Mitady An’i Jehovah Amin’ny Fo Voaomana
Mitady An’i Jehovah Amin’ny Fo Voaomana
MPIKAROKA, manam-pahaizana, mpanao kopia, ary mpampianatra ny Lalàna niavaka i Ezra, mpisorona isiraelita. Ohatra tena tsara ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao koa izy raha ny amin’ny fanompoana amin’ny fanahy manontolo. Tamin’ny fomba ahoana? Noho izy nihazona ny fifikirany tamin’Andriamanitra, na dia fony niaina tany Babylona, tanàna nanjakan’ny andriamani-diso sy ny fanompoana demonia, aza.
Tsy nitranga noho ny kisendrasendra fotsiny ny fifikirana tamin’Andriamanitra nananan’i Ezra. Nisy fiezahana mafy nataony. Eny tokoa, milaza amintsika izy fa izy dia “nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany”.—Ezra 7:10.
Toa an’i Ezra, ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro izao dia maniry hanao izay rehetra ampanaovin’i Jehovah azy ireo, na dia miaina ao amin’ny tontolo mankahala ny fanompoam-pivavahana marina aza izy ireo. Koa andeha àry isika handinika ireo fomba hahafahantsika koa hanomana ny fontsika, ny toetrantsika anaty—tafiditra amin’izany ny eritreritsika, ny fihetsitsika, ny faniriantsika, ary ny antony manosika antsika—ka ‘hitady ny lalàn’i Jehovah ary hankatò izany’.
Fanomanana ny fontsika
Ny hoe “manomana” dia midika hoe “mivonona mialoha noho ny zava-kendrena iray: mikarakara zavatra mba hahatonga azy ho azo ampiasaina amin’ny fanaovan-javatra, na fampiharana manokana iray”. Mazava ho azy fa raha efa manana fahalalana araka ny marina ny Tenin’Andriamanitra sady efa nanolotra ny fiainanao ho an’i Jehovah ianao, dia azo antoka fa efa voaomana ny fonao, ary “ny tany tsara” izay nasian’i Jesosy firesahana tao amin’ny fanoharany momba ny mpamafy, no azo anoharana izany.—Matio 13:18-23.
Na izany aza, ny fontsika dia mila fitandremana sy fanatsarana tsy an-kijanona. Nahoana? Noho ny antony roa. Voalohany, satria ireo fironana manimba, toy ny ahidratsy eny an-jaridaina, dia afaka mamaka mora foana, indrindra amin’izao “andro farany” izao. Mihanaka mbola tsy nisy toy izany tokoa mantsy ankehitriny ‘ny rivotry’ ny fandehan-javatr’i Satana, mitondra ireo voa manimban’ny fisainana araka ny nofo. (2 Timoty 3:1-5, NW; Efesiana 2:2). Mahakasika ilay tany mihitsy ny antony faharoa. Raha tsy asaina ny tany, vetivety foana izy dia mety hihamaina, hihamafy, ary hanjary tsy hahavokatra. Na mety hisy olona maro loatra tsy hiraharaha fa hanao hitsin-dalana eo amin’ilay zaridaina, ka hahatonga ilay tany ho mafy. Mitovy amin’izany ny tanin’ny fontsika ara-panoharana. Mety hanjary tsy hamokatra izy io raha tsy raharahaina na hosihosen’ny olona tsy liana amin’ny fahasalamantsika ara-panahy.
Tena zava-dehibe mihitsy àry, ho antsika rehetra, ny hanarahana izao fananarana omen’ny Baiboly izao: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”—Ohabolana 4:23.
Lafin-javatra mahalonaka ny ‘tanin’ny’ fontsika
Andeha hodinihintsika ny sasany amin’ireo lafin-javatra, na toetra, izay hahalonaka ny ‘tanin’ny’ fontsika, ka hahatonga ireo toetra tsara hitombo. Mazava ho azy fa maro ny zavatra izay hanatsara ny fontsika, fa ireto enina ireto no hodinihintsika eto: ny fanekena fa mila zavatra ara-panahy isika, ny fanetren-tena, ny fanaovana ny marina, ny tahotra araka an’Andriamanitra, ny finoana, ary ny fitiavana.
“Sambatra ireo mahatsapa izay ilainy ara-panahy”, hoy i Jesosy. (Matio 5:3, NW ). Sahala amin’ny hanoanan’ny vatana, izay mampahatsiahy antsika fa mila mihinana isika, ny fahafantarana ny zavatra ilaintsika ara-panahy dia mihazona antsika ho noana sakafo ara-panahy. Voajanahary ao amin’ny olombelona ny fananana faniriana mafy sakafo toy izany, satria izany no mampisy heviny sy zava-kendrena ny fiainana. Ny fanerena avy amin’ny fandehan-javatr’i Satana, sy ny hakamoana hianatra, dia mety hanadombo ny fahatsapantsika io zavatra ilaina io. Nilaza toy izao mihitsy aza i Jesosy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.”—Matio 4:4.
Ara-bakiteny, dia mandray anjara amin’ny fahasalaman’ny vatana ny sakafo tsy tapaka, voalanjalanja, ary mahasoa, no sady manosika ny vatana hampitombo fahazotoan-komana, ho an’ny sakafo manaraka, rehefa ho tonga ny ora fihinanana. Marina koa izany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mety tsy hihevitra ny tenanao ho olona tia mianatra ianao, kanefa raha ataonao fahazarana ny mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, sady mianatra tsy tapaka amin’ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, dia ho hitanao fa hitombo ny fahazotoan-komanao ara-panahy. Raha ny marina, dia tsy ho andrinao ny fotoana hanaovanao ny fianarana ny Baiboly. Koa aza mora manary toky àry; miezaha mafy mba hampitomboana fahazotoan-komana ara-panahy mahasoa.
Manalefaka ny fo ny fanetren-tena
Lafin-javatra tena lehibe ny fanetren-tena eo amin’ny fanomanana ny fo, satria mahatonga antsika ho mora ampianarina izy io, sady manampy antsika ho mora manaiky torohevitra sy fanitsiana amim-pitiavana. Hevero ny ohatra tsaran’i Josia Mpanjaka. Hita nandritra ny fotoana nanjakany ny horonana nirakitra ny Lalàn’Andriamanitra, nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Rehefa ren’i Josia ireo teny tao amin’ny Lalàna, ary takany fa nanalavitra ny fanompoam-pivavahana marina tokoa ireo razambeny, dia nandriatra ny fitafiany izy ary nitomany teo anatrehan’i Jehovah. Nahoana no nanohina mafy aoka izany ny fon’ilay mpanjaka ny Tenin’Andriamanitra? Milaza ilay fitantarana fa ‘nalefaka’ ny fony, hany ka nanetry tena izy nony nandre ny tenin’i Jehovah. Voamarik’i Jehovah ny fanetren-tenan’i Josia sy ny fony vonon-kandray, ary notahiny noho izany izy.—2 Mpanjaka 22:11, 18-20, NW.
Ny fanetren-tena no nahafahan’ireo mpianatr’i Jesosy “tsy mba mpahay lalàna na nampianarina” nahatakatra sy nampihatra ny fahamarinana ara-panahy, zavatra izay nandalo fotsiny teo imason’ny “hendry sy ny manan-tsaina”, saingy “araka ny nofo” ihany. (Asan’ny Apostoly 4:13; Lioka 10:21; 1 Korintiana 1:26). Tsy niomana handray ny tenin’i Jehovah ireto farany ireto, satria nanamafy ny fony ny avonavona. Mahagaga àry ve raha toa i Jehovah ka mankahala ny fiavonavonana?—Ohabolana 8:13; Daniela 5:20.
Ny fanaovana ny marina sy ny tahotra araka an’Andriamanitra
Nanoratra ny mpaminany Jeremia fa “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?” (Jeremia 17:9). Miseho amin’ny fomba maro samihafa io famitahana io, anisan’izany ny fanalana tsiny ny tenantsika rehefa manao zavatra tsy mety isika. Mitranga koa izy io rehefa manamarin-tena noho ny kileman-toetra lehibe isika. Ny fanaovana ny marina anefa dia hanampy antsika handresy ny famitahan’ny fo, amin’ny fanampiana antsika hiatrika ny marina momba ny tenantsika, ka amin’izany isika dia afaka mihatsara. Naneho izany fanaovana ny marina izany ny mpanao salamo rehefa nivavaka hoe: “Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.” Mazava tsara fa nanomana ny fony hanaiky ny fizahan-toetra sy ny fandinihan’i Jehovah ilay mpanao salamo, na dia mety hidika ho fanekena ny fisian’ny lafin-toetra maloto toy ny tain-drendrika aza izany, mba hahafahana handresy izany.—Salamo 17:3; 26:2.
Ny tahotra araka an’Andriamanitra, izay mahafaoka ny “fankahalana ny ratsy”, dia fanampiana mafonja eo amin’io fizahan-toetra io. (Ohabolana 8:13). Na dia mankasitraka ny hatsaram-panahy miharo fitiavana sy ny hatsaram-pon’i Jehovah aza ny olona iray tena manana tahotra araka an’Andriamanitra, dia fantany foana kosa fa manana ny hery enti-manasazy na hamonoana mihitsy ireo izay tsy mankatò azy, i Jehovah. Nasehon’i Jehovah, tamin’izao teny nataony momba ny Isiraely izao, fa ireo izay matahotra azy dia hankatò azy koa: “Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay!”—Deoteronomia 5:26.
Mazava àry fa ny zava-kendren’ny tahotra araka an’Andriamanitra dia tsy ny hangeja antsika ao anatin’ny horohoro akory, fa ny mba hanosika antsika kosa hankatò ilay Raintsika be fitiavana, izay fantatsika fa mitady amim-pahatsorana izay tena hahasoa antsika. Raha ny marina, ny tahotra araka an’Andriamanitra toy izany dia manome hery ny saina, ary miteraka hafaliana mihitsy aza, araka ny nasehon’ny tenan’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba ampy.—Isaia 11:3; Lioka 12:5.
Manankarena ao amin’ny finoana ny fo voaomana
Ny fo matanjaka ao amin’ny finoana dia mahafantatra fa na inona na inona takin’i Jehovah, na toromarika omeny, amin’ny alalan’ny Teniny, dia ara-drariny foana izany sady hahasoa antsika indrindra. (Isaia 48:17, 18). Manana fahafinaretana sy fahafaham-po lalina ny olona manana fo toy izany, amin’ny fampiharana ny fampirisihan’ny Ohabolana 3:5, 6, manao hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Ny fo tsy ampy finoana kosa, dia mirona tsy hitoky amin’i Jehovah, indrindra fa raha mahatafiditra fanaovana sorona izany, toy ny fanatsorana ny fiainana, mba hifantohana amin’ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (Matio 6:33). Noho ny antony tsara àry no iheveran’i Jehovah ny fo tsy manam-pinoana ho “ratsy”.—Hebreo 3:12.
Sehatra maro no ahitana taratry ny finoantsika an’i Jehovah, tafiditra amin’izany izay ataontsika manokana ao an-tokantranontsika. Raiso, ohatra, ilay foto-pitsipika ao amin’ny Galatiana 6:7 manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” Ho hita taratra eo amin’ny zavatra maro ny finoantsika an’io foto-pitsipika io, toy ny eo amin’ny sarimihetsika jerentsika, ny boky vakintsika, ny habetsahan’ny fianarana Baiboly ataontsika, ary eo amin’ny vavaka ataontsika. Eny, ny finoana matanjaka, izay manosika antsika hamafy “ho an’ny Fanahy”, no anton-javatra fototra eo amin’ny fananana fo voaomana mba handray ny Tenin’i Jehovah sy hankatò azy io.—Galatiana 6:8.
Ny fitiavana —Ny toetra lehibe indrindra
Mihoatra noho ireo toetra hafa rehetra, dia tena manomana ny tanin’ny fontsika handray tsara ny Tenin’i Jehovah ny fitiavana. Rehefa nampitaha azy io tamin’ny finoana sy ny fanantenana àry ny apostoly Paoly, dia nilazalaza fa ny fitiavana “no lehibe indrindra” amin’ireo toetra ireo. (1 Korintiana 13:13, NW ). Ny fo feno fitiavana an’Andriamanitra dia mahazo fahafaham-po sy fifaliana lehibe avy amin’ny fankatoavana azy; azo antoka fa tsy ho sosotra amin’izay takin’Andriamanitra izy io. Nilaza toy izao ny apostoly Jaona: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.” (1 Jaona 5:3). Mitovy amin’izany ihany izao nolazain’i Jesosy izao: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy”. (Jaona 14:23). Mariho fa fitia mifamaly ny fitiavana toy izany. Eny, manana fitiavana lalina an’ireo izay voataona hanatona azy noho ny fitiavana, i Jehovah.
Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary sy manota matetika aminy isika. Na izany aza, dia tsy mihatakataka amintsika izy. Izay tadiavin’i Jehovah ao amin’ny mpanompony dia ny “fo rehetra”, zavatra izay manosika antsika hanompo azy an-tsitrapo, amin’ny “fanahy mazoto”. (1 Tantara 28:9). Fantatr’i Jehovah, mazava ho azy, fa mitaky fotoana sy ezaka ho antsika ny hambolena toetra tsara ao am-pontsika, ary hamokatra mifanaraka amin’izany ny vokatry ny fanahy. (Galatiana 5:22, 23). Noho izany, dia mahari-po amintsika izy, satria “Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:14). Nahitana taratr’izany toetra izany koa i Jesosy, ka tsy nanakiana mafy na oviana na oviana ireo mpianany noho ny fahadisoan’izy ireo izy, fa nanampy azy tamim-paharetana sy nampahery azy kosa. Moa ve izany fitiavana sy famindram-po ary fahari-pon’i Jehovah sy i Jesosy izany tsy vao mainka manosika anao ho tia azy ireo?—Lioka 7:47; 2 Petera 3:9.
Raha hitanao fa ady mafy indraindray ny manongotra fahazarana toy ny ahidratsy lalim-paka, na ny manapotika lafin-toetra mazana toy ny vaingan-tanimanga maina, dia aza kivy na miraviravy tanana. Miezaha hatrany kosa mba hihatsara, “mahareta amin’ny fivavahana”, tafiditra amin’izany ny fitalahoana matetika amin’i Jehovah mba hanomezany ny fanahiny. (Romana 12:12). Noho ny fanampiany, dia ho afaka ny hanana fo voaomana tanteraka mba “hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany”, sahala amin’i Ezra, ianao.
[Sary, pejy 31]
Nihazona ny fifikirany tamin’Andriamanitra i Ezra na dia tany Babylona aza
[Sary nahazoan-dalana, pejy 29]
Garo Nalbandian