoana no nanatanterahan’ireo apostoly izany?

18 Nitana ny teny nataony i Jesosy. Tatỳ aoriana kokoa, tany Galilia, dia niseho tamin’ireo apostoly nahatoky 11, izay niharihary fa niara-nivory tamin’olon-kafa maro, i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Matio 28:16, 17; 1 Korintiana 15:6). Tany, dia nirahin’i Jesosy hanao asa navesa-danja iray izy ireo: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Manome antsika porofo mazava ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa nanatanteraka izany asa nanirahana izany ireo apostoly. Nitarika tamim-pahatokiana ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany, izy ireo.​—Asan’ny Apostoly 2:41, 42; 4:33; 5:27-32.

19. Mampianatra antsika inona momba ny sain’i Kristy ny zavatra nataon’i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty?

19 Mampianatra antsika inona momba ny sain’i Kristy io fitantarana mampiharihary zavatra io? Nahita ny lafiny ratsy indrindra tamin’ireo apostoliny i Jesosy, kanefa dia “tia azy hatramin’ny farany” izy. (Jaona 13:1). Na dia teo aza ny fahalemen’izy ireo, dia nampahafantariny azy ireo fa nino azy ireo izy. Mariho fa tsy diso toerana ny fatokisan’i Jesosy. Ilay fatokisana sy finoana nasehon’i Jesosy tamin’izy ireo dia tsy isalasalana fa nanatanjaka azy ireo ho tapa-kevitra tao am-pony ny hanatanteraka ilay asa nandidiany azy.

20, 21. Ahoana no azontsika ampisehoana fa mijery ny lafy tsaran-javatra eo amin’ny mpiray finoana amintsika isika?

20 Ahoana no azontsika anehoana ny sain’i Kristy amin’io lafiny io? Aza mijery ny lafy ratsin-javatra fotsiny eo amin’ireo mpiray finoana. Raha ny ratsy indrindra no eritreretinao momba ny hafa, dia azo inoana fa hiseho eo amin’ny teninao sy ny ataonao izany. (Lioka 6:45). Milaza amintsika anefa ny Baiboly fa “mino ny zavatra rehetra” ny fitiavana. (1 Korintiana 13:7). Ny fitiavana dia mijery ny lafy tsaran-javatra, fa tsy ny lafy ratsiny. Mankahery izy io fa tsy manabanty. Vonona kokoa hanao zavatra ny olona, raha fitiavana sy teny mampahery no entina ampirisihana azy, fa tsy fampitahorana. Afaka mankahery sy mampirisika ny hafa isika, amin’ny filazana ny fatokisantsika azy. (1 Tesaloniana 5:11). Raha sahala amin’i Kristy isika, ka mijery ny lafy tsaran-javatra amin’ny rahalahintsika, dia hitondra azy ireo amin’ny fomba mankahery azy isika, ary hahatonga azy hamoaka ny tsara indrindra avy ao aminy.

21 Lasa lavitra kokoa noho ny fanahafana fotsiny ny zavatra sasany nataon’i Jesosy ny hoe mamboly sy maneho ny sain’i Kristy. Araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, raha tiantsika marina ny hanao zavatra sahala amin’i Jesosy, dia tsy maintsy mianatra mijery zavatra toy ny nataony isika aloha. Ireo Filazantsara dia mahatonga antsika ho afaka hahita lafiny hafa amin’ny toetra maha izy azy, ny fisainany, ny fihetseham-pony mahakasika ny asa nanendrena azy. Handinika izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Lazalazain’ilay mpisandoka, ao amin’ilay taratasy, ny bika aman’endrika lazaina fa nananan’i Jesosy, anisan’izany ny lokon’ny volony sy ny volombavany ary ny masony. Nohazavain’ilay mpandika tenin’ny Baiboly atao hoe Edgar J. Goodspeed, fa io fisandohana io dia “natao mba haneken’ny besinimaro ilay filazalazana ny bika aman’endrik’i Jesosy izay voarakitra ao amin’ireo boky fianaran’ny mpanao hoso-doko”.

^ feh. 4 Toa samihafa taona ireo ankizy. Ilay teny nadika eto hoe “zaza” dia ampiasaina koa amin’ilay zanakavavin’i Jairo 12 taona. (Marka 5:39, 42; 10:13). Ao amin’ilay fitantarana mifanitsy amin’ny an’i Marka anefa, i Lioka dia mampiasa teny izay ampiasaina koa amin’ny zaza menavava.​—Lioka 1:41; 2:12; 18:15.

^ feh. 11 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manaja ny Fahamendrehany ve Ianao?” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1998.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy rehefa nanandrana nisakana ireo ankizy tsy hankeo aminy ny mpianany?

• Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’i Jesosy fiheverana ny hafa?

• Ahoana no azontsika anahafana ny fahavononan’i Jesosy hatoky ny mpianany?

• Ahoana no azontsika anahafana ny fatokisana nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoliny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Tsy nihafahafa ny ankizy niaraka tamin’i Jesosy

[Sary, pejy 17]

Nitondra ny hafa tamim-pangoraham-po i Jesosy

[Sary, pejy 18]

Fitahiana ireo loholona mora hatonina