Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijanòna any Ivelan’ny Faritra Mampidi-doza!

Mijanòna any Ivelan’ny Faritra Mampidi-doza!

Mijanòna any Ivelan’ny Faritra Mampidi-doza!

ANJARA asan’ny manam-pahaizana momba ny volkano ny manao fandinihana sy manombana ny porofo, ary dia mampitandrina ny amin’ny hipoahan’ny volkano. (Raha vantany vao nipoaka ny Tendrombohitra Fugen, dia tsy maintsy nanao izay hijanonan’ny olona tany ivelan’ny faritra nampidi-doza ny polisy.) Toy izany koa fa mandinika ny famantarana “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” ireo mpianatra ny Baiboly ka mampitandrina ny hafa ny amin’ny loza mananontanona.​—Matio 24:3, NW.

Ao amin’ilay toko ao amin’ny Baiboly, izay mampitandrina ny amin’ny loza haneran-tany mananontanona, no amakiantsika izao filazalazana momba ny zavatra hiseho izao, izay mbola fiandohana fotsiny ihany: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny tany samy hafa. (...) Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Ary noho [ny fitomboan’ny fandikan-dalàna, NW ] dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. (...) [Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany, NW ].”​—Matio 24:7-14.

Tsy voatery ho mpamakafaka vaovao isika vao hahatakatra fa tanteraka amin’izao fotoana izao io faminaniana io. Nanomboka tamin’ny 1914 indrindra, dia hitantsika ny fahatanterahan’izy io. Ity taonjato ity dia nahitana Ady Lehibe roa, ady an-trano maro dia maro, ady teo amin’ny faritra iray, ary fifandonana ara-pirazanana sy ara-pivavahana. Nijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo vokatr’ireny ady ireny ny olombelona, ankoatra ny fihafiana nateraky ny loza araka ny natiora. Aina maro no nafoy tamin’ny horohoron-tany. Naniry ohatra ny anana ireo sekta manana mpitarika mampiahiahy sy manana mpanara-dia mafana fo tafahoatra. Nahatonga ny olona tsy haneho fitiavana intsony “ny fitomboan’ny fandikan-dalàna”, ary tsy filamatra arahina intsony ny fahaiza-miara-monina amin’ny hafa.

Azo antoka fa tontosaina ankehitriny ilay asa fitoriana maneran-tany, izay lafiny iray amin’ilay famantarana. Jereo fotsiny ange ny fonon’ity gazety ity e! Ho voamarikao fa anisan’ny lohateniny ilay teny hoe “Manambara ny Fanjakan’i Jehovah”. Mivoaka amin’ny fiteny 132 Ny Tilikambo Fiambenana, ary maherin’ny 22 tapitrisa ny isan’ny indray atonta aminy. Fitaovana iray tena lehibe izy ity ho an’ireo mitory “ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity”, any amin’ny tany onenana manontolo. Anisan’io vaovao tsara io izao hafatra izao: I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao, dia nanorina ilay Fanjakana any an-danitra izay handrava ny fandehan-javatra ratsy ka hitondra paradisa eto an-tany. Eny tokoa, efa hita ankehitriny ilay famantarana milaza fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanao zavatra. Midika izany fa tandindomin-doza ny ain’ny olona ao amin’ity fandehan-javatra ity.​—Ampitahao amin’ny 2 Timoty 3:1-5; 2 Petera 3:3, 4; Apokalypsy 6:1-8.

Ilay andron’i Jehovah mahatsiravina

Inona no hitranga rehefa tena tonga ny fotoana hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany? Henoy ny filazalazany toa hitan’ny maso, mahakasika izay hitranga amin’izany fotoana izany: “Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.”​—Joela 3:3, 4.

Antomotra io andro io, izay hahatahotra kokoa sy handrava kokoa noho izay rehetra mety ho fipoahana volkano na horohoron-tany eo amin’ny toerana iray. Hoy i Zefania mpaminany: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra (...) Holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.” “Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. Na izany aza, dia misy fomba hahatafitana velona amin’io andro mahatsiravina io.​—Zefania 1:14-18.

Nasehon’i Zefania ny fomba hetezan’izany, tamin’ny nilazany hoe: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, (...) tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:2, 3). Afaka ny hahita fialofana isika, amin’ny ‘fitadiavana an’i Jehovah, amin’ny fitadiavana ny fahamarinana, ary amin’ny fitadiavana ny fandeferana’. Iza amin’izao andro izao no mitady an’i Jehovah?

Tsy isalasalana fa ny teny hoe “Jehovah” dia hampifandraisinao amin’ny teny hoe Vavolombelon’i Jehovah, noho ny asa fitorian’izy ireo. Mety ho avy tamin’ny iray amin’izy ireo no nahazoanao ity gazety ity. Fantatra ho olom-pirenena tsara fitondran-tena sy mahitsy fiaina izy ireo. Miezaka mafy hitafy “toetra vaovao” izy ireo, anisan’izany ny fambolena fandeferana. (Kolosiana 3:8-10). Eken’izy ireo fa izany dia vokatry ny nahazoan’izy ireo fanabeazana avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, izay manana solontena maneran-tany, dia ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Eny, afaka ny hahita fialofana miaraka amin’ ‘ny rahalahy rehetra’ eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ianao.​—1 Petera 5:9.

Mitadiava fialofana dieny izao

Mba hahitana fialofana amin’ny fitadiavana an’i Jehovah, dia tsy maintsy sakaizany ianao. Inona no tafiditra amin’izany? Izao no avalin’ny Baiboly: “Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Mba hahatongavana ho sakaizan’Andriamanitra, dia tsy maintsy manaisotra amin’ny tenantsika izay mety ho firaiketam-po amin’ity tontolo ratsy ankehitriny ity isika. Toetra mampiavaka an’ity tontolo ratsy ity mantsy ny toe-tsaina tia mikomy amin’Andriamanitra.

Mananatra antsika toy izao ny Baiboly: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:15-17). Ny ankamaroan’ny olona ankehitriny dia atosiky ny faniriana araka ny nofo, toy ny filana mafy tsy voafehy eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ny fikatsaham-bola tafahoatra, ary ny fanamparam-pahefana. Mba hiandaniana amin’i Jehovah anefa, dia tsy maintsy mandresy ny faniriana toy izany ny olona iray.​—Kolosiana 3:5-8.

Mety ho efa namaky tsindraindray ity gazety ity ianao, ary mety hanaiky ny fomba ampiharany an’ireo faminanian’ny Baiboly. Na izany aza, dia mety hisalasala ianao ny hanao ny dingana fanampiny, dia ny fiarahana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha miatrika loza anefa isika, ampy ve ny mandre fotsiny ny fampitandremana? Araka ny hitantsika tamin’ny nipoahan’ny Tendrombohitra Fugen, dia mila manao zavatra mifanaraka amin’ny fampitandremana isika. Tadidio fa 15, raha kely indrindra, ireo mpanao gazety sy mpaka sary, izay namoy ny ainy raha nikasa ny hanangom-baovao mahaliana. Raha ny marina, dia mbola teo amin’ny bokotry ny fakan-tsariny ny rantsantanan’ny mpaka sary iray, tamin’ny fotoana nahitana ny fatiny. Nilaza toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny volkano: “Raha tsy maintsy ho faty aho indray andro any, dia eo an-tsisin’ny volkano iray no tiako hahafatesana.” Namoy ny ainy araka ilay fomba naniriany azy indrindra izy io. Samy nanokan-tena ho amin’ny asa aman-draharahany avokoa izy ireo. Nanaraka hatramin’ny ainy anefa, ary izany no vidin’ny tsy firaharahana ny fampitandremana.

Maro, ankehitriny, no mandre ilay hafatra momba ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra handrava ity fandehan-javatra ratsy ity, ary takatr’izy ireny ihany fa marim-pototra ilay fampitandremana. ‘Mety ho tonga izany’, hoy ny mety ho fanjohian-kevitr’izy ireo, ‘saingy tsy anio aloha e!’ Ahemotr’izy ireo araka izay mety aminy ny andron’i Jehovah fa sao hampivily ny sainy tsy hifantoka amin’izay toa zava-dehibe kokoa eo imasony amin’izao fotoana izao.

Nanana izany zava-manahirana izany i Baroka. Mpitan-tsoratr’i Jeremia mpaminany fahiny i Baroka, ka nampitandrina tamin-kerim-po an’ireo Isiraelita, ny amin’ny fandravana nananontanona an’i Jerosalema. Nisy fotoana anefa tsy nananany risi-po intsony hanao ilay asa nanirahana azy. Nananatra azy toy izao i Jehovah, noho izany: “Mitady zavatra lehibe ho anao va hianao? aza mitady izany!” Tsy tokony ‘hitady zavatra lehibe ho an’ny tenany’ i Baroka, na harena izany, na laza, na tsy fananana ahiahy ara-nofo. Tokony ho liana amin-javatra iray loha izy, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ka hanampy ny olona hiandany amin’i Jehovah. Vokatr’izany, dia hahazo ny ‘ainy ho babo’ izy. (Jeremia 45:1-5). Toy izany koa isika: Tsy ‘hitady zavatra lehibe ho an’ny tenantsika’ isika, fa tokony hitady an’i Jehovah, satria afaka mitarika ho amin’ny famonjena ny aintsika izany.

Teo amin’ny Tendrombohitra Fugen, dia polisy sy mpamono afo nirotsaka an-tsitrapo, niisa 12 mahery no teo am-panaovana ny asany rehefa namely azy ireo ilay ranoka volkano faran’izay nahamay. Niezaka hanampy sy hiaro ny olona notandindomin-doza izy ireo. Tahaka ireo lehilahy sy vehivavy tsara fikasa izay revo amin’ny fanatsarana ity tontolo ity, izy ireo. Na dia mety ho mendri-kaja aza ny antony nanosika azy ireo, dia ‘tsy mety ho tonga mahitsy ny meloka’. (Mpitoriteny 1:15). Tsy azo ahitsy ity fandehan-javatra meloka ity. Fahendrena ve ny ‘hisakaizan’ny tenantsika amin’izao tontolo izao’, amin’ny fiezahana hamonjy fandehan-javatra maneran-tany iray izay tsy maintsy hofoanan’Andriamanitra, araka ny efa fanapahan-keviny?

Raha vantany vao nandositra ianao, dia aza miverina intsony

Sasanangy samy hafa ny hoe mandositra an’ity fandehan-javatra tandindomin-doza ity, sy ny hoe mitoetra ao amin’ny fiarovan’ny ‘rahalahy rehetra’. (1 Petera 2:17). Aoka isika tsy hanadino an’ireo mpamboly izay niverina indray hijery ny tanimboliny teny akaikin’ny Tendrombohitra Fugen, taorian’ny nandaozany an’ilay faritra. Azo inoana fa dodona ny hiverina ho amin’ny fiainana “ara-dalàna” nahazatra azy izy ireo. Takatrao anefa fa tsy fahendrena ny nandraisany fanapahan-kevitra hiverina. Tsy io angamba no voalohany nanandraman’izy ireo nihoatra ilay tsipika tsy azo nihoarana. Mety ho niditra, nandritra ny fotoana kely fotsiny, tao amin’ilay faritra nampidi-doza izy ireo, nefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Tamin’ny fotoana nanaraka, dia nety ho nijanona tao elaela kokoa izy ireo, ary mbola tsy nisy na inona na inona nitranga koa. Azo inoana fa tsy ela izy ireo dia nanjary zatra nihoatra an’ilay tsipika fiarovana, ka sahy nitaredretra tao amin’ilay faritra efa notandindomin-doza.

Niresaka toe-javatra mitovy amin’izany izay hitranga mandritra “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” (NW ) i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.”​—Matio 24:3, 38, 39.

Mariho fa niresaka momba ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fanambadiana i Jesosy. Tsy misy ratsy eo imason’i Jehovah akory ireo zavatra ireo. Inona àry no ratsy? Ny olona tamin’ny andron’i Noa dia ‘tsy nahafantatra’ na tsy niraharaha, ka nanana fiainana nifantoka tamin’ireo zavatra fanaony nahazatra. Amin’ny fotoana ilana vonjy aina, dia tsy misy afaka hanana fiainana “ara-dalàna”. Raha vantany vao nandositra na nisaraka tamin’ity tontolo voaheloka ankehitriny ity ianao, dia tsy maintsy miady amin’izay mety ho faniriana hiverina hanararaotra an’izay rehetra azo tsimponina avy amin’izy io. (1 Korintiana 7:31). Mety ho afaka hirenireny eny ivelan’ilay faritra azo antoka eo amin’ny lafiny ara-panahy ianao, ary hiverina, nefa sady tsy naninon-tsy naninona no tsy nisy nahamarika akory aza. Azo inoana anefa fa hahatonga anao ho sahisahy izany, ary hitarika anao hiverina ao amin’izao tontolo izao indray, ka hitaredretra elaela kokoa ao. Tsy ho ela dia hitombo tsikelikely ao aminao ilay toe-tsaina hoe: “Tsy ho tonga anio ny farany.”

Afa-tsy izany koa, dia eritrereto ireo mpitondra taxi telo izay namoy ny ainy teo am-piandrasana an’ireo mpanao gazety sy mpaka sary, fony nitambolimbolina nidina tamin’ny tehezan’ilay tendrombohitra ny ranoka volkano. Ny sasany amin’izao andro izao dia mety hanaraka ny hafa izay sahy niverina any amin’izao tontolo izao. Na inona na inona antony, dia mazava fa tsy mendrika ny hanaovana vivery ny aina ny fanambatambazana hiverina ho ao amin’ilay faritra mampidi-doza.

Ireo rehetra maty tamin’ilay fipoahan’ny Tendrombohitra Fugen dia samy nihoatra an’ilay tsipika mamaritra ny faritra azo antoka ka niampita nankao amin’ilay faritra nampidi-doza. Na dia nampoizin’izy ireo aza fa hipoaka ilay tendrombohitra indray andro any, dia tsy nisy nihevitra fa tamin’iny andro iny no hipoahany. Rehefa mandinika ny famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra ny maro, dia manantena fa ho avy ny andron’i Jehovah, saingy tsy azo inoana loatra ho ato ho ato. Misy mihevitra mihitsy aza hoe tsy ho “anio” mihitsy ilay andro. Mampidi-doza tokoa ny toe-tsaina toy izany.

“Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’i Jehovah”, hoy ny fampitandreman’ny apostoly Petera. Mila ny ho mailo isika, “amin’ny fiandrasana sy amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”, amin’ny ‘fanaovana izay farany azontsika atao mba ho hitany ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana isika, amin’ny farany.’ (2 Petera 3:10-14, NW ). Aorian’ny fandravana ity fandehan-javatra ratsy ankehitriny ity, dia tany zary paradisa eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra no hiandry antsika. Enga anie isika ka tsy halaim-panahy na oviana na oviana hisetra loza ka hoe hankao amin’ilay faritra mampidi-doza, na inona na inona antony mety hoforomporonin’ny saintsika, satria mety ho amin’ilay andro hihoarantsika ilay tsipika ka hiverenantsika ao amin’izao tontolo izao no hahatongavan’ny andron’i Jehovah.

Mitadiava fialofana miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah, ary mijanòna eo amin’izy ireo.

[Sary, pejy 7]

Mitadiava fialofana miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah, ary mijanòna eo amin’izy ireo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Iwasa/Sipa Press