Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Herin’ny Vavaka

Ny Herin’ny Vavaka

Ny Herin’ny Vavaka

Nilentika ny masoandro, tao amin’ny tanànan’i Nahora, tany Moyen-Orient. Tonga teo amin’ny fantsakana iray teo ivelan’ilay tanàna ny lehilahy syrianina iray nantsoina hoe Eliezera, niaraka tamin’ny rameva folo. Azo antoka fa reraka sady nangetaheta izy, kanefa ny zavatra nilain’ny hafa no nahiny kokoa. Avy tany an-tany hafa izy, ary tonga mba hitady vady ho an’ny zanakalahin’ny tompony. Ankoatra izany, dia tsy maintsy nitady io vady io teo anivon’ny havan’ilay tompony izy. Ahoana no hahavitany izany asa sarotra izany?

NINO ny herin’ny vavaka i Eliezera. Tamim-pinoana niavaka, toy ny an’ny zaza, dia nanao izao fangatahana tamim-panetren-tena izao izy: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.”​—Genesisy 24:12-14.

Tsy very maina ny fatokisan’i Eliezera ny herin’ny vavaka. Ilay vehivavy nanatona voalohany indrindra teo amin’ilay fantsakana dia ny zafikelin’i Abrahama ihany! Rebeka no anarany, mpitovo izy, nadio fitondran-tena, ary tsara tarehy. Mahavariana fa tsy vitan’ny hoe nanome rano hosotroin’i Eliezera izy, fa nanolo-tena tamin-katsaram-panahy ny hanala hetaheta an’ireo ramevany rehetra koa. Tatỳ aoriana, rehefa avy nifampidinika ny fianakaviana, dia nanaiky an-tsitrapo hiaraka tamin’i Eliezera hankany an-tany lavitra i Rebeka, mba ho tonga vadin’i Isaka, zanak’i Abrahama. Izany ka valim-bavaka nampihetsi-po lalina sy nazava ho an’i Eliezera, tamin’ny fotoana nisalovanan’Andriamanitra tsindraindray tamin’ny fomba mahagaga tamin’ireo zava-nitranga!

Misy fianarana be dia be azontsika raisina avy amin’ny vavaka nataon’i Eliezera. Nasehon’ilay vavaka ny finoany niavaka, ny fanetren-tenany, sy ny fiahiany tsy tamim-pitiavan-tena ny amin’izay nilain’ny hafa. Nasehon’ilay vavaka koa ny naneken’i Eliezera ny fomba nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny olombelona. Tsy isalasalana fa fantany ny firaiketam-pon’Andriamanitra manokana tamin’i Abrahama, ary koa ny fampanantenany fa hisy fitahiana ho avy amin’ny olombelona rehetra, amin’ny alalan’i Abrahama. (Genesisy 12:3). Nanomboka ny vavaka nataony tamin’izao teny izao àry i Eliezera: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko”.

I Jesosy Kristy no ilay taranak’i Abrahama, izay amin’ny alalany no hitahiana ny olombelona mankatò rehetra. (Genesisy 22:18). Raha tiantsika hahazo valim-bavaka isika ankehitriny, dia ilaintsika ny manaiky amim-panetren-tena ny fomba ifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olombelona, amin’ny alalan’ny Zanany. Hoy i Jesosy Kristy: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.”​—Jaona 15:7.

Nahatsapa ny fahamarinan’ireo tenin’i Jesosy ireo ny apostoly Paoly, iray tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy. Azo antoka fa tsy very maina ny finoany ny herin’ny vavaka. Nampirisihiny ireo Kristianina tahaka azy mba hilaza ny fanahiany rehetra amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka, ary nijoro ho vavolombelona ny amin’izao zavatra izao izy: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:6, 7, 13). Midika ve izany fa nekena avokoa ny fangatahan’i Paoly rehetra tamin’Andriamanitra tao amin’ny vavaka? Andeha hojerentsika.

Tsy ekena avokoa ny fangatahana rehetra

Nandritra ny fanompoany tsy tamim-pitiavan-tena, dia nijaly noho izay nolazalazainy hoe “tsilo tamin’ny nofo”, i Paoly. (2 Korintiana 12:7). Angamba fahorian-tsaina sy fahoriam-po noho ireo mpanohitra sy “rahalahy sandoka”, ilay izy. (2 Korintiana 11:26; Galatiana 2:4). Na, angamba fanaintainana kely noho ny areti-maso nitaiza, ilay izy. (Galatiana 4:15). Na ahoana na ahoana, dia nampahalemy an’i Paoly io “tsilo tamin’ny nofo” io. ‘Nangataka intelo tamin’ny Tompo aho, mba hialan’izany tamiko’, hoy ny nosoratany. Tsy nekena anefa ny fangatahan’i Paoly. Nohazavaina taminy fa ampy ireo fitahiana ara-panahy efa azony tamin’Andriamanitra, toy ny hery hiaretana fisedrana. Ankoatra izany, dia hoy Andriamanitra: “Ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.”​—2 Korintiana 12:8, 9.

Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Eliezera sy i Paoly? Mihaino tokoa ny vavaka ataon’ireo miezaka amim-panetren-tena ny hanompo azy, i Jehovah Andriamanitra. Tsy midika anefa izany hoe ekeny foana ny fangatahan’izy ireo, satria mijery lavitra Andriamanitra rehefa mandini-javatra. Mahafantatra tsara kokoa noho isika ny amin’izay tena mahasoa antsika indrindra, izy. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia manao zavatra mifanaraka foana amin’ny fikasany efa voalaza sy voarakitra ao amin’ny Baiboly izy.

Fotoan’ny fanasitranana ara-panahy

Mampanantena Andriamanitra fa hanasitrana ny olombelona amin’ny aretina ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po rehetra izy, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’ny Zanany hanapaka amin’ny tany. (Apokalypsy 20:1-3; 21:3-5). Miandry amim-pahadodonana an’io hoavy nampanantenaina io ny Kristianina tso-po, amim-pinoana tanteraka fa manan-kery hanatanteraka izany Andriamanitra. Na dia tsy manantena fanasitranana mahagaga toy izany aza izy ireo ankehitriny, dia mivavaka amin’Andriamanitra izy ireo mba hahazoana ny fampiononany sy ny hery omeny hoenti-miatrika fisedrana. (Salamo 55:22). Rehefa marary izy ireo, dia azony atao koa ny mivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’Andriamanitra eo amin’ny fitadiavana ny fitsaboana tsara indrindra, araka izay takatry ny volany.

Misy fivavahana mampirisika ny marary hivavaka mba hositranina ankehitriny, ka milaza fa nanao fanasitranana mahagaga i Jesosy sy ireo apostoliny. Natao noho ny zava-nokendrena manokana anefa ireny fahagagana ireny. Natao izy ireny mba hanaporofoana fa i Jesosy Kristy no ilay tena Mesia, ary koa mba hampisehoana fa nesorina tamin’ny firenena jiosy ny fankasitrahan’Andriamanitra, ka nafindra tamin’ny kôngregasiôna kristianina vao niforona. Nilaina ny fahaizana nanao fahagagana tamin’izany fotoana izany, mba hanatanjahana ny finoan’ilay kôngregasiôna kristianina vao niorina. Rehefa tafajoro tsara ilay kôngregasiôna vaovao, ka tonga matotra, dia “foana” ny fahaizana nanao fahagagana.​—1 Korintiana 13:8, 11.

Amin’izao fotoana lehibe izao, dia mitarika ny mpivavaka aminy eo amin’ny asa lehibe kokoa, dia ny fanasitranana ara-panahy, i Jehovah Andriamanitra. Raha mbola misy ny fotoana, dia ilain’ny olona maika dia maika ny mamaly izao fiangaviana izao: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.”​—Isaia 55:6, 7.

Tanterahina ankehitriny amin’ny alalan’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fanasitranana ara-panahy an’ireo mpanota mibebaka. (Matio 24:14). Manome hery ny mpanompony hanatanteraka io asa mamonjy aina io i Jehovah Andriamanitra, ka amin’izany no anampiany olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra hibebaka noho ny fahotany sy hanjary hanana fifandraisana tsara aminy, alohan’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity. Tena mahazo valim-bavaka tokoa ankehitriny ireo rehetra mivavaka amim-pahatsorana mba hahazo izany fanasitranana ara-panahy izany, sy ireo rehetra mivavaka mba hahazo fanampiana hoenti-manatontosa io asa fanasitranana io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Eliezera sy Rebeka/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications