Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah​—Ilay Manana Hery Tsy Toha

Jehovah​—Ilay Manana Hery Tsy Toha

Jehovah​—Ilay Manana Hery Tsy Toha

“Noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, [dia] tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”​—ISAIA 40:26.

1, 2. a) Inona no loharanon-kery fizika ianteherantsika rehetra? b) Hazavao hoe nahoana i Jehovah no Loharano ipoiran’ny hery rehetra.

ZAVATRA heverin’ny maro amintsika ho tsy dia manao ahoana ny hery. Tsy dia alehan’ny saintsika loatra, ohatra, ny amin’ny herin’aratra manome antsika hazavana sy hafanana, na ny amin’ny hoe mampiadana ny mandefa an’izay fitaovana elektrika mety hananantsika, amin’ny fampidirana fotsiny ny prizy. Rehefa sendra tapaka ihany ny jiro vao azontsika an-tsaina fa saika mitsahatra tanteraka ny asa ao amin’ny tanànan’olombelona raha tsy eo ny herin’aratra. Ny ankabeazan’ny herin’aratra ianteherantsika, dia azontsika an-kolaka avy amin’ilay loharanon-kery azo itokisana indrindra eto an-tany, dia ny masoandro. * Isan-tsegondra, dia mandoro akora niokleary dimy tapitrisa taonina io masoandro mpamokatra hery niokleary io, ka mahatonga ny tany ho heniky ny angôvo, izay miantoka ny aina.

2 Aiza no loharanon’izany herin’ny masoandro rehetra izany? Iza no nanamboatra an’io foiben-kerin’aratra eny amin’ny lanitra io? I Jehovah Andriamanitra. Hoy ny Salamo 74:16 raha miresaka momba azy: “Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.” Eny, i Jehovah no Loharano ipoiran’ny hery rehetra, tsy misy hafa amin’ny maha Loharanon’ny fiainana rehetra azy. (Salamo 36:9). Tsy tokony hihevitra mihitsy isika hoe tsy dia manao ahoana ny heriny. Amin’ny alalan’i Isaia mpaminany, dia mampahatsiahy antsika i Jehovah mba hiandrandra hijery ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, toy ny masoandro sy ny kintana, ka hisaintsaina ny amin’izay fomba nisian’izy ireny. “Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.”​—Isaia 40:26; Jeremia 32:17.

3. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ireo fisehoan’ny herin’i Jehovah?

3 Koa satria manana hery tsy toha i Jehovah, dia afaka matoky isika fa hanohy hanome antsika ny hazavana sy ny hafanana iankinan’ny aintsika, ny masoandro. Miantehitra amin’ny herin’Andriamanitra koa anefa isika amin’ny zavatra lehibe lavitra noho ny zavatra fototra ilaintsika ara-batana. Ny fanavotana antsika noho ny ota sy ny fahafatesana, ny fanantenantsika ny amin’ny hoavy, ary ny fatokisantsika an’i Jehovah, dia samy mifamatotra tsy afa-misaraka amin’ny fampiasany ny heriny. (Salamo 28:6-9; Isaia 50:2). Ny Baiboly dia mirakitra ohatra maro dia maro izay manaporofo fa manan-kery hoenti-mamorona sy manavotra i Jehovah, no sady manan-kery hamonjena ny olony sy handringanana ny fahavalony

Miseho amin’ny zavatra noforoniny ny herin’Andriamanitra

4. a) Tamin’ny ahoana no nisy akony teo amin’i Davida ny fandinihana ny lanitra tamin’ny alina? b) Mampiharihary inona momba ny herin’Andriamanitra ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra?

4 Nanazava ny apostoly Paoly fa ‘ny hery mandrakizain’ilay Mpamorona antsika dia fantatra amin’ny zavatra nataony’. (Romana 1:20). Taonjato maro talohan’izay, i Davida mpanao salamo, izay mpiandry ondry, dia tsy maintsy niandrandra matetika nijery ny lanitra tamin’ny alina, ka nahatakatra ny fahalehibeazan’izao rehetra izao sy ny herin’ilay Mpanao azy io. Izao no nosoratany: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:3, 4). Na dia voafetra aza ny fahalalany ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, dia takatr’i Davida fa tena tsinontsinona izy raha ampitahaina amin’ilay Mpamorona an’izao rehetra izao midadasika misy antsika. Ankehitriny, dia mahalala zavatra betsaka lavitra momba ny fidadasik’izao rehetra izao sy ny hery manohana azy io, ireo astrônôma. Milaza amintsika, ohatra, izy ireo fa, isan-tsegondra, ny masoandrontsika dia mandefa angôvo mitovy amin’ny fipoahan’ny TNT 100 000 tapitrisa tapitrisa taonina. * Ampahany tena kely amin’io angôvo io no tonga etỳ an-tany, kanefa dia ampy mba hamelona ny endri-piainana rehetra misy eto amin’ny planetantsika. Na izany aza anefa, dia tsy ny masoandrontsika velively akory no kintana mahery indrindra eny amin’ny lanitra. Ny kintana sasany dia mandefa, ao anatin’ny iray segondra monja, ny angôvo alefan’ny masoandro ao anatin’ny indray andro maninjitra. Alao sary an-tsaina àry ange ny hery ananan’Ilay namorona an’ireny tenan-javatra eny amin’ny lanitra ireny e! Rariny raha nihiaka toy izao i Eliho: “Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery”.​—Joba 37:23.

5. Inona no porofon’ny herin’i Jehovah hitantsika eo amin’ny asany?

5 Raha ‘mandinika ny asan’Andriamanitra’ tahaka an’i Davida isika, dia hahita porofon’ny heriny hatraiza hatraiza — eo amin’ny rivotra sy ny onja, eo amin’ny kotroka sy ny tselatra, eo amin’ny ony mahery sy ny tendrombohitra mijoalajoala. (Salamo 111:2; Joba 26:12-14). Ankoatra izany, araka ny nampahatsiahivin’i Jehovah an’i Joba, dia manaporofo ny heriny koa ny biby. Anisan’izany ny Behemota, na lalomena. Hoy i Jehovah tamin’i Joba: “Eo amin’ny valahany ny heriny, (...) tahaka ny anja-by ny taolany.” (Joba 40:15-18). Fantatra tsara tamin’ny andron’ny Baiboly koa ny hery mahatahotry ny ombidia, na ombimanga, ary nivavaka i Davida mba hitsimbinana azy tamin’ny “vavan’ny liona” sy ny “tandroky ny ombimanga”.​—Salamo 22:21; Joba 39:9-11.

6. Sary mampiseho inona ny omby, ao amin’ny Soratra Masina, ary nahoana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

6 Noho ny tanjaky ny omby, dia ampiasaina mba hampisehoana an’ohatra ny herin’i Jehovah izy io ao amin’ny Baiboly. * Ny fahitana azon’ny apostoly Jaona momba ny seza fiandrianan’i Jehovah, dia milazalaza ny amin’ny zavamananaina efatra, ka ny iray amin’ireo dia nanana endrik’omby. (Apokalypsy 4:6, 7). Miharihary fa ny hery no iray amin’ireo toetra lehibe efatr’i Jehovah, aseho an’ohatra amin’ny alalan’ireo kerobima ireo. Ireo toetra hafa dia ny fitiavana, ny fahendrena, ary ny fitiavana ny rariny. Lafiny iray tena lehibe amin’ny toetran’Andriamanitra ny hery, ka ny fahatakarana mazava tsara ny heriny sy ny fomba ampiasany azy io, dia hahatonga antsika ho akaiky kokoa azy, ary hanampy antsika hanahaka ny ohatra navelany, amin’ny fampiasana amin’ny fomba tsara izay hery ananantsika.​—Efesiana 5:1.

‘Jehovah Tompon’ny tafika, Ilay Mahery’

7. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa handresy ny ratsy ny soa?

7 Ao amin’ny Soratra Masina, i Jehovah dia antsoina hoe “Andriamanitra Tsitoha”, anaram-boninahitra izay mampahatsiahy antsika fa tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny heriny, na tokony hisalasalantsika ny fahaizany handresy ny fahavalony. (Genesisy 17:1; Eksodosy 6:3). Mety ho toa tena mafy orina ny fandehan-javatra ratsin’i Satana, kanefa eo imason’i Jehovah “ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ny mizana”. (Isaia 40:15). Noho izany herin’Andriamanitra izany, dia tsy misy isalasalana fa handresy ny ratsy ny soa. Amin’ny fotoana ielezan’ny faharatsiana, dia afaka mahazo fampiononana isika amin’ny fahafantarana fa i “Jehovah Tompon’ny [tafika, NW ], Ilay Maherin’ny Isiraely”, dia hamongotra mandrakizay ny faharatsiana.​—Isaia 1:24; Salamo 37:9, 10.

8. Tafiky ny lanitra inona no eo ambany fifehezan’i Jehovah, ary inona no milaza amintsika ny herin’izy ireny?

8 Ilay teny hoe ‘Jehovah Tompon’ny tafika’, izay miseho in-285 ao amin’ny Baiboly, dia fampahatsiahivana hafa iray ny amin’ny herin’Andriamanitra. Ilay “tafika” resahina eto dia ireo tafika voaforon’ny zavaboary ara-panahy izay eo ambany fifehezan’i Jehovah. (Salamo 103:20, 21; 148:2). Tao anatin’ny indray alina, dia anjely iray monja no nandripaka miaramila asyrianina 185 000, izay nandrahona an’i Jerosalema. (2 Mpanjaka 19:35). Raha takatsika mazava ny herin’ny tafik’i Jehovah any an-danitra, dia tsy ho mora hanaiky hampitahorin’ny mpanohitra isika. Rehefa voahodidin’ny tafika iray manontolo izay nitady azy i Elisa mpaminany, dia tsy mba sahala amin’ilay mpanompony, fa tsy mba nanahy, satria hitany tamin’ny mason’ny finoany fa nisy tafiky ny lanitra maro dia maro nanohana azy.​—2 Mpanjaka 6:15-17.

9. Nahoana no tokony hatoky ny fiarovan’Andriamanitra isika, sahala amin’i Jesosy?

9 Nahatsapa toy izany koa ny amin’ny fanohanana azon’ny anjely omena i Jesosy, rehefa niatrika vahoaka romotra nitondra sabatra sy langilangy, tao amin’ny sahan’i Getsemane. Rehefa avy nilaza tamin’i Petera mba hamerina ny sabany tamin’ny toerany i Jesosy, dia nilaza taminy fa, raha nilaina, dia azony natao ny nangataka “anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona” tamin’ny Rainy. (Matio 26:47, 52, 53). Raha takatsika mazava toy izany koa ny amin’ny tafiky ny lanitra azon’Andriamanitra ampiasaina, dia hatoky tanteraka koa ny fanohanan’Andriamanitra isika. Hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: “Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”​—Romana 8:31.

10. Ho tombontsoan’iza no ampiasan’i Jehovah ny heriny?

10 Manana ny antony rehetra hatokisana ny fiarovan’i Jehovah àry isika. Izy dia mampiasa foana ny heriny ho amin-javatra tsara sy mifanaraka amin’ireo toetrany hafa, dia ny fitiavana ny rariny sy ny fahendrena ary ny fitiavana. (Joba 37:23; Jeremia 10:12). Mazàna no manitsakitsaka an’ireo mahantra sy manetry tena ny olo-mahery, noho ny fitadiavan-tombony feno fitiavan-tena. I Jehovah kosa anefa dia “manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika”, ary “manan-kery hamonjy”. (Salamo 113:5-7; Isaia 63:1). Araka ny fantatr’i Maria, ilay reny nanetry tena sy tsy tia sehoseho niteraka an’i Jesosy, dia mampiasa ny heriny tsy amim-pitiavan-tena ilay “Mahery” mba ho tombontsoan’ireo matahotra azy, ka mampietry ny mpiavonavona sy manandratra ny ambany.​—Lioka 1:46-53.

Mampiharihary ny heriny amin’ny mpanompony i Jehovah

11. Inona no porofon’ny herin’Andriamanitra hitan’ny Isiraelita tamin’ny taona 1513 al.f.i.?

11 Imbetsaka i Jehovah no efa naneho ny heriny tamin’ny mpanompony. Ny iray tamin’izany dia teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tamin’ny 1513 al.f.i. Nandritra io taona io, dia efa nahita porofo nanaitra momba ny herin’Andriamanitra ireo Isiraelita. Nahariharin’ireo loza folo nitondra faharavana fa matanjaka ny tanan’i Jehovah ary tsy manan-kery kosa ireo andriamanitr’i Ejipta. Tsy ela taorian’izay, dia mbola nanome porofo fanampiny ny amin’ny herin’Andriamanitra koa ny niampitana tamin’ny fomba mahagaga ny Ranomasina Mena sy ny nandringanana ny tafik’i Farao. Telo volana tatỳ aoriana, teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, dia nanasa an’ireo Isiraelita ho tonga “rakitra soa ho [Azy] mihoatra noho ny firenena rehetra” i Jehovah. Hoy kosa ny fampanantenan’izy ireo: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” (Eksodosy 19:5, 8). Avy eo, i Jehovah dia nampiseho ny heriny tamin’ny fomba nahery vaika. Tao anatin’ny kotroka sy ny tselatra ary ny feon’anjomara mafy, dia namoaka setroka sy nihovitrovitra ny Tendrombohitra Sinay. Raiki-tahotra mafy ny olona, izay nijoro lavidavitra teo. Nilaza tamin’izy ireo anefa i Mosesy fa tokony hampianatra azy ireo hatahotra an’Andriamanitra izany, dia tahotra izay hanosika azy ireo hankatò an’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina sy mahery indrindra.​—Eksodosy 19:16-19; 20:18-20.

12, 13. Tarehin-javatra inona avy no nitarika an’i Elia handao ilay asa nanendrena azy, kanefa ahoana no nampaherezan’i Jehovah azy?

12 Taonjato maromaro taorian’izay, nandritra ny fotoana niainan’i Elia, dia nisy fampisehoana ny herin’Andriamanitra indray teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Efa nahita ny herin’Andriamanitra niasa ilay mpaminany. Nandritra ny telo taona sy tapany, dia ‘nampihantona ny andro Andriamanitra’, noho ny fivadiham-pinoana teo amin’ny firenen’ny Isiraely. (2 Tantara 7:13). Nandritra ilay hain-tany vokatr’izany, dia nisy goaika nanome sakafo an’i Elia, tao amin’ny reniranon’i Kerita. Tatỳ aoriana kokoa, dia nampitomboina tamin’ny fomba mahagaga ny koba sy ny diloilo kely nananan’ny mpitondratena iray mba hanomezana sakafo an’i Elia. Nanome hery an’i Elia mba hananganana tamin’ny maty ny zanak’io mpitondratena io, mihitsy aza i Jehovah. Farany, rehefa nisy fitsapana nampangitakitaka natao teo amin’ny Tendrombohitra Karmela mba hahafantarana izay tena Andriamanitra, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandany ny fanatitr’i Elia. (1 Mpanjaka 17:4-24; 18:36-40). Tsy ela taorian’izay anefa, dia nanjary natahotra sy kivy i Elia rehefa nandrahona ny hamono azy i Jezebela. (1 Mpanjaka 19:1-4). Nandositra an’ilay tany izy, noho ny fiheverana fa nifarana ny asa naha mpaminany azy. Mba hanomezan-toky sy hampaherezana azy, dia nasehon’i Jehovah azy manokana izany hoe herin’Andriamanitra izany.

13 Raha mbola niery tao amin’ny zohy iray i Elia, dia nahita fampisehoana nahatahotra ny telo tamin’ireo hery fehezin’i Jehovah: ny rivo-mahery, ny horohoron-tany, ary farany, dia ny afo. Rehefa niteny tamin’i Elia anefa i Jehovah, dia nanao izany tamin’ny “feo nitsoka malemy”. Nanendry azy hanao asa fanampiny izy ka nampahafantatra azy fa mbola nisy 7 000 ireo mpivavaka tamin’i Jehovah nahatoky tao amin’ilay tany. (1 Mpanjaka 19:9-18). Raha sendra mahatsiaro ho kivy sahala amin’i Elia isika noho ny tsy fahitana vokatra eo amin’ny fanompoantsika, dia afaka mitalaho amin’i Jehovah isika mba hanomezany antsika “hery mihoatra noho ny mahazatra”​—hery izay afaka manatanjaka antsika mba hanohizana hitory tsy misy fitsaharana ny vaovao tsara.​—2 Korintiana 4:7, NW.

Ny herin’i Jehovah dia manome antoka fa ho tanteraka ny fikasany

14. Mampiharihary inona ny anarana manokan’i Jehovah, ary inona no ifandraisan’ny heriny sy ny anarany?

14 Ny herin’i Jehovah koa dia mifandray akaiky amin’ny anarany sy ny fanatanterahana ny sitrapony. Ilay anarany tsy manam-paharoa hoe Jehovah, izay midika hoe “Mahatonga Izy”, dia mampiharihary fa mahatonga ny tenany ho Mpanatanteraka ny fikasany izy. Tsy misy na inona na inona, ary tsy misy na iza na iza, afaka manakana an’Andriamanitra tsy hahatanteraka ny fikasany, na dia mety hoheverin’ireo be fisalasalana ho tsy azo inoana toy inona aza ny fikasany. Araka ny nolazain’i Jesosy, indray mandeha, tamin’ireo apostoliny, dia “hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra”.​—Matio 19:26.

15. Ahoana no nampahatsiahivana an’i Abrahama sy i Saraha fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah?

15 Indro misy ohatra: Nampanantena an’i Abrahama sy i Saraha i Jehovah, indray mandeha, fa hataony firenena lehibe ny taranany. Tsy niteraka anefa izy mivady nandritra ny taona maro. Efa samy antitra be izy mivady tamin’ny fotoana nilazan’i Jehovah taminy fa efa nadiva ho tanteraka ilay fampanantenana, ary dia nihomehy i Saraha. Ho setrin’izany, dia hoy ilay anjely: “Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” (Genesisy 12:1-3; 17:4-8; 18:10-14). Taonjato efatra tatỳ aoriana, rehefa namory ny taranak’i Abrahama teo amin’ny Lemak’i Moaba i Mosesy tamin’ny farany, dia nampahatsiahiviny azy ireo, izay efa firenena lehibe tamin’izay, fa nahatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Hoy i Mosesy: “Satria tia ny razanao [i Jehovah] ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny heriny lehibe, handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho hianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’izao anio izao.”​—Deoteronomia 4:37, 38.

16. Nahoana ny Sadoseo no latsaka tao amin’ilay fahadisoan-kevitra nandavana ny fitsanganan’ny maty?

16 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nomelohin’i Jesosy ny Sadoseo, izay tsy nino ny fitsanganan’ny maty. Nahoana izy ireo no tsy nety nino ilay fampanantenan’Andriamanitra hanangana ny maty? Izao no nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo: ‘Tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.’ (Matio 22:29). Manome toky antsika ny Soratra Masina fa ‘handre ny feon’ny Zanak’olona izay rehetra ao amin’ny fasam-pahatsiarovana, dia hivoaka’. (Jaona 5:27-29, NW ). Raha fantatsika izay lazain’ny Baiboly momba ny fitsanganan’ny maty, ny fatokisantsika ny herin’Andriamanitra dia hampiaiky antsika fa hitsangana tokoa ny maty. “Hofoanan[’Andriamanitra] tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; (...) fa Jehovah no efa niteny.”​—Isaia 25:8.

17. Amin’ny andro inona, amin’ny hoavy, no tena hilana amin’ny fomba manokana ny fitokisana amin’i Jehovah?

17 Amin’ny hoavy tsy ho ela, dia ho tonga ny fotoana izay hilantsika tsirairay hitoky amin’ny fomba manokana amin’ny hery mahavonjin’Andriamanitra. I Satana Devoly dia hanafika ny vahoakan’Andriamanitra, izay toa tsy hanam-piarovana. (Ezekiela 38:14-16). Amin’izay Andriamanitra dia hampiseho ny heriny lehibe ho tombontsoantsika, ary tsy maintsy ho fantatry ny rehetra hoe izy no Jehovah. (Ezekiela 38:21-23). Izao no fotoana tokony hanatanjahana ny finoantsika sy ny fatokisantsika an’ilay Andriamanitra Tsitoha, mba tsy hampihozongozona antsika amin’io fotoan-dehibe io.

18. a) Soa inona avy no azontsika avy amin’ny fisaintsainana ny amin’ny herin’i Jehovah? b) Fanontaniana inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Tsy isalasalana fa misy antony maro tokony hisaintsainana ny amin’ny herin’i Jehovah. Rehefa misaintsaina ny asany isika, dia ho voatosika amim-panetren-tena hidera an’ilay Mpamorona antsika Lehibe, ka hisaotra azy noho ny fampiasany ny heriny amim-pahendrena sy amim-pitiavana toy izany. Tsy ho resin-tahotra na oviana na oviana isika raha mitoky amin’i Jehovah Tompon’ny tafika. Tsy hihozongozona ny finoantsika ny fampanantenany. Tadidio anefa fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika. Noho izany, dia manana hery koa isika, na dia voafetra aza. Ahoana no ahafahantsika manahaka ilay Mpamorona antsika eo amin’ny fomba ampiasantsika ny herintsika na ny fahefana ananantsika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Hatraiza hatraiza, dia heverina fa ny angôvo ao amin’ny akora fôsily toy ny solitany sy ny arina, izay loharanon’angôvo lehibe indrindra ho an’ny foiben-kerin’aratra, dia azony avy amin’ny masoandro.

^ feh. 4 Mifanohitra amin’izany fa ny baomba niokleary mahery indrindra nandramana hatramin’izay, dia nanana hery fipoahana mitovy amin’ny TNT 57 tapitrisa taonina.

^ feh. 6 Ilay ombimanga resahina ao amin’ny Baiboly dia azo inoana fa karazana ombidia atao hoe aurochs (latinina: urus). Roa arivo taona lasa izay, dia hita tany Gaule (Frantsa ankehitriny) ireo biby ireo. Nanoratra izao manaraka izao i Jules César raha nilazalaza ny mombamomba azy ireo: “Latsaka kely fotsiny amin’ny an’ny elefanta ny haben’ireo uri ireo, kanefa ny toetoetrany sy ny lokony ary ny bikany, dia toy ny an’ny omby. Lehibe ny tanjak’izy ireo, ary malaky be ny hafainganam-pandehany: tsy amelàny na olona na biby raha vao hitan’ny masony.”

Hainao Valiana ve Ireto Fanontaniana Ireto?

Amin’ny ahoana ny zavatra noforonina no manaporofo ny herin’i Jehovah?

Tafika inona no azon’i Jehovah ampiasaina mba hanohanana ny vahoakany?

Tamin’ny fotoana sasany inona avy no nampisehoan’i Jehovah ny heriny?

Inona no antoka ananantsika fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

“Asandrato ny masonareo, ka mijere; iza no nahary ireny?”

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by Malin, © IAC/RGO 1991

[Sary, pejy 13]

Ny fisaintsainana ireo fampisehoana ny herin’i Jehovah dia manatanjaka ny finoana ny fampanantenany