Inona no Hitan’izy Ireo tao Jezirela?
Inona no Hitan’izy Ireo tao Jezirela?
AOLO nandritra ny taonjato maro ny toerana nisy ny tanànan’i Jezirela fahiny. Nisy fotoana nampahalaza io tanàna io tao amin’ny tantaran’ny Baiboly. Dongona sisa izy io ankehitriny, tsy manana ny voninahiny fahiny intsony, ary rakotra soson-tany. Nanomboka nandinika ireo sisa tavela tamin’i Jezirela ny arkeôlôgy, tato anatin’ireo taona faramparany. Inona no ahariharin’ireo sisan-javatra rava ireo momba ny fitantaran’ny Baiboly?
Jezirela ao amin’ny Baiboly
Teo amin’ny tapany atsinanana amin’ny Lohasahan’i Jezirela no nisy ilay tanàna, teo amin’ny faritra iray lonaka kokoa teo amin’ny tanin’ny Isiraely fahiny. Terỳ ampita avaratr’ilay lohasaha no nisy ny havoana More, izay nitobian’ny Midianita, fony izy ireo niomana hanafika an’i Gideona Mpitsara sy ireo miaramilany. Somary teo atsinanana no nisy ny fantsakana Haroda, teo am-pototry ny Tendrombohitra Gilboa. Teo no nahenan’i Jehovah ho 300 monja ireo miaramila an’arivony maro tao amin’ny tafik’i Gideona, mba hampisehoan’i Jehovah fa hainy ny namonjy ny vahoakany, na dia tsy nisy tafika nahery aza. (Mpitsara 7:1-25; Zakaria 4:6). Teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa teo akaiky no nandresen’ny Filistina an’i Saoly, ilay mpanjaka voalohan’ny Isiraely, tao amin’ny ady nampangitakitaka iray, izay nahafatesan’i Jonatana sy ny zanakalahin’i Saoly roa hafa, ary namonoan’i Saoly tena.—1 Samoela 31:1-5.
Fisehoan-javatra mifanohitra be no resahin’ny Baiboly momba ilay tanànan’i Jezirela fahiny. Etsy an-daniny, ireo mpitondra teo amin’ny Isiraely izay nanampatra fahefana sy nivadi-pinoana, ary etsy an-kilany, ireo mpanompon’i Jehovah nahatoky sy be zotom-po. Tao Jezirela i Ahaba Mpanjaka—izay mpanapaka ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra, tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato fahafolo al.f.i.—no nanangana ny lapany, na dia i Samaria aza no renivohitra ofisialy. (1 Mpanjaka 21:1). Avy tao Jezirela i Jezebela, vehivavy hafa firenena vadin’i Ahaba, no nandrahona ny hamono an’i Elia, mpaminanin’i Jehovah. Nahatezitra an’i Jezebela ny namonoan’i Elia tsy tamin-tahotra ireo mpaminanin’i Bala, taorian’ny fitsapana ny amin’ny hoe iza no tena Andriamanitra, dia fitsapana nataon’i Elia teo an-Tendrombohitra Karmela.—1 Mpanjaka 18:36–19:2.
Tao Jezirela koa no nitranga ny heloka bevava iray. Maty novonoina i Nabota jezirelita. Nitsiriritra ny tanimboalobok’i Nabota i Ahaba Mpanjaka. Rehefa nangataka ilay tany ilay mpanjaka, dia naneho tsy fivadihana i Nabota tamin’ny famaliana hoe: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah izany! fa tsy homeko anao ny tanin-drazako.” Tsy faly mihitsy i Ahaba tamin’io valin-teny niorina tamin’ny foto-pitsipika io. Rehefa hitan’i Jezebela, vadin’ny mpanjaka, fa nanjonitra ny mpanjaka, dia nandamina sarintsarim-pitsarana niampangana an’i Nabota ho nanao blasfemia izy. Hita ho meloka i Nabota tsy nanan-tsiny, ka notoraham-bato ho faty, ary nalain’ny mpanjaka ny tanimboalobony.—1 Mpanjaka 21:1-16.
Naminany toy izao i Elia, noho io haratsiam-panahy io: “Ny alika hihinana an’i Jezebela eny ivelan’ny màndan’i Jezirela.” Mbola nanambara toy izao koa ilay mpaminany: “Izay tamingan’i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika (...) Fa 1 Mpanjaka 21:23-29). Mbola mitohy ihany ny fitantaran’ny Baiboly: Voahosotra ho mpanjakan’ny Isiraely i Jeho, tamin’ny andron’i Elisa, izay nandimby an’i Elia. Rehefa niditra tao Jezirela ny kalesin’i Jeho, dia nodidian’i Jeho ny hanjerana an’i Jezebela avy teo am-baravarankelin’ny lapany, ary nohitsakitsahin’ny soavaly i Jezebela. Hita nony avy eo fa ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany ihany sisa no navelan’ireo alika mpihinam-pako. (2 Mpanjaka 9:30-37). Ny fisehoan-javatra farany tantarain’ny Baiboly izay mifandray mivantana amin’i Jezirela, dia izay nitranga taorian’ny namonoana ireo zanakalahin’i Ahaba 70. Nataon’i Jeho ho antontany roa lehibe teo am-bavahadin’ny tanànan’i Jezirela ny lohan’izy ireo, ary avy eo dia novonoiny ho faty ireo mpitarika sy mpisorona hafa voarohirohy tamin’ny fanapahan’i Ahaba voamariky ny fivadiham-pinoana.—2 Mpanjaka 10:6-11.
tsy nisy tahaka an’i Ahaba, izay nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah, satria namporisihin’i Jezebela vadiny izy.” Nanetry tena anefa i Ahaba rehefa nanonona ny didim-pitsaran’i Jehovah i Elia, koa nambaran’i Jehovah fa tsy hihatra amin’ny fahaveloman’i Ahaba io sazy io. (Inona no hitan’ireo arkeôlôgy?
Nanomboka tamin’ny 1990 ny tetik’asa iray nifarimbonana nihadiana ny toerana nisy an’i Jezirela. Nandray anjara tamin’izany ny Ivon-toeran’ny Arkeôlôjian’ny Oniversiten’i Tel Aviv (i David Ussishkin no nisolo tena azy io), sy ny Sekoly Britanika Momba ny Arkeôlôjia ao Jerosalema (i John Woodhead no nisolo tena azy io). Nandritra ny fe-potoana fito (naharitra iray volana sy tapany ny fe-potoana tsirairay), tao anatin’ireo taona 1990-1996, dia mpiasa an-tsitrapo teo anelanelan’ny 80 ka hatramin’ny 100 no niasa teo amin’ilay toerana.
Toy izao no fomba fiasan’ny arkeôlôjia amin’ny andro ankehitriny: Dinihina araka izay isehoany ny porofo eo amin’ny toerana iray, fa tsy heverina ny fomba fihevitra sy teôria efa ao an-tsaina mialoha. Noho izany, ho an’ny arkeôlôgy mandinika ireo tany voalazan’ny Baiboly, dia tsy ny fitantaran’ny Soratra Masina no tompon’ny teny farany momba ilay foto-kevitra. Tsy maintsy heverina sy dinihina amim-pitandremana ny loharanon-kevitra sy ny porofo hita maso hafa rehetra. Lazain’i John Woodhead anefa, fa tsy misy porofo an-tsoratra tranainy momba an’i Jezirela, ankoatra ireo toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly. Koa tokony hampidirina ao anatin’izay anaovana famotopotorana àry ny fitantaran’ny Baiboly sy ny fandaharan-taonany. Inona no nahariharin’ny fikarohan’ireo arkeôlôgy?
Rehefa nofongarina ireo manda sy asa tanimanga, dia nanjary niharihary hatramin’ny voalohany fa tamin’ilay antsoina hoe Vanim-potoan’ny Vy no nisian’ireo sisan-javatra rava ireo, izany hoe tamin’ny andron’ilay Jezirela voalazan’ny Baiboly indrindra. Rehefa nitohy anefa ny fihadian-tany, dia maro be ny zavatra tsy nampoizina. Ny voalohany dia ny haben’ilay toerana sy ny hatevin’ireo mandany. Nantenain’ireo arkeôlôgy ny hahita toerana nisy manda toy ny an’i Samaria fahiny, ilay renivohitry ny fanjakan’ny Isiraely. Rehefa nitohy ihany anefa ny fandavahana, dia niharihary fa lehibe lavitra i Jezirela. Nirefy 300 metatra teo ho eo
ny lavany, ary 150 metatra ny sakany, ka ny tontalin’ny velaran’ilay faritra ao anatin’ny mandany dia maherin’ny avo telo heny noho ny an’ny tanàna hafa tany Isiraely tamin’izany andro izany, hita tatỳ aoriana. Voahodidina hadivory maina, izay 11 metatra ambanin’ireo manda, izy io. Lafin-javatra mbola tsy nisy toa azy tamin’ny andron’ny Baiboly io hadivory io, araka ny voalazan’ny Profesora Ussishkin. “Tsy mahita zavatra toa azy io izahay teo amin’ny Isiraely, mandra-pahatongan’ny vanim-potoan’ny Kroazada”, hoy izy.Lafin-javatra hafa iray tsy nampoizina koa ny tsy fisian’ny trano firy tao afovoan’ilay tanàna. Nitaterana tany be dia be mivolontsôkôlà manopy mena tao nandritra ny nanorenana ilay tanàna, mba hananganana toerana avo marin-tampona—karazana lampihazo lehibe nasondrotra—tao anaty fefy. Hazavain’ny Second Preliminary Report, izay tatitra momba ny fihadian-tany tao Tel Jezreel, fa io lampihazo avo io dia nety ho porofo fa tsy lapan’ny mpanjaka fotsiny i Jezirela. Hoy ilay tatitra: “Azontsika heverina ho foiben’ny tobin’ny tafiky ny mpanjakan’ny Isiraely i Jezirela, tamin’ny andron’ireo mpanjaka Omride [Omry sy ny zanany] (...), ka sady nitobian’ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavalin’ny mpanjaka, no nahazoany fiofanana.” Rehefa jerena ny haben’io lampihazo nasondrotra io sy ny an’ilay fefy, dia tombanan’i Woodhead fa nety ho karazan-toerana fanaovana matso izy io, mba hampiderana ny herin’ny tafika an-kalesy lehibe indrindra tany Moyen-Orient, tamin’izany fotoana izany.
Lafin-javatra hafa iray nahaliana manokana an’ireo arkeôlôgy ny sisa tavela tamin’ny vavahadin’ilay tanàna nofongarina. Hita tao ny fidiran’ny vavahady iray nisy efitrano efatra, fara fahakeliny. Tsy azo anatsoahan-kevitra anefa io zavatra hita io, satria vato maro teo amin’ilay toerana no nisy nandroba, nandritra ny taonjato maro. Mihevitra i Woodhead fa vavahady nisy efitrano enina ireo sisan-javatra ireo, ary nitovy habe tamin’ireo hita tao Megido sy Hazora ary Gazera. *
Asehon’ireo zavatra hitan’ireo arkeôlôgy, fa fohy kely tsy araka ny nampoizina ny fotoana nisian’ilay tanàna izay tsara toerana aoka izany, na teo amin’ny lafiny ara-tafika na ara-jeografia. Antitranterin’i Woodhead fa tsy nisy afa-tsy nandritra ny fe-potoana iray monja i Jezirela, izany hoe tsy nampiasaina afa-tsy nandritra ny am-polony taona vitsivitsy monja, tamin’ny naha tanàna lehibe nimanda azy. Mifanohitra be amin’izany anefa no nitranga tamin’ireo toerana lehibe hafa maro teo amin’ny Isiraely voalazan’ny Baiboly, toa an’i Megido sy i Hazora ary i Samaria renivohitra, izay imbetsaka no naorina indray sy nitarina ary nonenana, nandritra ny fotoana samihafa. Nahoana no vetivety aoka izany dia tsy nampiasaina intsony io toerana tsara dia tsara io? Vinavinain’i Woodhead ho saika nahatonga fitambotsoran’ny toe-karena i Ahaba sy ny taranany, satria nandanilany foana ny loharanon-karen’ilay firenena. Porofon’izany ny hoe tafahoatra ny haben’ny tanànan’i Jezirela sy ny heriny. Azo inoana fa tsy ta hampahatsiaro an’i Ahaba intsony ilay fitondrana vaovao notarihin’i Jeho, ka nandao ilay tanàna.
Hamafisin’ny porofo rehetra nofongarina hatramin’izao, fa foibe lehibe teo amin’ny Isiraely, tamin’ny Vanim-potoan’ny Vy, i Jezirela. Mifanaraka tsara amin’ny filazan’ny Baiboly azy ho lapa lehibe nonenan’i Ahaba sy i Jezebela, ny habeny sy ireo mandany. Tao anatin’ny fotoana voafetra ihany no nonenana izy io, tamin’ilay Vanim-potoan’ny Vy. Ireo soritra manondro izany dia mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly momba io tanàna io: Nisondrotra haingana izy io, nandritra ny fanapahan’i Ahaba, ka nitana toerana ambony, ary avy eo, araka ny baikon’i Jehovah, dia toa naetry tanteraka, rehefa “novonoin’i Jeho izay sisa rehetra tamin’ny taranak’i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin’ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza”.—2 Mpanjaka 10:11.
Famaritana ny vanim-potoana nisian’i Jezirela
“Sarotra be amin’ireo arkeôlôgy ny mahita fototra marina hiaingana hamaritana ireo daty”, hoy ny fieken’i John Woodhead. Koa rehefa mandinika akaiky ireo vokatry ny fihadian-tany nandritra ny fito taona ireo arkeôlôgy, dia mampitaha izany amin’ireo zavatra hitan’ny arkeôlôgy tany an-toeran-kafa. Niteraka fanombantombanana vaovao sy adihevitra izany. Nahoana? Satria taorian’ny fihadian-tany nataon’i Yigael Yadin, arkeôlôgy israelianina, tao Megido, nandritra ireo taona 1960 sy teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia noheverina fa nohamafisin’ny arkeôlôgy maro fa nahita manda sy vavahadin-tanàna tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka i Yadin. Manjary misalasala momba izany fanatsoahan-kevitra izany ny arkeôlôgy sasany ankehitriny, noho ireo manda sy asa tanimanga ary vavahady hita tao Jezirela.
Ohatra, mitovy tsy misy hafa amin’ny asa tanimanga teo amin’ilay soson-tany tao Megido, izay nampifandraisin’i Yadin tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka, ny asa tanimanga hita tao Jezirela. Mitovitovy ny rafitra sy ny haben’ny vavahady tamin’ireo toerana roa ireo, raha tsy tena mitovy mihitsy aza. Hoy i Woodhead: “Ny porofo rehetra dia, na manondro an’i Jezirela ho tamin’ny andron’i Solomona, na mampihemotra ny datin’ireo zavatra tao amin’ireo toerana hafa [Megido sy Hazora] ho tamin’ny andron’i Ahaba.” Koa satria ampifandraisin’ny Baiboly mazava tsara amin’ny andron’i Ahaba i Jezirela, dia heverin’i Woodhead ho ara-dalàna kokoa ny hanekena hoe ahitana taratry ny andro nanapahan’i Ahaba ireo soson-tany nahitan-javatra ireo. Miombon-kevitra aminy koa i David Ussishkin, ka hoy izy: “Milaza ny Baiboly fa i Solomona no nanorina an’i Megido, fa tsy milaza izy akory hoe [i Solomona] no nanorina ireo vavahady ireo.”
Azo fantarina ve ny tantaran’i Jezirela?
Miteraka fisalasalana momba ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’i Jezirela na i Solomona ve ireo zavatra hitan’ny arkeôlôgy ireo sy ny adihevitra aterak’izany? Raha ny marina, dia tsy misy fiantraikany firy eo amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny adihevitra ifanaovan’ireo arkeôlôgy. Fototra hafa noho ny an’ny fitantaran’ny Baiboly no entin’ny arkeôlôjia handinihana ny tantara. Hafa ireo fanontaniana apetrany, ary zavatra hafa no antitranteriny. Azo ampitahaina amin’ny mpandeha mitovy toerana aleha, ny mpianatra ny Baiboly sy ny arkeôlôgy. Mandeha amin’ny fiarakodia eo amin’ny arabe ny iray, fa ilay faharoa kosa mandeha an-tongotra eo amin’ny sisin-dalana. Samy hafa ny zavatra ifantohany sy ahiny. Na izany aza, dia matetika no mifameno, fa tsy mifanohitra, ny zavatra hitany. Mitarika ho amin’ny fahatakaran-javatra mahavariana ny fampitahana ny zavatra hitan’ireo mpandeha roa ireo.
Mirakitra fitantarana an-tsoratra momba ny zava-nitranga sy ny olona fahiny ny Baiboly; ny arkeôlôjia kosa miezaka hahazo fanazavana momba ireny zava-nitranga sy olona ireny, amin’ny fandinihana izay rehetra mety ho soritra navelan’izy ireny mety ho mbola hita ao anaty tany. Mazàna anefa no tsy ampy mihitsy ireny sisan-javatra ireny, ary azo hazavaina amin’ny fomba samihafa. Hoy ny fanazavan’i Amihai Mazar, ao amin’ilay bokiny hoe Archaeology of the Land of the Bible—10,000−586 B.C.E., ny amin’io lafiny io: “Ny asan’ny arkeôlôgy (...) dia fahaizana ara-javakanto, amin’ny ankapobeny, ary koa fiofanana omban’ny fahaizan’ny matihanina. Tsy misy fomba fiasa hentitra afaka miantoka ny fahombiazana, ary tsy maintsy mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra vaovao sy mahay mamoron-kevitra ireo tompon’andraikitra. Tsy latsa-danja noho ny fiofanana sy ny zavatra eo am-pelatanan’ny arkeôlôgy ny toetrany sy ny talentany ary ny fahaizany mitsara zavatra.”
Nohamafisin’ny arkeôlôjia fa nisy foibe lehibe iray nonenan’ny mpanjaka sy nitobian’ny tafika tao Jezirela, nandritra ny fotoana fohy kely tsy araka ny nampoizina, tamin’ny vanim-potoana ara-tantara mifanandrify amin’ny fotoana nanjakan’i Ahaba—tsy misy hafa amin’izay tantarain’ny Baiboly. Nipoitra ny fanontaniana maro hafa manitikitika ny saina izay mety hodinihin’ny arkeôlôgy, mandritra ireo taona ho avy. Na izany aza, dia manohy miteny mazava ireo pejin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, ka manome antsika ny tantara feno, amin’ny fomba tsy ho vitan’ny arkeôlôgy na oviana na oviana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 13 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Ankamantatra Momba Ireo Vavahady”, ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1988.
[Sary, pejy 26]
Fihadian-tany nataon’ny arkeôlôgy tao Jezirela
[Sary, pejy 28]
Sampy kananita hita tao Jezirela