Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Baiboly no Nilaza Izany Voalohany

Ny Baiboly no Nilaza Izany Voalohany

Ny Baiboly no Nilaza Izany Voalohany

● “Tsy natomboka avy hatrany sy tamin’ny fomba maimaika mihitsy ny resadresaka. Tsy nisy mailaka nametraka fanontaniana, na dia lehibe toy inona aza ilay izy, ary tsy nisy nododonana hanome valin-teny. Ny fiatoana mba hanomezana fotoana hieritreretana no tena fahalalam-pomba hanombohana sy hitondrana resadresaka. Nisy heviny tamin’ny Lakota ny fanginana (...) Natao [izany] mba hanehoana fahalalam-pomba marina sy fiheverana ilay fitsipika hoe: ‘mialoha ny teny ny eritreritra.’​—Luther Standing Bear, lehiben’ny Sioux oglala (1868?-1939).

“Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra”.​—Jakoba 1:19, ny Baiboly (taonjato voalohany am.f.i.).

“Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly; fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.”​—Ohabolana 15:28, ny Baiboly (tokotokony ho tamin’ ny taonjato fahavalo al.f.i.).

“Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo.”​—Ohabolana 29:11, ny Baiboly (tokotokony ho tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i.).