Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Miaramila Intsony no Mitondra Faisana Noho ny Ady

Tsy Miaramila Intsony no Mitondra Faisana Noho ny Ady

Tsy Miaramila Intsony no Mitondra Faisana Noho ny Ady

“HAFA noho ny ady tamin’ny lasa ny amin’izao fotoana izao (...) Olom-pirenena tsotra, fa tsy miaramila” no mihabetsaka maty, araka ny tatitra nataon’ny “Perspective”, fandaharana aelin’ny Radion’ny ONU. Nandritra ny ady lehibe voalohany, ohatra, dia ny 5 isan-jato monja tamin’ny maty rehetra no sivily. Nandritra ny ady lehibe faharoa anefa, dia nitsambikina ho 48 isan-jato ny isan’ny sivily maty. Ary amin’izao andro izao, hoy ny fanamarihan’ny Radion’ny ONU, dia “saika ny maty rehetra vokatry ny fifandonana no sivily​—90%​—ary zaza amam-behivavy sy zokiolona ny ankamaroany”.

Araka ny voalazan’i Olara Otunnu, izay sekretera jeneralin’ny Solontena Manokana Momba ny Ankizy sy ny Fifandonana Itanam-piadiana ao amin’ny ONU, dia “ankizy tombanana ho roa tapitrisa no novonoina nandritra ny fifandonana nitanam-piadiana, nanomboka tamin’ny 1987”. Izany dia mitovy amin’ny hoe ankizy maherin’ny 450 isan’andro no maty vokatry ny ady, nandritra ireo 12 taona farany! Fanampin’izany, nandritra io fe-potoana io ihany, dia ankizy mihoatra ny enina tapitrisa no naratra mafy na tonga kilemaina tanteraka.

Fomba iray azon’ny ONU iadiana amin’ny fitomboan’ny isan’ny ankizy maty vokatry ny ady, hoy ny fanoloran-kevitr’Atoa Otunnu, ny fampitomboana ny faritra tsy azo iadiana. “Tokony hoheverina ho faritra tsy azo iadiana ny toerana be ankizy, toy ny sekoly, ny hopitaly ary ny toeram-pilalaovana.” Kanefa, hoy ihany ny Radion’ny ONU, “alohan’ny zavatra rehetra, dia ny fisorohana ny fifandonana” no fomba mandaitra indrindra anaovan’ny ONU izay hahazoana antoka fa tsy ho faty vokatry ny ady ny olom-pirenena tsotra. Tena mitaky ny hanafoanana ny ady mihitsy tokoa mantsy ny fanafoanana ny fisian’ny olona maty vokatry ny ady. Hitranga ve izany, indray andro any?

Noho ny tantara lava be momba ny ady nataon’ny olombelona, dia ara-dalàna raha mihevitra ny ankamaroan’ny olona fa tsy hitondra fandriampahalemana haneran-tany na oviana na oviana ny olombelona. Mampanantena anefa ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, fa hanao izany i Jehovah Andriamanitra: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy”. (Salamo 46:9). Rahoviana no hitranga izany? Ary nahoana ianao no afaka mahazo antoka fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra fandriampahalemana haneran-tany? Raha tianao ny hahazo ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia manorata any amin’ny mpampanonta ity gazety ity, amin’ny fampiasana ny adiresy akaiky indrindra ny misy anao voalaza ao amin’ny pejy faha-5, na manatòna ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anao. Tsy misy fanerena na vola aloa​—fa valin-teny feno fahatsorana fotsiny no homena anao.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

UN PHOTO 156450/J. Isaac