Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Andriamanitra ô, Ampandehano ny Fahazavanao’

‘Andriamanitra ô, Ampandehano ny Fahazavanao’

‘Andriamanitra ô, Ampandehano ny Fahazavanao’

“Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo”.​—SALAMO 43:3.

1. Ahoana no ampihariharian’i Jehovah ny fikasany?

TENA be fiheverana i Jehovah raha ny amin’ny fomba ampahafantarany ny fikasany amin’ny mpanompony. Tsy indray aharihariny ao anatin’ny tsela-pahazavana iray mahajambena ny fahamarinana, fa aleony kosa manome antsika fahazavana ara-panahy miandalana. Ny diantsika manaraka ny lalan’ny fiainana dia azo ampitahaina amin’ny dia ataon’ny mpandeha an-tongotra iray izay manaraka lalankely lava iray. Miainga vao mangiran-dratsy izy, ary tsy misy zavatra firy tazan’ny masony. Rehefa manomboka miposaka tsikelikely eny am-paravodilanitra ny masoandro, dia afaka mahita ny lafiny sasany amin’ny manodidina azy ilay mpandeha an-tongotra. Manjavozavo kosa ny fahitany ny sisa. Rehefa manohy miakatra anefa ny masoandro, dia afaka mahita lavidavitra kokoa hatrany izy. Toraka izany koa ny fahazavana ara-panahy omen’Andriamanitra. Mamela antsika hahataka-javatra vitsivitsy isaky ny mandeha izy. Nanome fahazavana ara-panahy tamin’ny fomba mitovy amin’izany i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Andeha hodinihintsika ny fomba nanomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy ny vahoakany tamin’ny andro fahiny, sy ny fomba anaovany izany ankehitriny.

2. Ahoana no nanomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy tamin’ny andro talohan’ny Kristianisma?

2 Ireo mpanoratra ny Salamo faha-43 dia azo inoana fa ireo zanakalahin’i Kora. Levita izy ireo ka nanana tombontsoa nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra tamin’ny vahoaka. (Malakia 2:7). Mazava ho azy fa i Jehovah no Mpampianatra Lehibe azy ireo, ary nitodika tany aminy izy ireo satria Izy no Loharanon’ny fahendrena rehetra. (Isaia 30:20). “Andriamanitra ô, (...) ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao”, hoy ny vavak’ilay mpanao salamo. “Aoka hitarika ahy ireo”. (Salamo 43:1, 3). Raha mbola nahatoky teo anatrehany koa ireo Isiraelita, dia nampianatra azy ireo ny lalany i Jehovah. Taonjato maro tatỳ aoriana, i Jehovah dia nanome azy ireo tombontsoa manokana, dia karazana fahazavana sy fahamarinana faran’izay niavaka. Nanao izany Andriamanitra fony naniraka ny Zanany tetỳ an-tany.

3. Tamin’ny ahoana no nanjary fitsapana ho an’ny Jiosy ny fampianaran’i Jesosy?

3 I Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, dia “fahazavan’izao tontolo izao”, fony izy olombelona. (Jaona 8:12). Izy dia nampianatra ny olona “zavatra maro tamin’ny fanoharana”​—zava-baovao. (Marka 4:2). Hoy izy tamin’i Pontio Pilato: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”. (Jaona 18:36). Izany dia hevi-baovao ho an’ny Romanina, ary indrindra ho an’ireo Jiosy mpanindrahindra firenena, satria nihevitra izy ireo fa hanao izay haharesy ny Empira Romanina ny Mesia, ka hamerina ny Isiraely ho amin’ny voninahiny taloha. Nanome taratry ny fahazavana avy amin’i Jehovah i Jesosy. Tsy faly tamin’ny tenin’i Jesosy anefa ireo mpanapaka jiosy izay “tia ny voninahitra avy amin’ny olona (...), fa tsy ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Jaona 12:42, 43). Maro tamin’ny olona no nifidy ny hifikitra tamin’ny lovantsofin’olombelona efa narahiny, toy izay hanaiky ny fahazavana ara-panahy sy ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra.​—Salamo 43:3; Matio 13:15.

4. Ahoana no ahalalantsika fa hitombo fahatakaran-javatra hatrany ireo mpianatr’i Jesosy?

4 Nisy lehilahy sy vehivavy vitsivitsy tso-po anefa nanaiky tamim-pifaliana ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy. Nanao fandrosoana hatrany izy ireo teo amin’ny fahatakarana ny fikasan’Andriamanitra. Rehefa nihananakaiky anefa ny faran’ny fiainan’ilay Mpampianatra azy ireo, fony izy tetỳ an-tany, dia mbola nanan-javatra betsaka hianarana izy ireo. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.” (Jaona 16:12). Eny, hitombo hatrany ny fahatakaran’ireo mpianatra ny fahamarinan’Andriamanitra.

Mamirapiratra hatrany ilay fahazavana

5. Fanontaniana inona no nipoitra tamin’ny taonjato voalohany, ary iza no nanana andraikitra handamina azy io?

5 Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany, dia nihanamirapiratra mbola tsy nisy toy izany ny fahazavana avy amin’Andriamanitra. Nahariharin’i Jehovah tao amin’ny fahitana iray hitan’i Petera fa, nanomboka tamin’izay, dia afaka ny ho tonga mpanara-dia an’i Kristy ireo Jentilisa tsy voafora. (Asan’ny Apostoly 10:9-17). Zava-baovao izany! Nipoitra anefa izao fanontaniana izao tatỳ aoriana: Takin’i Jehovah ve ny hamorana ny Jentilisa toy izany, aorian’ny nahatongavany ho Kristianina? Tsy nahazoana valiny tao amin’ilay fahitana io fanontaniana io, ary nanjary niteraka adihevitra nafana teo amin’ireo Kristianina io raharaha io. Tsy maintsy nalamina izy io, fandrao ho simba tsikelikely ilay firaisan-tsaina sarobidy nananan’izy ireo. Tao Jerosalema àry, dia “nivory ny Apostoly sy ny loholona mba hihevitra izany zavatra izany”.​—Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 6.

6. Inona no fomba narahin’ireo apostoly sy loholona rehefa nandinika ilay raharaha momba ny famorana izy ireo?

6 Ahoana no nahafahan’ireo tao amin’io fivoriana io namaritra izay sitrapon’Andriamanitra momba ireo Jentilisa mpino? Tsy nandefa anjely mba hitarika ilay fiaraha-midinika i Jehovah, no sady tsy nanome fahitana ho an’ireo nanatrika tao. Na izany aza anefa, dia tsy hoe navela tsy nisy fitarihan-dalana mihitsy ireo apostoly sy loholona. Nodinihin’izy ireo ny fanambaran’ny Kristianina jiosy sasany, izay nahita ny fomba nanombohan’Andriamanitra nifampiraharaha tamin’ny olona anisan’ireo firenena, tamin’ny nandrotsahany ny fanahy masina tamin’ireo Jentilisa tsy voafora. Nanao fikarohana tao amin’ny Soratra Masina koa izy ireo mba hahazoana tari-dalana. Vokatr’izany, dia nanome tolo-kevitra niorina tamin’ny andinin-teny iray nanome fahazavana ara-panahy i Jakoba mpianatra. Rehefa nandinika ny porofo izy ireo, dia nanjary nazava ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy voatery hoforana ireo anisan’ireo firenena vao hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah. Tsy nitaredretra ny apostoly sy ny loholona fa tonga dia nandrakitra an-tsoratra ilay fanapahan-kevitra mba hitari-dalana ny Kristianina hafa. — Asan’ny Apostoly 15:12-29; 16:4.

7. Tamin’ny ahoana no nanao fandrosoana ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

7 Tsy mba sahala amin’ireo mpitarika ara-pivavahana jiosy izay nifikitra mafy tamin’ny lovantsofin’ireo razany ny ankamaroan’ireo Kristianina jiosy, fa nifaly kosa rehefa nahazo an’io fahatakaran-javatra vaovao niavaka io, dia ny fahatakarana ny fikasan’Andriamanitra momba ny olona anisan’ireo firenena. Nahafaly an’ireo Kristianina jiosy izany, na dia nitaky ny hanovany ny fomba fiheverany ny Jentilisa tamin’ny ankapobeny aza ny nanekeny izany. Nitahy ilay toe-tsaina feno fanetren-tena nasehon’izy ireo i Jehovah, ka “nihanahery finoana ny fiangonana sady nihamaro isan-andro”. — Asan’ny Apostoly 15:31; 16:5.

8. a) Ahoana no ahalalantsika fa azo nampoizina ny hisian’ny fahazavana betsaka kokoa taorian’ny nifaranan’ny taonjato voalohany? b) Fanontaniana tsara hapetraka inona avy no hodinihintsika?

8 Namirapiratra hatrany nandritra ny taonjato voalohany ny fahazavana ara-panahy. Tsy nahariharin’i Jehovah tamin’ireo Kristianina tany am-boalohany anefa ny lafiny rehetra tamin’ny fikasany. Nilaza toy izao tamin’ireo mpiray finoana taminy tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly: “Ankehitriny isika mizaha ao amin’ny fitaratra [metaly, NW ] ka mahita [soritra manjavozavo, NW ]”. (1 Korintiana 13:12). Tsy tena tsara ny sary navoakan’ny fitaratra toy izany. Teo am-boalohany àry dia voafetra ny fahazoana ny hevitry ny fahazavana ara-panahy. Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nihananjavozavo nandritra ny fotoana kelikely ilay fahazavana. Tato ho ato anefa dia nanjary tondraka ny fahalalana araka ny Soratra Masina. (Daniela 12:4). Ahoana no anomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy ny vahoakany ankehitriny? Ary ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mampitombo ny fahatakarantsika ny Soratra Masina izy?

Mihamamiratra hatrany ilay fahazavana

9. Inona no fomba tsy manan-tsahala sy mandaitra nampiasain’ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany mba hianarana ny Baiboly?

9 Tamin’izao andro maoderina izao, dia nanomboka niseho ilay tena fahazavana voalohany nitsilopilopy, tamin’ny ampahefany farany tamin’ny taonjato faha-19, fony nanomboka nianatra tamim-pahatsorana ny Soratra Masina ny antokon’olona iray voaforona lehilahy sy vehivavy kristianina. Nanorina fomba mandaitra hianarana ny Baiboly izy ireo. Nisy nametraka fanontaniana aloha, ary avy eo dia namakafaka ny andinin-teny rehetra mifandray amin’izany ilay antokon’olona. Rehefa nisy andininy roa toa nifanohitra, dia niezaka nampifandrindra azy ireny ireo Kristianina tso-po ireo. Tsy mba sahala amin’ireo mpitondra fivavahana tamin’izany andro izany ireo Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany andro izany), fa tapa-kevitra kosa ny hanaiky hotarihin’ny Soratra Masina, fa tsy ny lovantsofina na ny foto-pampianaran’olombelona. Rehefa avy nandinika ny porofo rehetra misy ao amin’ny Soratra Masina izy ireo, dia nataony an-tsoratra ny fanatsoahan-keviny. Tamin’izany fomba izany, dia nanjary nazava ny fahatakaran’izy ireo ny foto-pampianarana maro ao amin’ny Baiboly.

10. Inona no boky mahasoa fianarana Baiboly nosoratan’i Charles Taze Russell?

10 Niavaka teo anivon’ireo Mpianatra ny Baiboly i Charles Taze Russell. Nanoratra boky fianarana Baiboly nitondra ny lohateny hoe Études des Écritures izy. Boky enina nifampitohy izy ireo, ary boky nahasoa. Nikasa ny hanoratra ny boky fahafito, izay hanazava ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy ao amin’ny Baiboly, ny Rahalahy Russell. “Na rahoviana na rahoviana no ahitako ny fanalahidiny”, hoy izy, “dia hanoratra ilay Boky Fahafito aho.” Nanampy teny toy izao anefa izy: “Raha omen’ny Tompo olon-kafa ilay fanalahidy, dia afaka manoratra ilay boky izy.”

11. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fotoana sy ny fahatakarantsika ny fikasan’Andriamanitra?

11 Ny tenin’i C. T. Russell etsy ambony dia mampiseho mazava hoe inona no anton-javatra lehibe iray ahafahantsika mahatakatra ny andininy sasany ao amin’ny Baiboly​—ny fotoana. Fantatry ny Rahalahy Russell fa tsy afaka nanery ny hamirapiratan’ny fahazavana momba ny bokin’ny Apokalypsy izy, toy ny tsy ahafahan’ny mpandeha an-tongotra dodona iray manao izay hiposahan’ny masoandro alohan’ny fotoana tokony hiposahany.

Aharihary, fa amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra

12. a) Amin’ny fotoana inona no ahazoana amin’ny fomba tsara indrindra ny hevitry ny faminaniana ao amin’ny Baiboly? b) Ohatra inona no mampiseho fa miankina amin’ny fandaharam-potoanan’Andriamanitra ny fahafahantsika mahazo ny hevitry ny faminaniana ao amin’ny Baiboly? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

12 Tsy azon’ireo apostoly ny hevitry ny faminaniana maro momba ny Mesia raha tsy efa taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany. Tsy misy hafa amin’izany koa ny Kristianina ankehitriny: Tsy azon’izy ireo amin’ny an-tsipiriany kely indrindra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly raha tsy efa tanteraka. (Lioka 24:15, 27; Asan’ny Apostoly 1:15-21; 4:26, 27). Boky ara-paminaniana ny Apokalypsy, koa tokony hanantena ny hahazo ny hevitr’izy io amin’ny fomba faran’izay mazava isika, arakaraka ny itrangan’ireo fisehoan-javatra voalaza ao. Tsy afaka nahatakatra ny hevitra fonosin’ilay bibidia mivolon-jaky voalaza ao amin’ny Apokalypsy 17:9-11, ohatra, i C. T. Russell, satria ireo fikambanana aseho an’ohatra amin’ilay bibidia, izany hoe ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena Mikambana, dia mbola tsy nisy raha tsy taorian’ny nahafatesany. *

13. Inona no mitranga indraindray rehefa misy fahazavana alefa momba ny foto-kevitra ara-baiboly iray?

13 Rehefa fantatr’ireo Kristianina tany am-boalohany fa afaka ny ho tonga mpiray finoana taminy ireo Jentilisa tsy voafora, dia nitarika ho amin’ny fanontaniana vaovao iray izany fiovana izany. Nanjary fanontaniana nipetraka ny hoe ilaina hoforana ve ny olona anisan’ireo firenena. Nahatonga an’ireo apostoly sy loholona handinika indray ilay raharaha manontolo momba ny famorana izany. Toy izany koa amin’ny andro ankehitriny. Indraindray, ny tsela-pahazavana manjelatra iray momba ny foto-kevitra iray ao amin’ny Baiboly, dia mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra voahosotra, “ilay mpanompo mahatoky sy malina”, handinika indray ny foto-kevitra mifandray amin’izany, araka ny asehon’izao ohatra vao haingana manaraka izao.​—Matio 24:45, NW.

14-16. Tamin’ny ahoana ny fanitsiana ny fomba fijerintsika momba ny tempoly ara-panahy no nisy akony teo amin’ny fahatakarantsika ny Ezekiela toko faha-40 ka hatramin’ny toko faha-48?

14 Tamin’ny 1971, dia nisy fanazavana momba ny faminanian’i Ezekiela navoaka tao amin’ilay boky hoe “Les nations sauront que je suis Jéhovah”​—Comment? Mandinika fohifohy ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly ny toko iray ao amin’io boky io. (Ezekiela, toko faha-40 ka hatramin’ny faha-48). Ny nifantohana tamin’izany fotoana izany dia ny fomba hahatanterahan’ilay fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly, ao amin’ny tontolo vaovao.​—2 Petera 3:13.

15 Nisy akony teo amin’ny fahazoantsika ny hevitr’ilay fahitan’i Ezekiela anefa ny lahatsoratra roa nivoaka tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1973. Ireo lahatsoratra ireo dia namelabelatra ny amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe lazalazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-10. Nohazavain’io Ny Tilikambo Fiambenana io fa ny Masina sy ny kianja anatin’ilay tempoly ara-panahy dia mifandray amin’ny toe-piainana misy ny voahosotra raha mbola etỳ an-tany koa izy ireo. Rehefa naverina nodinihina ny Ezekiela toko faha-40-48, taona maro tatỳ aoriana, dia hita fa miasa ankehitriny ilay tempoly ara-panahy, ka tsy maintsy miasa toraka izany koa ankehitriny ilay tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. Ahoana izany?

16 Ao amin’ilay fahitan’i Ezekiela, dia hita mivezivezy ao amin’ny kianjan’ny tempoly ireo mpisorona, eo am-pikarakarany an’ireo foko tsy mpisorona. Ireo mpisorona ireo dia mazava fa sary mampiseho an’ilay “fanjakà-mpisorona”, dia ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra. (1 Petera 2:9). Tsy mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy manontolo anefa izy ireo no hanompo ao amin’ny kianja etỳ an-tanin’ilay tempoly. (Apokalypsy 20:4). Mandritra ny ampahany betsaka amin’io fe-potoana io, raha tsy hoe mandritra azy io manontolo mihitsy aza, ny voahosotra dia hanompo an’Andriamanitra ao amin’ny Masina Indrindran’ilay tempoly ara-panahy, dia ny ‘lanitra mihitsy’. (Hebreo 9:24, NW ). Koa satria hita mivezivezy ao amin’ny kianjan’ilay tempoly hitan’i Ezekiela ireo mpisorona, dia tsy maintsy misy fahatanterahany ankehitriny io fahitana io, raha mbola etỳ an-tany ny sasany amin’ny voahosotra. Araka izany, ny nomeraon’ny 1 Martsa 1999 amin’ity gazety ity, dia nahitana taratry ny fomba fijery voahitsy, mahakasika an’io foto-kevitra io. Noho izany, dia mbola nitohy hatramin’ny faran’ny taonjato faha-20 ny fandefasana fahazavana ara-panahy momba ny faminanian’i Ezekiela.

Aoka ianao ho vonona hanitsy ny fomba fijerinao

17. Fanitsiana inona avy no nataonao teo amin’ny fomba fijerinao manokana, hatramin’ny nahalalanao ny fahamarinana, ary tamin’ny ahoana izy ireny no nahasoa anao?

17 Izay rehetra maniry hahalala ny fahamarinana dia tsy maintsy vonona ‘hamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy’. (2 Korintiana 10:5). Tsy mora foana anefa izany, indrindra fa rehefa misy fomba fijery latsa-paka lalina. Ohatra, talohan’ny nianarana ny fahamarinan’Andriamanitra, dia mety ho nankafizinao ny nankalaza fety ara-pivavahana sasany, niaraka tamin’ny fianakavianao. Taorian’ny nanombohanao nianatra ny Baiboly, dia takatrao fa avy tamin’ny fanompoan-tsampy, raha ny marina, ireny fankalazana ireny. Tamin’ny voalohany, dia nety ho niahotra ny hampihatra izay nianaranao ianao. Tamin’ny farany anefa, dia nahery kokoa noho ny fihetseham-po ara-pivavahana ny fitiavana an’Andriamanitra, ka nitsahatra tsy nanao ireny fankalazana tsy mampifaly an’Andriamanitra ireny ianao. Tsy nitahy ny fanapahan-kevitrao ve i Jehovah?​—Ampitahao amin’ny Hebreo 11:25.

18. Ahoana no tokony ho fihetsitsika rehefa mihamazava ny fahatakarantsika ny fahamarinana ara-baiboly?

18 Mahasoa antsika foana ny fanaovan-javatra araka ny fomban’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18). Koa rehefa mihamazava amintsika àry ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, dia aoka isika hifaly noho ny fandrosoan’ny fahamarinana! Raha ny marina, ny fahazoantsika hatrany fahazavana ara-panahy dia manamafy fa eo amin’ny lalana marina isika. “Làlan’ny marina” izay “toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro” izy io. (Ohabolana 4:18). Marina aloha fa hitantsika “soritra manjavozavo” ankehitriny ny lafiny sasany amin’ny fikasan’Andriamanitra. Rehefa tonga anefa ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia ho hitantsika amin’ny hakantony rehetra ny fahamarinana, raha toa ka namahatra mafy hatrany tamin’ilay ‘lalana’ ny tongotsika. Mandra-pahatongan’izany, dia enga anie isika hifaly amin’ireo fahamarinana nataon’i Jehovah nazava, ary hiandry fahazavana ara-panahy momba ireo izay mbola tsy tena azo tsara.

19. Inona no fomba iray anehoantsika fa tiantsika ny fahamarinana?

19 Ahoana no ahafahantsika mampiseho amin’ny zavatra ataontsika fa tiantsika ny fahazavana? Ny fomba iray dia amin’ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra​—isan’andro raha azo atao. Manaraka fandaharam-pamakiana Baiboly tsy tapaka ve ianao? Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! koa, dia manome antsika sakafo ara-panahy tondraka sy mahasalama, izay natao hankafizintsika. Eritrereto koa ireo boky sy bokikely ary zavatra vita an-tsoratra hafa izay nomanina mba hahasoa antsika. Ary ahoana ny amin’ireo tatitra mampahery momba ny asa fitoriana ilay Fanjakana, izay avoaka ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

20. Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fahazavana mbamin’ny fahamarinana avy amin’i Jehovah, sy ny fanatrehantsika ireo fivoriana kristianina?

20 Eny, novalian’i Jehovah tamin’ny fomba mahatalanjona ilay vavaka ao amin’ny Salamo 43:3. Izao no vakintsika eo amin’ny faran’io andininy io: “Aoka hitarika ahy [ny fahazavanao sy ny fahamarinanao] ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin’ny tabernakelinao.” Tsy andrinao ve ny hanompoana an’i Jehovah, miaraka amin’ny olon-kafa sesehena? Ny fampianarana ara-panahy omena any amin’ireo fivoriantsika dia fomba lehibe iray anomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy ankehitriny. Inona no azontsika atao mba hahalalina kokoa ny fankasitrahantsika ireo fivoriana kristianina? Manasa anao izahay mba handinika amim-pahatsorana an’io foto-kevitra io, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 12 Taorian’ny nahafatesan’i C. T. Russell, dia nomanina mba hanomezana fanazavana momba ny bokin’i Ezekiela sy ny Apokalypsy ny boky iray nambara ho ny fahafito tamin’ny Études des Écritures. Tamin’ny ampahany, dia niorina tamin’ny fanazavana nomen’i Russell momba ireo boky ao amin’ny Baiboly ireo ilay boky. Mbola tsy tonga anefa ny fotoana hampiharihariana ny hevitr’ireo faminaniana ireo, ary tamin’ny ankapobeny, dia nanjavozavo ny fanazavana natolotra tao amin’io boky anisan’ny Études des Écritures io. Tao anatin’ireo taona nanaraka izany, dia namela ny Kristianina hahatakatra tamin’ny fomba marina kokoa ny hevitr’ireo boky ara-paminaniana ireo ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory sy ireo fisehoan-javatra teo amin’izao tontolo izao.

Hainao Valiana Ve?

• Nahoana i Jehovah no mampiharihary miandalana ny fikasany?

• Ahoana no nandaminan’ireo apostoly sy loholona tao Jerosalema ilay raharaha niadian-kevitra momba ny famorana?

• Inona no fomba fianarana Baiboly nampiharin’ireo Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany, ary nahoana izy io no tsy manan-tsahala?

• Hazavao amin’ny ohatra fa aharihary amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ny fahazavana ara-panahy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Fantatr’i Charles Taze Russell fa hamirapiratra amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ny fahazavana momba ny bokin’ny Apokalypsy