Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mamaly Vavaka Andriamanitra

Tena Mamaly Vavaka Andriamanitra

Tena Mamaly Vavaka Andriamanitra

Lehilahy nitady ny hahazo sitraka tamin’Andriamanitra i Kornelio, ary hita izany tamin’ny vavaka tamim-pahatsorana nataony matetika. Ankoatra izany, dia nampiasa tamin’ny fomba tsara ny toerany tamin’ny naha manamboninahitry ny tafika azy izy. “Nanao fiantrana be” tamin’ny olona nahantra izy, araka ny voalazan’ny Baiboly.​—Asan’ny Apostoly 10:1, 2.

JIOSY sy proselyta ary Samaritanina mpino no nahaforona ny kôngregasiôna kristianina, tamin’izany fotoana izany. Jentilisa tsy voafora i Kornelio, ary tsy anisan’ny kôngregasiôna kristianina. Midika ve izany fa very maina ny vavaka nataony? Tsia. Nahamarika an’i Kornelio sy ny asa nataony tamim-pahatsorana i Jehovah Andriamanitra.​—Asan’ny Apostoly 10:4.

Natao izay hifandraisan’i Kornelio tamin’ny kôngregasiôna kristianina, teo ambany fitarihan’ny anjely. (Asan’ny Apostoly 10:30-33). Ho vokany, dia nahazo tombontsoa ho tonga ny Jentilisa tsy voafora nekena voalohany ho anisan’ny kôngregasiôna kristianina izy sy ny ankohonany. Araka ny fiheveran’i Jehovah Andriamanitra, dia mendrika ny hampidirina tao amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny zavatra niainan’i Kornelio. Tsy isalasalana fa nanao fiovana maro i Kornelio, mba hahatongavan’ny fiainany hifanaraka tanteraka amin’ny fari-pitsipik’Andriamanitra. (Isaia 2:2-4; Jaona 17:16). Tokony hitondra fampaherezana be dia be ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, izay mitady ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra amin’izao andro izao, ny tantaran’i Kornelio. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy.

Ohatra amin’ny andro ankehitriny

Nila fampiononana mafy ny vehivavy iray tany Inde. Nanambady teo amin’ny faha-21 taonany izy, ary niteraka roa. Tsy ela taorian’ny nahaterahan’ilay zanany faharoa anefa, dia maty ny vadiny. Tampoka teo, teo amin’ny faha-24 taonany, dia mpitondratena izy, nefa vao roa volana monja ny zanany vavy, ary roa taona latsaka roa volana ilay lahikely. Tsy nahagaga raha nila fampiononana izy! Taiza no azony nitodihana? Indray alina, rehefa ory dia ory izy, dia nivavaka hoe: “Ray any an-danitra ô, mba ampionòny amin’ny alalan’ny Teninao re aho e.”

Nisy nitsidika izy ny ampitson’iny. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Sarotra ny fitoriana isan-trano tamin’iny andro iny, satria vitsy ny olona namoha trano mba hihaino. Reraka sady somary kivy ilay Vavolombelona, ka efa saika handeha hody, saingy toa nahatsiaro ho voatosika hitsidika trano iray monja fanampiny izy. Tao izy no tojo an’ilay mpitondratena tanora. Nampandroso azy ilay ramatoa, ary nandray zavatra vita an-tsoratra nanazava ny Baiboly. Nanovo fampiononana lehibe avy tamin’ny famakiana io zavatra vita an-tsoratra io sy ny fiaraha-midinika tamin’ilay Vavolombelona, ilay ramatoa. Nianarany ny fampanantenan’Andriamanitra hanangana ny maty, ary koa ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay tsy ho ela dia hanao ny tany ho paradisa. Ny zava-dehibe indrindra, dia nanjary fantany sy tiany i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, izay namaly ny vavaka nataony.

Nanokana iray volana handraisana anjara tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro i Nora, izay mipetraka ao amin’ny tanànan’i George, atsy Afrika Atsimo. Talohan’ny nanombohany, dia nivavaka tamin-kafanam-po tamin’i Jehovah izy, mba hanampy azy hahita olona tena liana marina amin’ny fianarana ny Baiboly. Tao amin’ilay faritany nomena hiasany no nisy ny tranon’ny olona iray izay tena nasiaka taminy, fony izy nitsidika teo aloha. Nisikina herim-po i Nora ka nitsidika indray tao amin’io trano io. Gaga izy fa nisy mpanofa trano vaovao nifindra tao, nantsoina hoe Noleen. Ankoatra izany, dia nivavaka tamin’Andriamanitra i Noleen sy ny reniny, mba hanampy azy hahatakatra ny hevitry ny Baiboly. “Rehefa nanolotra fampianarana Baiboly tamin’izy mianaka aho”, hoy ny fanazavan’i Nora, “dia faly be izy ireo.” Nandroso haingana i Noleen sy ny reniny. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nandray anjara tamin’ilay asa fanasitranana ara-panahy, niaraka tamin’i Nora, izy mianaka.

Ohatra hafa iray mampiseho ny herin’ny vavaka ny an’ny mpivady iray, izay mipetraka ao amin’ny tanànan’i Johannesburg, atsy Afrika Atsimo. Tamin’ny 1996, ny alin’ny asabotsy iray izay, dia nadiva ho rava ny fanambadian’i Dennis sy i Carol. Ho fiala-nenina, dia nanapa-kevitra ny hivavaka izy roa ka nangataka fanampiana, ary namerimberina nanao izany izy ireo hatramin’ny alina be. Ny ampitson’iny, tamin’ny 11 maraina, dia nandondòna tao am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah roa. Namoha ny trano i Dennis, ary nasainy niandry izy ireo mandra-piantsony ny vadiny. Nampitandrina an’i Carol i Dennis nony avy eo fa raha mampandroso ny Vavolombelona izy, dia mety ho sarotra ny hampiala azy ireo tao an-trano. Nampahatsiahivin’i Carol an’i Dennis fa nivavaka nangataka fanampiana izy roa, ka nety ho io fitsidihana io no valim-bavaka avy tamin’Andriamanitra. Koa nampandrosoina àry ireo Vavolombelona, ary natomboka ny fianarana ny Baiboly, tamin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Nientam-po noho izay nianarany i Dennis sy i Carol. Nanatrika ny fivoriany voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana izy mivady, ny tolakandron’iny ihany. Nahita vahaolana ho an’ny zava-nanahirana azy ara-panambadiana i Dennis sy i Carol, rehefa nampihatra ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly. Mpidera an’i Jehovah falifaly sy vita batisa izy mivady ankehitriny, ary miresaka tsy tapaka amin’ny mpiara-belona aminy ny amin’ny finoany miorina amin’ny Baiboly.

Ahoana raha mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka ianao?

Mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hivavaka ny olona tso-po sasany, noho ny fomba fiainany ratsy. Nilaza ny tantaran’ny lehilahy iray toy izany, izay mpamory hetra nohamavoin’ny olona, i Jesosy Kristy. Nahatsiaro tena ho tsy mendrika ho ao amin’ny toeram-pivavahana nahazatra io lehilahy io, rehefa niditra tao an-kianjan’ny tempoly. “Nijanona teny lavitra eny [izy] (...) niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.” (Lioka 18:13). Araka ny voalazan’i Jesosy, dia nohenoina ny vavak’io lehilahy io. Porofoin’izany fa tena mamindra fo tokoa i Jehovah Andriamanitra, ary maniry ny hanampy ny mpanota mibebaka amim-pahatsorana.

Hevero ny tovolahy iray antsoina hoe Paul, avy atsy Afrika Atsimo. Nanatrika fivoriana kristianina niaraka tamin-dreniny i Paul, fony fahakeliny. Nandritra ny fianarany teny amin’ny lise anefa, dia nanomboka nifanerasera tamin’ny zatovo tsy nanaraka ny lalan’Andriamanitra izy. Rehefa niala tamin’ny fianarana izy, dia niditra tao amin’ny tafiky ny fitondram-panjakan’i Afrika Atsimo teo aloha nandala ny apartheid. Avy eo, tampoka teo, dia nanapaka ny fifandraisana taminy ilay ankizivavy niarahany. Nanjary kivy be noho izany fomba fiaina tsy nahafa-po izany i Paul. “Indray takariva”, hoy ny tsaroany, “dia nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy, na dia tsy nanatona an’Andriamanitra tamim-pahatsorana nandritra ny taona maro aza aho.”

Tsy ela taorian’iny vavaka iny, dia nasain-dreniny hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafadtesan’i Kristy fanao isan-taona, i Paul. (Lioka 22:19). Hitan’i Paul ho nahagaga ny nanasan-dreniny azy, satria naditra izy sady tsy naneho fahalianana firy tamin’ny Baiboly. “Valim-bavaka avy tamin’i Jehovah ilay fanasana, araka ny fiheverako, ka tsapako fa tokony hanaiky ilay izy aho.” Hatramin’izay, dia nanomboka nanatrika ny fivoriana kristianina rehetra i Paul. Nahafeno fepetra hatao batisa izy, rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny efa-bolana. Ankoatra izany, dia nifidy ny hirotsaka tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara manontolo andro izy, rehefa vita ny fianarany ho injeniera. Olona falifaly i Paul ankehitriny, fa tsy kivy intsony noho ny fiainany tamin’ny lasa. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika Atsimo izy, tato anatin’ny 11 taona farany.

Eny tokoa, mamaly vavaka amin-katsaram-panahy i Jehovah Andriamanitra, ary “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy”. (Hebreo 11:6). Tsy ho ela dia ho tonga ny andro lehiben’i Jehovah izay hamaranana ny faharatsiana rehetra. Mandra-pahatongan’izany, i Jehovah dia mamaly ny vavaka ataon’ny olony izay mangataka hery sy tari-dalana, eo am-pandraisan’izy ireo anjara amin-jotom-po amin’ilay asa fitoriana lehibe. Noho izany, dia olona an-tapitrisany maro avy amin’ny firenena rehetra no ampifandraisina amin’ny kôngregasiôna kristianina, ka voatahy amin’ny fahazoana fahalalana ara-baiboly, izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.​—Jaona 17:3.

[Sary, pejy 5]

Nahazo ny fitsidihan’ny apostoly Petera i Kornelio, noho ny vavaka nataony tamim-pahatsorana

[Sary, pejy 6]

Nanampy olona maro tao anatin’ny fotoam-pahoriana ny vavaka

[Sary, pejy 7]

Tsara ny mangataka fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka mba hahatakarana ny hevitry ny Baiboly

Afaka mangataka fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka ny mpivady mba hanatanjahana ny fanambadiany